Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-23 — Isaia
Mpanoratra: Isaia
Toerana Nanoratana: Jerosalema
Vita: Taorian’ny 732 al.f.i.
Fe-potoana Voafaoka: 778 al.f.i. tany ho any – taorian’ny 732 al.f.i.
1. Nanao ahoana ny tarehin-javatra tany Moyen-Orient ary indrindra fa tany Isiraely sy Joda, tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i.?
NY ALOKA feno fandrahonan’ilay mpanjaka asyriana lozabe dia nitatao mafy teo ambonin’ireo empira hafa sy fanjakana kely kokoa tany Moyen-Orient. Nanerana ilay faritra manontolo, dia tsy nisy afa-tsy resaka momba ny tetika fikomiana sy ny firaisan-tetika. (Isaia 8:9-13). Tsy ho ela i Isiraely nivadi-pinoana (NW ) tany avaratra dia ho voan’io fiokoana niraisam-pirenena io, ary ireo mpanjakan’i Joda tany atsimo dia nanjaka tamin’ny fomba tsy azo antoka. (2 Mpanj. 15-21). Nisy fiadiana vaovao namboarina sy nampiasaina, ka izany dia nampitombo ny horohoro efa nisy tamin’izay. (2 Tant. 26:14, 15). Aiza no ho azon’ny olona itodihana mba hahazoana fiarovana sy famonjena? Na dia teo amin’ny molotry ny vahoaka sy ny mpisorona tao amin’ny fanjakana kelin’i Joda aza ny anaran’i Jehovah, ny fon’izy ireo kosa dia nitodika tany amin’ny faritra lavitra, tany Asyria aloha, ary avy eo dia tany Egypta tany atsimo. (2 Mpanj. 16:7; 18:21). Nihena ny finoana ny herin’i Jehovah. Tany amin’izay tsy nahitana fanompoan-tsampy an-karihary, dia nanjakan’ny fanompoam-pivavahana feno fihatsaram-belatsihy niorina tamin’ny fombafomba fa tsy tamin’ny fahatahorana marina an’Andriamanitra.
2. a) Iza no namaly ilay antso mba hiteny ho an’i Jehovah, ary oviana? b) Inona no maha-zava-dehibe ny anaran’io mpaminany io?
2 Iza àry no hiteny ho an’i Jehovah? Iza no hanambara ny heriny mahavonjy? “Inty aho, iraho aho”, hoy ny valin-teny tonga avy hatrany. I Isaia, izay efa naminany talohan’io, no niteny. Ny taona nahafatesan’i Ozia, ilay Mpanjaka boka, tamin’izay, tokony ho tamin’ny 778 al.f.i. (Isaia 6:1, 8). Ny anarana hoe Isaia dia midika hoe “Famonjen’i Jehovah”, izay mitovy dika amin’ny anaran’i Jesosy (“I Jehovah dia Famonjena”), fa soratana mivadika. Hatrany am-piandohany ka hatrany amin’ny farany, ny faminanian’i Isaia dia manasongadina ilay zava-misy hoe i Jehovah dia famonjena.
3. a) Inona no fantatra momba an’i Isaia? b) Nandritra ny fe-potoana toy inona no naminaniany, ary iza avy ireo mpaminany hafa tamin’ny androny?
3 I Isaia dia zanak’i Amoza (izay tsy tokony hampifangaroina amin’i Amosa, mpaminany hafa iray avy tany Joda). (1:1). Tsy milaza ny amin’ny nahaterahany na ny nahafatesany ny Soratra Masina, na dia mino aza ny lovantsofina jiosy fa notsofan’i Manase, Mpanjaka ratsy fanahy, izy. (Ampitahao amin’ny Hebreo 11:37.) Ireo asa soratra nataony dia mampiseho fa tao Jerosalema izy, niaraka tamin’ny vadiny izay mpaminanivavy sy ny zanany roa lahy fara fahakeliny, izay nanana anarana ara-paminaniana. (Isaia 7:3; 8:1, 3). Nanompo nandritra ny fotoana nanjakan’ny mpanjakan’i Joda efatra fara fahakeliny, dia i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, izy. Izany dia miharihary fa nanomboka tokony ho tamin’ny 778 al.f.i. (fony maty i Ozia, na angamba taloha kokoa) ary nitohy ka hatrany aorian’ny 732 al.f.i. fara fahelany (ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia), na hoe tsy latsaka ny 46 taona. Tsy misy isalasalana fa efa nandray an-tsoratra ny faminaniany tamin’io daty farany io izy. (1:1; 6:1; 36:1). Ny mpaminany hafa tamin’ny androny dia i Mika tany Joda, ary tany avaratra, dia i Hosea sy i Odeda. — Mika 1:1; Hosea 1:1; 2 Tant. 28:6-9.
4. Inona no mampiseho fa i Isaia no mpanoratra io boky io?
4 Ny hoe nandidy an’i Isaia mba handray an-tsoratra didim-pitsarana ara-paminaniana i Jehovah, dia porofoin’ny Isaia 30:8 manao hoe: “Mandehana ankehitriny, soraty amin’ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ny taratasy, mba haharitra amin’ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.” Ireo raby jiosy fahiny dia nanaiky fa i Isaia no mpanoratra ilay boky ary nampiditra azy io ho ny boky voalohany amin’ireo mpaminany lehibe (Isaia sy Jeremia ary Ezekiela).
5. Inona no manamarina ny maha-iray ny bokin’i Isaia?
5 Na dia nisy nanondro ny fiovana eo amin’ny fomba fanoratra manomboka eo amin’ny toko faha-40 aza mba hanaporofoana fa nisy mpanoratra hafa, na hoe “Isaia Faharoa”, ny fiovana eo amin’ny foto-kevitra dia tokony ho ampy mba hanazavana izany fiovana izany. Misy porofo be dia be fa i Isaia no nanoratra ilay boky manontolo mitondra ny anarany. Ohatra, ny maha-iray ilay boky dia asehon’ilay fitenenana hoe “ny Iray Masin’ny Isiraely”, izay miseho in-12 ao amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-39, ary in-13 ao amin’ireo toko faha-40 ka hatramin’ny faha-66, izany hoe in-25 amin’ny fitambarany; ary anefa dia tsy miseho afa-tsy in-6 izy io hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny tapany sisa amin’ny Soratra Hebreo. Ny apostoly Paoly koa dia manamarina ny maha-iray ilay boky, amin’ny fakana teny avy amin’ny tapany rehetra amin’ilay faminaniana, sy amin’ny filazana fa mpanoratra iray ihany, dia i Isaia, no nanao ilay asa soratra manontolo. — Ampitahao amin’ny Isaia 53:1; 65:1; 11:1, ny Romana 10:16, 20; 15:12.
6. Ahoana no anomezan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Matin’i Isaia porofo mampiaiky a) fa ny Baibolintsika amin’izao andro izao dia ny soratra ara-tsindrimandry tany am-boalohany, ary koa b) fa ilay boky manontolo dia nosoratan’i Isaia irery ihany?
6 Mahaliana fa, nanomboka tamin’ny taona 1947, dia nisy tahirin-kevitra tranainy sasany navoaka avy tao amin’ireo zohy maizina tsy lavitra an’i Khirbet Qumran, eo akaikin’ny moron-tsiraka avaratra andrefan’ny Ranomasina Maty. Ireo no antsoina hoe Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, izay misy ny faminanian’i Isaia. Izy io dia nosoratana tamin’ny fomba kanto tamin’ny teny hebreo nampiasaina talohan’ireo Masoreta ary 2 000 taona teo ho eo, ka nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato faharoa al.f.i. Ny soratra ao aminy, araka izany, dia tokony ho arivo taona tranainy kokoa noho ny sora-tanana tamin’ny soratra masoretika tranainy indrindra nisy tamin’izay, ka iorenan’ireo fandikan-tenin’ny Soratra Hebreo maoderina. Misy tsy fitoviana madinika sasany eo amin’ny tsipelin-teny ary fahasamihafana sasany amin’ny rafitry ny fitsipi-panoratana, kanefa tsy misy fahasamihafana amin’ilay soratra masoretika raha ny amin’ny foto-pampianarana. Io dia porofo mampiaiky fa ny Baibolintsika amin’izao andro izao dia mirakitra ny hafatra nomen’i Isaia ara-tsindrimandry tany am-boalohany. Ambonin’izany, ireo horonam-boky tranainy ireo dia mitsipaka ny filazan’ireo mpanao tsikera momba ny fisian’ny “Isaia” roa, satria ny toko faha-40 dia manomboka eo amin’ny andalana farany amin’ilay tsanganana misy ny toko faha-39, ary ny fehezanteny manomboka azy io dia tapitra eo amin’ny tsanganana manaraka. Araka izany, ilay mpanao kopia dia miharihary fa tsy nahatsapa izay lazaina fa fiovana eo amin’ny mpanoratra na izay fizarana ao amin’ilay boky eo amin’io toerana io.a
7. Inona no porofo tondraka ny amin’ny maha-azo itokiana ny Isaia?
7 Misy porofo tondraka ny amin’ny maha-azo itokiana ny bokin’i Isaia. Ankoatra an’i Mosesy, dia tsy misy mpaminany hafa tononin’ireo mpanoratra kristiana ao amin’ny Baiboly matetika kokoa noho izy. Misy porofo ara-tantara sy arkeolojika tondraka toy izany koa ny amin’ny maha-marina azy io. Ohatra ny amin’izany ireo firaketana ara-tantaran’ireo mpanjaka asyriana, ka anisan’izany ilay iraizotongotr’i Sankeriba misy zoro enina, izay anomezany ny fitantaran’ny tenany manokana momba ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema.b (Isaia, toko 36, 37). Ny antontan-javatra sisa eo amin’izay nisy an’i Babylona fahiny dia mbola vavolombelona manamarina ny fahatanterahan’ny Isaia 13:17-22.c Fanamarinana velona no hita tao amin’ny tsirairay tamin’ireo Jiosy an’arivony maro niverina avy tany Babylona, rehefa avy nafahan’ny mpanjaka iray, izay nosoratan’i Isaia, efa ho 200 taona talohan’izay, ny anarany hoe Kyrosy. Tena nety ho naseho an’i Kyrosy io soratra ara-paminaniana io tatỳ aoriana, satria, rehefa nanafaka ireo sisa jiosy izy, dia niteny fa nirahin’i Jehovah mba hanao izany ny tenany. — Isaia 44:28; 45:1; Ezra 1:1-3.
8. Ahoana no anaporofoan’ny fahatanterahan’ireo faminaniana mesianika ny maha-ara-tsindrimandry ilay boky?
8 Ny tena miavaka ao amin’ny bokin’i Isaia dia ireo faminaniana mesianika. I Isaia dia nantsoina hoe “ilay mpaminany evanjelista”, satria maro be aoka izany ireo filazana mialoha izay tanteraka teo amin’ireo fisehoan-javatra teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Ny toko faha-53, izay toy ny “toko mistery” nandritra ny ela be, tsy ho an’ilay ionoka etiopiana resahina ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-8 ihany, fa ho an’ny vahoaka jiosy tamin’ny fitambarany koa, dia manambara mialoha amin’ny fomba toy ny hita maso aoka izany, ny fomba nitondrana an’i Jesosy, hany ka toy ny fitantarana nataon’ny vavolombelona nanatri-maso ilay izy. Ny Soratra Grika Kristiana dia mirakitra ny fahatanterahana ara-paminanian’io toko miavaka ao amin’i Isaia io, araka ny asehon’ireto fampitahana manaraka ireto: 53 and. voal. — Jaona 12:37, 38; 53 and. faha-2 — Jaona 19:5-7; 53 and. faha-3 — Marka 9:12; 53 and. faha-4 — Matio 8:16, 17; 53 and. faha-5 — 1 Petera 2:24; 53 and. faha-6 — 1 Petera 2:25; 53 and. faha-7 — Asan’ny Apostoly 8:32, 35; 53 and. faha-8 — Asan’ny Apostoly 8:33; 53 and. faha-9 — Matio 27:57-60; 53 and. faha-10 — Hebreo 7:27; 53 and. faha-11 — Romana 5:18; 53 and. faha-12 — Lioka 22:37. Iza afa-tsy Andriamanitra no hety ho loharanon’ny fahitan-javatra mialoha araka ny marina toy izany?
LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ISAIA
9. Mizara ho fizarana inona avy ireo loha hevitra raketin’i Isaia?
9 Ireo toko enina voalohany dia manome ny tarehin-javatra tao Joda sy Jerosalema ary mitantara ny naha-meloka an’i Joda teo anatrehan’i Jehovah sy ny nanirahana an’i Isaia. Ny toko faha-7 ka hatramin’ny faha-12 dia miresaka momba ny fandrahonana avy tamin’ireo fanafihan’ny fahavalo sy ny fampanantenana fanamaivanana avy amin’ilay Andrian’ny Fiadanana nirahin’i Jehovah. Ny toko faha-13 ka hatramin’ny faha-35 dia mirakitra fitohitohizana faminaniana ny amin’ny loza hanjo ny firenena maro, ary koa fahitan-javatra mialoha ny amin’ny famonjena homen’i Jehovah. Ireo fisehoan-javatra ara-tantara nandritra ny fotoana nanjakan’i Hezekia dia voalazalaza ao amin’ny toko faha-36 ka hatramin’ny faha-39. Ny foto-kevitr’ireo toko farany, ny faha-40 ka hatramin’ny faha-66, dia ny fanafahana avy tany Babylona, ny fiverenan’ireo sisa jiosy ary ny famerenana an’i Ziona tamin’ny laoniny.
10. a) Nahoana i Isaia no miantso ilay firenena mba handamin-javatra? b) Naminany inona momba ny atỳ am-parany izy?
10 Ny hafatr’i Isaia “ny amin’ny Joda sy Jerosalema” (1:1–6:13). Jereo izy eo manao lamba fisaonana sy kapa, mitsangana ao Jerosalema ary mihiaka hoe: Ry mpitondra tsy refesi-mandidy (NW )! Ry vahoaka! Mihainoa! Ny firenenareo dia marary hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, ary nanasatra an’i Jehovah ianareo tamin’ny tananareo voaloton’ny ra kanefa natsanganareo tamin’ny vavaka. Avia handamin-javatra miaraka aminy (NW ), mba ho tonga fotsy toy ny orampanala ireo fahotana mena toy ny jaky. Any am-parany, ny tendrombohitry ny tranon’i Jehovah dia hasandratra, ary ny firenena rehetra dia hitanjozotra ho any mba hahazoana fampianarana. Tsy hisy hianatra ady intsony. I Jehovah dia hisandratra avo ary hohamasinina. Kanefa ankehitriny aloha, i Isiraely sy i Joda, na dia nambolena toy ny voaloboka fatratra aza, dia namokatra voaloboky ny tsy fankatoavan-dalàna. Nanao ny tsara ho ratsy ary ny ratsy ho tsara, izy ireo, satria nanao azy ho hendry.
11. Nahazo ny fanirahana azy niaraka tamin’ny fahitana inona i Isaia?
11 ‘Nahita ny Tompo nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sady manerinerina aho’, hoy i Isaia. Niaraka tamin’izany fahitana izany ilay fanirahan’i Jehovah azy manao hoe: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo”. Mandra-pahoviana? “Mandra-pahafoanan’ny tanàna”. — 6:1, 9, 11.
12. a) Ahoana no nampiasana an’i Isaia sy ireo zanany lahy ho toy ny famantarana ara-paminaniana? b) Fampanantenana miavaka inona no omena ao amin’ny Isaia toko faha-9?
12 Ny fandrahonana avy tamin’ny fanafihan’ireo fahavalo sy ny fampanantenana fanamaivanana (7:1–12:6). Nampiasa an’i Isaia sy ny zanany lahy ho toy ny ‘famantarana sy fahagagana’ ara-paminaniana i Jehovah mba hampisehoana fa handamòka ny fitambaran’i Syria sy i Isiraely hamely an’i Joda aloha, kanefa koa fa any aoriana, i Joda dia handeha any amin’ny fahababoana, ka sisa ihany no hiverina. Hanana anaka ny virjiny iray ka hiteraka zazalahy. Ny anarany? Imanoela (izay midika hoe “Miaraka Amintsika Andriamanitra, NW” ). Aoka hanamarika ireo fahavalo nitambatra hamely an’i Joda! “Misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy”! Hisy fotoan-tsarotra, kanefa avy eo dia hisy fanazavana lehibe hamirapiratra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, satria nisy zaza teraka ho antsika, “ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, [Ray Mandrakizay, NW ], Andrian’ny fiadanana”. — 7:14; 8:9, 18; 9:5.
13. a) Fiafarana inona no niandry an’ilay Asyriana nisetrasetra? b) Inona no ho vokatra hateraky ny fanapahan’ilay ‘solofon’i Jese’?
13 “Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ny fahatezerako ô”, hoy ny fihiakan’i Jehovah. Rehefa avy nampiasa io tsorakazo io mba hamelezana “ny firenena iray nivadi-pinoana” Andriamanitra, dia hamono ilay Asyriana nisetrasetra (NW ) mihitsy. Atỳ aoriana, ‘izay sisa dia hiverina’. (10:5, 6, NW, 21). Jereo izao ny tsimoka iray, dia solofo iray avy amin’ny fototr’i Jese (rain’i Davida)! Io “solofo” io dia hanapaka araka ny fahamarinana, ary aminy dia hisy fifaliana ho an’ny zavatra noforonina rehetra, ary tsy hisy handratra na hanimba, “fa ny tany [dia] ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. (11:1, 9). Izy io dia ho fanevan’ireo firenena, ka hisy lalana avy any Asyria ho an’ireo sisa hiverina. Hisy fifaliana eo am-pantsakana rano avy amin’ireo loharanom-pamonjena sy eo am-panaovana hira ho an’i Jehovah.
14. Fionganana inona no nambara mialoha ho an’i Babylona?
14 Faminaniana ny amin’ny fiafarana ratsy hanjo an’i Babylona (13:1–14:27). I Isaia izao dia mijery ny any ambadiky ny andron’ny Asyriana, any amin’ny fotoan’ny fahambonian’i Babylona. Henoy ny feon’ny vahoaka maro be, ny fitabataban’ny fanjakan’ny firenena efa tafatambatra! Manomana miaramila hiady i Jehovah! Andro maizina ho an’i Babylona amin’izay. Mitarehin-delafo ny tarehy talanjona, ary miempo ny fo. Hanjera an’i Babylona, “ravaky ny fanjakana maro”, ireo Mediana tsy mamindra fo. Ho toerana aolo (NW ) hirenirenen’ny biby dia “hatramin’ny taranaka fara mandimby” izy. (13:19, 20). Mihetsiketsika ireo maty ao amin’ny Sheola (f.a.p.) mba handray ny mpanjakan’i Babylona. Kankana no hilafihany ary olitra no hirakofany. Fionganana re izany ho an’io “fitarik’andro, zanaky ny maraina” io! (14:12). Naniry mafy ny hanandratra ny seza fiandrianany izy, kanjo tonga faty hariana, rehefa fafan’i Jehovah amin’ny kifafa fandringanana i Babylona. Tsy hisy anarana, na sisa, na zanaka, na taranaka tavela ho azy!
15. Maminany momba ny fahafoanana iraisam-pirenena inona avy i Isaia?
15 Fanafoanana iraisam-pirenena (14:28–23:18). Niverina nanondro an’i Filistia teny amin’ny Ranomasina Mediterane ary avy eo dia an’i Moaba, teo atsimo-atsinanan’ny Ranomasina Maty, izao i Isaia. Nitarika ny faminaniany hatrany amin’ny sisin-tany avaratr’i Isiraely nifampikasoka tamin’i Damaskosy, tany Syria, izy. Nanaraka izay izy dia nitsontsorika be tany atsimo, tany Etiopia, ary niakatra ny Neily hatrany Egypta, sady nitondra ny didim-pitsaran’Andriamanitra izay niteraka fanafoanana teny amin’ny nalehany rehetra. Noresahiny ny amin’ny nanirahan’i Sargona, ilay mpanjaka asyriana nodimbasan’i Sankeriba, an’i Tartana komandy, mba hamely an’i Asdoda, tanàna filistina, tany andrefan’i Jerosalema. Tamin’io fotoana io, i Isaia dia nasaina nanala ny fitafiany ka tsy hitafy sady tsy hikiraro telo taona. Nasehony tamin’ny fomba hita maso toy izany ny naha-zava-poana ny fitokiana tamin’i Egypta sy i Etiopia, izay “tsy hisarom-pe” ka hoentin’ny Asyriana ho babo. — 20:4.
16. Loza inona avy no hita fa hanjo an’ireo mponina be tabataban’i Babylona sy i Edoma ary i Jerosalema, ary koa i Sidona sy i Tyro?
16 Ny tily iray eo ambonin’ny fitazanany dia mahita ny fianjeran’i Babylona sy ireo andriamaniny, ary mahita zava-dratsy hanjo an’i Edoma. I Jehovah mihitsy no miresaka amin’ny vahoaka be tabataban’i Jerosalema izay manao hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” ‘Ho faty tokoa ianareo’, hoy i Jehovah. (22:13, 14). Hidradradradra koa ireo sambon’i Tarsisy, ary ho menatra i Sidona, fa nanome torohevitra hamelezana an’i Tyro i Jehovah, mba “hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany”. — 23:9.
17. Didim-pitsarana inona sy famerenana amin’ny laoniny inona no nambara mialoha ho an’i Joda?
17 Ny didim-pitsaran’i Jehovah sy ny famonjeny (24:1–27:13). Jereo anefa i Joda izao! Mahafoana ilay tany i Jehovah. Ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahy, ny mpivarotra sy ny mpividy — izy rehetra dia tsy maintsy mandeha, satria nandika ireo lalàn’Andriamanitra ary nivadika ny fanekena mandrakizay. Amin’ny farany anefa dia hampitodika ny sainy (NW ) ho amin’ny mpifatotra izy ary hanangona azy ireo. Fiarovana mafy sy fierena izy. Hanao fanasana eny amin’ny tendrombohiny izy ary hanafoana ny fahafatesana mandrakizay, ka hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra. “Indro Andriamanitsika”, hoy ny teny holazaina. “Indro Jehovah”. (25:9). I Joda dia manana tanàna iray, ka famonjena no mandany. Fiadanana tanteraka no ho an’ireo izay matoky an’i Jehovah, “fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay”. Fa ny ratsy fanahy kosa dia “tsy mety mianatra fahamarinana”. (26:4, 10). Hamono ho faty ireo fahavalony i Jehovah, fa i Jakoba kosa haveriny amin’ny laoniny.
18, 19. a) Loza sy fifaliana mifanohitra inona avy no ambara ho an’i Efraima sy i Ziona? b) Amin’ny maha-inona azy avy i Jehovah no mamonjy sy mitondra ny vahoakany?
18 Ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fitahiany (28:1–35:10). Lozan’ireo mpimamon’i Efraima, izay tsy maintsy malazo ny “firàvany tsara tarehy”! Fa i Jehovah kosa dia “ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka” ho an’ny olony sisa. (28:1, 5). Kanefa, ireo mpaniratsiran’i Jerosalema dia mitodika any amin’ny lainga ho fiarovana, toy izay any amin’ilay vato fanorenana voazaha toetra sy tsara any Ziona. Hindaosin’ny loza manafotra izy rehetra. Sondrian-tory ireo mpaminanin’i Jerosalema, ary ny taratasin’Andriamanitra dia voaisy tombo-kase ho azy ireo. Manatona amin’ny molony izy, fa ny fony kosa lavitra aoka izany. Kanefa ho avy ny andro handrenesan’ny marenina ny tenin’ilay taratasy. Hahita ny jamba ary hifaly ny mpandefitra.
19 Lozan’izay mandeha hialokaloka any Egypta! Mitady fahitana malefaka sy mamitaka io vahoaka maditra io. Hovonoina izy ireo, fa hamerina sisa amin’ny taniny kosa i Jehovah. Hahita ny Mpampianatra azy izy ireo, ka hanary ireo sampiny ary hiantso azy ireo hoe “loto fotsiny”! (30:22, NW ). I Jehovah no Mpiaro marina an’i Jerosalema. Hanjaka araka ny fahamarinana ny mpanjaka iray, hiaraka amin’ireo andrianany (NW ). Hitondra fiadanana sy fahatoniana ary tsy fananana ahiahy (NW ) mandrakizay izy. Ny fitaka dia hahatonga ireo iraka mitady fihavanana hitomany mafy, fa ho an’ny vahoakany kosa, i Jehovah ilay Heni-kaja (NW ) dia ho Mpitsara sy Mpanome Lalàna ary Mpanjaka, ary izy mihitsy no hamonjy azy ireo. Tsy hisy amin’ny mponina amin’izay hilaza hoe: “Marary aho”. — 33:24.
20. Fahatezerana inona no mipoaka mba hamelezana ireo firenena, kanefa fitahiana inona no niandry ny sisa tafaverina tany amin’ny taniny?
20 Tsy maintsy mipoaka hamely ireo firenena ny fahatezeran’i Jehovah. Hamofona ireo faty, ary hiempo ireo tendrombohitra azon’ny ra. Tsy maintsy hofoanana i Edoma. Fa ho an’ireo navotan’i Jehovah kosa, dia hamony ny tany hay, ary hiseho ‘ny voninahitr’i Jehovah sy ny famirapiratan’Andriamanitsika’. (35:2). Ho sitrana ny jamba sy ny marenina ary ny moana, ary ny Lalan’ny Fahamasinana dia hosokafana ho an’ireo navotan’i Jehovah, rehefa hiverina any Ziona amin’ny fifaliana izy ireo.
21. Teny fihaikana inona avy no natsipin’i Rabsake tamin’i Jerosalema?
21 Nampiverin-dalana an’i Asyria i Jehovah tamin’ny andron’i Hezekia (36:1–39:8). Azo ampiharina ve ny fampirisihan’i Isaia mba hiankina amin’i Jehovah? Afaka mahatohitra ny fitsapana ve izany? Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia, dia nandalo an’i Palestina toy ny antsy fijinjana i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, niaraka tamin’ny miaramilany, mba hanandramana hampahatahotra an’i Jerosalema. I Rabsake solovavany, izay nahay ny teny hebreo, dia nanipy fanontaniana fihaikana tamin’ny olona teo amin’ireo mandan’ilay tanàna, nanao hoe: ‘Inona no itokianareo? I Egypta ve? Tehina volotara torotoro! I Jehovah ve? Tsy misy andriamanitra afaka mahavonjy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asyria!’ (36:4, 6, 18, 20). Ho fankatoavana ny mpanjaka, dia tsy namaly ny vahoaka.
22. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataon’i Hezekia, ary ahoana no nanatanterahany ny faminanian’i Isaia?
22 Nivavaka tamin’i Jehovah mba hanomezany famonjena noho ny anarany, i Hezekia, ary tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah dia namaly fa hasiany ny masom-biny ny oron’ilay Asyriana ka hampivereniny amin’ny lalana izay niaviany izy. Namely ho faty Asyriana 185 000 ny anjely iray, ary i Sankeriba dia niverina nody haingana tany aminy, izay namonoan’ireo zanany lahy azy ihany tao amin’ny tempoliny feno sampy.
23. a) Inona no nahatonga an’i Hezekia hanao salamo iray ho an’i Jehovah? b) Ahoana no nanehoany tsy fahendrena, ary nitarika ho amin’ny faminanian’i Isaia inona izany?
23 Nanjary narary nadiva ho faty i Hezekia. Kanefa nampihemotra ny aloka avy tamin’ny masoandro tamim-pahagagana i Jehovah, ho famantarana fa ho sitrana i Hezekia, ary dia nampitomboina 15 taona ny androm-piainan’i Hezekia. Velom-pankasitrahana izy ka nanao salamom-piderana kanto iray ho an’i Jehovah. Rehefa nandefa iraka ho fiarahabana azy tamim-pihatsarambelatsihy noho ny fahasitranany, ny mpanjakan’i Babylona, dia tsy naneho fahendrena i Hezekia nampiseho azy ireo ny zava-tsoan’ny mpanjaka. Ho vokatr’izany, dia naminany i Isaia fa indray andro any, ny zavatra rehetra tao amin’ny tranon’i Hezekia dia hoentina any Babylona.
24. a) Vaovao feno fampiononana inona no ambaran’i Jehovah? b) Afaka mifampitaha amin’i Jehovah ve ny andriamanitr’ireo firenena raha ny amin’ny fahalehibiazana, ary vavolombelona inona no antsoiny?
24 Nampionona ireo vavolombelony i Jehovah (40:1–44:28). Ilay teny anokafana ny toko faha-40 hoe “Ampionòny” dia milazalaza tsara ny tapany sisa amin’ny Isaia. Misy feo any an’efitra mihiaka hoe: ‘Manamboara làlana ho an’i Jehovah!’ (40:1, 3). Misy vaovao tsara ho an’i Ziona. Miandry ny andian’ondriny i Jehovah, mitrotro ireo zanak’ondry eo an-tratrany. Avy any amin’ny lanitra avo any izy dia mijery ny faribolan’ny tany (NW ) etỳ ambany. Azo ampitahaina amin’inona moa izy raha ny amin’ny fahalehibiazana? Mampahatanjaka sy manome hery feno ho an’ny reraka sy ny sasatra izay miandry azy, izy. Manambara ny sampy anidin’ireo firenena ho rivotra sy zava-poana, izy. Ilay voafidiny dia toy ny fanekena ho an’ny olona, ho fanazavana ho an’ny firenena (NW ) mba hampahiratra ny mason’ny jamba. Nilaza tamin’i Jakoba i Jehovah hoe: ‘Tiako ianao’, ary nanao tamin’ny atsinanana, ny andrefana, ny avaratra ary ny atsimo izy hoe: ‘Avoahy, alao ny zanako lahy sy ny zanako vavy.’ (43:4, 6). Tao amin’ny fitsarana iray, izy dia nihaika ireo andriamanitry ny firenena mba hamoaka vavolombelona izay hanaporofo ny maha-andriamanitra azy ireo. Ny vahoakan’i Isiraely kosa no vavolombelon’i Jehovah, ny mpanompony, ka manamarina fa izy dia Andriamanitra sady Mpanafaka. Tamin’i Jesoròna (“Ilay Mahitsy”, Isiraely) izy dia nampanantena ny fanahiny ary avy eo dia nampahamenatra ireo mpanao sarin-javatra tsy nahita na nahalala. I Jehovah no Mpanavotra ny vahoakany; honenana indray i Jerosalema ary hatsangana indray ny tempoliny.
25. Inona no manjary fantatry ny olona avy amin’ireo didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Babylona sy ireo andriamani-disony?
25 Fampiharana famaliana amin’i Babylona (45:1–48:22). Noho ny amin’i Isiraely, dia nanonona an’i Kyrosy mba handresy an’i Babylona i Jehovah. Hatao fantatry ny olona fa i Jehovah irery no Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany ary ny olona eo amboniny. Naneso an’i Bela sy i Nebo, andriamanitr’i Babylona izy, satria Izy ihany no afaka manambara ny farany hatramin’ny voalohany. I Babylona, zanakavavy virjiny, dia hipetraka amin’ny vovoka, nesorina tamin’ny seza fiandrianany sy mitanjaka, ary ny mpanolo-tsainy maro be (NW ) dia ho may toy ny vodivary. Nilaza tamin’ireo Isiraelita mpivavaka tamin’ny sampy sady ‘nanana hatoka oza-by sy handrina varahina’, i Jehovah fa ho afaka ny hahita fiadanana sy fahamarinana ary fanambinana izy ireo raha nihaino azy, kanefa “tsy misy fiadanana [kosa] ho an’ny ratsy fanahy”. — 48:4, 22.
26. Ahoana no hampiononana an’i Ziona?
26 Nampiononina i Ziona (49:1–59:21). Nanome ny mpanompony ho toy ny fanazavana ho an’ireo firenena i Jehovah ka nihiaka tamin’ireo tao amin’ny maizina hoe: “Mivoaha”! (49:9). Hampiononina i Ziona, ary ny efitra ao aminy dia ho tahaka an’i Edena, dia ny sahan’i Jehovah, tondraky ny hafaliana sy ny haravoana, mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana. Handevona ny lanitra tahaka ny setroka i Jehovah, hanao ny tany ho tonta tahaka ny fitafiana, ary ny mponina eo aminy ho faty tahaka ny fahafatin’ny moka (f.a.p.). Koa nahoana no atahorana ny latsa ataon’ny zanak’olombelona? Ilay gobile mangidy nosotroin’i Jerosalema izao dia tsy maintsy afindra any amin’ireo firenena izay nanitsakitsaka azy.
27. Teny soa mahafaly inona no ambara amin’i Ziona, ary faminaniana inona no atao momba ilay ‘mpanompon’i Jehovah’?
27 ‘Mifohaza, ry Ziona ô, ary mitsangàna avy amin’ny vovoka!’ Jereo ilay mpitondra hafatra, mitsambikina eny amin’ny tendrombohitra, mitondra teny soa mahafaly ary miantso amin’i Ziona hoe: “Mpanjaka Andriamanitrao!” (52:1, 2, 7). Mialà amin’ny toerana maloto ary mitoera ho madio, ianareo izay ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Milazalaza momba ‘ny mpanompon’i Jehovah’ izao ilay mpaminany. (53:11). Izy io dia lehilahy natao tsinontsinona, nolavina, nitondra ny fahoriantsika ary anefa dia natao ho nasian’Andriamanitra. Voalefona noho ny fahotantsika izy, kanefa nanasitrana antsika izy tamin’ireo dian-kapoka natao taminy. Tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, dia tsy nanao ratsy izy ary tsy niteny fitaka. Nanome ny fanahiny (âme) ho fanati-panonerana (NW ) mba hitondrana ny fahadisoan’ny maro, izy.
28. Ahoana no ilazalazana ny fitahiana an’i Ziona ho avy, ary mifandray amin’ny fanekena inona izany?
28 Tamin’ny naha-vady azy, i Jehovah dia nilaza tamin’i Ziona mba hihoby noho ny fahafahany hamokatra ho avy. Na dia ory sy asafotofoton’ny tafio-drivotra aza izy, dia ho tonga tanàna misy fanorenana amin’ny safira, tilikambo madinika amin’ny robina, ary vavahady amin’ny karbonkolo (vato mena midorehitra, NW ). Ny zanany, izay ampianarin’i Jehovah, dia ho be fiadanana, ary ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana azy dia tsy hahita fahombiazana (NW ). “He! hianareo rehetra izay mangetaheta”, hoy ny fihiakan’i Jehovah. Raha avy tokoa ireo, dia hanaovany fanekena, dia “ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida”; hanome mpanapaka iray sy komandy iray ho vavolombelona ho an’ireo firenena, izy. (55:1-4). Tsy manam-petra ny fahambonian’ny hevitr’Andriamanitra raha oharina amin’ny an’ny olona, ary ny teniny dia hahita fahombiazana azo antoka (NW ). Ireo ionoka mitandrina ny lalàny, na inona na inona fireneny, dia handray anarana tsara lavitra noho ny an’ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Ny tranon’i Jehovah dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.
29. Inona no lazain’i Jehovah amin’ireo mpanompo sampy, kanefa toky inona no omeny ny vahoakany?
29 Amin’ny maha-Iray avo sy manerinerina, izay manana anarana masina, azy, i Jehovah dia nilaza tamin’ireo mpanompo sampy adalan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, fa tsy hifanandrina mandrakariva tamin’ny Isiraely ny tenany. Ireo fifadian-kanina mody masina nataon’izy ireo dia fanafenana faharatsiana. Ny tanan’i Jehovah tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare, fa ‘ny helokareo kosa no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo’, hoy i Isaia. (59:2). Izany no antony hiandrasany fanazavana kanefa nitsapatsapany tao amin’ny maizina. Tetsy an-danin’izany kosa, ny fanahin’i Jehovah, izay teo amin’ny vahoakany nahatoky nifanaovany fanekena, dia manome toky fa hitoetra eo amin’ny vavan’izy ireo hatrany amin’ny taranaka ho avy rehetra, ny teniny ka tsy ho azo alana.
30. Ahoana no anaovan’i Jehovah an’i Ziona ho tsara tarehy, araka ny asehon’ny anarana vaovao inona avy?
30 Mahatsara tarehy an’i Ziona i Jehovah (60:1–64:11). “Mitsangàna, mihazavà, fa (...) ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.” Mifanohitra amin’izany kosa fa misy aizim-pito mandrakotra ny tany. (60:1, 2). Amin’izany fotoana izany, i Ziona dia hanopy ny masony ka ho miramirana, ary hiemponempona ny fony mahita fa hafindra ho azy ny fananan’ireo firenena, hoentina rameva betsaka. Tahaka ny andiam-boromahailala manidina, dia hirohotra ho any aminy izy ireo. Ireo hafa firenena dia hanangana ny mandany, ireo mpanjaka hanompo azy, ary ny vavahadiny tsy hirindrina na oviana na oviana. Ny Andriamaniny no tsy maintsy ho voninahiny, ary hampitombo haingana ny iray ho tonga arivo sy ny malemy ho tonga firenena mahery, izy. Mihiaka ilay mpanompon’Andriamanitra fa hoe ny fanahin’i Jehovah no ao aminy, nanosotra azy hitory io teny soa mahafaly io. Nahazo anarana vaovao i Ziona, dia ny hoe Ilay sitrako (Hephzibah), ary ny taniny dia antsoina hoe Vady Ampakarina (Beulah). (62:4, NW, f.a.p.). Nalefa ny baiko mba hanandratana avo ny lalambe avy any Babylona sy hananganana faneva ao Ziona.
31. Iza no avy any Edoma, ary vavaka inona no tononin’ny vahoakan’Andriamanitra?
31 Avy tao Bozra, tany Edoma, dia nisy avy, nanao fitafiana menan’ny ra. Tamin’ny fahatezerany izy dia nanitsaka ireo firenena tao amin’ny famiazam-boaloboka, ka nahatonga azy ireo hamitipitika ra. Tsapan’ny vahoakan’i Jehovah tsara ny fahalotoan’ny tenany ary nanolotra vavaka nampihetsi-po iray izy ireo, nanao hoe: ‘Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay. Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô, fa olonao izahay rehetra.’ — 64:7, 8.
32. Mifanohitra amin’ireo izay mandao an’i Jehovah, inona no azon’ny vahoakan’i Jehovah iravoravoana?
32 “Lanitra vaovao sy tany vaovao”! (65:1–66:24). Ireo olona nandao an’i Jehovah mba hanarahana an’ireo andriamanitry ny Zara sy ny Vintana dia ho maty mosary ary ho menatra. (65:11, f.a.p.). Ireo mpanompon’Andriamanitra kosa dia hifaly aoka izany. Indro, mahary lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah. Fifaliana sy firavoravoana toy inona moa no hita ao Jerosalema sy ao amin’ny vahoakany! Hanao trano sy tanimboaloaboka ny olona, ary ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-komana. Tsy hisy handratra na hanimba.
33. Fifaliana sy voninahitra ary faharetana inona no nambara mialoha ho an’ireo sakaizan’i Jerosalema?
33 Ny lanitra no seza fiandrianan’i Jehovah ary ny tany no fitoeran-tongony, koa trano manao ahoana moa no hataon’ny olona ho azy? Hisy firenena iray hateraka indray andro, ary ny sakaizan’i Jerosalema rehetra dia asaina hifaly rehefa hitarika fiadanana ho aminy tahaka ny ony, i Jehovah. Ho avy hamely ny fahavalony amin’ny afo izy — kalesy tahaka ny tadio mba hanao famaliana amin’ny nofo rehetra tsy mankatò, amin’ny fahatezerany mirehitra sy amin’ny lelafo. Hisy mpitondra hafatra hivoaka eny amin’ny firenena rehetra ary ho any amin’ireo nosy lavitra mba hilaza ny voninahiny. Haharitra ireo lanitra sy tany vaovao hataony. Haharitra toy izany koa ireo izay manompo azy sy ny taranany. Na izany no ho izy, na ny fahafatesana mandrakizay.
MAHASOA — NAHOANA?
34. Inona avy no sasany amin’ireo fanoharana toa hitan’ny maso ka manome hery fanampiny ho an’ny hafatr’i Isaia?
34 Rehefa jerena avy amin’ny lafiny rehetra, ny boky ara-paminanian’i Isaia dia fanomezana mahasoa indrindra avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Hita mamirapiratra ao ireo hevitra misandratr’Andriamanitra. (Isaia 55:8-11). Ireo mpandahateny manolotra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly ampahibemaso dia afaka miorina amin’ny Isaia. Izy io dia toy ny trano firaketana iray feno fanoharana izay toy ny hitan’ny maso ary misoritra mafy ao an-tsaina tsy misy hafa amin’ireo fanoharan’i Jesosy. Ataon’i Isaia latsa-paka amin-kery ao amintsika ny hadalan’ilay olona mampiasa hazo iray ihany mba hanaovana kitay sy sampy hivavahana. Ataony tsapantsika tsara ny tsy fahazoan’ilay olona eo am-pandriana fohy loatra sy mirakotra lamba kely loatra, aina. Ary ataony rentsika ny torimaso lalin’ireo mpaminany izay tahaka ny alika tsy manoina, fa kamo loatra ka tsy afa-mivovò. Raha toa ny tenantsika, araka ny fampirisihan’i Isaia, ka ‘mizaha ao amin’ny bokin’i Jehovah sy mamaky azy’, dia ho afaka hahatakatra ny hafatra mahery nomen’i Isaia ho an’izao andro izao. — 44:14-20; 28:20; 56:10-12; 34:16.
35. Ahoana no ifantohan’i Isaia amin’ilay Fanjakana tarihin’ny Mesia, sy amin’ilay mpialoha lalana azy, dia i Jaona Mpanao Batisa?
35 Mifantoka indrindra indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia ilay faminaniana. I Jehovah mihitsy no Mpanjaka tampony, ary izy no mamonjy antsika. (33:22). Ahoana anefa ny amin’ilay Mesia? Ny fanambarana nataon’ilay anjely tamin’i Maria momba ilay zaza hateraka dia mampiseho fa ny Isaia 9:5, 6 dia tokony ho tanteraka rehefa hahazo ny seza fiandrianan’i Davida izy io; “ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana”. (Lioka 1:32, 33). Ny Matio 1:22, 23 dia mampiseho fa ny nahaterahan’i Jesosy avy tamin’ny reny virjiny dia fahatanterahan’ny Isaia 7:14, ary mampahafantatra fa izy no “Imanoela”. Teo amin’ny 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia tonga nitory i Jaona Mpanao Batisa fa “efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”. Ireo mpanoratra ireo Filazantsara efatra dia samy nanonona ny Isaia 40:3 mba hampisehoana fa io Jaona io no ilay ‘niantso tany an’efitra’. (Matio 3:1-3; Marka 1:2-4; Lioka 3:3-6; Jaona 1:23). Tamin’ny batisany i Jesosy no tonga Mesia — ny Voahosotr’i Jehovah, ilay solofo na fototr’i Jese — mba hanapaka ireo firenena. Aminy no tsy maintsy ametrahan’izy ireo ny fanantenany, ho fahatanterahan’ny Isaia 11:1, 10. — Rom. 15:8, 12.
36. Fahatanterahana ara-paminaniana tondraka inona avy no mampahafantatra mazava tsara an’ilay Mesia Mpanjaka?
36 Jereo fa manohy mampahafantatra an’ilay Mesia Mpanjaka i Isaia! Namaky ny amin’ny nanirahana azy tao amin’ny horonam-bokin’i Isaia iray i Jesosy mba hampisehoana fa ny tenany no ilay Voahosotr’i Jehovah. Avy eo izy dia nanomboka ‘nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra, satria izany no nanirahana ahy’, hoy izy. (Lioka 4:17-19, 43; Isaia 61:1, 2). Ny fitantaran’ireo Filazantsara efatra dia feno tsipiriany momba ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany sy ny fomba nahafatesany, araka ny nambara mialoha tao amin’ny Isaia toko faha-53. Na dia nahare ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana (NW ) sy nahita ireo asa mahatalanjona nataon’i Jesosy aza ireo Jiosy, dia tsy nahatakatra ny hevitr’izany noho ny fony tsy nino, ho fahatanterahan’ny Isaia 6:9, 10; 29:13; ary 53:1. (Matio 13:14, 15; Jaona 12:38-40; Asa. 28:24-27; Rom. 10:16; Matio 15:7-9; Marka 7:6, 7). Vato fahatafintohinana ho azy i Jesosy, kanefa tonga ny vato fehizoro fanorenana izay naorin’i Jehovah tao Ziona sady nanorenany ny tranony ara-panahy ho fahatanterahan’ny Isaia 8:14 sy 28:16. — Lioka 20:17; Rom. 9:32, 33; 10:11; 1 Pet. 2:4-10.
37. Ahoana no nakan’ny apostolin’i Jesosy teny tao amin’ny Isaia sy nampiharany izany?
37 Ireo apostolin’i Jesosy Kristy dia nanohy nampiasa tamin’ny fomba tsara ny faminanian’i Isaia, ka nampihatra azy io teo amin’ny fanompoany. Ohatra, mba hampisehoana fa ilaina ny mpitory mba hampiorenana ny finoana, dia naka teny tao amin’ny Isaia i Paoly ka nanao hoe: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!” (Rom. 10:15; Isaia 52:7; jereo koa ny Romana 10:11, 16, 20, 21.) I Petera koa dia naka teny tao amin’ny Isaia toy izao mba hampisehoana fa maharitra ny vaovao tsara: “Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny filazantsara izay notorina taminareo.” — 1 Pet. 1:24, 25; Isaia 40:6-8.
38. Loha hevitra be voninahitra ny amin’ilay Fanjakana inona no lazalazaina ao amin’ny Isaia, ka noraisin’ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana?
38 Endre ny fomba ilazalazan’i Isaia amim-boninahitra ny fanantenana ilay Fanjakana amin’ny hoavy! Indro, izany dia “lanitra vaovao sy tany vaovao”, izay hisy ‘mpanjaka hanjaka araka ny fahamarinana’ sy andriana hanapaka araka ny rariny. Antom-pifaliana sy firavoravoana re izany! (65:17, 18; 32:1, 2). Eo indray koa, i Petera dia naka ny hafatra falifalin’i Isaia ka nanao hoe: “Kanefa isika, araka ny teny [fikasan’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Pet. 3:13). Io foto-kevitra mahatalanjona ny amin’ilay Fanjakana io dia mahatratra voninahitra feno ao amin’ireo toko mamarana ny Apokalypsy. — Isaia 66:22, 23; 25:8; Apok. 21:1-5.
39. Fanantenana faran’izay kanto inona no tondroin’i Isaia?
39 Araka izany, ny bokin’i Isaia, na dia mirakitra fanamelohana mamaivay an’ireo fahavalon’i Jehovah sy ireo mihambo amim-pihatsarambelatsihy ho mpanompony aza, dia manondro amin’ny teny feno fankalazana ilay fanantenana faran’izay kanto ny amin’ny Fanjakan’ny Mesia, izay hanamasinana ny anarana lehiben’i Jehovah. Manome fanazavana be dia be momba ireo fahamarinana mahatalanjona ny amin’ny Fanjakan’i Jehovah izy io, ary manafana ny fontsika eo am-piandrasantsika amim-pifaliana “ny famonjeny”. — Isaia 25:9; 40:28-31.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 472-473.
b Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 957; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1396-1397.
c Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 324.