-
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy LazarosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
“Hatreo amin’i Jaona ihany ny Lalàna sy ny Mpaminany. Fa nanomboka teo kosa dia ny fanjakan’Andriamanitra no vaovao tsara torina amin’ny olona, ary misesika ho ao ny karazan’olona rehetra.
-
-
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy LazarosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Nirehareha ny mpitondra fivavahana jiosy hoe nanaraka ny Lalàn’i Mosesy. Hoy ny Fariseo rehefa nanasitrana an’ilay jamba tany Jerosalema i Jesosy: “Izahay mpianatr’i Mosesy. Fantatray fa niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra.” (Jaona 9:13, 28, 29) Ny hitarika an’ireo manetry tena mba hino ny Mesia na Jesosy no antony iray nanomezana ny Lalàna. Nantsoin’i Jaona Mpanao Batisa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra i Jesosy. (Jaona 1:29-34) Nandre momba “ny fanjakan’Andriamanitra” ny Jiosy nanetry tena, indrindra fa ny mahantra, nanomboka tamin’i Jaona nitory. Afaka mandre ny “vaovao tsara” tokoa izay te ho vahoakan’ilay Fanjakana sy te handray soa avy amin’izy io.
-