-
Niverina Ilay Zanaka VeryI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
nefa hoy izy tamin-drainy: ‘Taona maro izao no nanompoako anao, ary mbola tsy nandika ny didinao mihitsy aho na indray mandeha aza, kanefa mbola tsy nanome ahy osy iray akory ianao na indray mandeha aza, mba hifaliako miaraka amin’ny namako. Fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay nandany ny fanananao tany amin’ny mpivaro-tena, dia namonoanao ilay zanak’omby mifahy.’ ”—Lioka 15:25-30.
Iza no nitovy toe-tsaina tamin’ilay zoky, ka nanakiana an’i Jesosy rehefa namindra fo sy niahy ny sarambabem-bahoaka sy ny mpanota izy? Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy satria nokianin’izy ireo rehefa nandray tsara ny mpanota. Tokony handray lesona avy amin’izany izay rehetra manakiana an’Andriamanitra noho izy mamindra fo.
-
-
Niverina Ilay Zanaka VeryI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Tsy nolazain’i Jesosy izay nataon’ilay lahimatoa taorian’izay. “Mpisorona maro be” anefa “no nanjary nanaiky ny finoana” taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 6:7) Anisan’izany angamba ny olona sasany naheno an’i Jesosy nilaza an’ilay fanoharana. Nety ho tonga saina sy nibebaka izy ireo ary niverina tamin’Andriamanitra.
-