-
Ny tantaran’ny zanakalahy very irayIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Nefa ny fanaovan’ilay ray tamim-pitiavana ny dingana voalohany dia nanamora ny fieken’ilay zanaka ny fahotany, araka ny notantarain’i Jesosy toy izao: “Avy eo dia hoy ilay zanaka taminy: ‘Ray ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hatao hoe zanakao intsony aho. Ataovy toy ny iray amin’ireo lehilahy karamainao aho’.”
-
-
Ny tantaran’ny zanakalahy very irayIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Ilay zanaka mpandanilany foana kosa etsy an-daniny, dia mampiseho ireo anisan’ny olon’Andriamanitra izay niala mba hifaly tamin’ny fahafinaretana atolotr’izao tontolo izao. Tatỳ aoriana, anefa, dia niverina tamim-pibebahana izy ireo ka tonga mpanompon’Andriamanitra narisika indray. Eny tokoa, fitiavana sy famindrampo toy inona moa no asehon’ny Ray amin’ireo izay mahatsapa ny ilàny famelan-keloka ka miverina aminy!
-