Iza no hankasitrahan’i Jehovah?
“Miasà hatrany ho amin’ny famonjena anareo (...); satria Andriamanitra, araka izay sitrany, no miasa ao anatinareo mba sady haniry ianareo no hanao zavatra.” — FILIPIANA 2:12, 13, MN.
1, 2. Tamin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no nanambaran’Andriamanitra tamin’i Jesosy fa nankasitrahany izy, ary nahoana izany no tokony hanaitra ny fahalianantsika?
HANAMARIKA fiolahana eo amin’ny Tantara ilay fisehoan-javatra. Nitory ny hafatr’Andriamanitra i Jaona mpanao batisa ary nanao batisa tamin’ny rano ireo izay nibebaka, raha indro ny lehilahy iray fantany fa marina, tonga nanatona azy; Jesosy io. Na dia tsy nanota mihitsy aza izy ka hoe tokony hibebaka ny amin’izany, dia nangataka ny hatao batisa i Jesosy ‘mba hanatanterahana ny fahamarinana rehetra’. — Matio 3:1-15.
2 Nanaiky tamim-panetren-tena an’io hataka io i Jaona ary, rehefa tafavoaka avy ao amin’ny rano i Jesosy, dia “nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny”. Ny zavatra mbola mahagaga kokoa ihany dia ny “feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17; Marka 1:11). Fanambarana manaitra ny saina re izany! Tiantsika rehetra ny hahazo sitraka amin’olona iray hajaintsika (Asa. 6:3-6; 16:1, 2; Filipiana 2:19-22; Matio 25:21). Alao sary an-tsaina àry izay ho tsapanao raha milaza aminao ilay Andriamanitra Tsitoha hoe: ‘Ankasitrahako ianao’!
3. Inona avy no fanontaniana mipoitra raha ny amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra?
3 Azo atao ve ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao? Aoka horaisintsika ho ohatra ny amin’ny lehilahy iray ‘tsy manana fanantenana, tsy manana an’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra’. (Efesiana 2:12; 4:18.) Afaka mivoaka avy amin’izany tarehin-javatra izany ve izy ka hahita fahasambarana satria hankasitrahan’i Jehovah? Raha eny, amin’ny fomba ahoana? Diniho ireo fanontaniana ireo.
Inona no tian’Andriamanitra holazaina?
4. a) Inona moa no dikan’ny teny grika nadika hoe ‘sitraka’ tao amin’ny fanambarana nataon’Andriamanitra? b) Nahoana moa no mahaliana indrindra ny fampiasana an’io teny io tamin’izay fotoana izay?
4 Mba hilazana ny tenin’Andriamanitra hoe: “Izay [Jesosy] sitrako”, ireo Filazantsara dia mampiasa ny matoanteny grika hoe eudokéô (Matio 3:17; Marka 1:11; Lioka 3:22). Ny dikan’io matoanteny io dia hoe “afa-po, manaiky, mankasitraka ny”, ary ny hevitry ny anarana avy aminy dia hoe “fahamoram-panahy, sitraka, fankasitrahana, faniriana”. Tsy mahakasika ny fankasitrahan’Andriamanitra fotsiny akory ny hoe eudokéô. Araka izany, ireo kristiana tany Makedonia dia “faly” nizara ny fananany tamin’ny hafa (Romana 10:1; 15:26, MN; 2 Korintiana 5:8; 1 Tesaloniana 2:8; 3:1). Eto anefa, dia Andriamanitra no nankasitraka an’i Jesosy, fa tsy ny olombelona. Taorian’ny batisany vao nampiasaina tamin’i Jesosy io teny io (Matio 17:5; 2 Petera 1:17). Ao amin’ny Lioka 2:52, dia teny hafa (kharis) no ampiasaina rehefa lazaina fa, tao anatin’ny fahatanorany, talohan’ny batisany, dia nahita “fitia” tamin’Andriamanitra sy ny olona i Jesosy.
5. a) Inona moa no manaporofo fa misy olombelona tsy tanteraka mety hahazo sitraka amin’Andriamanitra? b) Iza moa ‘ny olona ankasitrahana’?
5 Moa ve ny olombelona tsy tanteraka toa antsika mety hahazo sitraka amin’Andriamanitra koa? Soa ihany fa izany tokoa. Nanao izao fanambarana izao ny anjely fony teraka i Jesosy: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany [eudokias]!” (Lioka 2:14). Ara-bakiteny, araka ny soratra grika, ireo anjely dia nanambara tamin’ny hirany, fitahiana ho avy ho an’ny “olona heveriny [Andriamanitra] fa tsara” na “ny olona mahazo sitraka amin’Andriamanitra”a. Izao no nosoratan’ny profesora Hans Bietenhard momba izany fampiasana ny teny hoe en anthrôpoïs eudokias izany: “Manondro ny olona mahita sitraka amin’Andriamanitra io fitenenana io (...). Tsy misy firesahana ny amin’ny fankasitrahan’olona àry eo (...) Ny resahina dia ny sitrapo ambony indrindra sy feno fahamoram-panahin’Andriamanitra, sitrapo ny hifidy vahoaka mba hamonjena azy.” Araka izany, toy ny anazavan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy hatramin’ny ela be, dia asehon’ny Lioka 2:14 fa amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy amin’ny fanekena hatao batisa, ny olombelona tsy tanteraka dia mety ho tonga olon’ny fankasitrahana, olona ankasitrahan’Andriamanitrab!
6. Inona moa no tokony ho fantatsika koa raha ny amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra?
6 Tsy isalasalana fa hainao ny manavaka ny tsy fitovian’ny hoe ‘fahavalon’Andriamanitra satria ny saina mitodika ho amin’ny asa ratsy’, sy ny hoe ankasitrahana amin’ny maha-mpiara-miasa amin’ilay Andriamanitra marina sy hendry (Kolosiana 1:21, MN; Salamo 15:1-5). Kanefa, sady faly angamba ianao mandre fa mety hankasitrahan’Andriamanitra ny olombelona, no ho tianao ny hahafantatra izay takin’izany. Amin’izany, dia afaka mianatra zavatra be dia be ny amin’ireo nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa isika.
Nandray tsy Isiraelita izy
7. Inona moa no filazana omen’ny Eksodosy 12:38 antsika raha ny amin’ny fihetsik’Andriamanitra?
7 Taonjato maro talohan’ny hanaovana ny fanambarana voasoratra ao amin’ny Lioka 2:14, dia nandray tamin-kafanam-po olona tonga mba hivavaka aminy Jehovah. Marina fa tsy nifampiraharaha afa-tsy tamin’ny firenen’Isiraely izay voatokana ho azy izy (Eksodosy 19:5-8; 31:16, 17). Aoka hotadidiantsika anefa fa rehefa nafahana avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta ny Isiraely, dia “nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy”. (Eksodosy 12:38.) Angamba ireny tsy Isiraelita ireny nitana fifandraisana tamin’ny olon’Andriamanitra ary vavolombelon’ny loza namely an’i Egypta. Nifidy ny hiara-miainga amin’ny Isiraely izy ireny izao. Ny sasany azo inoana fa tonga proselyta nanana ny naha-izy azy.
8. Iza avy moa ireo sokajin’olona roa nonina teo amin’ny Isiraely, ary nahoana no tsy nitovy ny fomba fifandraisan’ny Isiraelita tamin’izy ireo?
8 Ny faneken’ny Lalàna dia nilazalaza ny toeran’ny tsy Isiraelita raha oharina amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. Nonina tany Isiraely fotsiny ny vahiny sasany. Tokony hanaraka ireo lalàna lehibe indrindra tao amin’ilay tany, toy ny amin’ny famonoana olona sy ny sabata, izy ireny (Nehemia 13:16-21). Tsy nihevitra velively ireny vahiny ireny ho toy ny rahalahiny ny Isiraelita iray fa naneho fahamalinana sasany rehefa niresaka na nifampiraharaha tamin’izy ireny, satria mbola tsy anisan’ny firenen’Andriamanitra izy ireny. Araka izany, raha tsy nomen-dalana hividy sy hihinana biby maty ho azy, noho izany dia tsy nalatsa-dra, ny Isiraelita iray, ireny vahiny ireny izay tsy proselyta dia nanana zo hanao toy izany (Deoteronomia 14:21; Ezekiela 4:14). Rehefa nandeha ny fotoana, ny sasany tamin’ireny vahiny ireny dia afaka nanahaka ny vahiny hafa tonga proselyta voafora. Tamin’izay ihany izy ireny vao nentina toy ny rahalahy tao anatin’ny faritry ny fanompoam-pivavahana marina ka tsy maintsy nanaja ny Lalàna manontolo (Levitikosy 16:29; 17:10; 19:33, 34; 24:22). Rota Moabita, sy Namàna Syriana voan’ny habokana dia anisan’ireo tsy Isiraelita neken’Andriamanitra. — Matio 1:5; Lioka 4:27.
9. Ahoana moa no teny nanamafisan’i Solomona fa vonona ny handray hafa firenena Andriamanitra?
9 Tamin’ny andron’i Solomona mpanjaka, dia niharihary koa fa vonona ny handray tsy Isiraelita Andriamanitra. Rehefa nitokana ny tempoly tokoa i Solomona, dia izao no vavaka nataony: “Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao izy (...) koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, dia mihainoa any an-danitra (...) mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Isiraely olona ihany.” (1 Mpanjaka 8:41-43). Eny, nihaino ny vavaka nataon’ireo vahiny izay nitady azy tamim-pahatsorana Jehovah. Angamba koa izy ireny hahafantatra ireo lalàny, hanaiky ny famorana ka ho tonga anisan’ny vahoakany voatahy ankasitrahana.
10. Inona moa no fihetsika azo antoka fa nananan’ny Jiosy teo anoloan’ilay ionoka etiopiana, ary tamin’ny ahoana no nitondra soa ho an’io lehilahy io ny namorana azy?
10 Hanao toy izany ny lehilahy iray, taonjato maro tatỳ aoriana: ilay mpitahiry ny harenan’i Kandasy, mpanjakavavin’i Etiopia tany lavitra. Fony nandre voalohany firesahana ny amin’ny Jiosy sy ny fanompoam-pivavahan’izy ireo izy, dia azo inoana fa ny fomba fiainany sy ireo fanaony ara-pivavahana dia tsy nankasitrahan’i Jehovah. Tsy maintsy somary nampiseho fandeferana àry ny Jiosy raha mbola nonina teo aminy io vahiny io ka nianatra ny Lalàna mba hahafantarana ireo fepetra takin’Andriamanitra. Toa nandroso izy ary nitondra ireo fiovana nilaina teo amin’ny fiainany mba ho azo forana. Vakintsika ao amin’ny Asan’ny apostoly fa “tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka”. (Eksodosy 12:48, 49.) Araka ny asehon’io fisehoan-javatra kely io, dia proselyta amin’ny hevitry ny teny feno izy tamin’izay. Azony natao noho izany ny nanaiky ny Mesia ka ho tonga anankiray tamin’ireo mpianany vita batisa, hanaraka amin’izany ny sitrapon’Andriamanitra nambara miandalana.
Ireo tsy mpino sy ny kongregasiona kristiana
11, 12. a) Fiovana hafa inona moa no nitranga teo amin’ny fiainan’ilay Etiopiana rehefa natao batisa izy? b) Tamin’ny ahoana moa izany fiovana izany no nifanaraka tamin’izay voasoratra ao amin’ny Filipiana 2:12, 13?
11 Nandidy ny mpianany toy izao i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20). Nahalala an’i Jehovah ilay proselyta etiopiana vao avy noresahintsika teo ary nahafantatra ny atao hoe fanahy masina. Noho izany antony izany, raha vao nanampy azy Filipo hahatakatra sy hanaiky fa Jesosy no Mesia Zanak’Andriamanitra, dia azo natao batisa io Etiopiana io. Tamin’izany no hahatongavany ho anisan’ny vahoakan’i Jehovah ankasitrahana, mpianatr’i Kristy. Hita avy hatrany fa tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra izy amin’izay: ilainy ny ‘mitandrina ny zavatra rehetra nandidiana’ ny kristiana. Nefa izany andraikitra izany dia harahin’ny fahatsinjovan-javatra mahatalanjona: ny famonjena!
12 Tatỳ aoriana, dia nanoratra i Paoly fa ny kristiana rehetra dia tokony ‘hiasa hatrany ho amin’ny famonjena azy amin’ny tahotra sy ny hovitra’. Azo atao izany, “satria Andriamanitra, araka ny sitrany [eudokias], no miasa ao anatinareo mba sady haniry ianareo no hanao zavatra”. — Filipiana 2:12, 13, MN.
13. Ahoana moa no tsy maintsy nataon’ireo kristiana tamin’ireo izay tsy niomana na tsy vonona hatao batisa haingana tahaka ilay ionoka etiopiana?
13 Izay rehetra niditra hifandray tamin’ny kristiana marina dia tsy vonona na niomana tahaka ilay Etiopiana mba handroso haingana hatreo amin’ny batisa. Ny sasany izay sady tsy Jiosy no tsy proselyta, dia tsy nahalala na inona na inona na tsy nahalala firy ny amin’i Jehovah sy ny lalany; tsy nifanaraka tamin’ny fitsipi-pahamarinany ny toe-pitondrantenan’izy ireo. Ahoana no hiheveran’ny kristiana izany? Tsy maintsy hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy izy ireny. Tsy nampirisika hanota na nanala tsiny ny fahotana koa aza i Jesosy (Jaona 5:14). Niseho ho nandefitra tamin’ireo mpanota nanatona azy ka naniry hampifanaraka ny lalany tamin’ny an’Andriamanitra anefa izy. — Lioka 15:1-7.
14, 15. Ankoatra ny kristiana voahosotra, sokajin’olona iza avy moa no nanatrika ireo fivoriana natao tany Korinto, ary tamin’ny ahoana no tsy isalasalana fa tsy nitovy ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy?
14 Ireo fanamarihana nataon’i Paoly momba ny fivoriana nalamina tany Korinto dia mampiseho mazava fa naneho fandeferana tamin’ireo teo am-pikatsahana ny fahalalana an’Andriamanitra ny kristiana. Raha niresaka ny amin’ny fampiasana ireo fanomezana mahagagan’ny fanahy nanaporofo ny fitahian’Andriamanitra ny kristianisma tany am-boalohany i Paoly, dia nanonona “ny mino” sy “ny tsy mino”. (1 Korintiana 14:22.) “Ny mino” dia ireo izay nanaiky an’i Kristy ka natao batisa (Asa. 8:13; 16:31-34). “Ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.” — Asa. 18:8.
15 Araka ny 1 Korintiana 14:24, dia nisy ‘tsy mino na tsy mahay’ nanatrika koa ireo fivoriana natao tany Korinto ka noraisina tsara taoc. Azo inoana fa tsy nitovy akory ny fandrosoan’ny rehetra tamin’ny fianarana sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra. Angamba mbola nanota ny sasany. Ny hafa kosa anefa nanana finoana araka ny fatra sasany, efa nanao fiovana teo amin’ny fiainany, ary talohan’ny nanaovana batisa azy aza, dia efa nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny amin’izay nianarany.
16. Soa inona no azon’ireny olona ireny noraisina avy amin’ny fifaneraserana tamin’ny kristiana tao amin’ireo fivorian’ny kongregasiona?
16 Marina fa tsy nisy na dia iray monja aza tamin’ireny olona tsy vita batisa ireny niaina ‘tao amin’ny Tompo’. (1 Korintiana 7:39.) Raha nampitombo kilema lehibe teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy ara-panahy izy ireny taloha, dia takatra fa tsy maintsy nila fotoana elaela izy mba hanarahana ireo fitsipik’Andriamanitra. Eo am-piandrasana, raha mbola tsy nanandrana nanimba tamin-kasomparana ny fahadiovan’ny kongregasiona sy nandrodana ny finoan’ireo mpikambana tao aminy izy ireny, dia noraisina tsara. Izay hitany sy reny tao amin’ireo fivoriana dia nety ho “anatra” ho azy satria ‘nanjary niseho ny zavatra takona tao am-pony’. — 1 Korintiana 14:23-25; 2 Korintiana 6:14.
Ankasitrahan’Andriamanitra ho amin’ny famonjena
17. Tamin’ny fomba ahoana moa no nihariharian’ny fanambarana voasoratra ao amin’ny Lioka 2:14 fa marina tamin’ny taonjato I?
17 Noho ny fitoriana ampahibemaso ataon’ny kristiana vita batisa, dia olona an’arivony maro no nahalala ny vaovao tsara tamin’ny taonjato I. Nino izay reny izy ireny, nibebaka noho ny fitondrantenany tamin’ny lasa ary natao batisa, ka nanao “fanambarana ampahibemaso ho amin’ny famonjena”. (Romana 10:10-15, MN; Asa. 2:41-44; 5:14; Kolosiana 1:23.) Ireo izay natao batisa tamin’izany fotoana izany dia azo antoka fa nankasitrahan’i Jehovah, satria nohosorany tamin’ny fanahy masina izy ireny ka natsangany tamin’izany ho zanaka ara-panahy. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka ny ankasitrahan’ny [eudokian] fony.” (Efesiana 1:5). Araka izany, tamin’ny taonjato I dia nanomboka niharihary fa marina ny faminanian’ny anjely tamin’ny nahaterahan’i Jesosy: “Fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany [ankasitrahan’Andriamanitra].” — Lioka 2:14.
18. Nahoana moa ireo kristiana voahosotra no tsy tokony hihevi-tena fa hankasitrahan’Andriamanitra foana izy?
18 Mba hiarovana izany fiadanana izany, ireny ‘olona ankasitrahana’ ireny dia tokony ‘hiasa hatrany ho amin’ny famonjena azy amin’ny tahotra sy ny hovitra’. (Filipiana 2:12, MN.) Tsy mora akory izany, satria mbola tsy tanteraka izy ireo. Tsy maintsy nanohitra ny fakam-panahy sy ny fitaomana azy hanao ratsy izy ireny. Raha manaiky ho voatarika hanota izy, dia hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tamim-pitiavana àry no nanendren’i Jehovah mpiandry ara-panahy, mba hanampy sady hiaro ireo kongregasiona. — 1 Petera 5:2, 3.
19, 20. Fandaharana inona avy moa no nataon’Andriamanitra mba hahafahan’ireo kristiana vita batisa ho mpanompo ankasitrahany hatrany?
19 Tokony handatsaka am-po izao torohevitr’i Paoly izao ireo loholona ao amin’ny kongregasiona: “Raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” (Galatiana 6:1). Takatra mora foana fa rehefa avy nanao fanapahan-kevitra lehibe mba hatao batisa ny olona iray dia miantsoroka andraikitra lehibe kokoa, tsy misy hafa amin’ilay vahiny izay tonga proselyta voafora teo amin’ny Isiraely. Kanefa, raha nanota ny kristiana vita batisa iray, dia afaka nahita fanampiana voamariky ny fitiavana teo anilan’ny kongregasiona.
20 Tao anatin’ny kongregasiona, dia azon’ireo loholona natao ny nanolotra ny fanampiany an’izay nanjary nanao fahotana lehibe. Izao no nosoratan’i Joda: “Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentipentin’ny nofo aza.” (Joda 22, 23). Ny mpikambana vita batisa ao amin’ny kongregasiona izay nahazo izany fanampiana izany dia afaka nitana ny fankasitrahan’i Jehovah ka nanana hatrany ny fiadanana noresahin’ny anjely tamin’ny nahaterahan’i Jesosy.
21, 22. Raha tonga mpanota tsy mety mibebaka ny olona iray, fandaharana inona no tokony hatao ho azy, ary inona no tokony hataon’ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny kongregasiona?
21 Na dia mahalana aza izany, dia tsy nibebaka ilay mpanota indraindray. Tamin’izay ireo loholona dia tokony handroaka azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona mba hiarovana azy tsy ho voapentin’izay rehetra mety ho fahalotoana. Izany no nitranga tany Korinto rehefa tsy naniry hanapaka ny fifandraisany maloto ny kristiana vita batisa iray. Nanome izao torohevitra izao ho an’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona i Paoly: “Mba tsy hiharoharoanareo [intsony] amin’izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.” — 1 Korintiana 5:9-11.
22 Koa satria io Korintiana io nanao dingana lehibe tamin’ny fanekena hatao batisa, ka tamin’izany dia tonga olona nankasitrahan’Andriamanitra sady mpikambana tao amin’ny kongregasiona, dia fandaharana mafy tokoa ny fandroahana azy. Nilaza mazava i Paoly fa tsy tokony hanohy hifanerasera amin’izany lehilahy izany ny kristiana, satria nolaviny ny toerany tamin’ny naha-mpanompo nankasitrahan’Andriamanitra azy (jereo 2 Jaona 10, 11). Izao no nosoratan’i Petera momba ny kristiana noroahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona toy ireny: “Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany.’ ” — 2 Petera 2:21, 22.
23. Tamin’ny taonjato I, tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana moa ny ankamaroan’ny kristiana teo anatrehan’Andriamanitra?
23 Miharihary tokoa fa tsy afaka nankasitraka intsony izany karazan’olona izany Jehovah, satria noroahina izy ireny noho ny tsy netezany hibebaka tamin’ny fitondrantena ratsiny (Hebreo 10:38; jereo 1 Korintiana 10:5). Toa vitsy monja ireo anisan’ny kongregasiona noroahina. Nitoetra ho mahatoky ny ankamaroan’ireo izay nahazo “ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra” ka ‘natsangana ho zanaka, araka izay nankasitrahan’ny fony’. — Efesiana 1:2, 5, 8-10.
24. Raharaha inona avy izao no mendrika ny hodinihintsika?
24 Amin’ny ankapobeny, dia toy izany koa amin’izao androntsika izao. Aoka hodinihintsika anefa ny fomba azontsika anampiana amin’izao fotoana izao ‘ny tsy mino sy ny tsy mahay’ mba hankasitrahan’Andriamanitra azy sy izay azontsika atao ho azy ireny raha manjary mihataka amin’ny lala-mahitsy izy ireny. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo raharaha ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Olona ankasitrahany”, Baibolin’i Segond; “olona tiany”, Votre Bible.
b Jereo La Tour de Garde tamin’ny 1 janoary 1965, pejy faha-13 ka hatramin’ny faha-17 (BI 5/65, pejy faha-16 ka hatramin’ny faha-26).
c “Ny ἄπιστος (ny apistos, ny ‘tsy mino’) sy ny ιδιώτης (ny idiôtês, ny ‘olona tsy manam-pahalalana’, ‘izay mitady’) dia samy alahatra ho anisan’ny sokajin’ny tsy mino, ampifanoherina amin’ireo voavonjy sy anisan’ny Fiangonana kristiana.” — The Expositor’s Bible Commentary, boky faha-10, pejy faha-275.
Tadidinao ve?
◻ Araka ny Soratra masina, nanomboka oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa ny olombelona no mety hankasitrahan’Andriamanitra?
◻ Ahoana moa no niheveran’Andriamanitra ireo vahiny nonina teo amin’ny vahoakany, nefa nahoana ny Isiraelita no sady tokony haneho fahamalinana no tokony haneho fandeferana teo anoloan’izy ireny?
◻ Inona no azontsika tsoahina avy amin’ny hoe nisy “tsy nino” nanatrika ireo fivoriana kristiana tany Korinto?
◻ Inona avy moa no fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanampiana ireo kristiana vita batisa ho mpanompo ankasitrahany hatrany?