Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?
Vatana sy saina ihany ve no ananan’ny olona, sa manana fanahy koa izy? Izao fiainana mandalo izao ihany ve no natao ho antsika, sa misy fiainana koa any ankoatra? Marina ve fa manana fanahy isika, ary mbola velona izy io rehefa maty ny vatana?
SAMY manana ny fampianarany momba ny Any Ankoatra ireo fivavahana, ka mampikorontan-tsaina izany. Misy hevitra iray itovizan’izy ireo anefa, dia ny hoe: Manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mbola velona izy io aorian’ny fahafatesana. Olona maro no mino izany. Ary ahoana ny hevitrao? Manana fanahy tsy mety maty tokoa ve ny olona, ary miala amin’ny vatana izy io rehefa maty izy?
“Maty ny vatana raha tsy misy aina”
Midika ara-bakiteny hoe “fofonaina” na “rivotra”, ny teny hebreo sy grika nadika hoe “aina” ao amin’ny Baiboly. Tsy ny rivotra fohina ihany anefa no tiana holazaina amin’izany. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “Maty ny vatana raha tsy misy aina.” (Jakoba 2:26) Ny hoe aina àry eto, dia manondro ilay hery mamelona sy manetsika ny vatana.
Inona no manaporofo fa tsy fofonaina na rivotra miditra ao amin’ny havokavoka fotsiny io aina na hery mamelona io? Eritrereto izay mitranga amin’ny olona iray, raha vao mijanona tsy miaina izy. Mbola azo vonjena izy raha tsy andrasana ela be ny famelomana azy. Nahoana? Satria mbola misy aina na hery mamelona ireo sela ao amin’ny vatany. Tsy misy azo atao intsony anefa, rehefa tsy misy aina intsony ao aminy. Tsy ho velona intsony ireo selany, na dia asiana rivotra sy fofonaina tahaka ny inona aza. Ilay hery mamelona ny sela àry no mahatonga ny olona ho velona. Izy io no afindran’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, amin’ny fotoana iforonan’ilay zaza ao am-bohoka. Ny fofonaina no mampaharitra an’io hery io.—Joba 34:14, 15.
Mitovy ihany ny hery mamelona ny olona rehetra, araka ny Baiboly. Hazavaina ao fa mitovy ny aina na hery mamelona ny zavamananaina rehetra. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby,—mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’izy rehetra. ... Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:19, 20) Mitovy ihany àry ny aina na hery mamelona ny olona sy ny biby.
Azo oharina amin’ny herinaratra ny hery mamelona ny vatana. Tsy hita maso ny herinaratra, ary azo ampiasaina amin’ny fitaovana isan-karazany. Afaka mampandeha jiro, radio, na tele, ohatra, izy io. Tsy miova ho zavatra hafa mihitsy anefa ilay izy, fa mbola herinaratra foana. Toy izany koa ny hery mamelona ny vatana. Hery fotsiny izy io, fa tsy afaka mieritreritra sady tsy manana ny maha izy azy. Mitovy ihany ny hery mamelona ny vatan’ny olona sy ny biby. Rehefa maty àry isika, dia tsy misy fanahy na zavatra hafa misaraka amin’ny vatantsika, ka mbola miaina any ankoatra.
Manao ahoana ny olona rehefa maty?
Milaza ny Mpitoriteny 12:7 fa rehefa maty ny olona, dia ‘hiverina amin’ny tany ho toy ny teo ny vovoka, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.’ Inona no hevitr’izany? Tsy midika izany hoe misy fanahy misaraka amin’ny vatana ka mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka, ary mankany amin’Andriamanitra. Izao, ohatra, no nolazain’i Jehovah tamin’ireo Israelita tsy nahatoky, tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho.” (Malakia 3:7) ‘Miverina’ amin’i Jehovah ny Israelita, raha miala amin’ny lalan-dratsiny ary mankatò indray ny fitsipika marin’Andriamanitra. ‘Miverina’ amin’ny Israelita kosa i Jehovah, rehefa mankasitraka azy ireo indray. Samy tsy ara-bakiteny ny hoe ‘miverina’, amin’ireo toe-javatra roa ireo. Ao am-po sy ao an-tsaina kosa ilay fiovana. Tsy fifindran-toerana ara-bakiteny foana àry no tiana holazaina amin’ny hoe ‘miverina’, ao amin’ny Baiboly.
Inona kosa no dikan’ny hoe ‘ny fanahy miverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny’? Midika izany fa rehefa maty ny olona, dia Andriamanitra irery no mahay mamerina ny ainy na ny hery mamelona azy. Miankina tanteraka amin’Andriamanitra àry ny hahavelona an’ilay olona indray.
Diniho, ohatra, izay lazain’ny Filazantsaran’i Lioka, rehefa ho faty i Jesosy Kristy: “Niantsoantso mafy i Jesosy hoe: ‘Ray ô, ankiniko aminao ny aiko.’ Dia tapitra ny ainy, rehefa avy nilaza izany izy.” (Lioka 23:46) Tsy hoe nankany amin’ny Rainy tany an-danitra akory i Jesosy taorian’izay, fa tao am-pasana ihany. Tsy nisy fotsiny izy, mandra-pahatongan’ny andro fahatelo izay nananganana azy tamin’ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10) Tsy niakatra avy hatrany tany an-danitra i Jesosy, na dia taorian’ny nitsanganany aza. “Niseho velona” tamin’ny mpianany mantsy izy “nandritra ny efapolo andro”, ary taorian’izay vao “nakarina.” (Asan’ny Apostoly 1:3, 9) ‘Nanankina ny ainy tamin’ny Rainy’ i Jesosy, talohan’ny hahafatesany. Natoky tanteraka izy fa ho afaka hamelona azy indray i Jehovah.
Inona no fanantenana ho an’ny olona maty?
Hitantsika teo fa ny hery mamelona ao anatintsika no mahatonga antsika ho velona, ary ny fifohana rivotra no mampaharitra azy io. Rehefa maty àry isika, dia tsy misy fanahy na zavatra hafa mbola velona any ankoatra.
Ny fananganana amin’ny maty ihany no fanantenana ho an’ny olona nodimandry. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Azo antoka àry fa hatsangana ny maty. Izany no tena fanantenana ho an’ireo nodimandry, fa tsy ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty.
Zava-dehibe tokoa ny mandray fahalalana marina tsara momba ny fitsanganana amin’ny maty! Tena ilaina koa ny mianatra momba an’Andriamanitra sy Kristy. (Jaona 17:3) Ho faly hanampy anao hianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo. Amin’izay dia hahafantatra kokoa an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny fikasany ianao. Manasa anao izahay mba hiresaka amin’ny Vavolombelona, na hanoratra any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.
[Sary, pejy 4]
Iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra
[Sary nahazoan-dalana]
Osy: CNPC—Centro Nacional de Pesquisa de Caprinos (Sobral, CE, Brasil)