Mifohaza Hatrany Amin’ny “Andro Farany”
“Mijere hatrany, mifohaza hatrany, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voafetra”. — MARKA 13:33, NW.
1. Ahoana no tokony ho fihetsitsika raha mbola eo am-pisehoana ireo zava-mitranga manaitra amin’izao “andro farany” izao?
RAHA mbola eo am-pisehoana tsikelikely ireo zava-mitranga manaitra amin’izao “andro farany” izao, ahoana no tokony ho fihetsiky ny kristiana? (Daniela 12:4). Tsy avela ho ao anatin’ny fisalasalana izy ireo. I Jesosy dia nanonona ilay faminaniana mirakitra fitambarana famantarana izay eo an-dalam-pahatanterahany amin’izao taonjato faha-20 izao. Nambarany mialoha fa manokana ireo lafin-javatra maro izay nanamarika izao vanim-potoana izao hatramin’ny 1914. Noho izy efa nifankazatra tsara tamin’ny faminanian’i Daniela mikasika ny “andro farany”, dia nanohy ilay faminaniana lehibe nataon’ny tenany i Jesosy tamin’ny fampirisihana ny mpianany mba ‘hifoha hatrany’. — Lioka 21:36, NW.
2. Nahoana no tena ilaina ny hifohazana hatrany ara-panahy?
2 Nahoana no hifoha hatrany? Satria izao no fotoana mampidi-doza indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona. Ho an’ny kristiana, ny fanekena ho resin’ny faharendremana ara-panahy amin’izao fotoana izao dia hampiditra angano. Raha manjary tsy mihontsina isika na mamela ny fontsika hovesaran’ny fanahiana eo amin’ny fiainana, dia hotandindomin-doza isika. Ao amin’ny Lioka 21:34, 35 (NW), dia nampitandrina antsika i Jesosy hoe: “Tandremo ny tenanareo, mba tsy hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fisotroan-toaka be ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana na oviana na oviana ny fonareo, ka ho avy tampoka aminareo avy hatrany toy ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany”.
3, 4. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy fa ny andro fahatezeran’Andriamanitra dia ho tonga avy hatrany eo amin’ny olona “toy ny fandrika”? b) Koa satria Andriamanitra tsy mamelatra ilay fandrika, nahoana izany andro izany no hahatratra tampoka ny olona amin’ny ankapobeny amin’ny fomba tsy ampoizina?
3 Nisy antony tsara matoa i Jesosy nilaza fa ny andron’i Jehovah dia ho tonga ‘amintsika avy hatrany toy ny fandrika’. Ny fandrika mazàna dia misy tadivavarana, ary ampiasaina izany mba hisamborana vorona sy biby mandady. Manana fihatsiny (zavatra mampandeha azy) ny fandrika iray, ka izay manitsaka azy dia maningotra ilay fihatsiny. Voasintona hikatona avy eo ilay fandrika, ary dia azo ilay remby. Tampoka dia tampoka no hitrangan’izany rehetra izany. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, hoy i Jesosy, ireo tsy miasa ara-panahy dia ho taitra sy ho tratran’ny ‘andro fahatezeran’Andriamanitra’. — Ohabolana 11:4.
4 Moa ve i Jehovah no mamela-pandrika ho an’ny olona? Tsia, tsy miandry ny hahazo olona tsy miambina mba handringanana azy akory Izy. Hahatratra tampoka ny olona amin’ny ankapobeny anefa izany andro izany satria izy ireo tsy manisy fiheverana firy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manao izay tiany izy ireo eo amin’ireo raharahan’ny fiainana, minia tsy mahalala ny hevitry ny zava-mitranga manodidina azy. Tsy manimba ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra anefa izany. Manana ny fotoanany raikitra mba handaminan-draharaha izy. Ary tamim-pamindram-po, dia tsy navelany ho tao anatin’ny tsy fahalalana ny amin’ny didim-pitsarany ho avy ny taranak’olombelona. — Marka 13:10.
5, 6. a) Noho ilay didim-pitsarany ho avy, fandaharana maneho fitiavana inona no nataon’ny Mpamorona ho an’ny zavaboary olombelona, kanefa inona no ho vokany amin’ny ankapobeny? b) Inona no hodinihina mba hanampiana antsika hifoha hatrany?
5 Io fampitandremana mialoha io dia fandaharana mampiseho fitiavana avy amin’ilay Mpamorona lehibe izay liana ny amin’izay hahasoa ny zavaboary olombelona eto amin’ity fitoeran-tongony ara-panoharana ity. (Isaia 66:1). Lalainy ireo mponina eo amin’ny toerana izay lazaina fa ipetrahan’ny tongony. Koa amin’ny alalan’ny iraka sy solontenany eto an-tany, dia mampitandrina azy ireo ny amin’ny fisehoan-javatra ho avy izy. (2 Korintiana 5:20). Na dia eo aza anefa ireo fampitandremana rehetra nomena, izany fisehoan-javatra izany dia ho avy eo amin’ny fianakavian’olombelona amin’ny fomba tsy ampoizina ihany, toy ny hoe nanitsaka fandrika iray izy ireo. Nahoana? Satria matory ara-panahy ny ankamaroan’ny olona. (1 Tesaloniana 5:6). Vitsivitsy ihany raha ampitahaina amin’ny hafa ny isan’ireo mihaino tsara ilay fampitandremana ka ho tafita velona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. — Matio 7:13, 14.
6 Ahoana àry no ahafahantsika hifoha hatrany amin’izao fotoan’ny farany izao mba ho anisan’izay ho voavonjy? Manome ny fanampiana ilaina i Jehovah. Aoka isika handinika zavatra fito izay azontsika atao.
Miadia amin’ny fahavarimbarinana
7. Fampitandremana inona mikasika ny fahavarimbarinana no nomen’i Jesosy?
7 Voalohany, dia tsy maintsy miady amin’ny fahavarimbarinana isika. Ao amin’ny Matio 24:42, 44, dia hoy i Jesosy: “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” Ny fiteny nampiasain’i Jesosy eto dia milaza fa amin’izao fotoan-tsarotra izao, dia hisy fahavarimbarinana be, ary ny fahavarimbarinana dia mety hitarika ho amin’ny fandringanana. Tamin’ny andron’i Noa dia nisy zavatra maro naharevo tanteraka ny olona. Vokatr’izany, dia tsy “nanisy fiheverana” ny amin’izay nitranga ny olona varimbariana, ary noringanin’ny Safodrano tanteraka izy rehetra. Mifanaraka amin’izany, dia nampitandrina toy izao i Jesosy: “Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona”. — Matio 24:37-39, NW.
8, 9. a) Amin’ny ahoana ireo raharaha mahazatra eo amin’ny fiainana no mety hahavarimbariana antsika amin’ny fomba mampidi-doza b) Fampitandremana inona avy no nomen’i Paoly sy i Jesosy antsika?
8 Ataovy ao an-tsaina koa fa tao amin’ny fampitandremany ao amin’ny Lioka 21:34, 35, i Jesosy dia niresaka ny amin’ireo lafin-javatra mahazatra eo amin’ny fiainana, toy ny fihinanana, fisotroana, ary ireo fanahiana ny amin’ny fivelomana. Zavatra iombonan’ny olona rehetra ireny, anisan’izany ireo mpianatr’i Jesosy Tompo. (Ampitahao amin’ny Marka 6:31.) Mety tsy ho ratsy amin’ny maha-izy azy fotsiny ireny zavatra ireny, saingy raha tsy asiana fetra, dia mety hahavarimbariana antsika, haharevo antsika tanteraka, ka amin’izay dia hiteraka faharendremana ara-panahy mampidi-doza ao amintsika.
9 Noho izany, dia aoka isika tsy hanao tsirambina ilay zavatra lehibe indrindra — ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Toy izay hanjary ho revo tanteraka amin’ireo zavatra mahazatra eo amin’ny fiainana, dia aoka isika tsy hampiasa izany afa-tsy amin’izay ilaina mba hahavelona antsika fotsiny. (Filipiana 3:8). Tsy tokony hanilika ireo tombontsoan’ilay Fanjakana izany. Araka ny anambaran’ny Romana 14:17 azy, “ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina”. Tsarovy ny tenin’i Jesosy fony izy nilaza hoe: “Katsaho [hatrany, NW] aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany zavatra rehetra izany”. (Matio 6:33). Ankoatra izany, ao amin’ny Lioka 9:62, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika [mendrika, NW] ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra”.
10. Inona no loza misy raha tsy mitana ny masontsika hijery mahitsy ny zava-kendrena eo anoloana isika?
10 Raha vao manomboka mitana angadin’omby isika, amin’ny heviny ara-panoharana, dia tsy maintsy mijanona ao anatin’ny soritra mahitsy iray. Ny lehilahy iray mitana angadin’omby ka miherika, dia tsy hanoritra vava asa mahitsy. Varimbariana izy, ary ho voavily sy ho tafajanona mora foana amin-java-manakana. Aoka isika tsy ho sahala amin’ny vadin’i Lota izay niherika ary tsy nahazo famonjena. Ilaintsika ny mitana ny masontsika hijery mahitsy ny zava-kendrena eo anoloana. Mba hanaovana izany dia tsy maintsy miady amin’ny fahavarimbarinana isika. — Genesisy 19:17, 26; Lioka 17:32.
Mivavaha amin’ny hafanam-po rehetra
11. Nanantitrantitra ny amin’inona i Jesosy rehefa avy nampitandrina antsika ny amin’ny lozan’ny fahavarimbarinana?
11 Misy anefa zavatra maro kokoa azontsika atao mba hifohazana hatrany. Ny zava-dehibe faharoa dia izao: Mivavaha amin’ny hafanam-po rehetra. Rehefa avy nampitandrina antsika mba tsy ho varimbariana amin’ireo raharaha mahazatra eo amin’ny fiainana i Jesosy, dia nanome izao torohevitra izao: “Fa miambena [mifohaza hatrany, NW] ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona”. — Lioka 21:36.
12. Karazam-bavaka manao ahoana no ilaina, ary inona no ho vokany?
12 Araka izany, dia tsy maintsy manao fitalahoana mandrakariva isika noho ireo loza amin’ny toerana misy antsika sy ny amin’ny ilàntsika ny ho mailo. Koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amim-bavaka amin’ny fitalahoana amin-kafanam-po. Hoy i Paoly ao amin’ny Romana 12:12: “Mahareta amin’ny fivavahana”. Ary ao amin’ny Efesiana 6:18, dia izao no vakintsika: “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena [mifohaza hatrany, NW] amin’izany amin’ny faharetana”. Izany akory tsy fanoloram-bavaka fotsiny toy ny raharaha iray tsy dia manao ahoana izay tsy misy vokany firy. Ny fisiantsika mihitsy no tandindomin-doza. Ilaintsika àry ny miangavy amin-kafanam-po ny fanampian’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Hebreo 5:7.) Amin’izany fomba izany no hijanonantsika eo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah. Tsy misy zavatra mahasoa kokoa noho ny ‘fivavahantsika mandrakariva’ mba hanampiana antsika hanao izany. Amin’izay i Jehovah dia hitana antsika ao anatin’ny fiambenana amim-pitandremana. Zava-dehibe toy inona àry ny fikirizana amin’ny vavaka!
Mifikira mafy amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny asany
13. Fifaneraserana toy inona moa no ilaina mba hifohazana hatrany?
13 Irintsika ny handositra ireo zavatra rehetra ho tonga amin’izao tontolo izao ireo. Irintsika ny hijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona, hahazo sitraka aminy. Mba hahazoana izany dia misy zavatra fahatelo azontsika atao: Mifikitra amin’ny fomba tsy azo ravana amin’ny fandaminana teokratikan’i Jehovah. Ilaintsika ny mifanerasera amin’ny fomba tsy voazarazara amin’io fandaminana io ary mandray anjara amin’ny asany. Amin’izany fomba izany isika dia mampahafantatra ny tenantsika amin’ny fomba tsy misy diso fa kristiana miambina.
14, 15. a) Ny filofosantsika amin’ny asa inona no hanampy antsika hifoha hatrany? b) Iza no mamaritra hoe rahoviana no ho vita ny asa fitoriana, ary ahoana no tokony ho fihetseham-pontsika ny amin’io asa io? d) Aorian’ny fahoriana lehibe, inona no ho tsikaritsika rehefa hitodika ny lasa isika mikasika ny fitoriana ilay Fanjakana izay vita?
14 Mifandray akaiky amin’izany ny zavatra fahefatra izay afaka manampy antsika mba hifoha hatrany. Tsy maintsy ho anisan’ireo izay mampitandrina ny olona ny amin’ny farany ho avy amin’ity fandehan-javatra ity isika. Tsy hitranga ny fiafarana tanteraka ho an’ity fandehan-javatra tranainy ity raha tsy efa notorina tamin’ny fetrany nikasan’Andriamanitra Tsitoha azy ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 24:14, NW). Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no hamaritra hoe rahoviana no ho vita ny asa fitoriana. Atokan’i Jehovah ho an’ny tenany izany zo izany. (Marka 13:32, 33). Tapa-kevitra anefa isika ny hiasa mafy araka izay azo atao sy haharitra ela araka izay ilaina eo amin’ny fitoriana ny amin’ilay fitondrana tsara indrindra mety hananan’ny taranak’olombelona, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fipoahan’ny “fahoriana lehibe” dia ho tonga raha mbola eo am-pilofosana amin’io asa io isika. (Matio 24:21). Mandritra ny fotoana ho avy rehetra, ireo ho voavonjy dia ho afaka hitodika ny lasa ary hanamarina amin-kafanam-po fa tsy mpaminany sandoka akory i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 19:11). Ny asa fitoriana dia ho notanterahina tamin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho izay nampoizin’ireo nandray anjara tamin’izany.
15 Mifanaraka amin’izany, amin’ilay fotoan-dehibe hahavitan’io asa io araka izay mahafa-po an’Andriamanitra, dia azo inoana fa ho maro kokoa mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny olona ho nandray anjara tamin’io asa io. Endrey ny fankasitrahantsika noho isika nandray anjara tamin’izany asa lehibe izany! Manome toky antsika ny apostoly Petera fa ‘tsy tian’i Jehovah hisy ho very fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra’. (2 Petera 3:9). Noho izany, ny hery miasan’Andriamanitra Tsitoha izao dia miasa fatratra kokoa mbola tsy nisy toy izany, ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia maniry hanohy io asa tohanan’ny fanahy io. Koa mifikira mafy amin’ny fandaminan’i Jehovah, ary aoka ianao ho revo amin’ny fanompoana ampahibemaso ataony. Ho fanampiana anao amin’ny fifohazanao hatrany izany.
Manaova fandinihan-tena
16. Nahoana isika no tokony hanao fandinihan-tena ny amin’ny toerana ara-panahy tanantsika amin’izao fotoana izao?
16 Misy zavatra fahadimy azontsika atao mba hifohazana hatrany. Isam-batan’olona, dia tokony hanao fandinihan-tena ny amin’ny toerana tanantsika amin’izao fotoana izao isika. Mety ny hanaovana izany izao mihoatra noho ny teo aloha. Ilaintsika ny manaporofo hoe ny andanin’iza no tohanantsika amim-pahatapahan-kevitra. Hoy i Paoly ao amin’ny Galatiana 6:4: “Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy”. Manaova fandinihan-tena mifanaraka amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:6-8 manao hoe: “Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina [hifoha hatrany, NW] ka hahonon-tena. Fa izay matory dia matory amin’ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ny alina. Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha”.
17. Rehefa manao fandinihan-tena isika, fanontaniana inona avy no tokony hataontsika amin’ny tenantsika?
17 Ahoana ny amintsika? Rehefa mandinika ny tenantsika isika amin’ny fahazavan’ny Soratra Masina, moa ve hitantsika fa mifoha hatrany isika, manana ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha? Moa ve isika olona izay nampisaraka tanteraka ny tenantsika tamin’ny fandehan-javatra tranainy ary tsy mandala intsony ireo heviny? Moa ve isika tena manana ny toe-tsain’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra? Moa ve isika mailo tsara raha ny amin’ny hoe tarihina ho aiza ity fandehan-javatra ity? Raha izany no izy, dia tsy hahatratra antsika tampoka toy ny mpangalatra ny andron’i Jehovah. — 1 Tesaloniana 5:4.
18. Fanontaniana fanampiny inona avy no mety hilaintsika hatao amin’ny tenantsika, ary inona no ho vokany?
18 Ahoana anefa, raha toa ny fandinihantsika tena ka mampiharihary fa mikely aina manorina fomba fiaina mahafinaritra, sy mafana, ary mampiadana, sy mampiala voly isika? Ahoana raha hitantsika fa ny masontsika ara-panahy dia manjary milondolondon’ny faharendremana sy ny torimaso? Moa ve isika toy ny manonofy, ka manenjika hevi-dravina sasany eo amin’izao tontolo izao? Raha izany no izy, dia aoka àry isika hifoha! — 1 Korintiana 15:34
Saintsaino ireo faminaniana tanteraka
19. Inona avy ireo faminaniana sasany izay hitantsika fa tanteraka?
19 Tonga eto amin’ny zavatra fahenina izay hanampy antsika hifoha hatrany isika izao: Saintsaino ireo faminaniana maro be izay tanteraka amin’izao fotoan’ny farany izao. Efa nandalo ny taona faha-77 isika izao hatramin’ny nifaranan’ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena tamin’ny 1914. Raha mitodika ny lasa isika, nandritra ny telo ampahefatry ny taonjato iray, dia afaka mahita ny fomba nahatanterahan’ireo faminaniana nisesisesy — ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina; ny famonjena ny sisa voahosotra, miaraka amin’ireo namany, ho ao amin’ny paradisa ara-panahy iray; ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny ambaratonga maneran-tany; ny fisehoan’ny olona betsaka. (Isaia 2:2, 3; toko faha-35; Zakaria 8:23; Matio 24:14; Apokalypsy 7:9). Nankalazaina ny anarana lehibe ananan’i Jehovah sy ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao, ary nitombo koa ny kely ka tonga arivo, ary ny malemy tonga firenena matanjaka noho i Jehovah nanafaingana izany tamin’ny fotoany. (Isaia 60:22; Ezekiela 38:23). Ary ireo fahitan’ny apostoly Jaona ao amin’ny fitantaran’ny Apokalypsy dia efa manakaiky ny fiafarany lehibe izao.
20. Manana fiekena mafy ny amin’inona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tena niseho ho inona izy ireo?
20 Noho izany, dia miaiky mafy mbola tsy nisy toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah fa marina ny fahatakaran’izy ireo ny hevitry ny raharahan’izao tontolo izao hatramin’ny 1914. Amin’ny fananana fiekena mafy toy izany, dia niseho ho fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra Avo Indrindra izy ireo. Izy ireo no nampiandraiketina ny fizarana ny hafatr’Andriamanitra amin’izao fotoan-dehibe izao. (Romana 10:15, 18). Eny, ireo tenin’i Jehovah ho an’ny fotoan’ny farany dia tanteraka. (Isaia 55:11). Izany kosa, dia tokony hanosika antsika hiasa mafy mandra-pahitantsika ny fahatanterahana faran’ireo fampanantenan’Andriamanitra rehetra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Akaiky kokoa ny famonjena noho ny tamin’ny nahatongavantsika ho mpino
21. Inona no fanampiana fahafito ananantsika mba hifohazana hatrany amin’ny ara-panahy?
21 Farany, dia ity ny fanampiana fahafito mba hifohazantsika hatrany: Ataovy ao an-tsaina mandrakariva fa ny famonjena dia akaiky kokoa noho ny tamin’ny fotoana voalohany nahatongavantsika ho mpino. Mbola zava-dehibe kokoa, fa akaiky kokoa ny fotoana hanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao sy ny fanamasinana ny anarany. Koa ilaina maika kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fifohazana hatrany. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro”. — Romana 13:11, 12.
22. Amin’ny ahoana ny fahakekezan’ny famonjena antsika no tokony hisy heriny eo amintsika?
22 Noho ny famonjena antsika akaiky kokoa toy izany, dia tsy maintsy mifoha hatrany isika! Tsy tokony havelantsika hisy tombontsoa manokana, na ny an’izao tontolo izao, havesa-danja kokoa noho ny fankasitrahantsika izay ataon’i Jehovah ho an’ny olony amin’izao fotoan’ny farany izao. (Daniela 12:3). Ilaintsika ny maneho fikirizana mbola tsy nisy toy izany mba tsy hahatonga antsika hiala amin’ilay lalana izay asain’ny Tenin’Andriamanitra harahintsika mazava tsara. (Matio 13:22). Asehon’ny porofo mazava tsara fa ao amin’ny andro farany ity tontolo ity. Tsy ho ela dia horinganina tsy hisy mandrakizay izy io mba hisian’ny toerana ho an’ny tontolo vaovaon’ny fahamarinana. — 2 Petera 3:13.
23. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’i Jehovah antsika, ary inona no vokany mahasambatra hoentin’izany?
23 Koa aoka àry isika hifoha hatrany na inona na inona mitranga. Aoka isika ho mailo tsy misy toy izany ny amin’ny hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Tsarovy fa tsy handeha hatory na oviana na oviana i Jehovah amin’io raharaha io. Hanampy antsika mandrakariva kosa izy mba hifoha hatrany amin’izao fotoan’ny farany izao. Efa lasa ny alina. Efa mby akaiky kokoa ny andro. Koa mifohaza hatrany! Tsy ho ela isika dia hahita ilay tsara indrindra amin’ny andro rehetra, rehefa hanatanteraka ny sitrapon’i Jehovah momba ny tany ny Fanjakana mesianika! — Apokalypsy 21:4, 5.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy fa ny andro fahatezeran’Andriamanitra dia ho avy eo amin’ny olona “toy ny fandrika”?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy miady amin’ny fahavarimbarinana, ary ahoana no ahafahantsika manao izany?
◻ Karazam-bavaka manao ahoana no ilaina mba hifohazana hatrany?
◻ Karazam-pifaneraserana inona no iankinan’ny aina?
◻ Nahoana no manao fandinihan-tena raha ny amin’ny toerana ara-panahy tanantsika?
◻ Inona no anjara asan’ny faminaniana eo amin’ny fitanana antsika hifoha hatrany?