Araho Ilay Fahazavan’izao Tontolo Izao
“Izay manaraka Ahy (...) [dia] hanana ny fahazavan’aina”. — JAONA 8:12.
1. Hatraiza ny fahazavana no iankinan’ny aina?
INONA no hataontsika raha tsy misy fahazavana? Alao sary an-tsaina ny hoe hifoha isan’andro amin’ny taona manontolo, ka tsy hisy afa-tsy haizina mandritra ny 24 ora. Alao sary an-tsaina ny tontolo iray tsy misy loko, satria raha tsy misy hazavana, dia tsy misy loko. Tsy azo lavina fa raha tsy nisy hazavana, dia tsy ho nisy koa isika! Fa nahoana? Satria eo amin’ny fizotran’ny photosynthèse, ireo zavamaniry maitso dia mampiasa ny hazavana mba hanamboarana ny sakafo hanintsika — ireo voa sy anam-bazaha ary voankazo. Marina fa mihinana henam-biby isika indraindray. Ireo biby ireo anefa dia nihinana zavamaniry na biby hafa izay nivelona tamin’ny fihinanana zavamaniry. Noho izany, ny aintsika ara-batana dia miankina tanteraka amin’ny hazavana.
2. Inona avy ireo loharanom-pahazavana mahery misy, ary milaza inona amintsika mikasika an’i Jehovah izany?
2 Ny fahazavana ananantsika dia avy amin’ny masoandro, izay kintana iray. Na dia mamoaka habetsaham-pahazavana goavana aza ny masoandrontsika, dia mbola kintana salasalany fotsiny ihany izy io. Maro no lehibe lavitra. Ary ny fitambaran-kintana misy antsika, antsoina hoe ny vahindanitra Voie lactée, dia misy kintana maherin’ny iray hetsy tapitrisa. Fanampin’izany, dia misy vahindanitra ana hetsiny tapitrisa maro tsy tambo isaina eo amin’izao rehetra izao. Filaharan-kintana tsy hita pesipesenina re izany! Habetsaham-pahazavana toy inona moa no alefan’izy ireo! Loharanom-pahazavana mahery toy inona moa i Jehovah, izay namorona izany rehetra izany! Izao no ambaran’ny Isaia 40:26: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”
Fahazavana karazany hafa
3. Hatraiza ny fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah no zava-dehibe?
3 Loharanon’ny fahazavana karazany hafa iray koa i Jehovah, dia fahazavana izay mahatonga antsika hanana fahitan-javatra ara-panahy, fahazavana ara-panahy. Ny rakibolana iray dia milaza ny hoe “manome fahazavana” amin’izao fomba izao: “Manolotra fahalalana: mampianatra; manome fahatakaran-javatra ara-panahy”. Mamaritra ny hoe “mahazo fahazavana” toy izao izy io: “nafahana tamin’ny tsy fahalalana sy ny fanazavana diso”. Ny fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah dia omena amin’ny alalan’ny fahalalana marina ny Teniny, ny Baiboly. Izany no mahatonga antsika hahafantatra hoe iza moa Andriamanitra ary inona avy ireo fikasany. “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.” (2 Korintiana 4:6). Araka izany, ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia manafaka antsika amin’ny tsy fahalalana sy ny fanazavana diso. Nilaza toy izao i Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:32.
4, 5. Ahoana no iasan’ny fahalalana avy amin’i Jehovah ho toy ny fahazavana eo amin’ny fiainantsika?
4 I Jehovah, ilay Loharanon’ny tena fahazavana ara-panahy, dia “tanteraka amin’ny fahalalana”. (Joba 37:16). Manambara toy izao momba an’Andriamanitra koa ny Salamo 119:105: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” Koa tsy vitan’ny hoe afaka manazava ara-panahy ilay dingana manaraka hataontsika eo amin’ny fiainana fotsiny izy, fa ilay lalana eo aloha koa. Raha tsy eo izany, ny fiainana dia ho toy ny fitondrana fiarakodia amin’ny lalana miolakolaka eny an-tendrombohitra amin’ny alina maizim-be tsy misy jiro na eo amin’ny fiara, na aiza na aiza. Ny fahazavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra dia azo ampitahaina amin’ilay fahazavana omen’ireo jiro eo aloha amin’ny fiarakodia iray. Manazava ny lalana ilay fahazavana, mba hahafahantsika hahita tsara izay alehantsika.
5 Asehon’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-5 fa amin’izao androntsika izao Andriamanitra dia hanangona avy amin’ny firenena rehetra, ireo olona izay maniry fahazavana ara-panahy mba hahafahan’izy ireny hianatra sy hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina. Hoy ny andininy faha-3 hoe: ‘Izy hampianatra antsika ny amin’ny làlany, ary isika handeha amin’ny atorony.’ Ny andininy faha-5 dia manasa ireo mitady ny fahamarinana toy izao: “Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah”.
6. Hitarika antsika ho aiza amin’ny farany ny fahazavana avy amin’i Jehovah?
6 I Jehovah àry izany no loharanon’ny karazam-pahazavana roa izay samy iankinan’ny aina: ny fahazavana ara-batana sy ny fahazavana ara-panahy. Ny fahazavana ara-batana dia manampy ny vatantsika mba ho velona izao, angamba mandritra ny 70 na 80 taona eo ho eo. Fa ny fahazavana ara-panahy kosa dia mitarika antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany paradisa. Nilaza izany tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’Andriamanitra toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.
Tontolo iray ao anatin’ny haizina ara-panahy
7. Nahoana isika izao no mila fahazavana ara-panahy mihoatra noho ny hatramin’izay?
7 Mila fahazavana mihoatra noho ny hatramin’izay isika amin’izao andro izao. Asehon’ireo faminaniana toy ny Matio toko faha-24 sy ny Timoty Faharoa toko faha-3, fa efa manakaiky ny faran’ity fandehan-javatra ity isika. Ireo faminaniana ireo sy ny hafa koa dia nilaza mialoha ny amin’ireo zavatra mahafeno horohoro izay nitranga tamin’izao androntsika izao, ka mahatonga antsika hahalala fa ao anatin’ny “andro farany” isika. Mifanaraka tsara amin’ireo faminaniana ireo, ity taonjato ity dia nahita loza maro nisesy. Nitombo ka nahatratra fetrany mahatahotra ny heloka bevava sy ny herisetra. Naka ain’olona maherin’ny zato tapitrisa ireo ady. Ny aretina, toy ny SIDA izay atahoran’ny olona aoka izany, dia mihaza olona an-tapitrisany maro, ary 160 000 eo ho eo no efa maty noho ny SIDA tany Etazonia fotsiny. Rava ny fiainam-pianakaviana, ary heverina ho lamaody antitra ny fari-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy.
8. Inona no tarehin-javatra atrehin’ny olombelona izao, ary nahoana?
8 Hoy i Javier Pérez de Cuéllar, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana teo aloha: “Ny tarehin-javatra misy an’izao tontolo izao dia manolotra porofo tondraka fa ny fahantrana dia [mampangozohozo] ny firaisan-kinan’ireo fitambaran’olona.” Nomarihiny fa “olona maherin’ny arivo tapitrisa izao no miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka”, ary “izany dia nanampy trotraka ireo anton-javatra mitarika ho amin’ny fifandirana mahery vaika”. Ireo “loza mampalahelo lehibe” ireo, hoy izy, “dia mahatohitra ireo ala olana azon’ireo fitondram-panjakana ampiharina”. Ary nanambara toy izao ny filohan’ny fikambanana matanjaka iray: “Ny zava-manahirana fototra atrehin’ny fitambaran’olona misy antsika dia hoe efa nanjary tsy azo entina intsony izy io.” Tena mifanaraka tsara tokoa amin’ireto teny ao amin’ny Salamo 146:3 ireto izany: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”
9. Iza indrindra no tompon’andraikitra amin’ny haizina mandrakotra ny taranak’olombelona, ary iza no afaka manaisotra amintsika io hery mitaona io?
9 Toy izay nolazain’ny Isaia 60:2 mialoha ny tarehin-javatra amin’izao andro izao: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena”. Io haizina manarona ny ankamaroan’ny mponina amin’ny tany io dia vokatry ny tsy fandraisan’izy ireo ny fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah. Ary ny antony fototry ny haizina ara-panahy dia i Satana Devoly sy ny demoniany, dia ireo fahavalo lehibe indrindran’ny fahazavan’Andriamanitra. Izy ireo dia “mpanjakan’izao fahamaizinana izao”. (Efesiana 6:12). Araka ny voalazan’ny 2 Korintiana 4:4, dia ny Devoly no “andriamanitr’izao tontolo izao”, izay nanajamba “ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra”. Ary tsy misy fanapahan’olombelona na dia iray aza afaka manaisotra amin’ny tany ny hery mitaonan’i Satana. Andriamanitra ihany no afaka manao izany.
“Fahazavana lehibe”
10. Ahoana no nilazan’i Isaia mialoha fa hampamirapiratina eo amin’ny taranak’olombelona ny fahazavana amin’izao androntsika izao?
10 Kanefa, na dia misy haizina lehibe miharihary aza manarona ny taranak’olombelona, ny Tenin’Andriamanitra dia efa naminany toy izao koa ao amin’ny Isaia 60:2, 3: “Fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao”. Izany dia mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-2, izay nampanantena fa haorina amin’izao andro farany izao ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah izay nohazavaina, araka ny anambaran’ny andininy faha-2 sy faha-3 azy hoe: “Ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah”, izany hoe ho any amin’ny fanompoam-pivavahana marina aminy izay nasandratra. Koa na dia fehezin’i Satana aza izao tontolo izao, ny fahazavana avy amin’Andriamanitra dia ampamirapiratina eo amin’ny olombelona ary manafaka olona maro amin’ny haizina.
11. Iza no nisongadina indrindra teo amin’ny fanomezana taratry ny fahazavan’i Jehovah, ary ahoana no nampahafantaran’i Simeona azy?
11 Ny faminaniana ao amin’ny Isaia 9:1 dia nilaza mialoha fa handefa olona iray ho eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hanome taratry ny fahazavany. Manambara toy izao izy io: “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava [“fahazavana”, NW ] lehibe; izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.” Io “fahazavana lehibe” io dia i Jesosy Kristy, Mpitondra tenin’i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” (Jaona 8:12). Nisy nahafantatra izany na dia fony mbola zaza aza i Jesosy. Milaza ny Lioka 2:25 fa nisy lehilahy iray natao hoe Simeona izay “marina sady mpivavaka tsara” ary “ny Fanahy Masina dia tao aminy”. Rehefa nahita an’i Jesosy zaza i Simeona dia niteny toy izao tao amin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra: “Ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava [“hanala ny fisalobonana eo amin’ny”, NW ] ny firenena.” — Lioka 2:30-32.
12. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanalan’i Jesosy ny fisalobonan’ny haizina nandrakotra ny olombelona?
12 Nanomboka nanala ny fisalobonan’ny haizina avy teo amin’ny olombelona i Jesosy, tsy ela taorian’ny batisany. Milaza amintsika ny Matio 4:12-16 fa izany dia mahatanteraka ny Isaia 8:23–9:1, izay niresaka momba ilay “fahazavana lehibe” (NW ) izay hanomboka hamirapiratra eo amin’ny olona mandeha ao amin’ny haizina ara-panahy. Milaza ny Matio 4:17 hoe: “Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no nanazavan’i Jesosy ny olona momba ny fikasan’Andriamanitra. “Ny [vaovao tsara, NW ] no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay.” — 2 Timoty 1:10.
13. Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ny tenany, ary nahoana izy no afaka nanao izany tamin-toky toy izany?
13 Nanome taratry ny fahazavan’Andriamanitra tamim-pahatokiana i Jesosy. Hoy izy: “Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. (...) Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny.” — Jaona 12:44-50.
“Izy no nisiam-piainana”
14. Ahoana no nampahafantarana an’i Jesosy ao amin’ny Jaona 1:1, 2?
14 Eny, i Jehovah dia nandefa ny Zanany ho etỳ an-tany mba ho fahazavana hampiseho ny lalan’ny fiainana mandrakizay amin’ny olona. Mariho ny fomba nanasongadinana izany ao amin’ny Jaona 1:1-16. Vakina toy izao ny andininy voalohany sy faharoa: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.” Eto i Jaona dia miantso an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy amin’ny anaram-boninahitra hoe “Teny”. Izany dia mampahafantatra ny anjara raharaha notanany tamin’ny naha-Mpitondra tenin’i Jehovah Andriamanitra azy. Ary rehefa milaza i Jaona hoe “tamin’ny voalohany ny Teny”, izany dia midika hoe ny Teny no voalohany tamin’ny zavatra noforonin’i Jehovah, ilay “niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao”. (Apokalypsy 3:14). Ny toerana ambony tanany eo amin’ireo zavaboarin’Andriamanitra, dia manome fototra tsara ho an’ny fiantsoana azy hoe “andriamanitra”, na mahery. Ny Isaia 9:5 dia miantso azy hoe “Andriamanitra Mahery”, fa tsy Andriamanitra Tsitoha akory.
15. Filazana fanampiny inona no omen’ny Jaona 1:3-5 antsika mikasika an’i Jesosy?
15 Milaza toy izao ny Jaona 1:3: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.” Milaza ny Kolosiana 1:16 fa “tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany”. Milaza ny Jaona 1:4 fa “Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona”. Koa tamin’ny alalan’ny Teny àry no namoronana ny karazam-piainana rehetra; ary tamin’ny alalan’ny Zanany koa no nanaovan’Andriamanitra izay hahafahan’ny taranak’olombelona mpanota sy mety maty, hahazo ny fiainana mandrakizay. Tena i Jesosy tokoa ilay mahery antsoin’ny Isaia 9:1 hoe “fahazavana lehibe” (NW ). Ary hoy ny Jaona 1:5 hoe: “Ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.” Ny mazava dia mampiseho ny fahamarinana sy ny rariny, mifanohitra amin’ny maizina, izay mampiseho ny fahadisoana sy ny tsy rariny. Asehon’i Jaona, araka izany, fa tsy haharesy ny mazava ny maizina.
16. Ahoana no nanintonan’i Jaona Mpanao Batisa ny saina ho amin’ny halehiben’ny asan’i Jesosy?
16 Izao i Jaona dia manome fanaporofoan-kevitra eo amin’ny andininy faha-6 ka hatramin’ny faha-9 (NW ) manao hoe: “Nisy lehilahy nipoitra izay nirahina ho solontenan’Andriamanitra: Jaona [Mpanao Batisa] no anarany. Io lehilahy io dia tonga ho vavolombelona, mba hanao fanambarana momba ny fahazavana, mba hinoan’ny karazan’olona rehetra amin’ny alalany. Tsy izy [Jaona] anefa izany fahazavana izany, fa natao hanao fanambarana momba izany fahazavana izany [Jesosy] izy. Efa ho tonga eo amin’izao tontolo izao ilay tena fahazavana izay manome fahazavana ny karazan’olona rehetra.” Nisarika ny saina ho amin’ilay Mesia ho avy i Jaona ary nampitodika ny mpanara-dia azy ho any Aminy. Amin’ny farany, dia homena fahafahana hanaiky ilay fahazavana ny karazan’olona rehetra. Koa tsy tonga mba hitondra soa ho an’ireo Jiosy ihany àry i Jesosy fa ho an’ny taranak’olombelona rehetra — na manankarena na mahantra, na inona na inona firazanany.
17. Inona no lazain’ny Jaona 1:10, 11 amintsika momba ny toe-piainana ara-panahy nisy ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy?
17 Manohy toy izao ny andininy faha-10 sy faha-11: “Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.” I Jesosy, tamin’ny fiainany talohan’ny naha-olombelona azy, no ilay tamin’ny alalany no namoronana izao tontolo izaon’olombelona. Fony izy teto an-tany anefa, dia nanda azy ny ankamaroan’ireo iray firenena taminy, dia ireo Jiosy. Tsy tian’izy ireo ho vaky betroka ny faharatsiany sy ny fihatsarambelatsihiny. Naleony ny maizina toy izay ny mazava.
18. Ahoana no ampisehoan’ny Jaona 1:12, 13 fa afaka ny ho tonga zanak’Andriamanitra manana lova manokana ny olona sasany?
18 Hoy i Jaona eo amin’ny andininy faha-12 sy faha-13: “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.” Ireo andininy ireo dia mampiseho fa, tany am-boalohany, ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia tsy zanak’Andriamanitra. Talohan’ny nahatongavan’i Kristy teto an-tany, dia samy mbola tsy natolotra ny olombelona, na ny ho zanak’Andriamanitra, na ny fanantenana ho any an-danitra. Kanefa, noho ny vidin’ny sorom-panavotan’i Kristy, izay nanehoan’izy ireo finoana, dia nisy olombelona noraisina ho zanak’Andriamanitra ary afaka nanana fanantenam-piainana ho mpanjaka hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.
19. Nahoana i Jesosy no tsara toerana indrindra mba hanome taratry ny fahazavan’Andriamanitra, araka ny aseho ao amin’ny Jaona 1:14?
19 Manjohy hevitra toy izao ny andininy faha-14: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray”. Fony teto an-tany i Jesosy dia nanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny fomba izay ny Zanaka lahimatoan’Andriamanitra ihany no afaka nanao izany. Noho izany, tamin’ny fomba tsy nanam-paharoa, dia tsara toerana indrindra izy mba hampiharihary an’Andriamanitra sy ireo fikasany tamin’ny olona.
20. Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 1:15, inona no lazain’i Jaona Mpanao Batisa amintsika momba an’i Jesosy?
20 Manaraka izany, dia nanoratra toy izao i Jaona eo amin’ny andininy faha-15: “Jaona [Mpanao Batisa] nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.” Teraka enim-bolana teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy ho olombelona, i Jaona Mpanao Batisa. Kanefa i Jesosy dia nahavita asa betsaka lavitra noho i Jaona, hany ka tonga teo alohan’i Jaona tamin’ny lafiny rehetra i Jesosy. Ary niaiky i Jaona fa nisy talohan’ny tenany i Jesosy, noho izy io efa niaina talohan’ny naha-olombelona azy.
Fanomezana avy amin’i Jehovah
21. Nahoana ny Jaona 1:16 (NW ) no milaza fa isika dia nandray “hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory anampy hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory”?
21 Manjohy hevitra toy izao ny Jaona 1:16 (NW ): “Fa samy nandray soa avy amin’ny fahafenoany avy isika rehetra, dia hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory anampy hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory.” Na dia teraka tao anatin’ny ota noho ny nandovany izany avy tamin’i Adama aza ny taranak’olombelona, i Jehovah dia tapa-kevitra ny handrava ity fandehan-javatra ratsy ity, ny hahatafita velona olona an-tapitrisany maro mba hiditra ao amin’ny tontolo vaovao, ny hanangana ireo maty ary hanesotra ny ota sy ny fahafatesana, ka izany dia hitondra fiainana mandrakizay eto amin’ny tany voaova ho paradisa indray. Tsy mendrika ireo fitahiana rehetra ireo, sady tsy mahazo izany noho ny asany, ny olombelona mpanota. Fanomezana avy amin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy ireo.
22. a) Mahatonga fetezan’ny inona ny fanomezana lehibe indrindra nataon’Andriamanitra? b) Fanasana inona no atao amintsika ao amin’ny boky farany amin’ny Baiboly?
22 Inona ilay fanomezana lehibe indrindra izay mahatonga izany rehetra izany hety hisy? “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao[n’olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Noho izany, dia tena ilain’ireo maniry hahazo fahazavana ara-panahy sy fiainana mandrakizay ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny Zanany, dia ilay “Fiasana Lehibe Indrindra mba hahazoana fiainana”. (Asan’ny Apostoly 3:15, NW ). Izany no anasan’ny boky farany ao amin’ny Baiboly ireo tia ny fahamarinana sy maniry fiainana toy izao: “Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” — Apokalypsy 22:17.
23. Inona no hataon’ny olona toy ny ondry rehefa manatona ny fahazavana izy ireo?
23 Tsy vitan’ny hoe hanatona ny fahazavan’izao tontolo izao fotsiny ireo olona manetry tena toy ny ondry, fa hanaraka izany fahazavana izany koa: “Ny ondriny manaraka azy, satria mahalala [ny fanenon’ny fahamarinana ao amin’]ny feony ireo.” (Jaona 10:4). Tsy azo lavina fa mahita fahafinaretana izy ireo ‘manaraka akaiky ny diany’ satria fantatr’izy ireo fa ny fanaovana izany dia hidika ho fiainana mandrakizay ho azy ireo. — 1 Petera 2:21, NW.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy ireo karazana fahazavana roa avy amin’i Jehovah?
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fahazavana ara-panahy amin’izao andro izao?
◻ Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no “fahazavana lehibe”?
◻ Mampahafantatra antsika inona momba an’i Jesosy ny Jaona toko voalohany?
◻ Fanomezana inona avy no azon’ireo manaraka ilay fahazavan’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 10]
Niantso an’i Jesosy hoe “fahazavana hanala ny fisalobonana eo amin’ny firenena”, i Simeona