Voatsimbina Mandritra ny Fahoriana Lehibe
“Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany
sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” — APOKALYPSY 7:14.
1. Iza no hitsena ireo hatsangana amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho eto an-tany?
REHEFA hatsangana amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina” ireo olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina, dia tsy haverina amin’ny fiainana ho eo amin’ny tany foana iray izy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Hifoha eo amin’ny tontolo iainana nohatsaraina tamin’ny fomba kanto izy ireo ary hahita fa nisy toeram-ponenana sy fitafiana ary sakafo tondraka efa nomanina ho azy ireo. Iza no hanao izany fanomanana rehetra izany? Mazava fa hisy olona hiaina eo amin’ny tontolo vaovao, alohan’ny hanombohan’ny fitsanganana amin’ny maty ho eto an-tany. Iza izany? Milaza ny Baiboly fa ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ho avy izy ireo. Amin’ireo fampianaran’ny Baiboly rehetra, dia tsy isalasalana fa io no iray amin’ireo mahaliana indrindra — ny hoe ho voatsimbina mandritra ny fahoriana lehibe ny olo-mahatoky sasany ka tsy ho voatery ho faty mihitsy. Hamarinina tsara ao amin’ny Soratra Masina io fanantenana io.
Tahaka ny andron’i Noa
2, 3. a) Inona avy ireo fitoviana azo tsoahina avy amin’ny andron’i Noa sy ny androntsika? b) Inona no tondroin’ny nahatafita velona an’i Noa sy ny fianakaviany tamin’ny Safo-drano?
2 Ao amin’ny Matio 24:37-39, i Jesosy Kristy dia nampitaha ny andron’i Noa sy ny andro farany, izay misy antsika ankehitriny. Hoy izy hoe: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’y Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy [nanisy fiheverana izy ireo, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.”
3 Nandringana izay rehetra tsy nanisy fiheverana ny hafatra fampitandreman’Andriamanitra ilay Safo-drano nanerana ny tany. Tsy nandringana an’i Noa sy ny fianakaviany anefa izy io. ‘Niditra tao amin’ny sambo-fiara’ izy ireo, araka ny nolazain’i Jesosy. Noho ny fifikiran’izy ireo tamin’Andriamanitra, i Jehovah dia nanome azy ireo fomba handosirana. Manisy firesahana ny amin’ny nahatafita velona an’i Noa sy ny fianakaviany ny 2 Petera 2:5, 9, rehefa milaza hoe: “Izy [Andriamanitra], [dia] namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao (...) Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy”. Nampitaha ny andron’i Noa sy ny andro farany i Jesosy mba hampisehoana fa tsy hanaraka ny hafatra fampitandreman’Andriamanitra ny olona amin’ny ankapobeny. Na dia izany aza, tamin’ny fanaovana izany dia nohamafisiny koa fa nankato an’i Jehovah Andriamanitra i Noa sy ny fianakaviany ka niditra tao amin’ny sambo fiara ary tafita velona tamin’ilay Safo-drano lehibe. Ny nahatafita velona an’i Noa sy ny fianakaviany dia manondro ny hahatafita velona an’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ.
Tandindona tamin’ny taonjato voalohany
4. Ho fahatanterahan’ireo tenin’i Jesosy, fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i.?
4 Niresaka ny amin’ny fisehoan-javatra hitranga amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ koa i Jesosy. Izao no vakintsika ao amin’ny Matio 24:21, 22: “Amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” Nanana fahatanterahana voalohany ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana. Tamin’ny 66 am.f.i., dia nataon’ny tafika romana, notarihin’i Cestius Gallus, fahirano ny tanànan’i Jerosalema. Tonga hatramin’ny fandavahana ny tany tambanin’ny mandan’ny tempoly ny tafika romana, ary Jiosy maro no vonona hilavo lefona. Tamin’ny fomba tsy nampoizina anefa, ary toa tsy nisy antony mazava, dia nampihataka ny tafiny i Cestius Gallus. Tamin’ny fahitana ny fihatahan’ny Romana, ireo Kristiana dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ireto tenin’i Jesosy ireto, voalaza taona maro talohan’izay: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” (Lioka 21:20, 21). Ireo Jiosy tonga kristiana, ireo olom-boafidy, dia nandao avy hatrany ny tanànan’i Jerosalema efa voaheloka ary, noho izany, dia voavonjy tamin’ilay fandravana nahatsiravina izay efa hanjo azy io taoriana kely. Tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina ireo miaramila romana notarihin’ny Jeneraly Titus. Nitoby nanodidina an’i Jerosalema izy ireo, nanao fahirano ilay tanàna, ary nandrava azy io.
5. Tamin’ny heviny ahoana no nohafohezina ilay fahoriana nihatra tamin’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i.?
5 Nitantara ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Josèphe fa Jiosy 1 100 000 no maty, raha 97 000 kosa no tafita velona ka nentina ho babo. Ireo Jiosy tsy kristiana tafita velona ireo dia azo antoka fa tsy ireo “olom-boafidy” voalazan’ny faminanian’i Jesosy. Rehefa niresaka tamin’ny firenena jiosy nikomy i Jesosy dia nanao hoe: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.” (Matio 23:38, 39). Tsy misy firaketana an-tsoratra milaza fa hoe tamin’ny minitra farany, dia nanaiky an’i Jesosy ho Mesia sy tonga Kristiana ary nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ireo Jiosy voahidy tao Jerosalema. Na dia izany aza, ilay fahoriana izay nanjo an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. dia nohafohezina. Tsy naharitra ela ilay fahirano farany nataon’ny tafika romana. Izany dia namela ny Jiosy sasany ho tafita velona, na dia mba halefa ho andevo tany amin’ny faritra samihafa tamin’ny Empira Romana fotsiny aza.
Olona betsaka voaforon’ireo tafita velona
6, 7. a) Tanàna ara-pivavahana lehibe iza no mbola horavana, ary tapany amin’ny fahoriana mbola tsy nisy toa azy inona izany? b) Naminany inona momba ilay fahoriana lehibe ho avy hihatra amin’itỳ tontolo itỳ i Jaona?
6 Na dia nitondra “fahoriana lehibe” tokoa tamin’io tanàna ara-pivavahan’i Jerosalema io aza ny fandravana azy tamin’ny 70 am.f.i., dia mbola hotontosaina ny fahatanterahana lehiben’ireo tenin’i Jesosy. Ny tanàna ara-pivavahana lehibe kokoa iray, dia i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia tsy maintsy handia fahoriana lehibe mahafaty izay harahin’ny fahoriana mbola tsy nisy toa azy avy hatrany hihatra amin’ny sisa amin’ny fandehan-javatr’i Satana. (Matio 24:29, 30; Apokalypsy 18:21). Enina amby roapolo taona teo ho eo taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, dia nanoratra momba io fahoriana lehibe hanenika izao tontolo izao io ny apostoly Jaona, ao amin’ny Apokalypsy 7:9-14. Nasehony fa hisy olona betsaka ho tafita velona amin’izy io.
7 Ireo ho tafita velona ireo, antsoina hoe “olona betsaka”, dia fantatra amin’ireo zavatra hentitra hataon’izy ireo. Araka ny Apokalypsy 7:14, dia izao no nolazain’ny iray tamin’ireo loholona 24 any an-danitra tamin’i Jaona: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” Eny, mihoby an’i Jehovah ho loharanon’ny famonjena azy ny olona betsaka. Maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy izy ireo ary manana ny toeran’olo-marina eo anatrehan’ny Mpamorona azy sy i Jesosy Kristy Mpanjaka voatendriny.
8. Fifandraisana tsara dia tsara inona no misy eo amin’ny “olona betsaka” sy ireo sisa amin’ny rahalahin’i Jesosy voahosotra?
8 Amin’izao andro izao, dia efa ho dimy tapitrisa eo ho eo anisan’ny olona betsaka no miaina eo ambanin’ny fitarihana marisik’i Jesosy Kristy Mpanjaka any an-danitra. Manaiky an’i Kristy izy ireo ary mifanerasera akaiky amin’ireo rahalahiny voahosotra mbola eto an-tany. Mahakasika ny fomba fitondran’ny olona betsaka ireo voahosotra ireo, dia hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” (Matio 25:40). Koa satria manolotra fanampiana tsy amim-pitiavan-tena ho an’ireo rahalahin’i Kristy voahosotra ireo anisan’ny olona betsaka, dia heverina ho nanao soa tamin’i Jesosy mihitsy izy ireo. Manampy azy ireo hanana fifandraisana azo antoka amin’i Jesosy Kristy sy i Jehovah Andriamanitra izany. Omena tombontsoa hiaraka amin’ny sisa voahosotra amin’ny fahatongavana ho Vavolombelon’Andriamanitra sy mpitondra ny anarany, izy ireo. — Isaia 43:10, 11; Joela 3:4, 5.
Mifoha hatrany
9, 10. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hihazonana ny toeran’olo-marina tanantsika eo anatrehan’ny Zanak’olona? b) Ahoana no tsy maintsy ho fihetsitsika mba ‘hiambenana mandrakariva’?
9 Tsy maintsy mihazona ny toeran’olo-marina tanany eo anatrehan’ny Zanak’olona tsy misy fampihenana ny fiezahany ny olona betsaka, ka izany dia mitaky ny hiambenana hatrany hatramin’ny farany. Nilaza izany mazava tsara i Jesosy rehefa niteny hoe: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny [fihinanana tafahoatra, NW ] sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” — Lioka 21:34-36.
10 Mba hahombiazantsika amin’ny fitsanganana eo anatrehan’ny Zanak’olona, isika dia tsy maintsy manana ny fankasitrahany, izay tsy hananantsika raha mamela ny tenantsika hotaomin’ny fomba fisainan’itỳ tontolo itỳ isika. Manodoka ny fomba fisainan’izao tontolo izao ary afaka mitaona ny olona iray hanaram-po tafahoatra amin’ny fahafinaretan’ny nofo na hanjary hovesaran’ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana aoka izany, hany ka tsy hihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany intsony izy. (Matio 6:33, NW ). Mampahalemy ny olona iray amin’ny lafiny ara-panahy izany lalana arahina izany ary afaka mahatonga azy tsy hiraharaha ny amin’ireo andraikiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny hafa. Mety ho tonga mpitory tsy miasa izy na mety hahatandindomin-doza ny toerany ao amin’ny kongregasiona noho ny fanaovana ota lehibe, angamba noho ny fanehoana fihetsika tsy mibebaka mihitsy aza. Tsy maintsy mitandrina ny tenany ny isam-batan’olona amin’ny olona betsaka. Tsy maintsy mitoetra ho tafasaraka hatrany amin’itỳ tontolo ratsy itỳ sy ny fanaony izy. — Jaona 17:16.
11. Ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina inona avy no hanampy antsika ho tafita velona amin’ny Haramagedona?
11 Mba hahatongavantsika amin’izany, i Jehovah dia nanome izay ilaintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fandaminany hita maso. Tsy maintsy mahay manararaotra amin’ny fomba feno an’izy ireny isika. Ankoatra izany, dia tsy maintsy mifikitra amin’Andriamanitra sy mankato azy isika raha tiantsika ny hahazo ny fankasitrahany. Voalohany aloha, dia tsy maintsy mamboly fankahalana mafy izay ratsy isika. Hoy ny mpanao salamo: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy. Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho. Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ny mpanota, na ny aiko amin’ny mpandatsa-dra”. (Salamo 26:4, 5, 9). Ao amin’ny kongregasiona kristiana, na tanora na antitra dia samy mila ny mametra ny fifaneraserana amin’ireo izay tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah. Mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia mikely aina isika mba tsy hanan-tsiny sy tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao. (Salamo 26:1-5; Jakoba 1:27; 4:4). Araka izany, dia hahazo antoka isika fa tsy handringana antsika amin’ny fahafatesana miaraka amin’ny ratsy fanahy i Jehovah, ao Haramagedona.
“Tsy ho faty mandrakizay” ny sasany
12, 13. a) Talohan’ny nananganana an’i Lazarosy, dia inona no teny nolazain’i Jesosy izay tsy takatr’i Marta tamin’ny fomba feno? b) Tsy nidika ho inona moa ireo tenin’i Jesosy momba ny hoe hisy sasany “tsy ho faty mandrakizay”?
12 Mampientana ny mampifantoka ny saina amin’ny fahatafitana velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ sy ny hoe mety tsy ho voatery ho faty mihitsy. Izany no fahatsinjovan-javatra natolotr’i Jesosy antsika. Taloha kelin’ny nananganana an’i Lazarosy sakaizany efa maty, dia hoy i Jesosy tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?” Nino ny fitsanganana amin’ny maty i Marta, saingy tsy takany izay rehetra nolazain’i Jesosy. — Jaona 11:25, 26.
13 Tsy te hilaza akory i Jesosy fa hanohy hiaina tao amin’ny nofo ireo apostoliny nahatoky ary tsy ho faty mihitsy. Mifanohitra amin’izany, fa nilaza izy tatỳ aoriana fa ho faty ireo mpianany. (Jaona 21:16-23). Eny tokoa, ny fanosorana azy ireo tamin’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. dia nidika fa tsy maintsy ho faty izy ireo mba hahazoana ny lovany any an-danitra amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona. (Apokalypsy 20:4, 6). Araka izany, rehefa nandeha ny fotoana, dia maty ireo Kristiana rehetra tamin’ny taonjato voalohany. Kanefa, nilaza izay nolazainy i Jesosy noho ny zava-kendrena iray. Tsy maintsy tanteraka ary ho tanteraka ireo teniny momba ny hahavelomana ka tsy hahafatesana mihitsy.
14, 15. a) Amin’ny fomba ahoana ireo tenin’i Jesosy momba ny hoe hisy sasany “tsy ho faty mandrakizay” no ho tanteraka? b) Manao ahoana ny tarehin-javatra misy itỳ tontolo itỳ, kanefa fanantenana inona no ananan’ny olo-marina?
14 Voalohany aloha, ireo Kristiana voahosotra mahatoky dia tsy hanandrana mihitsy fahafatesana mandrakizay. (Apokalypsy 20:6). Ary koa, ireo tenin’i Jesosy dia manondro fotoana voafaritra tsara iray izay hisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’olombelona sy hanesorany ny faharatsiana amin’ny tany, tsy misy hafa amin’ny nataony tamin’ny andron’i Noa. Tsy ho voatery ho faty amin’ny asa fampiharan’Andriamanitra didim-pitsarana ireo olo-mahatoky ho hita eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra amin’izay fotoana izay. Hanana fahafahana kosa izy ireo, tahaka an’i Noa sy ny fianakaviany, ny ho tafita velona amin’ny fandringanana tontolo iray. Mafy orina izany fanantenana izany, miorina amin’ny fampianaran’ny Baiboly ary hazavain’ny ohatra maro. (Ampitahao amin’ny Hebreo 6:19; 2 Petera 2:4-9.) Asehon’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly fa tena tsy ho ela ny tontolo ankehitriny voaforon’ny fitambaran’olona tsy marina dia hifarana amin’ny fandringanana. Tsy azo ovana intsony ny tarehin-javatra ankehitriny, satria ratsy tsy azo ahitsy izao tontolo izao. Izay nolazain’Andriamanitra momba ny tontolo tamin’ny andron’i Noa dia marina koa ny amin’ny tontolo amin’izao andro izao. Mameno ny fon’ny ankamaroan’ny olona ny haratsiam-panahy, ary ny fisainan’izy ireo dia ratsy ihany mandritra ny andro. — Genesisy 6:5.
15 Namela ny olona hanapaka ny tany nandritra ny taonjato maro, tsy nisy fisalovanany, i Jehovah, kanefa madiva ho tapitra ny andron’izy ireo. Tsy ho ela i Jehovah dia hanafoana ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany, araka ny lazain’ny Baiboly indrindra. (Salamo 145:20; Ohabolana 2:21, 22). Kanefa, tsy handringana ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy izy. Mbola tsy nanao zavatra toy izany mihitsy Andriamanitra! (Ampitahao amin’ny Genesisy 18:22, 23, 26.) Nahoana izy no handringana ireo izay miezaka mafy ny hanompo azy amim-pahatokiana, amin-tahotra araka an’Andriamanitra? Azon’ny saina ekena tsotra izao ny hoe ireo mpivavaka amin’i Jehovah mahatoky izay ho velona amin’ny fotoana hanombohan’ny fahoriana lehibe dia hahazo sitraka eo imasony ka tsy ho ringana, tsy misy hafa amin’ny tsy naha-ringana an’i Noa sy ny fianakaviany tamin’ny fotoana nifaranan’ny tontolo ratsy tamin’ny androny tamin’ny loza iray. (Genesisy 7:23). Hahazo ny fiarovan’Andriamanitra izy ireo ary ho tafita velona amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ.
16. Zava-mahagaga inona avy no hitranga ao amin’ny tontolo vaovao, ka hidika ho inona ho an’ireo ho tafita velona izany?
16 Inona no hitranga avy eo? Ao amin’ny tontolo vaovao, dia hikoriana amin’ny olombelona ireo fitahiam-panasitranana, arakaraka ny hampiharana amin’ny fomba feno ireo soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “onin’ny ranon’aina [ara-panoharana], manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:1, 2). Mahatalanjona fa mahafaoka ny fandresena ny fahafatesana adamika mihitsy io “fanasitranana” io! “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. (Isaia 25:8). Araka izany, ireo izay ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovao dia tsy ho voatery hiatrika fahafatesana mihitsy!
Fanantenana azo antoka
17. Ahoana no maha-azo antoka ilay fanantenana fa hisy sasany ho tafita velona amin’ny Haramagedona ary “tsy ho faty mandrakizay”?
17 Afaka manana fatokiana feno an’io fanantenana mahatalanjona io ve isika? Izany tokoa! Nasehon’i Jesosy tamin’i Marta fa hisy fotoana izay hahaveloman’ny olona ka tsy hahafatesany mihitsy. (Jaona 11:26). Ambonin’izany, ao amin’ny toko faha-7 amin’ny Apokalypsy izay nomen’i Jesosy an’i Jaona, dia naharihary fa hisy olona betsaka avy amin’ny fahoriana lehibe, ho tafita velona amin’izy io. Afaka mino ny tenin’i Jesosy Kristy sy ilay filazana ara-tantara momba ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa ve isika? Tsy misy isalasalana ny amin’izany! Ankoatra izany, ny Baiboly dia mirakitra fitantarana hafa ny amin’ireo fotoana izay nitsimbinan’Andriamanitra ireo mpanompony nandritra ireo fe-potoana nampiharana didim-pitsarana sy nandritra ny fianjerana firenena. Tokony ho kely kokoa noho izany ve no antenaina avy aminy amin’izao fotoan’ny farany izao? Misy zavatra tsy vitan’ny Mpamorona ve? — Ampitahao amin’ny Matio 19:26.
18. Ahoana no ahazoantsika antoka ny amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao sy ara-drarin’i Jehovah?
18 Amin’ny fanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana dieny ankehitriny, dia mahazo antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao isika. Ho an’ny olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina, ny fiainana ao amin’izany tontolo vaovao izany dia ho avy amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Kanefa, amin’izao androntsika izao, dia olona an-tapitrisany maro amin’ny vahoakan’i Jehovah — eny, olona betsaka izay tsy misy mahaisa na mahafetra — no hanana ny tombontsoa tsy manam-paharoa ho voatsimbina mandritra ny fahoriana lehibe. Ary tsy ho voatery ho faty mihitsy izy ireo.
Hazavao Aza Fady
◻ Ahoana no nampisehoana tandindona tamin’ny andron’i Noa ny fahatafitana velona amin’ny Haramagedona?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika mba hijoroana hatrany rehefa ho avy i Jesosy mba hampihatra ireo didim-pitsaran’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no afaka milaza fa ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia tsy voatery “ho faty mandrakizay”?
[Sary, pejy 15]
Afa-nandositra ny fahorian’i Jerosalema ireo Kristiana