-
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy LazarosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Hoy i Jesosy: “Nisy lehilahy manankarena nanao akanjo vita tamin’ny lamba volomparasy sy rongony. Niravoravo isan’andro izy sady niaina tao anatin’ny renty.
-
-
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy LazarosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Tia vola ny Fariseo ka azo inoana fa izy ireo no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe “lehilahy manankarena.” Tia manao akanjo mirenty sy lafo vidy koa izy ireo. Nanan-karena izy ireo sady nanana tombontsoa sy voninahitra be. Ny toerana ambony nananany no tiana horesahina amin’ilay akanjo volomparasy fitafin’ny mpanjaka. (Daniela 5:7) Ilay rongony fotsy kosa midika hoe miseho ho marina izy ireo.
-