Toko 124
Natolotra sy nentina
NANOHINA an’i Pilato ny fahamendrehana mangina nasehon’i Jesosy nampijalina izaitsizy, ka nanandrana nanafaka azy indray izy, hany ka nanjary tezitra kokoa ihany ireo lohan’ny mpisorona. Tapa-kevitra ny tsy hamela na inona na inona hanembantsembana ny fikasan-dratsiny izy ireo. Naveriny indray àry ny kiakiakany hoe: “Homboy izy! Homboy izy!”
“Enton’ny tenanareo ihany izy, ka homboy”, hoy ny navalin’i Pilato. (Nifanohitra tamin’ny fanambaran’izy ireo teo aloha, ny Jiosy dia mety hanana fahefana hamono olo-meloka noho ny fandikan-dalàna ara-pivavahana izay ampy halehibe.) Avy eo, efa ho fanindiminy, fara fahakeliny, dia nanambara an’i Jesosy ho tsy nanan-tsiny i Pilato tamin’ny filazana hoe: “Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.”
Rehefa hitan’ny Jiosy fa tsy nisy vokany ny fiampangana ara-politika nataon’izy ireo, dia niverina tamin’ilay fiampangana ara-pivavahana ho nanao fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izay nampiasaina ora vitsivitsy talohan’izay tamin’ny fitsarana an’i Jesosy teo anatrehan’ny Synedriona izy ireo. “Manana lalàna iray izay izahay”, hoy izy ireo, “ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra”.
Vaovao tamin’i Pilato io fiampangana io, ary vao mainka nahatonga azy hatahotra kokoa izany. Efa takany izao fa tsy lehilahy tsotra fotsiny i Jesosy, toy ny nasehon’ny nofin’ny vadiny sy ny toetra nibaiko fanajana niavaka nananan’i Jesosy. Fa ny hoe “Zanak’Andriamanitra”? Fantatr’i Pilato fa avy any Galilia i Jesosy. Kanefa, nety ho efa niaina talohan’izay ve izy? Nitondra azy niverina tao an-dapa indray i Pilato ka nanontany hoe: “Avy aiza moa ianao?”
Nangina i Jesosy. Teo aloha, dia nilaza tamin’i Pilato izy fa mpanjaka ny tenany, saingy tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany. Izao dia tsy hitondra na inona na inona intsony ny fanazavana fanampiny. Voadona noho ny fandavan’i Jesosy ny hamaly anefa ny hambom-pon’i Pilato, ka nirehitra tamin’i Jesosy ny hatezerany sady hoy izy hoe: “Tsy miteny amiko ve ianao? Tsy fantatrao angaha fa manana fahefana hanafaka anao aho, sady manana fahefana hanombo anao koa?”
“Tsy ho nanana fahefana amiko velively ianao, raha tsy nomena anao avy any ambony izany”, hoy ny navalin’i Jesosy tamim-panajana. Tamin’izany izy dia nanisy fitenenana ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra fahefana an’ireo mpanapaka olombelona mba hitondra ny raharahan’ny tany. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Izany no antony maha-meloka kokoa an’ilay olona nanolotra ahy taminao.” Nanana andraikitra navesatra kokoa noho i Pilato tamin’ny fitondrana tsy ara-drariny nampiharina tamin’i Jesosy tokoa i Kaiafa mpisoronabe sy ny mpiray teti-dratsy taminy ary i Jodasy Iskariota.
Nanohina an’i Pilato bebe kokoa ihany i Jesosy sady natahotra ny amin’ny naha-nety ho avy tamin’Andriamanitra azy io izy ka nanavao indray ny fiezahany hanafaka azy. Nanohitra an’i Pilato tamim-panamavoana anefa ireo Jiosy. Namerina ny fiampangany ara-politika izy ireo, tamin’ny fandrahonana tamin-kafetsen-dratsy toy izao: “Raha manafaka io lehilahy io ianao, dia tsy sakaizan’i Kaisara. Izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara.”
Na dia teo aza izay ho voka-dratsy goavana tafiditra tamin’izany, dia mbola nitondra an’i Jesosy tany ivelany indray i Pilato. “Jereo! Ny Mpanjakanareo!”, hoy izy mbola niangavy indray.
“Alao teo izy! Alao teo izy! Homboy izy!”
“Hohomboako ve ny Mpanjakanareo?”, hoy i Pilato nanontany tamim-pamoizam-po.
Nampiseho ny tsy faharetany teo ambany fanapahan’ny Romana ny Jiosy. Nanamavo ny fanapahan’i Roma tokoa izy ireo! Kanefa, tamim-pihatsarambelatsihy, dia hoy ny lohan’ny mpisorona hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy i Kaisara izahay”.
Natahotra ny amin’ny toerany sy ny lazany ara-politika i Pilato ka, tamin’ny farany, dia nilefitra teo anoloan’ny fangatahana tsy nampiseho indrafo nataon’ny Jiosy. Nanolotra an’i Jesosy tamin’izy ireo izy. Nanala ilay fitafiana volomparasy teny amin’i Jesosy ny miaramila ary nampitafy azy indray ny akanjony ivelany. Rehefa nentina mba hohomboana i Jesosy, dia nasaina nitondra ny hazo fijaliany.
Izao dia efa nisasaka ny marainan’ny zoma 14 Nisana; angamba efa nanakaiky ny mitataovovonana. Tsy natory hatramin’ny alakamisy vao maraina be i Jesosy, ary niaritra fanandraman-javatra nahafadiranovana azy nisesy. Mora azo àry raha tsy ela dia lany ny heriny novesaran’ilay hazo. Nasaina hitondra izany ho azy àry ny mpandalo iray, natao hoe Simona avy any Kyrena any Afrika. Teny am-pandehanana, dia nisy vahoaka maro be nanaraka, anisan’izany ny vehivavy maro, izay nikapo-tena noho ny alahelo sady nitomany an’i Jesosy.
Nitodika tany amin’ireo vehivavy i Jesosy ka nanao hoe: “Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany ahy intsony. Fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo kosa; satria, indro! ho avy ny andro izay hilazan’ny olona hoe: ‘Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza!’ (...) Fa raha manao izany zavatra izany amin’ny fotoana maha-mando ny hazo izy ireo, inona no hitranga rehefa malazo izy io?”
Tamin’izany i Jesosy dia nanisy fitenenana ny amin’ny hazon’ny firenena jiosy izay mbola nisy hamandoan’ny fahavelomana kely tao aminy noho ny naha-teo an’i Jesosy sy noho ny fisian’ny sisa izay nino azy. Kanefa rehefa hesorina avy ao amin’ilay firenena ireo, dia hazo maty ara-panahy no ho sisa tavela, eny, fandaminana ara-pirenena malazo iray. Antony mahatonga fitomaniana toy inona moa no hisy rehefa handrava ny firenena jiosy ny tafika romana, izay hiasa amin’ny maha-mpamono ampiasain’Andriamanitra! Jaona 19:6-17, MN; Jn 18:31, MN; Lioka 23:24-31, MN; Matio 27:31, 32, MN; Marka 15:20, 21, MN.
▪ Fiampangana inona no nataon’ireo filoha ara-pivavahana tamin’i Jesosy rehefa tsy niteraka vokany ny fiampangany ara-politika?
▪ Nahoana i Pilato no nanjary natahotra kokoa ?
▪ Iza avy ireo meloka bebe kokoa tamin’izay nanjo an’i Jesosy?
▪ Tamin’ny farany, ahoana no nataon’ny mpisorona mba hahatonga an’i Pilato hanolotra an’i Jesosy hovonoina?
▪ Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo vehivavy izay nitomany azy, ary inona no tiany holazaina rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny hazo izay “mando” ary avy eo dia “malazo” izy?