Mandresy ny Kristianisma Marina!
“Tamin-kery, dia tsy nitsahatra nitombo sy nandresy ny tenin’i Jehovah.”—ASAN’NY APOSTOLY 19:20, NW.
1. Lazalazao ny fitomboan’ny Kristianisma nandritra ny taonjato voalohany.
NAFANA fo noho ny herin’ny fanahy masina ireo Kristianina tany am-boalohany ka nanambara ny tenin’Andriamanitra tamin-jotom-po tsy nety lefy. Nanoratra toy izao ny mpahay tantara iray: “Haingana be ny fielezan’ny Kristianisma teo anivon’ny tontolo romanina. Tamin’ny taona 100, dia azo inoana fa efa nisy Kristianina tany amin’ny provansy tsirairay nanamorona ny Ranomasina Mediterane.”
2. Inona no niezahan’i Satana hatao mba hahatonga ny vaovao tsara tsy hisy vokany, ary ahoana no efa nanambarana izany mialoha?
2 Tsy afaka nampangina ny Kristianina tany am-boalohany i Satana Devoly. Nanao izay hahatonga ny vaovao tsara tsy hisy vokany anefa izy ka nampiasa fomba hafa, dia ny fivadiham-pinoana. Efa nilaza mialoha ny hisian’izany i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary. (Matio 13:24-30, 36-43). Efa nampitandrina koa ny apostoly Petera fa hisy mpampianatra sandoka hipoitra ao amin’ny kongregasiona, ka hampiditra sekta manimba. (2 Petera 2:1-3). Efa nampitandrina manokana toy izany koa ny apostoly Paoly fa hisy fivadiham-pinoana mialoha ny andron’i Jehovah.—2 Tesaloniana 2:1-3.
3. Inona no nitranga taorian’ny nahafatesan’ny apostoly?
3 Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nanjary saron’ny fampianaran’ny mpanompo sampy sy ny filozofia, ny vaovao tsara. Araka ny nambara mialoha, dia nisy mpampianatra sandoka nanolana sy nandoto ilay hafatra madion’ny fahamarinana. Difotra tsikelikely tao anatin’ny Kristianisma sandoka nantsoina hoe Kristianisma Anarana, ny Kristianisma marina. Nipoitra ny fitambaran’ny mpitondra fivavahana izay nanao izay tsy hananan’ny sarambabem-bahoaka ny Baiboly. Na dia nitombo aza ny isan’ireo nilaza tena ho Kristianina, dia tsy nadio ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. Nitombo ny isan’ny tany nisy ny Kristianisma Anarana. Nanjary fikambanana natanjaka sy hery iray tena nanjaka teo amin’ny kolontsaina tandrefana izy io. Sady tsy nahazo ny fitahian’Andriamanitra anefa izy io no tsy nanana ny fanahiny koa.
4. Nahoana no tsy nahomby ny tetik’i Satana hampandamòka ny fikasan’Andriamanitra?
4 Azo antoka fa tsy hahomby anefa ny tetik’i Satana hampandamòka ny fikasan’i Jehovah. Mbola velona teo anivon’ny olona sasany foana ny Kristianisma marina na dia nandritra ny vanim-potoana maizina indrindra nanjakan’ny fivadiham-pinoana aza. Ny olona nanao kopia ny Baiboly dia nisahirana nanao izany tamin’ny fomba marina aoka izany. Araka izany, dia tsy nisy fiovana ny Baiboly, na dia nandika vilana ny hafatra raketiny aza ny olona maro nihambo ho nanam-pahefana hampianatra azy io. Tao anatin’ireo taonjato lasa, dia nisy manam-pahaizana, toa an-dry Jérôme sy Tyndale, nanana herim-po ka sahy nandika sy nampiely ny Tenin’Andriamanitra. Olona an-tapitrisany maro àry no nanana fifampikasohana tamin’ny Baiboly sy tamin’ny endriky ny Kristianisma iray, na dia sandoka aza.
5. Inona no nambaran’ny mpaminany Daniela mialoha mahakasika ny ‘fahalalana marina’?
5 Rehefa nandeha ny fotoana, dia ‘nitombo ny fahalalana’, araka ny nambaran’ny bokin’i Daniela mialoha. Nitranga izany tamin’ny “andro farany”, izany hoe amin’izao androntsika izao. (Daniela 12:4). Nitarika ireo tia ny fahamarinana maneran-tany ho amin’ny fahalalana marina an’ilay Andriamanitra marina sy ny fikasany, ny fanahy masina. Mandresy ny tenin’Andriamanitra na dia teo aza ireo taonjato maro nisian’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana! Ambara hatraiza hatraiza ankehitriny ny vaovao tsara. Manintona ny sain’ny olona ho amin’ny fanantenana tontolo vaovao iray mahafinaritra izany. (Salamo 37:11). Aoka isika izao handinika an’io fitomboan’ny tenin’Andriamanitra amin’ny andro maoderina io.
Fitomboan’ny teny amin’izao andro izao
6. Inona avy ireo fahamarinana takatry ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny taona 1914?
6 Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia nanentana antokon’olom-bitsy mpianatra ny Baiboly, ny fahamarinana ara-baiboly. Fantatra amin’ny hoe Vavolombelon’i Jehovah, ankehitriny, io antokon’olona io. Nanjary takatr’izy ireo kokoa ny hevitry ny Baiboly, tamin’ny 1914. Nahatakatra fahamarinana mahatalanjona momba ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. Nanohina lalina azy ireo ny fitiavan’i Jehovah, tamin’ny nanirahany ny Zanany teto an-tany, ka nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Nanjary nahafantatra sy nankasitraka ny anaran’Andriamanitra sy ny toetrany koa izy ireo. Fanampin’izany, dia takatr’izy ireo fa efa nifarana ny “andron’ny jentilisa”, ka midika izany fa efa akaiky ny fotoana hitondran’ny fanjakan’Andriamanitra fitahiana ho an’ny olombelona. (Lioka 21:24). Vaovao tsara be voninahitra re izany! Tsy maintsy hambara amin’ny olon-drehetra any amin’ny faritra rehetra, izany fahamarinana mafonja izany. Misy aina tandindomin-doza!
7. Tamin’ny fomba ahoana no nandresen’ny fahamarinana ara-baiboly tamin’izao andro maoderina izao?
7 Notahin’i Jehovah ireo Kristianina voahosotry ny fanahy vitsy an’isa ireo. Efa mihoatra ny enina tapitrisa ankehitriny ny isan’ireo manaiky ny Kristianisma marina. Niely tany amin’ny tany maro koa ny tenin’Andriamanitra, satria hita any amin’ny tany 235 ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra izany, dia nampihatra hery ny fahamarinana ara-baiboly, ka nandresy ny vato nisakana rehetra, na ara-pivavahana izany na hafa. Io asa fitoriana maneran-tany io dia porofo fanampiny manamafy ilay porofo tsy azo lavina fa efa manatrika ao amin’ny fahefan’ny mpanjaka, i Jesosy.—Matio 24:3, 14.
8. Inona no nolazain’ny sasany momba ny fitomboan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
8 Nomarihin’ny mpahay tantara ilay fitomboana nahazendana teo amin’ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany. Manam-pahaizana maro koa no nanao fanamarihana momba ny fitomboan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao. Niara-nanoratra toy izao ny manam-pahaizana roa any Etazonia: “Tato anatin’ireo 75 taona farany, dia tsy nitsahatra nitombo tamin’ny fomba niavaka ny Vavolombelon’i Jehovah (...) ary toy izany izy ireo maneran-tany.” Ny gazety iray atsy Afrika Atsinanana dia miresaka ny Vavolombelona ho “iray amin’ireo fivavahana mitombo haingana indrindra sy hajaina fatratra eto amin’izao tontolo izao—fivavahana izay fantatra maneran-tany noho ny fifikirany tanteraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly”. Ary ny gazety katolika iray mpitana ny nentim-paharazana, izay gazety mivoaka any Eoropa, dia miresaka ny amin’ny “fitomboana be eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah”. Inona no nahatonga izany fitomboana izany?
Miasa ny fanahy masina ankehitriny
9. a) Inona no antony voalohany andresen’ny tenin’Andriamanitra ankehitriny? b) Ahoana no itaoman’i Jehovah ny olona ho aminy?
9 Ny antony voalohany andresen’ny tenin’Andriamanitra ankehitriny, dia satria mahery ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. (Jaona 6:44). Toa manondro ireo teny ireo fa misarika amin-katsaram-panahy an’ireo mirona araka ny mety Andriamanitra, amin’ny fanintonana ny fo. Amin’ny alalan’ny asa fitoriana ataon’ireo Vavolombelony no ifantenan’i Jehovah “ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra” mba hanompo azy. Tsy iza akory ireo “zavatra faniry” ireo fa ireo mpandefitra eto an-tany azo ampitahaina amin’ny ondry.—Hagay 2:6, 7, NW.
10. Karazan’olona manao ahoana avy no nandray tsara ny tenin’Andriamanitra?
10 Nanome hery ny vahoakan’Andriamanitra mba hitondra ny tenin’Andriamanitra any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ny fanahy masina, ary tsy vitan’izany ihany fa nanosika olona isan-karazany koa mba handray tsara ny vaovao tsara. Marina tokoa fa avy amin’ny “fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” ireo nanaiky ny Tenin’Andriamanitra. (Apokalypsy 5:9; 7:9, 10). Ao ny mahantra sy ny manankarena, ao ny nahita fianarana ambony sy ny tsy mahay taratasy. Ny sasany nanaiky ny teny nandritra ny ady sy ny fanenjehana nahery vaika, fa ny hafa kosa nandritra ny fotoana nisian’ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana ara-toe-karena. Teo ambanin’ny karazam-pitondram-panjakana rehetra, sy teo anivon’ny kolontsaina rehetra, hatrany amin’ny toby fitanana ka hatrany an-dapa, dia nisy lehilahy sy vehivavy nandray tsara ny vaovao tsara foana.
11. Ahoana no iasan’ny fanahy masina eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra, ary inona no tsy fitoviana miharihary?
11 Na dia eo aza ilay fahasamihafana mahavariana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia miara-monina ao anatin’ny firaisan-tsaina izy ireo. (Salamo 133:1-3). Izany dia porofo fanampiny fa miasa eo amin’ny fiainan’ireo manompo an’Andriamanitra, ny fanahy masina. Hery matanjaka manosika hanao ny tsara ny fanahiny, ka mahatonga ny mpanompony ho afaka hampiseho fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy, mbamin’ny toetra tsara hafa. (Galatiana 5:22, 23). Takatsika mazava tsara ankehitriny izay nambaran’i Malakia mpaminany ela be mialoha, manao hoe: “Ho hitanareo (...) ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.”—Malakia 3:18.
Manan-kery ao amin’ny mpiasa be zotom-po ny tenin’Andriamanitra
12. Manao ahoana ny fihetseham-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah mahakasika ny fitoriana ny Filazantsara, ary inona no fihetsika efa ampoizin’izy ireo ho hita noho ny fitoriana ataony?
12 Tsy mpiangona mipetra-potsiny akory ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Mandray anjara mavitrika amin’ny fitoriana ny Filazantsara izy ireo. Tahaka ny Kristianina tany am-boalohany, dia manolo-tena an-tsitrapo hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, ka miezaka hanampy ny hafa hianatra momba ny fampanantenan’i Jehovah mifandray amin’ilay Fanjakana. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izy ireo, ary manangona ny hafa ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah, araka izay ataon’ny fanahy masina. Ny fanaovan’izy ireo izany, dia manome taratry ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fitiavany ny olombelona tsy mpino. Manao izany izy ireo na dia eo aza ny tsy firaikan’ny olona sy ny fanarabiana ary ny fanenjehana. Samihafa ny fihetsiky ny olona eo anoloan’ny vaovao tsara, ka nanomana ireo mpanara-dia azy ho amin’izany i Jesosy. Hoy izy: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.”—Jaona 15:20.
13. Inona avy ireo lafin-toetra tsy misy ao amin’ny Kristianisma Anarana nefa tena manjaka eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
13 Tsy afaka ny tsy hanaitra antsika ilay fitoviana misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny sy ireo nanaiky ny Kristianisma marina tamin’ny taonjato voalohany. Manaitra toy izany koa ny tsy fitoviana misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Nitaraina toy izao ny manam-pahaizana iray rehefa avy nanoratra momba ny zotom-pon’ny Kristianina tany am-boalohany teo amin’ny fitoriana ny Filazantsara: “Tsy azo inoana hanao fandrosoana betsaka isika raha tsy ny fitantanana ny fiangonana amin’izao andro izao mihitsy no ovana, ka heverina indray ho adidy tsy maintsy ataon’ny Kristianina vita batisa rehetra ny fitoriana ny Filazantsara, no sady tohanan’ny fomba fiaina tsara kokoa noho izay tsara indrindra vitan’ny tsy mpino.” Ireo lafin-toetra tsy misy ao amin’ny Kristianisma Anarana indrindra no tena manjaka eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah! Finoana velona ny azy ireo, finoana marina, eny, finoana miorina amin’ny fahamarinana ara-baiboly, hany ka voatosika hiresaka amin’izay rehetra vonon-kihaino izy ireo.—1 Timoty 2:3, 4.
14. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny fanompoany, ary fihetsika manao ahoana no asehon’ny mpianany ankehitriny?
14 Satria nihevitra ny fanompoany ho tena zava-dehibe i Jesosy dia izy io no zavatra nahiny voalohany indrindra. Hoy izy tamin’i Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Mitovy fihetseham-po amin’i Jesosy ny vahoakan’Andriamanitra. Ao am-pon’izy ireo ny fahamarinana ara-baiboly ka miezaka mitady fomba maro hiresahana azy io amin’ny olona betsaka araka izay azo atao izy ireo. Ary ahitana taratry ny fahaiza-mamoron-kevitra hafakely ny sasany amin’ireny fomba ireny.
15. Ahoana no nanehoan’ny sasany fahaiza-mamoron-kevitra teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
15 Tany amin’ny tany iray any Amerika Atsimo, dia nidina nanaraka ny sakeli-dranon’ny Ony Amazone ny Vavolombelona mba hiresahana ny fahamarinana tamin’ny olona. Voarara anefa ny fifamoivoizan’ny sivily teo amin’ilay ony rehefa nipoaka ny ady an-trano tamin’ny 1995. Tapa-kevitra ny hanohy hanome zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an’ireo olona liana anefa ny Vavolombelona, ka nanapa-kevitra fa hampitsinkafona ilay hafatra manaraka ilay renirano. Nanoratra taratasy izy ireo ary nampiarahiny tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy ireny, ka nataony tao anaty tavoahangy plastika tsy nisy na inona na inona. Natsipiny teny amin’ilay ony, avy eo, ireo tavoahangy. Nitohy nandritra ny efa-taona sy tapany izany mandra-pisokatr’ilay ony indray ho an’ny sivily. Nisaotra ny Vavolombelona noho ireo zavatra vita an-tsoratra ireo mponina teny amoron’ilay renirano manontolo. Nanganohano ny mason’ny vehivavy iray efa nianatra ny Baiboly, rehefa namihina azy ireny izy, sady niteny hoe: “Nihevitra ny tsy hahita anareo intsony aho. Rehefa nanomboka nahazo ireo zavatra vita an-tsoratra tao anaty tavoahangy anefa aho, dia fantatro fa tsy nanadino ahy ianareo!” Ny mponina hafa teny amoron’ilay renirano dia nilaza fa naverimberin’izy ireo novakina ireo gazety. Maro ireo vohitra kely nanana “paositra”, izay tsy inona fa ranomody, satria niangona teo nandritra ny fotoana kelikely ireo zavatra nitsinkafona. Teo matetika no nijeren’ireo olona liana izay “taratasy” rehetra nentin’ny rano.
16. Amin’ny ahoana indraindray no manokatra fahafahana hanao mpianatra ny fanaovana izay hahafahan’ny tenantsika?
16 Mitarika sy manohana ny fitoriana ny vaovao tsara i Jehovah Andriamanitra sy ireo anjeliny mahery. (Apokalypsy 14:6). Rehefa manao izay hahafahan’ny tenantsika fotsiny isika, dia tsy ampoizina akory indraindray ny fisian’ny fahafahana hanao mpianatra. Namita ireo trano farany nanendrena azy hitoriany ny vehivavy kristianina roa nanompo teny amin’ny saha, tany Nairobi, atsy Kenya. Nanatona tampoka azy mirahavavy ny vehivavy tanora iray, izay seriny erỳ niteny hoe: “Nivavaka aho mba hihaonako amin’ny olona toa anareo.” Niangavy an’ireo Vavolombelona ho any an-tranony avy hatrany izy mba hiresadresaka, ary natomboka androtr’iny ihany ny fampianarana azy ny Baiboly. Nahoana no maika erỳ ilay vehivavy hanatona ireo Kristianina roa ireo? Tokony ho tapa-bolana talohan’io, dia maty ny zanak’io vehivavy io. Koa rehefa nahita ankizy iray nitondra ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? izy, dia naniry fatratra hahazo azy io ka nangataka ilay izy tamin’ilay ankizilahy. Tsy nety nanome ilay ankizilahy fa natorony kosa ireo Vavolombelona izay nanome azy ilay taratasy mivalona. Tsy ela dia nandroso haingana teo amin’ny lafiny ara-panahy ilay vehivavy, ary nahazaka kokoa ilay fahoriana mangidy nahazo azy noho ny namoizany an-janany.
Tsy maintsy mandresy ny fitiavan’Andriamanitra
17-19. Fitiavana nanao ahoana no nasehon’i Jehovah ny olombelona tamin’ny alalan’ny avotra?
17 Mifamatotra akaiky amin’ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy ny fitomboan’ny tenin’Andriamanitra manerana ny tany. Sahala amin’ny avotra, dia fisehoan’ny fitiavan’i Jehovah ny olon-drehetra koa ny asa fitoriana. Nahazo tsindrimandry mba hanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao[n’ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.
18 Eritrereto ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamin’ny nanomezany ny avotra. Nandritra ny taona tsy hita pesipesenina, dia nanana fifandraisana akaiky tamin’ilay Zanany lahitokana maminy, “Izay niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao”, Andriamanitra. (Apokalypsy 3:14). Tia lalina ny Rainy i Jesosy, ary i Jehovah kosa efa tia ny Zanany “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”. (Jaona 14:31; 17:24). Navelan’i Jehovah ho faty io Zanany malalany io mba hahazoan’ny olombelona fiainana mandrakizay. Izany ka fanehoam-pitiavana ny olombelona tamin’ny fomba mahatalanjona!
19 Milaza toy izao ny Jaona 3:17: “Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.” Koa naniraka ny Zanany hanao asa famonjena sy fanehoam-pitiavana àry i Jehovah fa tsy hanao asa fitsarana na fanamelohana. Mifanaraka amin’ireto tenin’i Petera ireto izany: “Tsy tian[’i Jehovah] hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.”—2 Petera 3:9.
20. Ahoana no ifandraisan’ny famonjena sy ny fitoriana ny vaovao tsara?
20 Tena mafy tamin’i Jehovah ny nanome ilay fototra ara-dalàna miantoka ny famonjena, ka iriny hisy olona maro araka izay azo atao hanararaotra azy io. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “ ‘Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena’. Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?”—Romana 10:13, 14.
21. Ahoana no tokony ho fihetseham-pontsika eo anoloan’ilay fahafahana handray anjara amin’ny asa fitoriana?
21 Tombontsoa mahatalanjona toy inona moa ny hoe mandray anjara amin’io asa fitoriana sy fampianarana maneran-tany io! Tsy asa mora izy io, kanefa faly erỳ i Jehovah rehefa mandinika ny vahoakany miaina amim-pahatokiana mifanaraka amin’ny fahamarinana sy mitory ny vaovao tsara amin’ny hafa! Koa na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra misy anao, dia aoka ny fanahin’Andriamanitra sy ny fitiavana ao am-ponao hanosika anao handray anjara amin’io asa io. Ary tadidio fa izay zavatra hitantsika efa tanteraka maneran-tany dia manome porofo mampiaiky fa hanatanteraka tsy ho ela ilay fikasany hitondra “lanitra vaovao sy tany vaovao” be voninahitra, izay “itoeran’ny fahamarinana”, i Jehovah Andriamanitra.—2 Petera 3:13.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no tsy afaka nampangina ireo mpitory ny vaovao tsara ny fivadiham-pinoana?
• Ahoana no nandresen’ny tenin’Andriamanitra tamin’izao androntsika izao?
• Amin’ny fomba ahoana avy no iasan’ny fanahin’Andriamanitra ankehitriny?
• Amin’ny ahoana no mifamatotra ny avotra sy ny fitoriana ny vaovao tsara?
[Tabilao/Sary, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
Fitomboana teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny taonjato faha-20
Salanisan’ny Mpitory (tapitrisa)
6
5,5
5
4,5
4
3,5
3
2,5
2
1,5
1
0,5
1900 1910 1920 1930 1940 1950 1960 1970 1980 1990 2000
[Sary, pejy 15]
JÉRÔME
TYNDALE
GUTENBERG
HUS
[Sary nahazoan-dalana]
Gutenberg sy Hus: Avy amin’ilay boky hoe The Story of Liberty, 1878
[Sary, pejy 15]
Mpianatra ny Baiboly nanambara ny vaovao tsara tany amin’ireo taona 1920
[Sary, pejy 16, 17]
Misy olona mandray tsara ny vaovao tsara maneran-tany
[Sary, pejy 18]
Sahala amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia manandratra ny fitiavan’Andriamanitra koa ny asa fitoriana