Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny andraikitry ny mpianatra iray
REHEFA avy nandao ny tranon’ny Fariseo nalaza iray, izay azo inoana fa anisan’ny Synedriona, i Jesosy dia nanohy ny lalany nankany Jerosalema. Vahoaka betsaka no nanaraka azy. Nefa inona no nanosika azy ireo? Raha ny marina, inona no tafiditra amin’ny hoe tena mpianatr’i Jesosy?
Teny an-dalana dia nitodika tany amin’ireo vahoaka i Jesosy ary nilaza taminy ireto teny ireto izay angamba nanafintohina azy: “Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.”
Tsy te-hilaza akory Jesosy hoe tokony hankahala amin’ny heviny ara-bakiteny an’ireo anisan’ny fianakaviany ny mpianany, fa hankahala azy amin’ny heviny hoe tokony ho tia azy ireny latsaka noho ny fitiavany azy, dia izy, izy ireo. Ohatra, voalaza ny amin’i Jakoba, razamben’i Jesosy, fa ‘nankahala’ an’i Lea izy ary tia an-dRahely. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia latsaka kokoa ny fitiavany an’i Lea noho ny an-dRahely rahavaviny.
Aoka homarihintsika fanampin’izany fa nilaza i Jesosy hoe ny mpianatra iray dia tokony hankahala “ny ainy koa aza”, na ny fiainany. Araka izany àry dia nohamafisin’i Jesosy tsara fa andraikitra lehibe izany hoe tonga mpianany. Tsy fanapahan-kevitra tokony horaisina tsy misy fieritreretana matotra izany.
Ny hoe tonga mpianatr’i Jesosy dia milaza fisetrana fitsapana sy fanenjehana: “Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.” Noho izany, ny tena mpianatra iray dia tokony ho vonona hitondra lanjam-pahafaham-baraka mitovy amin’izay niaretan’i Jesosy, fahafaham-baraka mety ho tonga, raha ilaina izany, hatramin’ny fahafatesana eo am-pelatanan’ireo fahavalon’Andriamanitra, ary izany indrindra moa no niandry an’i Jesosy.
Noho izany, ireo vahoaka izay nanaraka an’i Kristy dia nila ny namakafaka tamim-pitandremana ny dikan’ny hoe tonga mpianany. Nanamafy io lafiny io tamin’ny fanoharana iray i Jesosy: “Fa iza moa aminareo raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovana izany, na misy hahavitany azy na tsia? fandrao rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita ka hanao hoe: ‘Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.’ ”
Nohazavain’i Jesosy tamin’ireo mpihaino maro be izay nanaraka azy àry fa alohan’ny hahatongavana ho mpianany dia tokony ho tapa-kevitra mafy izy ireo ny hanao izay azony atao mba hahavitana izay takin’ny fisafidianana toy izany, tahaka ny lehilahy iray izay maniry hanorina tilikambo ka manao izay hahazoana antoka, alohan’ny hanombohana, fa manana ireo fitaovana ilaina izy mba hamitana izany. Avy eo Jesosy dia nanome fanoharana hafa iray.
“Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ny iray alina izy, na tsia? Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.”
Taorian’ireo fanoharana ireo, dia nataon’i Jesosy izay hivoahan’ny lesona tamin’izao teny izao: “Ary toy izany koa hianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.” Izany no tokony heken’ny olona izay manaraka azy hatao, ary raha ny marina dia na iza na iza tonga amin’ny fahalalana an’i Kristy. Tokony ho vonona hahafoy izay rehetra ananany izy — ny fananany rehetra, ary hatramin’ny ainy — raha maniry ho tonga mpianany. Vonona ho amin’izany fahafoizan-tena izany ve ianao?
“Koa tsara ny sira”, hoy ny tohin’ny tenin’i Jesosy. Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra dia efa nilaza izy fa ny mpianany no “fanasin’ny tany”, amin’ny heviny hoe, satria mpitahiry zavatra tsy ho simba ny sira, ny tenin’izy ireo dia afaka mitahiry ho amin’ny fiainana ireo izay mihaino azy. “Fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.”
Asehon’i Jesosy miharihary eto fa na dia ireo efa mpianany hatramin’ny fotoana elaela aza dia tsy tokony hihaosa eo amin’ny fahatapahan-keviny hanohy amin’izany lalana izany. Raha izany no mitranga, dia hanjary tsy hahasoa izy ireo, ho zavatra fanaraby ho an’izao tontolo izao ary tsy ho mendrika eo imason’Andriamanitra, raha afohezina ny filaza azy dia ho fahafaham-baraka ho an’Andriamanitra izy. Tahaka ny sira matsatso sy maloto, dia hatsipy any ivelany izy ireo, holevonina izy ireo. Lioka 14:25-35; Genesisy 29:30-33; Matio 5:13.
◆ Inona no dikan’ny hoe ‘mankahala’ ny havan’ny tena ary ‘mankahala’ ny tena ihany?
◆ Mampiasa fanoharana roa i Jesosy. Inona avy izany ary inona no dikany?
◆ Inona no lesona avy amin’ireo fanamarihana farany nataon’i Jesosy momba ny sira?