Tsy hoe Antitra Loatra Izy ka Tsy ho Afaka Hanompo An’i Jehovah
OLONA be taona maro no mahatsapa fa ireo taona sisa hiainany dia tsy mirakitra afa-tsy fanantenan-kasambarana kely fotsiny. Ny vehivavy mpanao teatira malaza iray izay mihamandroso taona dia nilaza toy izao mihitsy aza: “Nosimbako ny fiainako, ary diso aoriana loatra izao mba hanovana azy (...) Rehefa mandeha mitsangantsangana irery aho, dia mieritreritra ny fiainako lasa, ary tsy faly aho ny amin’ny fomba nitondrako azy (...) Tsy milamin-tsaina aho na aiza na aiza ary tsy mahatombin-tsiraka.”
Tsy nanana zava-nanahirana karazan’izany ny vehivavy be taona iray izay niaina efa ho 2 000 taona lasa izay. Vehivavy nananotena 84 taona izy, kanefa dia narisika sy sambatra ary nahazo sitraka tamin’ny fomba nahagaga tamin’Andriamanitra. Ana no anarany, ary nanana antony manokana hifaliana izy. Inona moa izany?
“Tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly”
I Lioka, mpanoratra Filazantsara, dia mampahafantatra antsika momba an’i Ana. “Ary nisy mpaminanivavy anankiray”, hoy izy, “dia Ana, zanakavavin’i Fanoela, avy tamin’ny firenen’i Asera” teo amin’ny Isiraely. Tamin’ny naha-mpaminanivavy azy, dia nanana ny fanomezan’ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny heriny miasa, tamin’ny heviny manokana izy. Ary nanana fahafahana lehibe haminany i Ana tamin’ny tarehin-javatra niavaka iray.
Nitantara toy izao i Lioka: “Efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ny vadiny fito taona taorian’ny naha-virijina azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona”. (Lioka 2:36, 37). Azo inoana fa i Ana dia nanjary nananotena fony mbola tanora tokoa. Ireo vehivavy kristiana nanjary mananotena na firy taona na firy taona izy ireo dia mahafantatra fa mampahory aoka izany ny mamoy vady malala nindaosin’ny fahafatesana. Tahaka ireo vehivavy araka an’Andriamanitra maro amin’izao androntsika izao anefa, i Ana dia tsy namela izany zava-nitranga mampalahelo teo amin’ny fiainany izany hampijanona ny fanompoany an’Andriamanitra.
Milaza amintsika i Lioka fa i Ana dia “tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly” tao Jerosalema. (Lioka 2:37). Nankasitraka fatratra ny fahafaham-po izay nateraky ny fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy. Ireo asany dia nampiharihary fa izy, tahaka an’i Davida mpanao salamo sady mpanjakan’ny Isiraely, dia tsy nanana afa-tsy zavatra tokana mba hangatahina tamin’i Jehovah. Ary inona moa izany? Nihira toy izao i Davida: “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.” (Salamo 27:4). Amin’io lafiny io koa, i Ana dia tahaka ireo vehivavy kristiana amin’izao andro izao, izay mahita fahafinaretana amin’ny fahatongavana tsy tapaka ao amin’ny toerana fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.
Nanolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah andro aman’alina i Ana. Nanao izany “tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana” izy, ka izany dia nampiseho alahelo sy faniriana mafy feno fahatsorana. (Lioka 2:37). Ny fitoeran’ny Jiosy teo ambany fanapahan’ireo fahefana jentilisa nandritra ny taonjato maro, nampian’ny toe-draharaha ara-pivavahana nihasimba izay nahatratra ny tempoly sy ny fisoronana mihitsy aza, dia nety ho anton-javatra lehibe nahatonga ny fifadian-kanina sy ny fivavahana nataon’i Ana tamin’i Jehovah Andriamanitra. Kanefa dia nanana antony hahasambatra koa izy, indrindra fa noho ny zavatra tsy fahita izay nitranga tamin’ny andro iray tena nanan-tantara tokoa tamin’ny taona 2 al.f.i.
Fitahiana tsy nampoizina
Tamin’io andro nisy heviny tena lehibe io, i Jesosy zaza dia nentin’i Maria reniny sy i Josefa rainy nanangana azy, nankao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nahita ilay zazakely i Simeona efa be taona ary nilaza teny ara-paminaniana tamin’io tarehin-javatra io. (Lioka 2:25-35). Tao amin’ny tempoly toy ny nahazatra i Ana. “Niditra tamin’izany ora izany izy”, hoy ny fitantaran’i Lioka. (Lioka 2:38). Tsy maintsy ho nientam-po erỳ i Ana rehefa nahita ilay ho Mesia ireto mason’antitra!
Efapolo andro talohan’izay, dia nanaitra ireo mpiandry ondry teny akaikin’i Betlehema tamin’izao teny izao ny anjelin’Andriamanitra: “Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Nisy anjelin’ny lanitra maro be nidera an’i Jehovah ka nanampy hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:8-14). Toy izany koa, i Ana dia voatosika avy hatrany hanao fanambarana momba ilay ho Mesia!
Tamin’ny fahitana an’i Jesosy zazakely, i Ana dia “nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana [“fanafahana”, NW ] tao Jerosalema”. (Lioka 2:38). Tahaka an’i Simeona be taona, izay nahazo tombontsoa koa nahita an’i Jesosy zaza tao amin’ny tempoly, dia tsy isalasalana fa naniry mafy sy nivavaka ary niandry an’ilay Mpanafaka nampanantenaina izy. Tsara loatra ilay vaovao tsara hoe i Jesosy Izy io ka tsy notanany ho azy samirery.
Na dia nety ho tsy nanampo ny ho velona aza i Ana rehefa lehibe i Jesosy, dia inona no nataony? Nanambara tamim-pifaliana tamin’ny hafa momba ny fanafahana mety ho tanteraka amin’ny alalan’io Mesia ho avy io izy.
Ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Ana
Olona tia fivavahana firy eo amin’izao tontolo izao no hanome fanambarana toy izany, na mbola hanolotra fanompoam-pivavahana andro aman’alina eo amin’ny faha-84 taonany? Azo inoana fa ho nangataka vola fandrain’ny efa misotro ronono izy ireo, taona maromaro talohan’izay. Hafa noho izy ireo i Ana sy i Simeona. Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpanompon’i Jehovah be taona rehetra izy ireo. Tena tia tokoa ny trano fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah izy ireo ary nidera azy tamin’ny fony rehetra.
Manana ohatra faran’izay tsara ny amin’ny vehivavy mananotena araka an’Andriamanitra isika, dia i Ana. Raha ny tena izy, ny filazalazan’i Lioka an’io vehivavy be taona nanetry tena io dia mifanahaka tsara amin’ny toetra tsaran’ny vehivavy mananotena mendrika iray, asongadina ao amin’ny 1 Timoty 5:3-16. Ao ny apostoly Paoly dia milaza fa ny vehivavy mananotena toy izany dia “maharitra amin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman-alina” sy “efa nanam-bady indray mandeha ihany” ary ‘mazoto manaraka ny asa tsara rehetra’. Karazana vehivavy toy izany i Ana.
Ankehitriny isika dia mahita vehivavy mananotena be taona mahatoky izay manolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra andro aman’alina any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro manerana ny tany. Toy inona moa ny fankasitrahantsika ny fananana ireny “Ana” amin’ny andro maoderina ireny eo anivontsika!
Na dia efa mandroso taona aza ny lehilahy sy ny vehivavy, dia afaka manao fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy mampiseho izany amin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano. Ireo be taona dia tsy hoe antitra loatra ka tsy ho afaka hanompo an’i Jehovah sy hanao fanambarana momba ilay Fanjakana mesianika izay efa miorina any an-danitra izao, ka hitondra tsy ho ela fitahiana tondraka ho an’ny taranak’olombelona mankato. Ireo olona be taona ankehitriny izay manolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra dia afaka manaporofo ny fitahian’i Jehovah mirotsaka amin’izy ireo, mitovy amin’i Ana notahina manokana, taonjato maro lasa izay. Tsy hoe antitra loatra izy ka tsy ho afaka hanompo an’i Jehovah sy hidera ny anarany masina — ary tsy toy izany koa izy ireo.