Sary avy amin’ny Tany nampanantenaina
Nazareta — ny tanàna niavian’ilay mpaminany
“ARY ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany, Izay avy any Nazareta any Galilia.” Eny, na dia nandritra ny fanompoan’i Jesosy aza, ny fanononana azy fotsiny dia nahatonga hieritreritra ilay tanànan’i Nazareta tonga nalaza. Araka izany no nilazan’ireo tonga hisambotra azy fa nitady an’i “Jesosy avy any Nazareta” izy ireo fa tsy hoe hitady an’i Jesosy fotsiny — Matio 21:11; 26:71; Jaona 18:3-5; Asan’ny apostoly 26:9.
Ny sary etsy ambony dia mampiseho izay ho hitanao rehefa mitsidika an’i Nazareta ankehitriny ianao. Izy io dia lehibe lavitra noho ny tamin’ny fotoana nahatongavan’ny anjely iray “ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta” mba hilaza amin’i Maria fa hitondra ny zanak’Andriamanitra ao am-bohoka izy (Lioka 1:26-33). Tamin’izany andro izany, i Nazareta dia nitovy kokoa tamin’ilay tanàna kely aseho etsy amin’ny pejy ilany, misy trano efa-joro maromaro mitangorona eo amin’ny ilan’ny vohitra iray. Azo antoka fa nipetraka tao amin’ny trano iray sahala amin’ireo ry Josefa sy Maria. Taloha kelin’ny niterahan’i Maria anefa, dia tsy maintsy nandeha tany Betlehema any atsimo kokoa izy ireo, ary tany i Jesosy no teraka. Tatỳ aoriana izy ireo dia nandositra ho any Egypta mba hiarovana ilay zaza tamin’i Heroda izay nikasa ny hamono azy. Tatỳ aoriana izy ireo dia nandositra ho any Egypta mba hiarovana ilay zaza tamin’i Heroda izay nikasa ny hamono azy. Taorian’izany, dia “niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany”. — Lioka 2:4, 39; Matio 2:13-23.
Hita àry, fa tsy tao amin’ny tanàn-dehibe naresaka toa an’i Jerosalema na i Tiberiasy akory i Jesosy no nihalehibe fa tao amin’ny toerana nangingina iray. Teo amin’ny toerana iva voahodidin’ireo vohitr’i Galilia ambany i Nazareta, toerana izay tondraky ny varimbazaha, ny voaloboka, ny oliva ary ny aviavy. Nangatsiatsiaka nahafinaritra ny fotoam-pahavaratra tao amin’io toerana io, kanefa tsy dia mafy toy ny tany Galilia ambony ny ririnina tao.
Namelona ny vadiny mbamin’ireo zanany lahy sy vavy i Josefa tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpandrafitra, angamba tao amin’ny toeram-piasana toy izay aseho eo amin’ny sary etsy amin’ny ilany hita any Nazareta amin’ny andro ankehitriny. Nety ho nanomana ireo hazo nilaina ho amin’ny tafontrano na varavarana ho ana trano tao an-tanàna, na latabatra, na seza tsy misy fiankinana, na fanaka hafa vita tamin’ny hazo izy. Fantatsika fa nijery sy nianatra izany i Jesosy, satria nantsoina hoe “mpandrafitra” koa izy. (Marka 6:3; Matio 13:55.) Nanome azy ireo asa fanampiny koa angamba ny asa fambolena nanodidina an’i Nazareta. Nety ho nanamboatra zioga toy ity hita eo amin’ireo biby etsy amin’ny sary manaraka i Jesosy, teo am-pampiasan’i Josefa ny fitaovany angamba mba hanamboarana angadin’omby na fivelezam-bary hotarihina ao aorian’ilay zioga. — 2 Samoela 24:22; Isaia 44:13.
Tamin’ny fahazazany i Jesosy dia nety ho nitsangatsangana nanodidina an’i Nazareta, toy ny tany “Kana any Galilia”, 13 kilaometatra any avaratra, toerana nanaovany ny fahagagany voalohany tatỳ aoriana (Jaona 2:1-12). Raha nandeha an-tongotra nandritra ny 10 kilaometatra teo ho eo nankany atsimo atsinanana ho any amin’ny lohasahan’i Jezirela sy ny havoana More i Jesosy, dia ho nahatratra ny tanànan’i Naina, hita etsy amin’ny pejy faha-17.a (Mpitsara 6:33; 7:1). Tsarovy fa tamin’ny dia voalohany nataony nandritra ny fanompoany, i Jesosy dia nifanena tamin’olona maro handeha handevina teo akaikin’i Naina. Onena i Jesosy, ka nanangana ny zanak’ilay mpitondratena tamin’ny maty. — Lioka 7:11-16.
Tsy teo amin’ny lalana lehibe indrindra tao amin’ilay tany i Nazareta, kanefa mora ny nahazo ireny lalana ireny avy teo amin’io tanàna io. Afaka mahita izany ianao eo amin’ny sarintany amin’ny fonon’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1990 izay ahitana koa sary iray lehibe kokoa ao anatiny mampiseho an’i Nazareta ankehitriny. Ny lalana any atsinanana miankandrefana namakivaky ny lohasahan’i Jezirela dia nampifandray ny seranan’i Akra, na Ptolemisy, tamin’ny Ranomasin’i Galilia sy tamin’ny Lohasahan’i Jordana. Tonga nanapaka izany lalana izany ny lalana iray avy any atsimo, avy any Damaskosy ary nidina namakivaky an’i Samaria nankany Jerosalema.
Nanana ny synagogany manokana i Nazareta, ary tany am-panombohan’ny fanompoany, i Jesosy dia nankany “araka ny fanaony.” Namaky ny Isaia 61:1, 2 izy ka nampihatra izany tamin’ny tenany. Ahoana no handraisan’ireo mponina tao an-tanàna izany, satria ny olona sasany tao nahita azy nihalehibe ary nety ho nandoa vola ho azy mihitsy aza noho ny asa fandrafetana nataony ho azy ireo? Tezitra aoka izany ireo ary nitady ny hanjera azy amin’ny hantsana iray, kanefa afaka nandositra i Jesosy (Lioka 4:16-30). Azo antoka fa tonga tany Nazareta ny vaovao ny amin’izay nataony tatỳ aoriana tany Naina sy tany amin’ny toerana hafa, satria rehefa niverina tao izy ka nampianatra tao amin’ny synagoga teo an-toerana, dia tsy nisy niresaka ny hamono azy. Kanefa dia “tsy nanao asa lehibe maro teo” izy, satria tsy nino azy ho mpaminany ireo olona nahafantatra azy tao. — Matio 13:53-58.
Izao no filazan’i Marka ny fomba fihetsik’i Jesosy tamin’izany: “Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin’ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.” Mampalahelo tokoa fa marina tamin’ny maro tamin’ireo mponina tao Nazareta izany. Kanefa, mbola afaka mieritreritra an’io tanàna io ho toy ny tanàna niavian’ilay Mpaminany nofidintsika hohajaina isika. — Marka 6:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Eo amin’ny sarintany amin’ny fonon’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1990, i Nazareta dia eo amin’ny nomerao faha-2. Ny havoanan’i More dia hita eo amin’ny nomerao faha-3.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.