Ny famantarana — Mihevitra izany ve ianao?
“TIANAY hahita fanambinana sy fiadanana ary fahasambarana ny olona avy amin’ny tany rehetra. Ny lalana mitarika ho any dia mandalo amin’ny izao tontolo izao iray tsy misy fitaovam-piadiana noklehera, tsy misy herisetra.” — Perestroïka, nataon’ilay mpitondra sovietika atao hoe Mikhail Gorbatchev.
Rariny ny isalasalana ny amin’ny mety hahafahan’ny olombelona hanorina toe-piainana toy izany eto an-tany. Ny mpitondra hafa iray, Jesosy Kristy, kosa dia nanome fampanantenana mbola mahatalanjona kokoa ihany: ny amin’ny tany paradisa hisian’ny fahaveloman’ny maty indray aza (Matio 5:5; Lioka 23:43, MN; Jaona 5:28, 29). Mazava ho azy fa ho vokatry ny fandraisan’Andriamanitra anjara izany. Izao no navalin’i Jesosy an’ireo izay nanontany azy ny “andro” hitrangan’izany fandraisana anjara izany: “Tsy misehoseho ny fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Amin’ny voalohany, dia mpandinika manana maso matsilo tahaka ny an’ny voromahery ihany no ho afaka hanavaka izany (Lioka 17:20, 37). Nahoana no ho toy izany no izy?
Nahoana isika no mila famantarana?
Nanomboka tamin’ny niakarany ho any an-danitra, dia “mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina” Jesosy Kristy, ka “tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena”. (1 Timoty 6:16.) Noho izany, dia tsy misy mason’olombelona ho afaka hahita azy intsony mihitsy. Noho izany antony izany, tamin’ny andro farany nandalovany teto an-tany, dia hoy i Jesosy: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao.” (Jaona 14:19). Hatramin’izao dia tsy azo atao ny mahita an’i Jesosy afa-tsy amin’ny heviny an’ohatra. — Efesiana 1:18; Apokalypsy 1:7.
Nanazava tamin’ny mpianany anefa i Jesosy fa ho azon’izy ireo atao ny hahafantatra hoe amin’ny fotoana toy inona ny Fanjakan’Andriamanitra no hanomboka hanjaka. Tamin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny famantarana. Novalian’i Jesosy ny fanontaniana hoe “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao?” ka nolazalazainy ireo porofo hita maso ny amin’ny fiandrianany tsy ho hita maso any aoriana. — Matio 24:3, MN.
Io famantarana io dia nirakitra fanoharana iray nanondro ny karazan’olona hahay hanavaka izany. “Fa izay itoeran’ny faty, dia any no hiangonan’ny voromahery.” (Matio 24:28). Izay rehetra maniry ho tafita velona amin’izao fandehan-javatra izao ka hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao haorin’Andriamanitra dia tokony ‘hiangona’ sy handray ny sakafo ara-panahy miaraka min’ireo ‘olom-boafidin’i Kristy oharina amin’ny voromahery eto. — Matio 24:31, MN.
Aoka isika tsy hanjary tsy hahandry
Tsy misy mihitsy olona afaka mamantatra ny daty hanjavonan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. “Fa ny amin’izany andro (...) izany”, hoy Jesosy, “dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” — Marka 13:32, 33.
Mety hahafaoka taranaka maro anefa ve ny famantarana? Tsia; tokony hiseho ao anatin’ny taranaka iray voafaritra tsara ny famantarana. Ny taranaka nanatrika ny fanombohan’izany famantarana izany no hahita koa ny fiafarany, dia: “fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao”. Samy nitahiry an-tsoratra an’io fanambarana hentitra nataon’i Jesosy io Matio sy Marka ary Lioka mpanoratra tantara. — Marka 13:19, 30; Matio 24:13, 21, 22, 34; Lioka 21:28, 32.
Hampidi-doza anefa ny hanekena ho resin’ny tsy faharetana. Efa 75 taona lasa izay no nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany, ka toa ela tokoa izany raha araka ny fanisan’olombelona. Mbola tena velona anefa ny kristiana sasany izay nahita ny Ady Lehibe Voalohany, ka azo oharina amin’ny voromahery raha ny amin’ny fahitana. Mbola tsy lany io taranaka io.
Rehefa nanome ny famantarana i Jesosy dia nampitandrina ny mpihaino azy tamin’ny tsy faharetana. Noresahiny ny amin’ny olona izay hilaza anakampo hoe: “Maharitra ela ny tompoko”, ary dia nasehony fa raha tsy voafehy ny fihetseham-po toy izany, dia mety hitarika ho amin’ny fanaovan-javatra amin-kadalana (Matio 24:48-51). Hanome andinindininy misimisy kokoa noho izany ireo apostoliny.
“Mpaniratsira”
Araka ny filazan’i Joda mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia nanome izao fampitandremana izao ireo apostolin’i Kristy: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny.” — Joda 17, 18.
Ny “filan’ny haratsiam-panahy [faniriana zava-dratsy, MN ] dia mety haka mora foana ny toeran’ny faniriana hiaina ao amin’ny izao tontolo izao vaovao madio iray. Vao mainka mitombo io loza io amin’izao fotoana izao noho ny fomba fifamoivoizana ankehitriny. Mbola tsy nohindrahindraina toy izao mihitsy teo amin’ny Tantara ny herisetra, ny spiritisma sy ny fahalotoam-pitondrantena. Matetika ireo foto-kevitra ireo no alefa amin’ny fandefasam-peo, amin’ny mozika, na velabelarina ao amin’ny fandaharana maro amin’ny televiziona na “vidéo”, amin’ny fanaovana dokambarotra, ao amin’ny boky aman-gazety.
Manambara ny faran’izany faharatsiana izany ny famantarana. Hita avy hatrany anefa fa ny olona sasany izay tia ny zava-dratsy dia tsy miraharaha izany famantarana izany. Araka ny voalaza mialoha, dia milaza izy ireny fa “maharitra tsy miova ny zavatra rehetra hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”. — 2 Petera 3:3, 4.
‘Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro’
Tsy ela izay i Paul Bowles, mpanoratra amerikana 75 taona, dia nanaiky fanadinadinana nataon’ny gazety Newsweek. Rehefa nanontaniana izy hoe “Ahoana no fiheveranao an’izao tontolo izao ankehitriny?” dia izao no navaliny: “Mihasimba eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena izao tontolo izao. Tsy misy olona manao ny marina intsony tahaka ny tamin’ny 60 taona lasa izay. Tamin’izany fotoana izany dia nifikirana ny fahalalam-pomba; izany no anankiray tamin’ireo fahatsaran’ny kolon-tsaintsika tandrefana. Ankehitriny, dia tsy misy olona miahy ny amin’izany intsony. Heverina ho zava-dehibe loatra ny vola.”
Izany tarehin-javatra izany dia mifanitsy indrindra amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Izao no nambaran’i Jesosy: “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12; 2 Timoty 3:1-5). Mihena ny fitiavana an’Andriamanitra, fa mitombo kosa ny fitiavan-tena sy ny faniriana mihoa-pampana. Mihamaro ny olona mampiseho fa mametraka ny faniriany manokana alohan’ireo lalàn’Andriamanitra izy amin’ny fanaovana heloka bevava na fampihorohoroana, amin’ny varotra tsy marina, amin’ny fahalotoam-pitondrantena sy amin’ny fanaranam-po amin’ny zavatra mahadomelina.
Ny sasany izay miaiky fa eo am-pahatanterahana ny famantarana, dia tsy mety manao zavatra mifanaraka amin’izany, satria variana loatra amin’ny fikatsahana fahafinaretana. Ireo izay mihevitra ny famantarana kosa dia tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny namany amim-paharetana. — Matio 24:13, 14.
“Ny fanahiana eo amin’ny fiainana”
Ankoatra ny fahafinaretana mampiseho fitiavan-tena, dia nasain’i Jesosy nomarihina fa mety hitana olona aoka izany koa ny zavatra ilaina ara-dalàna amin’ny ara-nofo ka hampanadino azy ny famantarana. Nanao izao fananarana izao izy: “Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao [fanahiana eo amin’ny fiainana, MN ], ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany.” — Lioka 21:34, 35.
Marina fa ny Baiboly dia mihevitra ho sarobidy tokoa ny fahasambaram-pianakaviana (Efesiana 5:24 ka hatramin’ny 6:4). Ilain’ny filoham-pianakaviana matetika ny manana asa na raharaha mba hamelomana ny vady aman-janany (1 Timoty 5:8). Ho tsy fahampian’ny fahiratan-tsaina anefa ny tsy hahavelomana afa-tsy ho an’ny fianakavian’ny tena, ny asan’ny tena ary ny fananana ara-nofo. Nahatsapa izany loza izany i Jesosy ka nanome izao fampitandremana izao: “Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona: nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia tonga ny Safodrano ka nandringana azy rehetra. (...) Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.” — Lioka 17:26-30; Matio 24:36-39.
“Horaisina” sa “havela”?
Mihafohy ny fotoana. Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hiasa sy hanarin-javatra. Amin’izay ny olombelona tsirairay avy dia ho voakasika amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Izany no nohazavain’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Ary amin’izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina ary ny anankiray havela.” — Matio 24:40, 41.
Inona no hanjo anao amin’izay fotoana fanapahan-javatra izay? Moa ve ianao havela ho azon’ny fandringanana, sa horaisina mba ho tafita velona? Io fanoharana nataon’i Jesosy io dia hanampy anao hiditra ao amin’ny lalana tsara: “Izay itoeran’ny faty, dia any koa no hiangonan’ny voromahery.” — Lioka 17:34-37; Matio 24:28.
Nasehon’i Jesosy teo ny ilàna hanao zavatra amim-pahiratan-tsaina sy ao anatin’ny firaisan-tsaina. Raisina mba ho tafita velona ireo izay mivory tsy tapaka sy mandray ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra. Olona an-tapitrisany maro no miaiky fa nahita izany sakafo ara-panahy izany tamin’ny fiarahana akaiky tamin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 55 000 sy tamin’ny fianarana boky mifototra amin’ny Baiboly tahaka ity gazety ity.
Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny telo tapitrisa no mampiseho ny finoany ny famantarana amin’ny fampahafantarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny namany (Matio 24:14). Mandray tsara an’io vaovao tsara io ve ianao? Raha izany no izy, dia azonao atao ny mamelona fanantenana ny ho tafita velona ka handova tany iray vaovao ho paradisa.
[Sary, pejy 5]
Maro be no voatanan’ny fikatsahana fahafinaretana aoka izany ka tsy mihevitra mihitsy ny famantarana.
[Sary, pejy 6]
Ny hoe mihevitra ny famantarana dia milaza indrindra fivoriana mba hamahanan-tena amin’ny Tenin’Andriamanitra.