‘Mahazoa Sakaiza Amin’ny Harena Tsy Marina’
“Aoka ny mamôna [“harena”, NW ] tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza (...) Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be”. — LIOKA 16:9, 10.
1. Ahoana no nideran’i Mosesy sy ny zanak’Isiraely an’i Jehovah taorian’ny nialany tany Egypta?
NOVONJENA tamin’ny fahagagana iray — fanandraman-javatra manatanjaka ny finoana re izany! Tsy misy afa-tsy i Jehovah Tsitoha ihany no azo lazaina fa niavian’ny fifindrana rodobe nataon’ny Isiraely avy tany Egypta. Tsy mahagaga raha nihira toy izao i Mosesy sy ireo Isiraelita: “Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.” — Eksodosy 15:1, 2; Deoteronomia 29:2.
2. Inona no nentin’ny vahoakan’i Jehovah niaraka taminy rehefa nandao an’i Egypta izy ireo?
2 Toy inona moa ny fifanoheran’ny fahafahana vaovao hitan’ny Isiraely sy ilay toe-piainany tany Egypta! Izao izy ireo dia afaka nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tsy nisy fanakantsakanana. Ary tsy nandao an’i Egypta nitondra tanam-polo izy ireo. Nitantara toy izao i Mosesy: “Ny Zanak’Isiraely (...) nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Egyptiana. Ary nataon’i Jehovah nahita fitia teo imason’ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ireo azy Izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.” (Eksodosy 12:35, 36). Kanefa ahoana no nampiasan’izy ireo ireny harenan’i Egypta ireny? Moa ve izany nahatonga ‘fanandratana an’i Jehovah’? Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’izy ireo? — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:11.
“Fanomezana ho an’i Jehovah”
3. Nanosika an’i Jehovah hanana fihetsika nanao ahoana ny nampiasan’ny Isiraely ny volamena teo amin’ny fanompoam-pivavahan-diso?
3 Nandritra ny fitoeran’i Mosesy 40 andro, lava be, tany amin’ny Tendrombohitra Sinay mba hahazoana ireo toromarik’Andriamanitra ho an’ny Isiraely, dia niha-tsy nahatombin-tsiraka ny olona niandry tatỳ ambany. Nandrombotra ny kaviny volamena izy ireo ka nitarika an’i Arona mba hanao sarin-javatra ho azy ireo hanolorana fanompoam-pivavahana. Nanorina alitara ho azy ireo koa i Arona, ary vao maraina be, ny ampitson’iny, dia nanolotra fanatitra teo izy ireo. Nahatonga azy ireo hankamamin’ilay Mpanafaka azy ve io fampiasana ny volamenan’izy ireo io? Tsy izany velively! “Koa ankehitriny”, hoy ny fanambaran’i Jehovah tamin’i Mosesy, “avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy”. Noho ny fiangavian’i Mosesy fotsiny no nitsimbinan’i Jehovah ilay firenena, na dia maty noho ny loza iray avy tamin’Andriamanitra aza ireo mpitarika mpikomy. — Eksodosy 32:1-6, 10-14, 30-35.
4. Inona ilay “fanomezana ho an’i Jehovah”, ary iza no nanome azy io?
4 Tatỳ aoriana, dia nanana fahafahana hampiasa ireo harena nananany tamin’ny fomba izay tena nampifaly an’i Jehovah, ny Isiraely. Namory “fanatitra [“fanomezana”, NW ] ho an’i Jehovah” izy ireo.a Anisan’ireo fanomezana ho an’ny fanorenana sy ny fanisiana fanaka tao amin’ny tabernakely ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny kofehy manga, ny ravin-damba voaloko maro isan-karazany, ny volon’ondrilahy, ny hodi-takasy, sy ny hazo akasia. Mampitodika ny saintsika ho amin’ny fihetsik’ireo mpanome ilay fitantarana. “Izay rehetra amporisihin’ny fony dia aoka hitondra fanatitra [“fanomezana”, NW ] ho an’i Jehovah”. (Eksodosy 35:5-9). Namaly tamin’ny fanomezana izaitratra ny Isiraely. Noho izany, ilay tabernakely dia rafitra iray nanana “hakanto sy voninahitra nampiaiky volana”, araka ny tenin’ny manam-pahaizana manokana iray.
Fanomezana ho an’ny tempoly
5, 6. Raha ny mahakasika ny tempoly, ahoana no nampiasan’i Davida ireo harenany, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny hafa?
5 Na dia i Solomona Mpanjaka teo amin’ny Isiraely aza no nitarika ny fanorenana trano raikitra iray ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, dia efa nanao fiomanana goavana ny amin’izany i Davida rainy. Nanangona volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato tsara tsy toko tsy forohana i Davida. Nilaza tamin’ny vahoakany toy izao i Davida: “Noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako, dia talenta volamena telo arivo (...) ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin’ny rindrin’ny isan-efi-trano”. Nampirisika ny hafa mba halala-tanana koa i Davida. Fanomezana sesehena no valin’izany: volamena sy volafotsy sy varahina sy vy ary vato tsara bebe kokoa. “Tamin’ny fony rehetra no nahazotoan[’ny olona] nanatitra ho an’i Jehovah”. — 1 Tantara 22:5; 29:1-9.
6 Tamin’ireny fanomezana an-tsitrapo ireny no nanehoan’ireo Isiraelita fankasitrahana lalina ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Nivavaka tamim-panetren-tena toy izao i Davida: “Zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao?” Fa nahoana? “Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao. (...) Ary ny amiko, dia amin’ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto”. — 1 Tantara 29:14, 17.
7. Lesona fampitandremana inona no ianarantsika avy amin’ny andron’i Amosa?
7 Tsy nahavita nitana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany tao an-tsainy sy tao am-pony anefa ireo fokon’ny Isiraely. Tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i., dia nanjary meloka ho nanao tsirambina ara-panahy ny Isiraely voazarazara. Mikasika ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tany avaratra, dia izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Amosa: “Lozan’ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’i Samaria”. Izy dia nilazalaza azy ireo ho toy ny lehilahy “mandriandry ao amin’ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ny fandriandriany ary homana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ny ondry sy ny zanak’omby avy ao am-pahitra, (...) misotro divay amin’ny lovia famafazana”. Tsy fiarovana anefa ny harem-ben’izy ireo. Nampitandrina toy izao Andriamanitra: “Ho voalohany amin’izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin’izay mitsilailay foana.” Tamin’ny 740 al.f.i., dia nijaly teo an-tanan’ny Asyria ny Isiraely. (Amosa 6:1, 4, 6, 7). Tamin’ny farany, dia azon’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo koa ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. — Jeremia 5:26-29.
Fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fananana tamin’ny andron’ny Kristiana
8. Ohatra tsara inona no nomen’i Josefa sy i Maria raha ny amin’ny fampiasana fananana?
8 Nifanohitra tamin’izany fa, ny toe-piainana somary nahantra nisy ireo mpanompon’Andriamanitra tatỳ aoriana kokoa, dia tsy nisakana azy ireo tsy hampiseho zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. Hevero i Maria sy i Josefa. Ho fankatoavana ny didim-panjakana navoakan’i Aogosto Kaisara, dia nandeha nankany amin’ny tanàna niavian’ny fianakaviany tany Betlehema, izy ireo. (Lioka 2:4, 5). Teraka tany i Jesosy. Efapolo andro taorian’izay, dia nitsidika ilay tempoly tao Jerosalema tsy lavitra teo i Josefa sy i Maria mba hanolotra ilay fanati-panadiovana nasaina natao. Nilaza ny fahantran’izy ireo ny nanoloran’i Maria vorona kely roa. Na izy, na i Josefa, dia samy tsy nampiasa ny fahantrana ho fialan-tsiny. Nampiasa tamim-pankatoavana ny fananany voafetra kosa izy ireo. — Levitikosy 12:8; Lioka 2:22-24.
9-11. a) Fitarihana inona no omen’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 22:21, raha ny amin’ny fomba ampiasantsika ny volantsika? b) Nahoana no tsy very maina ny fanomezana kely nataon’ilay vehivavy mpitondratena?
9 Tatỳ aoriana, ireo Fariseo sy ireo antokon’olona mpanara-dia an’i Heroda dia nanandrana namandrika an’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?” Nampiharihary ny fahaiza-manavaka nananany ny valin-tenin’i Jesosy. Nanondro ilay vola madinika izay nomen’izy ireo azy i Jesosy ka nanontany hoe: “An’iza ity sary sy soratra ity?” Namaly toy izao izy ireo: “An’i Kaisara.” Tamim-pahendrena, dia namaran-kevitra toy izao izy: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:17-21). Fantatr’i Jesosy fa ny fahefana izay namoaka ilay vola madinika dia nanantena ny handoavana hetra. Kanefa teo izy dia nanampy ireo mpanara-dia azy ary koa ireo fahavalony mba hahatakatra fa ny Kristiana marina dia miezaka koa handoa amin’“Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. Izany dia mahafaoka fampiasana araka ny tokony ho izy ny fananan’ny tena ara-nofo.
10 Manazava izany ny zava-nitranga iray natrehin’i Jesosy tao amin’ny tempoly. Vao avy nanameloka ireo mpanora-dalàna feno faniriana mihoa-pampana izay ‘nandany ny tranon’ny mpitondratena’, izy. “Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena mandatsa-drakitra tao amin’ny fandatsahan-drakitra”, hoy ny tatitra nataon’i Lioka. “Ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy [Jesosy]. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.” (Lioka 20:46, 47; 21:1-4). Nisy olona nilaza fa voaravaka tamin’ny vato tsara ny tempoly. Namaly toy izao i Jesosy: “Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” (Lioka 21:5, 6). Very maina ve ny fanomezana kely nataon’io mpitondratena io? Tsy izany velively. Nanohana ilay fandaharana naorin’i Jehovah tamin’izany fotoana izany izy.
11 Nilaza tamin’ireo tena mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna [“harena”, NW ] hianareo.” (Lioka 16:13). Araka izany, ahoana no ahafahantsika mampiseho fandanjalanjana mety eo amin’ny fampiasantsika ny fananantsika ara-bola?
Mpitandrina fananana mahatoky
12-14. a) Mpitandrina fananana inona avy ireo Kristiana? b) Amin’ny fomba miavaka inona avy ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao no miantsoroka amim-pahatokiana ny fitandremany fananana? d) Avy aiza ny vola anohanana ny asan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
12 Rehefa manolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah isika, dia milaza isika, raha ny tena izy, fa azy izay rehetra ananantsika, ny fananantsika rehetra. Ahoana àry no tokony hampiasantsika izay ananantsika? Raha niresaka ny amin’ny fanompoana kristiana tao amin’ny kongregasiona ny Rahalahy C. T. Russell, prezidà voalohany tao amin’ny Fikambanana Watch Tower, dia nanoratra hoe: “Ny tsirairay dia tokony hihevitra ny tenany ho voatendrin’ny Tompo mba ho mpitandrina fananana raha ny amin’ny fotoanany, ny hery fitaomany, ny volany manokana, sns., ary ny tsirairay dia tokony hitady hampiasa ireny talenta ireny araka ny fara fahaizany, ho voninahitry ny Tompo.” — The New Creation, pejy faha-345.
13 “Ny mpitandrina fananana dia tokony ho olona mahatoky”, hoy ny lazain’ny 1 Korintiana 4:2 (fanamarihana ambany pejy). Amin’ny maha-fandaminana iraisam-pirenena azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka mafy mba hiaina mifanaraka amin’izany filazalazana izany, amin’ny fampiasana ny fotoanany betsaka araka izay azony atao eo amin’ny fanompoana kristiana sy amin’ny fampitomboana amim-pitandremana ny fahaizany mampianatra. Ambonin’izany, dia misy antokona mpiasa an-tsitrapo eo ambany fitarihan’ireo Komitin’ny Fanorenana Isam-paritra, vonona hanome ny fotoanany sy ny tanjany ary ny fahaizany manao zavatra mba hanorenana efitrano fivoriana tsara dia tsara hampiasaina ho amin’ny fanompoam-pivavahana. Faly dia faly amin’izany rehetra izany i Jehovah.
14 Avy aiza ny vola anohanana io ezaka manokana goavana ho fampianarana io sy io asa fanorenana io? Avy amin’ireo izay ampirisihin’ny fony, toy ny tamin’ny fanorenana ny tabernakely. Mandray anjara amin’izany ve isika, amin’ny isam-batan’olona? Moa ve ny fomba ampiasantsika ireo fananantsika ara-bola mampiseho fa zava-dehibe ambony indrindra ho antsika ny fanompoana an’i Jehovah? Aoka isika ho mpitandrina fananana mahatoky raha eo amin’ny raharaha ara-bola.
Modelim-pahalalahan-tanana
15, 16. a) Ahoana no nampisehoan’ireo Kristiana tamin’ny andron’i Paoly fahalalahan-tanana? b) Ahoana no tokony hiheverantsika itỳ dinidinika ataontsika itỳ?
15 Nanoratra ny amin’ilay toe-tsaina tia nanome nananan’ireo Kristiana tany Makedonia sy tany Akaia ny apostoly Paoly. (Romana 15:26). Na dia tao anatin’ny fahoriana aza ny tenan’izy ireo, dia tsy nihambahamba nanao fanomezana izy ireo mba hanampiana ireo rahalahiny. Nampirisika ireo Kristiana tany Korinto toy izany koa i Paoly mba hanome amim-pahalalahan-tanana, hanome izay nihoatra teo aminy mba hamenoana ny tsy fahampiana teo amin’ny hafa. Tsy nisy afaka niampanga ara-drariny an’i Paoly ho nanao fanerena mba hahazoan-javatra. Nanoratra toy izao izy: “Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny ‘mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’.” — 2 Korintiana 8:1-3, 14; 9:5-7, 13.
16 Ireo fanomezana amim-pahalalahan-tanana ataon’ireo rahalahintsika sy ireo olona liana ho an’ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany amin’izao andro izao dia manome porofo ny amin’ny fankafizan’izy ireo fatratra izany tombontsoa izany. Kanefa, toy ny nampahatsiahivan’i Paoly ireo Korintiana, dia ho tsara ny hiheverantsika io dinidinika io ho toy ny fampahatsiahivana.
17. Inona no fandaharana voalamina eo amin’ny fanomezana nampirisihan’i Paoly, ary azo ampiharina amin’izao andro izao ve izy io?
17 Nampirisika mafy ireo rahalahy i Paoly, mba hanaraka fandaharana voalamina eo amin’ny fanomezan’izy ireo. “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro”, hoy izy, “dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy”. (1 Korintiana 16:1, 2). Izany dia azo atao ohatra ho antsika sy ho an’ireo zanatsika eo amin’ny fanomezantsika, na manao izany amin’ny alalan’ny kongregasiona isika, na mivantana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower akaiky indrindra. Ny mpivady misionera voatendry hitory tao amin’ny tanàna iray tatsy Afrika Atsinanana dia nanasa ireo olona liana mba hiaraka tamin’izy ireo tamin’ny fianarana ny Baiboly iray. Rehefa nifarana io fivoriana voalohany io, dia nandatsaka tamim-pahamalinana vola madinika tao amin’ny vata kely iray nisy soratra hoe: “Fanomezana ho An’ny Asan’ilay Fanjakana” izy ireo. Nanao toy izany koa ireo mpanatrika hafa. Tatỳ aoriana, rehefa voalamina ho kongregasiona kristiana ireo olona vaovao ireo, dia nanao fitsidihana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ary nahamarika ny tsy fahatapatapahan’ny fanomezan’izy ireo. — Salamo 50:10, 14, 23.
18. Ahoana no ahafahantsika manampy ireo rahalahintsika niharam-pahavoazana?
18 Manana tombontsoa hampiasa ny fananantsika koa isika mba hanampiana ireo tra-boina noho ny loza araka ny natiora sy ireo izay miaina any amin’ny faritra rotidrotiky ny ady. Mientam-po toy inona moa isika mamaky fitantarana ny amin’ireo fanampiana nalefa tany Eoropa Atsinanana raha namely nanerana io faritra amin’ny tany io ny fikorontanana lehibe ara-toe-karena sy ara-politika! Ireo fanomezana zavatra sy vola dia nampiseho ny fahalalahan-tanan’ireo rahalahy sy ny fiarahany miory amin’ireo Kristiana tsy nambinina.b — 2 Korintiana 8:13, 14.
19. Zavatra azo ampiharina inona avy no azontsika atao mba hanampiana ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro?
19 Ankamamintsika fatratra ny asan’ireo rahalahintsika izay manao fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana, mpiandraikitra mpitety faritany sy misionera sy mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Betela, sa tsy izany? Araka izay amelan’ny toe-javatra misy antsika hanao izany, dia mety ho afaka hanolotra fanampiana ara-nofo ho azy ireny mivantana isika. Ohatra, rehefa mitsidika ny kongregasionanao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia mety ho afaka hanome azy filasiana, sakafo, na fanampiana eo amin’ireo fandaniana amin’ny fanaovany dia lavitra ianao. Ny fahalalahan-tanana toy izany dia tsy misy miafina amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay maniry ny hahavoakarakara ny mpanompony. (Salamo 37:25). Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanasa ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny tany an-tranony, ny rahalahy iray izay tsy afaka nanolotra afa-tsy sakafo maivana. Rehefa nandao azy ho amin’ny asa fanompoana ny takariva izy mivady, dia nanolotra valopy iray ho an’ireo mpitsidika azy ilay rahalahy. Taratasim-bola no tao anatiny (mifanitsy amin’ny 3 700 FMG), niaraka tamin’ny taratasy fohy nisy sora-tanana hoe: “Hisotroanareo dite na hividiananareo lasantsy.” Fankasitrahana tsara dia tsara toy inona moa no naseho tamin’io fomba tsotra io!
20. Tombontsoa sy andraikitra inona no tsy irintsika hatao tsirambina?
20 Eo amin’ny ara-panahy, dia mahazo fitahiana ny vahoakan’i Jehovah! Mifaly amin’ny fanasana ara-panahy isika any amin’ireo fivoriambe sy fivoriamben’ny distrika ataontsika. Any isika dia mahazo zavatra vita an-tsoratra vaovao sy fampianarana tsara dia tsara ary torohevitra azo ampiharina. Amin’ny fo feno fankasitrahana an’ireo fitahiana ara-panahy azontsika, dia tsy hadinointsika ny tombontsoa sy andraikitsika hanao fanomezana vola mba hampiasaina ho fampandrosoana ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany.
‘Mahazoa sakaiza amin’ny harena tsy marina’
21, 22. Inona no hitranga tsy ho ela amin’ireo “harena tsy marina”, ka mitaky ny hanaovantsika inona dieny izao?
21 Marina tokoa fa misy fomba sesehena azontsika ampisehoana fa ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika, ka ny lehibe indrindra amin’izany dia mahatafiditra ny fanarahantsika ilay torohevitr’i Jesosy hoe: “Aoka ny mamôna [“harena”, NW ] tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay hianareo, rehefa lany izany.” — Lioka 16:9.
22 Mariho fa niteny ny amin’ny fahalanian’ireo harena tsy marina i Jesosy. Eny, ho avy ny andro izay hanjary tsy hampisy vidiny ny vola eo amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. “Ny volafotsiny dia hariany eny an-dàlambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko”, hoy ny faminanian’i Ezekiela. “Ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. (Ezekiela 7:19). Mandra-pitrangan’izany, dia tsy maintsy maneho fahendrena sy fahaiza-manavaka isika eo amin’ny fomba ampiasantsika ireo fananantsika ara-nofo. Amin’izay isika dia tsy hitodika ny lasa amim-panenenana noho ny tsy nanarahantsika ilay fampitandreman’i Jesosy hoe: “Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna [“harena”, NW ] tsy marina hianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny tena harena? (...) Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna [“harena”, NW ] hianareo.” — Lioka 16:11-13.
23. Inona no tokony hampiasaintsika amim-pahendrena, ary inona no ho valisoantsika?
23 Aoka àry isika rehetra hanaraka amim-pahatokiana ireny fampahatsiahivana ireny, dia ny hametrahana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika sy ny hampiasana amim-pahendrena ny fananantsika rehetra. Amin’izany isika dia afaka mitana ny fisakaizantsika amin’i Jehovah sy i Jesosy izay mampanantena fa, rehefa lany ny vola, dia handray antsika ao amin’ny “fonenana mandrakizay” izy ireo, miaraka amin’ny fahatsinjovana fiainana mandrakizay any amin’ilay Fanjakana any an-danitra, na eo amin’ny tany iray tonga paradisa. — Lioka 16:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny hebreo nadika hoe “fanomezana” dia avy amin’ny matoanteny iray izay midika ara-bakiteny hoe: “ambony, asandratra, akarina”.
b Jereo ny Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, pejy faha-307-315, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1993.
Tadidinao Ve?
◻ Nanao ahoana ny fihetsiky ny Isiraely ho valin’ny fanasan’i Jehovah hanao fanomezana ho an’ny fanorenana ny tabernakely?
◻ Nahoana no tsy very maina ny fanomezan’ilay vehivavy mpitondratena?
◻ Inona no andraikitry ny Kristiana eo amin’ny fomba ampiasany ny fananany?
◻ Ahoana no ahafahantsika manalavitra nenina eo amin’ny fampiasantsika ny volantsika?
[Sary, pejy 15]
Na dia kely aza ny fanomezan’ilay vehivavy mpitondratena, dia tsy very maina
[Sary, pejy 16, 17]
Manohana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany ny fanomezana ataontsika