Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Akaiky ny fotoana hankalazan’i Jesosy ny Paska farany
EFA HIFARANA ny talata 11 Nisana vao vitan’i Jesosy ny fampianarana ny apostoliny teo an-tendrombohitra Oliva. Andro nanaovana asa be sady nandreraka re izany! Izao, angamba teny am-piverenana ho any Betania, dia hoy izy tamin’ny apostoliny: “Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazo fijaliana.”
Ny ampitson’iny, ny alarobia 12 Nisana, dia toa nitokana tamin’ny toerana nilamina niaraka tamin’ireo apostoliny i Jesosy. Ny omalin’izay, dia nanome tsiny ampahibemaso ny filoha ara-pivavahana izy, ary takany fa nitady hamono azy ireo. Noho izany, dia tsy niseho niharihary izy ny alarobia, satria tsy tiany hisy hanembantsembana ny fankalazany ny Paska miaraka amin’ireo apostoliny ny hariva nanaraka izay.
Tamin’izay fotoana izay, dia nivory teo an-kianjan’i Kaiafa mpisoronabe ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona. Tafintohina noho ny fanakianana nataon’i Jesosy ny omalin’iny izy ireo ka nanao tetika hisamborana azy tamin-kafetsena ary hampamonoana azy ho faty. Izao anefa no nambarany: “Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin’ny olona.” Natahotra ny vahoaka izay nankasitraka an’i Jesosy izy ireo.
Raha mbola niray tetika tamin-karatsiam-panahy hamono an’i Jesosy ireo filoha ara-pivavahana, dia tonga teo aminy ny mpitsidika iray. Akory ny hagagany, fa ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy izany, dia i Jodasy Iskariota, ilay nampidiran’i Satana hevi-dratsy hamadika ny Tompony! Akory ny hafaliany rehefa nanontany azy i Jodasy hoe: “Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo?” Tamin-kafaliana no nandoavany taminy sekely volafotsy 30, vidin’andevo iray araka ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. Nanomboka tamin’izay, dia niandry kendry tohina i Jodasy mba hanolorana an’i Jesosy amin’izy ireo, rehefa tsy eo ny vahoaka.
Nanomboka ny alarobia tamin’ny filentehan’ny masoandro ny 13 Nisana. Tonga avy tany Jeriko ny zoma talohan’io i Jesosy, noho izany dia io no alina fahenina sady farany nolaniny tao Betania. Ny ampitson’io, ny Alakamisy, dia tokony ho vita ny fiomanana farany ho an’ny Paska, izay hanomboka amin’ny filentehan’ny masoandro, rehefa tsy maintsy novonoina sy natsatsika manontolo ny zanak’ondrin’ny Paska. Aiza no hankalazany ilay fety, ary iza no hanao ny fanomanana?
Tsy mbola nanome izany tsipiriany izany i Jesosy, angamba mba tsy hampandrenesan’i Jodasy ny lohan’ny mpisorona izay mety hisambotra azy mandritra ny fankalazana ny Paska. Izao anefa, azo inoana fa ny alakamisy teo am-piandohan’ny tolakandro, dia nirahin’i Jesosy ry Petera sy Jaona avy tany Betania: “Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.”
“Aiza no tianao hanamboaranay azy?” hoy izy ireo.
“Indro, raha miditra ao an-tanàna hianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ny trano izay hidirany. Dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro? Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.”
Tsy isalasalana fa mpianatr’i Jesosy ilay tompon-trano izay angamba nanampo ny fangatahan’i Jesosy ny tranony ho amin’io fisehoan-javatra manokana io. Na ahoana na ahoana, rehefa tonga tany Jerosalema ry Petera sy Jaona, dia nahita ny zavatra rehetra araka izay nanambaran’i Jesosy azy mialoha. Noho izany dia nataon’izy roa lahy izay hahavonona ny zanak’ondry sy hahavita ny fandaminana hafa rehetra mba hanomezana izay ilain’ny mpankalaza ny Paska 13, dia i Jesosy sy ireo apostoliny 12. Matio 26:1-5, 14-19; Marka 14:1, 2, 10-16; Lioka 22:1-13; Eksodosy 21:32.
◆ Inona no toa nataon’i Jesosy ny alarobia, ary nahoana?
◆ Fivoriana inona no natao tany an-tranon’ny mpisoronabe, ary noho ny antony inona no nitsidihan’i Jodasy ireo filoha ara-pivavahana?
◆ Iza no nirahin’i Jesosy ho any Jerosalema ny alakamisy, ary noho ny antony inona?
◆ Inona no hitan’ireo nirahina ka mbola nampiseho indray ny fahefana mahagaga nananan’i Jesosy?