Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fanetren-tena tao amin’ny Paska farany
EFA tonga tao Jerosalema ry Petera sy Jaona mba hanao ny fanomanana ny Paska, araka ny toromarika nomen’i Jesosy. Tratra aoriana i Jesosy, izay toa niaraka tamin’ireo apostoly folo hafa, vao tonga tamin’ny tolakandro. Nilentika teny amin’ny faravodilanitra ny masoandro rehefa nidina ny tendrombohitra Oliva ry Jesosy sy ny tariny ka nita ny lohasahan’i Kidrona. Io no farany nahitan’i Jesosy ilay tanàna andro antoandro mandra-panangana azy tamin’ny maty.
Tsy ela dia tonga tao an-tanàna ry Jesosy sy ny namany ary nankany amin’ilay trano hanaovany ny fankalazana ny Paska. Niakatra ny tohatra nankao amin’ny efitrano malalaka ambony rihana, izay efa nahatomombana ny fiomanana rehetra hanaovany ny fankalazany manokana ny Paska izy ireo. Tsy andrin’i Jesosy izay hahatongavan’io fotoana io, araka ny nolazainy hoe: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.”
Araka ny fanao, dia divay efatra kapoaka no sotroin’ny mpandray anjara amin’ny Paska. Rehefa avy nandray, miharihary fa ny kapoaka fahatelo, i Jesosy, dia nisaotra ary nilaza hoe: “Raiso ity, ka zarao aminareo; fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.”
Tamin’ny fotoana iray, teo am-pisakafoana, dia nitsangana i Jesosy, nametraka ny lambany, nandray lamba famaohana, ary nameno rano ny koveta iray. Ny tompon-trano, araka ny mahazatra, no nanao izay hampadio ny tongotry ny vahiny. Nefa satria tsy nisy tompon-trano teo tamin’io fotoana io, dia i Jesosy no nanao izany asa manokana izany. Afaka nanararaotra nanao izany ny anankiray tamin’ireo apostoly, nefa tsy nisy nanao, satria toa mbola nisy fifaninanana teo amin’izy ireo. Sanganehana izy ireo izao rehefa nanomboka nanasa ny tongony i Jesosy.
Rehefa tonga teo aminy i Jesosy, dia nanda toy izao i Petera: “Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao.”
“Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko”, hoy i Jesosy.
“Tompoko”, hoy ny navalin’i Petera, “tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa.”
“Izay efa nandro”, hoy i Jesosy, “tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra.” Nilaza izany izy satria fantany fa eo am-piomanana ny hamadika azy i Jodasy Iskariota.
Rehefa avy nanasa ny tongotry ny apostoly 12 i Jesosy, anisan’izany ny tongotr’i Jodasy, ilay mpamadika azy, dia nitafy ny lambany izy, ary niverina teo an-databatra indray. Nanontany izy avy eo hoe: “Fantatrareo va izay nataoko taminareo? Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.”
Ohatra tsara ny amin’ny fanompoana amim-panetren-tena re izany! Tsy tokony hitady ny ho voalohany ireo apostoly, amin’ny fiheverana fa ambony aoka izany izy ka tokony hanompo azy hatrany ny hafa. Nilain’izy ireo ny nanaraka ny môdely navelan’i Jesosy. Tsy iray amin’ireo fombafomba ny amin’ny fanasana tongotra izany. Tsia, fa iray amin’ny fanekena an-tsitrapo hanompo tsy misy fizahan-tavan’olona izany, na inona na inona mety ho fahambaniana na tsy fahatsaran’ilay asa hatao. Matio 26:20, 21; Marka 14:17, 18; Lioka 22:14-18; 7:44; Jaona 13:1-17.
◆ Inona no manokana tamin’ny fahitan’i Jesosy an’i Jerosalema izay nidirany mba hankalazana ny Paska?
◆ Niharihary fa ilay kapoaka fahafiry no nampandalovin’i Jesosy tamin’ny apostoly 12 rehefa avy nisaotra izy, nandritra ny Paska?
◆ Fanompoana manokana inona no fanao tamin’ny vahiny fony Jesosy tetỳ an-tany, ary nahoana izany no tsy natao rehefa nankalaza ny Paska i Jesosy sy ny apostoliny?
◆ Inona no zava-nokendren’i Jesosy tamin’ny nanaovany ny asa ambany fanasana ny tongotry ny apostoliny?