An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ITALIA
Nanomboka tamin’ny 18 Aprily ka hatramin’ny 14 Jona 1998, dia naranty teto Italia tao amin’ny Katedralin’i San Giovanni Battista, any Turin, ilay lambam-paty nolazaina fa namonosana ny fatin’i Jesosy avy any Nazareta, taorian’ny nahafatesany. Natao tao anaty vata fitaratra tsy laitran’ny bala sy tsy tafiditry ny rivotra ary nofenoina gaza tsy mihetsika, ilay izy. Tao ilay izy dia tsy tratran’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
IREO mpitsidika dia nandalo teo anoloan’ilay lambam-paty voaro tsara, teo amin’ny lalantsara telo manao ambaratonga. Nahafahan’ny rehetra nahita tsara indrindra izany. Noferana ho roa minitra ny fitsidihana, ary ho an’ireo izay namandri-toerana ihany. Samy hafa ny fihetseham-pon’ny olona: tao ny toy ny netsehin-javatra, tao ny lasa fisainana sady latsa-dranomaso, ary tao ny liana ta hahita fotsiny. Voalaza fa nisy roa tapitrisa sy sasany teo ho eo ireo mpitsidika.
“Midika ho inona ho anao ilay lambam-paty?”, hoy ny fanontaniana napetraka matetika. Ho an’ny olona tia miresaka momba ny fivavahana, ilay fitsidihana dia nanome fahafahana handinika akaiky kokoa ilay foto-kevitra, sy hamerina hamaky indray ireo pejin’ny Baiboly izay miresaka momba ny fandevenana an’i Jesosy. — Jereo ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy manaraka.
Ilay lambam-paty dia lamba hariry mirefy 4,36 metatra ny lavany ary 1,10 metatra ny sakany, misy mariky ny vatan-dehilahy iray, izay novonoina tamin-kerisetra, hono. Izao anefa no fanontaniana mipetraka: Io Lambam-paty any Turin io ve ilay nampiasaina namonosana ny fatin’i Jesosy taonjato 19 mahery lasa izay?
Fizotran-javatra ara-tantara
“Tsy misy porofo ny amin’ny nisian’ny lambam-paty iray nandritra ireo taonjato voalohandohany tamin’ny vanim-potoana kristianina”, hoy ny New Catholic Encyclopedia. Tamin’ny 544 am.f.i., dia nisy sary nipoitra tampoka tany Édesse, izay any Torkia ankehitriny. Nisoratra teo ambonin’ny lamba io sary io, ary voalaza fa tsy nataon-tanan’olombelona. Voalaza koa fa sary nampiseho ny endrik’i Jesosy ilay izy. Tamin’ny 944 am.f.i., dia voalaza fa tany Constantinople ilay sary. Tsy inoan’ny ankamaroan’ny mpahay tantara anefa fa io ilay fantatra ankehitriny hoe Lambam-paty any Turin.
Tatsy Frantsa, nandritra ny taonjato faha-14, dia nisy lambam-paty teo am-pelatanan’i Geoffroi de Charny. Tonga fananan’i Louis, duc de Savoie, ilay izy tamin’ny 1453, ary i Louis indray avy eo no namindra azy io tao amin’ny eglizy iray tany Chambéry, renivohitr’i Savoie. Avy tao izy io no nentin’i Emmanuel Philibert tany Turin, tamin’ny 1578.
Fomba fihevitra maro samihafa
Tamin’ny 1988, dia nasain’i Anastasio Ballestrero, arsevekan’i Turin tamin’izany fotoana izany, nodinihina tamin’ny alalan’ny radiôkarbônina ilay Lambam-paty any Turin, mba hamantarana ny taonany. Nahariharin’ny fitiliana, izay nataon’ny laboratoara telo malaza tany Soisa sy Angletera ary Etazonia, fa tamin’ny fe-potoan’ny Moyen Âge izy io, ka noho izany dia efa ela be taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Nanaiky izany i Ballestrero, ka nanao izao fanambarana ofisialy izao: “Rehefa nanankina ny fanombanana ireo valiny ireo tamin’ny siansa ny eglizy, dia mamerina milaza fa manaja sy manome hasina io sary masin’i Kristy io, izay mbola ifikiran’ny mpivavaka hatrany.”
Nanambara toy izao i Giovanni Saldarini, ilay arseveka amin’izao fotoana izao: “Tsy afaka milaza izahay hoe sarin’i Kristy nampidinina avy teo amin’ny lakroa tokoa ilay sary.” Tetsy an-danin’izany anefa, dia nanizingizina izy hoe: “Tsy misy isalasalana fa ny mpino dia afaka mihevitra fa sarin’ilay lehilahy nolazalazaina tao amin’ireo Evanjely tokoa ilay asehon’ilay marika.” Tamin’ny 24 May 1998, raha mbola naranty ilay lambam-paty, ilay sary dia nantsoin’ny Papa Jean-Paul II hoe “marika navelan’ny vatan’Ilay Voahombo teo amin’ny lakroa izay nampijalijalina”.
Araka ny hitantsika, dia misy porofo mahery fa tsy lambam-patin’i Jesosy ilay any Turin. Ahoana anefa raha ohatra ka izany tokoa izy io? Hety ve raha hanome hasina izany lamba izany ny olona iray maniry hankato ny fampianaran’ny Baiboly?
Diniho ny faharoa amin’ny Didy Folo, izay milaza toy izao, araka ny fandikan-teny katolikan’ny Baiboly: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny (...) akory hianao”. (Eksaody 20:4, 5). Eny tokoa, ny Kristianina marina dia manaraka ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana”. — 2 Korintiana 5:7; 1 Jaona 5:21.
[Efajoro, pejy 24]
Ilay Lambam-paty sy ny Fitantaran’ny Filazantsara
Milaza ireo mpanoratra ny Filazantsara fa rehefa avy nesorin’i Josefa avy any Arimatia teo amin’ny tsato-kazo ny fatin’i Jesosy, dia nofonosiny “hariry madinika madio”. (Matio 27:57-61; Marka 15:42-47; Lioka 23:50-56). Hoy koa ny apostoly Jaona: “Ary tonga koa Nikodemosy (...) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. Dia noraisiny ny fatin’i Jesosy ka [nohodidininy fehy lamba, NW ] mbamin’ny zava-manitra, araka ny fanaon’ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.” — Jaona 19:39-42.
Fomban’ny Jiosy ny nampandro faty ary avy eo dia mampiasa menaka sy zava-manitra, mba hanosorana ilay faty. (Matio 26:12; Asan’ny 9:37). Ny ampitso marainan’ny Sabata, dia nisy vehivavy naman’i Jesosy, nikasa ny hamita ny fikarakarana ny fatin’i Jesosy izay efa napetraka tao amin’ny fasana iray. Kanefa, rehefa tonga teo niaraka tamin’ny ‘zava-manitra hanosorana ny fatin’i Jesosy izy ireo’, dia tsy tao am-pasana ilay izy! — Marka 16:1-6; Lioka 24:1-3.
Inona no hitan’i Petera rehefa tonga teo izy, nony afaka kelikely, ka niditra tao amin’ilay fasana? Nanao tatitra toy izao i Jaona, izay vavolombelona nahita maso izany: “Nijery ny [fehy lamba, NW ] nipetraka teo [i Petera], ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ny [fehy lamba, NW ], fa voavalona mitokana.” (Jaona 20:6, 7). Mariho fa tsy misy firesahana momba ilay lamba hariry madinika eo, fa ny fehy lamba sy ny mosara nafehy ny lohan’i Jesosy ihany. Koa satria niresaka mazava momba ny fehy lamba sy ny mosara nafehy ny loha i Jaona, tsy azo inoana ve fa ho nanisy firesahana momba ny lamba hariry madinika, na ny lambam-paty, izy, raha nisy tao izany?
Fanampin’izany, dia hevero izao: Raha nisy ny sarin’i Jesosy ny lamba nifonosany tao am-pasana, tsy tokony ho voamarika ve izany, ka ho nanjary foto-dresaka? Kanefa, ankoatra ny ao amin’ireo Filazantsara, dia mangina tanteraka ny Baiboly raha ny momba ilay lambam-paty.
Maro tamin’ireo mpanoratra nitonona ho Kristianina tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra, no nanoratra ny amin’ireo lazaina fa fahagagana maro dia maro momba ny relìka tsy tambo isaina. Na dia ireo mpanoratra ireo aza anefa, dia tsy nanisy firesahana ny amin’ny fisian’ny lambam-paty iray misy ny sarin’i Jesosy. Sarotra takarina ny anton’izany, satria ireo olona tamin’ny taonjato faha-15 sy faha-16 nahita ilay izy, araka ny fitantaran’i Herbert Thurston, manam-pahaizana zezoita, dia “nilaza hoe hita be aoka izany ny tsipiriany sy ny lokon’ireo marika teo amin’ilay lambam-paty, hany ka mety ho natao vao haingana mihitsy izy ireo”.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
David Lees/©Corbis