TOKO 1
Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Tamin’ilay hoe: “Andao Hanara-dia Ahy”?
1, 2. Inona no fanasana tsara indrindra omena ny olombelona, ary inona no fanontaniana tsara hoeritreretintsika?
INONA no fanasana tsara indrindra azonao hatramin’izay? Mety ho tonga ao an-tsainao ny fanasana anao hanatrika fotoan-dehibe iray, angamba mariazin’ny olona roa tena tianao, na ny fanasana anao hanao asa iray tena tsara. Azo inoana fa tena faly ianao tamin’izay, ary nety ho nahatsiaro ho heni-kaja mihitsy aza. Nahazo fanasana tsara lavitra noho izany anefa ianao. Isika tsirairay mihitsy no nahazo azy io. Hisy vokany lalina eo amin’ny fiainantsika ny fanekena na fandavana azy io. Izany no safidy lehibe indrindra ataontsika eo amin’ny fiainana.
2 Inona io fanasana io? Ilay fanasana avy amin’i Jesosy Kristy, Zanaka lahitokan’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Ao amin’ny Baiboly no ahitana azy io. Hoy i Jesosy ao amin’ny Marka 10:21: “Andao hanara-dia ahy.” Isika rehetra no asainy hanao izany, raha ny marina, ka tsara ny hieritreretantsika hoe: ‘Hanaiky an’izany ve aho?’ Mety hilaza avy hatrany ianao hoe: ‘Iza no handa fanasana faran’izay tsara toy izany?’ Mahagaga fa mandà izany ny ankamaroan’ny olona. Nahoana?
3, 4. a) Nahoana ilay tovolahy nametra-panontaniana tamin’i Jesosy no mety ho notsiriritin’ny olona? b) Inona no toetra tsara nety ho hitan’i Jesosy tao amin’ilay tovolahy mpanankarena?
3 Nasain’i Jesosy mivantana ny lehilahy iray mba hanara-dia azy, tokony ho 2 000 taona lasa izay. Olona tena nohajain’ny fiaraha-monina izy io. Telo amin’ireo zavatra heverin’ny olona fa tsara sy tsiriritiny, fara fahakeliny, no nananan’io lehilahy io. Tsy inona izany fa ny hatanorana sy ny harena ary ny fahefana. “Tovolahy” mantsy izy io, hoy ny Baiboly, sady “nanan-karena be” no “mpitondra.” (Matio 19:20; Lioka 18:18, 23) Nanana toetra tsara nanintona kokoa anefa izy. Nandre ny momba an’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, izy ary nahafinaritra azy ny zavatra reny.
4 Tsy nanome an’i Jesosy ny haja mendrika azy ny ankamaroan’ny olona ambony teo amin’ny Jiosy, tamin’izany andro izany. (Jaona 7:48; 12:42) Hafa mihitsy anefa io mpitondra io. Hoy ny Baiboly: “Rehefa niala teo [i Jesosy], dia nisy lehilahy nihazakazaka nanatona azy ka nandohalika teo anatrehany sady nanontany hoe: ‘Mpampianatra Tsara ô, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?’” (Marka 10:17) Mariho fa may erỳ izy hiresaka tamin’i Jesosy, ka nihazakazaka nanatona azy teo imasom-bahoaka, toy ny nataon’ny mahantra sy ireo noheverina fa ambany. Nandohalika tamim-panajana teo anatrehan’i Kristy koa izy. Azo lazaina àry hoe nanetry tena io tovolahy io ary nahatsapa fa nila an’Andriamanitra. Sarobidy tamin’i Jesosy ireo toetra tsara ireo. (Matio 5:3; 18:4) Tsy mahagaga raha “nijery azy i Jesosy dia tia azy.” (Marka 10:21) Dia ahoana no namaliany ny fanontanian’ilay tovolahy?
Fanasana tena miavaka
5. Ahoana no namalian’i Jesosy ny fanontanian’ilay tovolahy, ary ahoana no ahafantarantsika fa tsy ny ho mahantra ilay “zavatra iray” mbola tsy nataony? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
5 Namerina izay voalazan’ny Soratra Masina i Jesosy, mba hampisehoana fa efa nanome tari-dalana ho an’izay te hiaina mandrakizay ny Rainy. Nanizingizina ilay tovolahy fa efa narahiny an-tsakany sy an-davany ny Lalàn’i Mosesy. Tena mahay manavaka anefa i Jesosy, ka fantany tsara ny tao am-pon’ilay tovolahy. (Jaona 2:25) Fantany fa nanana olana lehibe, izay nanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, izy io. Noho izany, dia hoy i Jesosy: “Izao zavatra iray izao sisa no mbola tsy nataonao.” Inona izany? Nilaza i Jesosy hoe: “Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ho an’ny mahantra.” (Marka 10:21) Te hilaza ve i Jesosy Kristy fa tsy maintsy ho mahantra faraidiny ny olona iray vao afaka manompo an’Andriamanitra? Tsia.a Nampita lesona iray tena lehibe kosa izy tamin’izany.
6. Inona no fanasana nomen’i Jesosy, ary nanao ahoana ny toe-pon’ilay tovolahy mpanankarena matoa izy tsy nanaiky hanara-dia azy?
6 Nasain’i Jesosy hanao zavatra iray faran’izay tsara ilay tovolahy, mba hampiharihariana an’ilay zavatra mbola tsy nataony. Hoy izy: “Andao hanara-dia ahy.” Mba eritrereto ange e! Ny Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra mihitsy no nanasa mivantana an’ilay tovolahy mba hanara-dia azy! Nampanantena valisoa faran’izay tsara koa i Jesosy, nanao hoe: “Hanana harena any an-danitra ianao.” Nanaiky an’ilay fanasana tena tsara ve ilay tovolahy mpanankarena? Hoy ny Baiboly: “Nanjombona ilay lehilahy rehefa naheno an’izany valin-teny izany, ka lasa sady nalahelo. Be dia be mantsy ny fananany.” (Marka 10:21, 22) Nampiharihary ny olana tao am-pony ny tenin’i Jesosy izay tsy nampoiziny. Niraiki-po be loatra tamin’ny fananany izy, ary azo inoana fa tsy nahafoy ny fahefana sy ny voninahitra azony tamin’izany. Nampalahelo fa nihoatra lavitra noho ny fitiavany an’i Kristy ny fitiavany an’ireo zavatra ireo. Ilay “zavatra iray” mbola tsy nataony àry, dia ny ho tia an’i Jesosy sy Jehovah amin’ny fo manontolo sy hahafoy tena ho azy ireo. Izany no nandavany an’ilay fanasana tena miavaka! Nahazo an’io fanasana io koa anefa ianao. Nahoana isika no milaza izany?
7. Nahoana no azo antoka fa anisan’ireo olona asain’i Jesosy hanara-dia azy koa isika ankehitriny?
7 Tsy io lehilahy io ihany, na olona vitsivitsy monja, no nasain’i Jesosy hanara-dia azy. Hoy izy: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy ... manaraka ahy foana.” (Lioka 9:23) Hitantsika eo fa afaka manara-dia an’i Kristy izay rehetra tena “te” hanao izany. Mitaona ny olona tso-po toy izany ho amin’ny Zanany Andriamanitra. (Jaona 6:44) Ny rehetra mihitsy no afaka manara-dia an’i Jesosy, fa tsy noferana hoe ny mpanankarena, na ny mahantra, na ny olona avy amin’ny foko na firenena voafidy, na ny olona niaina tamin’ny andron’i Jesosy ihany. Tena miantefa aminao koa àry ilay tenin’i Jesosy hoe: “Andao hanara-dia ahy.” Nahoana ianao no tokony hanara-dia azy? Ary inona avy no tafiditra amin’izany?
Nahoana isika no tokony hanara-dia an’i Kristy?
8. Inona no ilain’ny olombelona rehetra, ary nahoana?
8 Tokony hiaiky isika fa tena mila mpitondra mahay. Mila an’izany foana isika, na dia tsy ny olon-drehetra aza no manaiky izany. Marina foana ireto tenin’i Jeremia mpaminanin’i Jehovah ireto: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.” (Jeremia 10:23) Sady tsy mahay mitondra ny mpiara-belona aminy ny olombelona, no tsy manana zo hanao izany. Manaporofo ny tsy fahombiazan’ny fitondran’izy ireo mihitsy aza ny ampahany lehibe amin’ny tantara. (Mpitoriteny 8:9) Nampahory sy namitaka ny vahoaka, ohatra, ny mpitondra tamin’ny andron’i Jesosy. Tsapan’i Jesosy tsara fa “hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry” ny sarambabem-bahoaka. (Marka 6:34) Izany koa no mitranga ankehitriny. Mila mpitondra azo itokisana sy hajaina àry ny vahoaka sy ny olona tsirairay. Mahafeno izany fepetra izany ve i Jesosy? Izany tokoa, ary manamarina izany ireto antony maromaro ireto.
9. Inona no mampiavaka an’i Jesosy amin’ny mpitondra hafa rehetra?
9 Voalohany, i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nifidy an’i Jesosy. Olombelona tsy lavorary toa azy ihany no mifidy ny ankamaroan’ny mpitondra eto an-tany, ary matetika no voafitaka sy diso hevitra ireny mpifidy ireny. Tsy toy izany anefa i Jesosy, ary manamarina izany mihitsy ny anaram-boninahitra entiny. Ilay teny hoe “Kristy” sy ilay hoe “Mesia” dia samy midika hoe “Voahosotra.” Voahosotra tokoa i Jesosy, izany hoe voatendry manokana ho eo amin’ny toerany masina, ary ilay Tompo Fara Tampony mihitsy no nanendry azy. Hoy i Jehovah Andriamanitra momba io Zanany io: “Io ny mpanompoko, ilay nofidiko, ilay malalako sady ankasitrahako! Homeko ny fanahiko izy.” (Matio 12:18) Ny Mpamorona antsika ihany no tena mahafantatra hoe mpitondra hoatran’ny ahoana no ilaintsika. Tsy hita fetra ny fahendren’i Jehovah, ka afaka matoky tanteraka isika fa mpitondra tsara ilay nofidiny.—Ohabolana 3:5, 6.
10. Nahoana ny modely nomen’i Jesosy no modely tsara indrindra hotahafin’ny olombelona?
10 Faharoa, nanome modely tonga lafatra sy tiantsika hotahafina i Jesosy. Ny mpitondra tsara indrindra dia manana toetra mampiaiky volana ny vahoakany, sady tian’izy ireo hotahafina. Izy mihitsy no manome ny modely harahin’izy ireo, ka mandrisika azy ireo hiezaka mba hanao tsaratsara kokoa hatrany. Raha ianao no anontaniana, inona no toetra tena mahatonga anao hanaja ny mpitondra iray? Ny herim-pony ve? Sa ny fahendreny? Sa ny fangorahany? Sa ny fikirizany manoloana ny zava-tsarotra? Rehefa mandinika ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ianao, dia hahita fa naneho an’ireo toetra ireo sy ny maro hafa izy. Naneho tamin’ny fomba tonga lafatra ny toetran’Andriamanitra rehetra izy, satria hita taratra tanteraka teo aminy ny toetran-dRainy. Lavorary tamin’ny lafiny rehetra izy. Noho izany, dia ahitantsika zavatra mendrika hotahafina izay rehetra nataony sy nolazainy, ary ny fihetseham-po rehetra nasehony. Hoy ny Baiboly: “Nanome modely ho anareo [izy] mba hanarahanareo akaiky ny diany.”—1 Petera 2:21.
11. Inona no manaporofo fa “mpiandry tena tsara” i Jesosy?
11 Fahatelo, notanterahin’i Kristy an-tsakany sy an-davany ilay teniny hoe: “Izaho no mpiandry tena tsara.” (Jaona 10:14) Nahazo tsara an’io sarin-teny io ny olona tamin’izany andro izany. Niasa mafy ny mpiandry ondry tamin’izany, mba hikarakarana ny ondry nampiandraiketina azy. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny “mpiandry tena tsara” mba hiarovana ny ondriny, ary izay hahasoa azy ireo no zava-dehibe kokoa taminy noho izay hahasoa ny tenany. Mpiandry ondry, ohatra, i Davida razamben’i Jesosy, tamin’izy mbola tanora. Imbetsaka izy no nanao vivery ny ainy, mba hiadiana tamin’ireo bibidia masiaka nanafika ny ondriny. (1 Samoela 17:34-36) Mihoatra lavitra noho izany anefa no nataon’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy. Ny ainy mihitsy no nafoiny ho azy ireo. (Jaona 10:15) Mba firy moa ny mpitondra mahafoy tena toy izany?
12, 13. a) Nahoana no azo lazaina fa mahafantatra ny ondriny ny mpiandry ondry, ary mahafantatra azy ny ondriny? b) Nahoana ianao no maniry hotarihin’ilay Mpiandry Tena Tsara?
12 Misy antony hafa koa ilazana fa i Jesosy no “mpiandry tena tsara.” Hoy izy: “Fantatro ny ondriko, ary ny ondriko koa mahafantatra ahy.” (Jaona 10:14) Eritrereto kely ange ny sarin-teny ampitain’i Jesosy eo e! Raha misy olona mahatazana andian’ondry, dia mety ho biby maro be tsy misy anavahana azy fotsiny no hitany. Mahalala ny ondry tsirairay kosa anefa ilay mpiandry azy ireo. Fantany hoe iza no hiteraka atsy ho atsy, ka hila fanampiana. Fantany hoe iza no mbola mila trotroina, satria kely sy malemy loatra, ka tsy hahavita dia lavitra. Hainy koa hoe iza no vao avy narary na naratra. Na ny ondry koa aza mahalala ny mpiandry azy. Fantatr’izy ireo ny feony, ary tsy afangarony amin’ny feon’ny mpiandry hafa. Raha reny amin’ny feon’ilay mpiandry hoe misy loza mampanahy, dia manaraka ny baikony avy hatrany izy ireo. Izay itarihany azy ireo no andehanany, ary mahafantatra tsara izay toerana tokony hitarihana azy ireo ilay mpiandry. Hainy hoe aiza no misy vilona maitso betsaka sy rano madio mangalahala ary toerana tsy mampidi-doza. Tsy manana ahiahy ny ondry rehefa andrasany.—Salamo 23.
13 Tsy mpitondra toy izany ve no mba tena tianao? Toy izany indrindra no fomba nitondran’ilay Mpiandry Tena Tsara ny mpanara-dia azy, ary tsy manan-tsahala izy amin’io lafiny io. Mampanantena izy fa hitari-dalana anao, mba hahasambatra anao sy hanananao fiainana mahafa-po dieny izao sy ho mandrakizay! (Jaona 10:10, 11; Apokalypsy 7:16, 17) Noho izany, dia mila fantarintsika ny fomba hanarahana ny dian’i Kristy.
Ny dikan’ny hoe manara-dia an’i Kristy
14, 15. Nahoana no tsy ampy ny mihambo ho Kristianina na ny miraiki-po amin’i Jesosy Kristy, raha tiana ny hanara-dia azy?
14 Olona an-jatony tapitrisa ankehitriny no mihevitra fa efa nanaiky hanara-dia an’i Kristy. Miantso ny tenany hoe Kristianina mihitsy aza izy ireny. Angamba manaraka ny fivavahana nanaovan’ny ray aman-dreniny batisa azy izy, na milaza ho miraiki-po amin’i Jesosy sy manaiky azy ho Mpamonjy. Mahatonga azy ireo ho mpanara-dia an’i Kristy anefa ve izany? Izany ve no tian’i Jesosy holazaina tamin’izy nanasa antsika hanara-dia azy? Mihoatra lavitra noho izany ny tiany holazaina.
15 Diniho fotsiny ireo firenena milaza ho Kristianina. Mihambo ho manara-dia an’i Kristy ny ankamaroan’ny mponina ao amin’izy ireny. Manaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy anefa ve izy ireo? Sa kosa manjaka ao aminy ny fankahalana, fampahoriana, heloka bevava, ary tsy rariny, toy ny any amin’ny firenena hafa rehetra ihany?
16, 17. Matetika no misy zavatra mbola tsy nataon’ireo mitonona ho Kristianina. Inona izany, ary inona no mampiavaka ny tena mpanara-dia an’i Kristy?
16 Nilaza i Jesosy fa ny ataon’ny olona no tena manaporofo fa manara-dia azy tokoa izy ireo, fa tsy izay lazainy na ny anarana isalorany fotsiny. Nilaza toy izao, ohatra, izy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra ihany.” (Matio 7:21) Nahoana ny olona maro, izay mihambo ho manana an’i Jesosy ho Tompo, no tsy mahavita manao ny sitrapon’ny Rainy? Toa an’ilay tovolahy mpanankarena ihany, dia matetika no misy ‘zavatra mbola tsy nataon’ireo’ mitonona ho Kristianina. Tsy inona izany fa ny ho tia amin’ny fo manontolo an’i Jesosy sy Ilay naniraka azy.
17 Fa angaha moa tsy milaza ho tia an’i Kristy daholo ireo olona an-tapitrisany mitonona ho Kristianina? Izany tokoa! Tsy an-tendro-molotra fotsiny anefa no tokony hitiavana an’i Jesosy sy Jehovah. Hoy i Jesosy: “Raha misy tia ahy, dia hankatò ny teniko izy.” (Jaona 14:23) Nampitaha ny tenany tamin’ny mpiandry ondry indray izy, sady niteny hoe: “Ny ondriko ... mihaino ny feoko, ary fantatro izy dia manaraka ahy.” (Jaona 10:27) Izay ataontsika àry no tena ahitana raha tia an’i Kristy isika, fa tsy izay lazaintsika na ny fihetseham-pontsika fotsiny.
18, 19. a) Inona no tokony ho vokatry ny fianarana momba an’i Jesosy eo amintsika? b) Inona no antony nanoratana an’ity boky ity, ary inona no soa hoentin’izy ity ho an’ny olona efa nihevi-tena hatry ny ela ho mpanara-dia an’i Kristy?
18 Tsy mandeha ho azy fotsiny anefa ny zavatra ataontsika, fa misy antony. Hita taratra amin’izy ireny ny tena ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika. Noho izany, dia ireo no mila kolokoloina voalohany. Hoy i Jesosy: “Raha te hahazo fiainana mandrakizay izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Raha miezaka hahafantatra an’i Jesosy isika, sady misaintsaina izay ianarantsika momba azy, dia hanohina ny fontsika izany. Hanjary ho tia azy bebe kokoa hatrany isika, ka hitombo ny faniriantsika hanara-dia azy isan’andro.
19 Izany no antony nanoratana ity boky ity. Tsy mamintina ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany izy ity, fa natao mba hanampiana antsika hahafantatra bebe kokoa ny fomba azontsika anarahana ny diany.b Natao izy ity mba hanampiana antsika handini-tena amin’ny alalan’ny Soratra Masina, izay toy ny fitaratra, sy hanampiana antsika hamaly ilay fanontaniana hoe: ‘Tena manara-dia an’i Jesosy tokoa ve aho?’ (Jakoba 1:23-25) Efa hatry ny ela angamba ianao no nihevitra fa anisan’ireo ondry tarihin’ilay Mpiandry Tena Tsara. Azo inoana anefa fa ekenao hoe misy lafin-javatra azo hatsaraina foana. Sa tsy izany? Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara foana hoe manao ahoana ny tenanareo.” (2 Korintianina 13:5) Tena handray soa isika, raha manao ny ezaka rehetra ilaina mba hahazoana antoka fa i Jesosy tokoa no mitari-dalana antsika, dia ilay Mpiandry Tena Tsara sy be fitiavana izay notendren’i Jehovah hitarika antsika.
20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?
20 Enga anie ny fianaranao an’ity boky ity ka hampitombo ny fitiavanao an’i Jesosy sy Jehovah. Hitari-dalana anao eo amin’ny fiainana izany fitiavana izany, ary izany ihany no hanampy anao hahita filaminan-tsaina sy fifaliana be indrindra eto amin’ity tontolo tranainy ity. Ho afaka hidera an’i Jehovah mandrakizay koa ianao, noho izy nanendry an’ilay Mpiandry Tena Tsara mba hitarika antsika. Tokony ho tsara fototra anefa ny fianarantsika momba an’i Kristy. Mety àry raha ny anjara asany eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah momba ny zavaboariny no hojerentsika ao amin’ny Toko faha-2.
a Tsy nasain’i Jesosy namoy ny fananany manontolo izay rehetra nanara-dia azy. Ary na dia nilaza aza izy hoe sarotra ho an’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nilaza koa izy fa ‘hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (Marka 10:23, 27) Nisy mpanankarena vitsivitsy aza lasa mpanara-dia an’i Kristy. Nomena torohevitra manokana izy ireo teo anivon’ny fiangonana kristianina, nefa tsy nangatahina hanome ny fananany rehetra ho an’ny mahantra.—1 Timoty 6:17.
b Mitantara ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, araka ny fotoana nisehoany, ny boky I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.