Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny Sakafo harivan’ny Fahatsiarovana
REHEFA avy nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy dia nanonona ny teny ao amin’ny Salamo 41:9 manao hoe: “Izay homana ny mofoko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy.” Nanjary nangorohoro ny fanahiny avy eo, ary nanazava izy hoe: “Ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.”
Nanomboka nalahelo ireo apostoly ary nanontany an’i Jesosy tsirairay hoe: “Izaho va izany?” Mba nanontany toy izany koa i Jodasy Iskariota. I Jaona, izay nandry ilika teo anilan’i Jesosy, dia niraika niankina tamin’ny tratran’i Jesosy, ary nanontany hoe: “Tompoko, iza moa izany?”
“Izay anankiray amin’ny roa ambin’ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ny lovia no izy”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Ny Zanak’olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’izay olona hahazoana ny Zanak’olona hatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy ary akory.” Taorian’izay no nidiran’i Satana indray tamin’i Jodasy, nanararaotra izany fahafahana natolotry ny fony, izay nanjary ratsy izany. Taorian’izay, tamin’io alina io, dia niantso an’i Jodasy tamin’ny fomba nety hoe “ilay zanaky ny fahaverezana [fandringanana, MN ] i Jesosy.”
Miteny amin’i Jodasy izao i Jesosy: “Izay ataonao dia ataovy faingana.” Tsy nisy tamin’ny apostoly hafa nahatakatra izay tian’i Jesosy holazaina. Ny sasany nihevitra fa satria i Jodasy no nitana ny kitapom-bola, dia izany no nilazan’i Jesosy taminy hoe: “Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana”, na hoe tokony handeha hanome zavatra ho an’ny malahelo izy.
Rehefa lasa i Jodasy dia natombok’i Jesosy ny fankalazana vaovao tanteraka, na fahatsiarovana, niaraka tamin’ireo apostoliny nahatoky. Nandray mofo iray izy, dia nanao vavaka fisaorana, ary namaky azy ka nanome izany azy ireo, ary niteny hoe: “Raiso, hano.” Nanazava toy izao izy: “Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.”
Rehefa nihinana tamin’ny mofo ny tsirairay dia noraisin’i Jesosy ny kapoaka nisy divay, izay niharihary fa ilay fahefatra nampiasaina tamin’ny Paska. Nanao vavaka fisaorana koa izy tamin’io, nanolotra izany tamin’izy ireo, nilaza taminy mba hisotro, ary niteny hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.”
Izany àry, raha ny marina, dia fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Isan-taona, amin’ny 14 Nisana no amerenana izany, araka ny nolazain’i Jesosy, mba ho fahatsiarovana azy. Izany dia hampahatsiahy an’ireo hankalaza azy, izay nataon’i Jesosy sy ny Rainy any an-danitra mba hanolorana ho an’ny taranak’olombelona ny fanafahana amin’ny fanamelohana ho faty. Ho solon’ny Paska ny fankalazana izany ho an’ireo Jiosy tonga mpanara-dia an’i Kristy.
Misolo ny faneken’ny Lalàna taloha ny fanekena vaovao, natao nanan-kery tamin’ny ra nalatsak’i Jesosy. Jesosy Kristy no nanelanelana ny andaniny roa tamin’izany — Jehovah Andriamanitra ny andaniny, ary ny kristiana 144 000 nateraky ny fanahy no ankilany. Ankoatra ny fanolorana famelana ny fahotana, ny fanekena vaovao dia nahatonga hety ny fiforonan’ny firenen’ny fanjaka-mpisorona any an-danitra. Matio 26:21-29; Marka 14:18-25; Lioka 22:19-23; Jaona 13:18-30; 17:12; 1 Korintiana 5:7.
◆ Faminaniana ao amin’ny Baiboly inona no notononin’i Jesosy momba ny sakaiza iray, ary nampihariny tamin’inona izany?
◆ Nahoana ireo apostoly no nanjary nalahelo mafy, ary inona no nanontanian’ny tsirairay tamin’izy ireo?
◆ Inona no nasain’i Jesosy nataon’i Jodasy, nefa ahoana no nandikan’ny apostoly hafa izany toromarika izany?
◆ Fankalazana inona no natombok’i Jesosy taorian’ny nandehanan’i Jodasy, ary nampiasaina ho amin’ny zava-kendrena inona izany?
◆ Iza avy no andaniny roa amin’ny fanekena vaovao, ary inona no hotanterahin’io fanekena io?