Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Mahazo toky mandritra ny andro farany
REHEFA nadiva hifarana ny talata 11 Nisana, dia niaraka tamin’ireo mpianany teny an-tendrombohitra Oliva i Jesosy. Vao avy nandao ny tempoly, izay tazany terỳ ambany terỳ, izy ireo, ary vao avy niresaka ny amin’ny famantarana ny fanatrehany ao amin’ny herin’ny Fanjakana sy ny faran’ny fandehan-javatra i Jesosy.
Nanohy ny fanazavany izy ka nampitandrina azy ireo ny amin’ny fanarahana Kristy sandoka. Hisy fanandramana hataon’ireo, hoy izy, ‘mba hamitaka, raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza.’ Kanefa, toy ny voromahery mahita lavitra, ireo voafidy ireo dia hiangona eo amin’ny toerany hahitany ny tena sakafo ara-panahy marina, izany hoe miaraka amin’ilay Kristy marina amin’ny fotoan’ny fanatrehany tsy hita maso. Tsy ho voafitaka izy ireo ka hoe hikambana amin’ny Kristy sandoka iray.
Tsy afaka ny hiseho afa-tsy amin’ny fomba hita maso ny Kristy sandoka. Ny fanatrehan’i Jesosy kosa, mifanohitra amin’izany, dia tsy hita maso. Hitranga mandritra ny fotoana hahatahotra eo amin’ny tantaran’ny olombelona izany, araka ny nolazain’i Jesosy hoe: “Ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava.” Eny, izany dia ho ny vanim-potoana maizina indrindra eo amin’ny fiainan’ny taranak’olombelona. Izany dia ho toy ny hoe nohamaizinina ny masoandro nandritra ny andro, ary toy ny hoe tsy nanazava ny volana nandritra ny alina.
“Ny herin’ny lanitra [dia] hohozongozonina”, hoy i Jesosy nanohy ny resany. Nolazainy tamin’izany fa ny lanitra ara-bakiteny dia haka endrika milaza loza. Tsy ho toerana fonenan’ny vorona fotsiny ihany ny lanitra, fa hofenoin’ny fiaramanidina mpanao ady, ny bala afomanga ary ny fitaovana fandinihana ny eny amin’ny habakabaka. Ny tahotra sy ny herisetra dia hihoatra izay nety ho hitan’ny olombelona hatramin’izay teo amin’ny tantarany.
Nilaza i Jesosy fa, ho vokatr’izany, dia “hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” Eny tokoa, io vanim-potoana maizina indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona io dia hitarika ho amin’ny fotoana ‘hisehoan’ny famantarana ny Zanak’olona eo amin’ny lanitra, ka hitomanian’ny firenena rehetra ambonin’ny tany’, araka ny filazan’i Jesosy.
Tsy hitomany avokoa anefa ny olona rehetra rehefa ho ‘avy amin-kery ny Zanak’olona’ mba handringana ity fandehan-javatra ratsy ity. Ireo “olom-boafidy”, dia ireo 144 000 izay hiara-hanjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, dia tsy hitomany, ary ho toy izany koa ireo namany, dia ireo izay nantsoin’i Jesosy teo aloha hoe ny ‘ondry hafany’. Na dia miaina mandritra ny vanim-potoana maizina indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona aza izy ireo, dia manaraka izao fampaherezan’i Jesosy izao: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
Mba hahafahan’ireo mpianany izay hiaina mandritra ireo andro farany ireo hametra marina ny fahakekezan’ny farany dia nanome izao fanoharana izao i Jesosy: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.”
Araka izany, rehefa hitan’ireo mpianany fa tanteraka ireo tapany samy hafa maro be amin’ilay famantarana, dia tokony ho takany fa efa akaiky ny faran’ny fandehan-javatra ary koa fa tsy ho ela dia hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra. Raha ny marina, ny farany dia ho tonga mandritra ny fiainan’ireo izay hahita ny fahatanterahan’ireo zavatra rehetra nolazain’i Jesosy mialoha fa hitranga! Raha nananatra ireo mpianany izay ho velona mandritra ireo andro farany voamarika ireo i Jesosy dia nilaza hoe:
“Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” Matio 24:23-51; Marka 13:21-37; Lioka 21:25-36; Apokalypsy 14:1, 3; Jaona 10:16.
◆ Tarehin-javatra maneran-tany inona avy no manamarika ny fanatrehan’i Kristy?
◆ Rahoviana no “hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany”, kanefa inona no hataon’ireo mpanara-dia an’i Kristy?
◆ Fanoharana inona no nomen’i Jesosy mba hanampiana ireo mpianany ho avy hahatakatra fa efa akaiky ny farany?
◆ Fananarana inona no nomen’i Jesosy ireo mpianany izay ho velona mandritra ny andro farany?