-
Nahay Nankasitraka ny Boka IrayI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Nanohy ny lalany ny sivy. Niverina nitady an’i Jesosy kosa ny iray, izay Samaritanina. Fa nahoana? Tena nankasitraka an’izay nataon’i Jesosy izy. Fantany fa Andriamanitra no nanasitrana azy, ka ‘nanome voninahitra azy tamin’ny feo avo’ izy. (Lioka 17:15)
-
-
Nahay Nankasitraka ny Boka IrayI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Nasehon’i Jesosy tamin’izy nanasitrana an’ireo boka folo fa manampy azy i Jehovah Andriamanitra. Sitrana ny iray taminy noho ny zavatra nataon’i Jesosy, ary azo inoana fa teo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana izy io. Tsy mampiasa an’i Jesosy mba hanasitrana toy izany intsony Andriamanitra ankehitriny. Ho afaka handeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay koa anefa isika, raha mino an’i Jesosy. Mahay mankasitraka toa an’ilay Samaritanina àry ve isika?
-