-
Ireo valan’ondry sy ny Mpiandry ondryIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Izao i Jesosy dia nampiasa fanoharana iray izay niresahany ny amin’ny vala telo sy ny anjara asa raisiny amin’ny maha-Mpiandry ondry tsara dia tsara azy. Ny valan’ondry voalohany noresahiny dia nampahafantarina fa nifandray tamin’ny fandaharana ny amin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. Toy ny fefy nampisaraka ny Jiosy tamin’ny fanao nanimban’ireo olona tsy tao anatin’io fanekena manokana tamin’Andriamanitra io ilay Lalàna. Nanazava toy izao i Jesosy: “Milaza aminareo marina dia marina tokoa aho: Izay tsy miditra ny valan’ondry amin’ny varavarana fa mananika amin’ny toeran-kafa, dia mpangalatra sy mpandroba.
-
-
Ireo valan’ondry sy ny Mpiandry ondryIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Nisy olon-kafa tonga ary nihambo ho ny Mesia, na Kristy, nefa izy ireo tsy ilay tena mpiandry marina noresahin’i Jesosy raha nanohy ny teniny toy izao izy:
-