-
Ny tantaran’ny zanakalahy very irayIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Tezitra anefa izy ary tsy nety niditra. Tamin’izay, dia nivoaka ny rainy ka nanomboka niangavy azy fatratra. Ho valin’izany, dia hoy izy tamin-drainy: ‘Indro, izay ela izay aho dia nanompo anao, ary na dia indray mandeha aza aho dia tsy nandika ny didinao, ary anefa na dia indray mandeha aza aho dia tsy nomenao zanak’osy iray akory hiarahako niravoravo tamin’ireo sakaizako.
-
-
Ny tantaran’ny zanakalahy very irayIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Iza no tahaka ilay zanaka lahimatoa ka nanakiana ny famindrampo sy ny fiheverana naseho ny mpanota? Tsy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ve? Koa satria ny fanakianana nataon’izy ireo tamin’i Jesosy noho izy nandray tsara ny mpanota no nahatonga ny fanaovana io fanoharana io, dia mazava fa tsy maintsy izy ireo no nasehon’ilay zanaka lahimatoa.
-
-
Ny tantaran’ny zanakalahy very irayIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Ilay zanaka lahimatoa dia mampiseho ny mpikambana sasany tamin’ny “andian’ondry vitsy”, na koa hoe “kongregasionan’ireo lahimatoa izay voasoratra any an-danitra”. Izy ireo dia nanaraka fihetsika nitovy tamin’ny an’ilay zanaka lahimatoa. Tsy nanana faniriana ny handray tsara ny kilasy eto an-tany iray, dia ireo “ondry hafa”, izay noheveriny fa nangalatra ny fampisehoana fiheverana rehetra tokony ho azy, izy ireo.
-