Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Fitandremana ny Teny Fanaovam-beloma Notononin’i Jesosy
TAMIN’NY takarivan’ny 14 Nisana, 33 am.f.i., i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny 11 nahatoky dia nandry ilika teo amin’ny latabatra tao amin’ny efitrano ambony rihana iray tao Jerosalema. Koa satria fantany fa akaiky ny fotoana hahafatesany, dia nilaza tamin’izy ireo toy izao izy: “Vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo.” (Jaona 13:33). Raha ny marina, i Jodasy Iskariota dia efa teo am-panaovana tetika niaraka tamin’ireo lehilahy ratsy fanahy izay naniry hampamono an’i Jesosy.
Tsy nisy na dia iray aza tao amin’izany efitrano ambony rihana izany nahatsapa nihoatra noho i Jesosy fa nahadodona ilay tarehin-javatra. Fantany tsara fa nadiva hijaly izy. Fantatr’i Jesosy koa fa ireo apostoliny dia handao azy tamin’io alina io indrindra. (Matio 26:31; Zakaria 13:7). Koa satria io no fahafahana farany nananan’i Jesosy hiresahana tamin’ireo apostoliny talohan’ny hahafatesany, dia azontsika antoka fa ireo teny fanaovam-beloma notononiny dia nifantoka tamin’ireo raharaha faran’izay lehibe.
“Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”
Niaraka tamin’ireo apostoliny nahatoky no nanorenan’i Jesosy fankalazana iray izay hisolo ny Paska jiosy. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe ny “sakafo harivan’ny Tompo” izy io. (1 Korintiana 11:20, NW ). Rehefa nandray mofo tsy nisy lalivay i Jesosy, dia nanao vavaka. Avy eo, dia novakiny ilay mofo ary nomeny an’ireo apostoliny. “Raiso, hano, ity no tenako”, hoy izy. Avy eo, dia nandray kapoaka nisy divay izy, nanolotra vavaka fisaorana ary nanome azy io an’ireo apostoly tamin’ny filazana toy izao: “Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” — Matio 26:26-28.
Inona no hevitr’io fisehoan-javatra io? Araka ny nambaran’i Jesosy, ilay mofo dia nampiseho ny tenany tsy nisy ota. (Hebreo 7:26; 1 Petera 2:22, 24). Ilay divay dia marika nampiseho ny ran’i Jesosy nalatsaka mba hahatonga ny famelan-keloka hety. Ny rany natao sorona dia hampanan-kery koa ilay fanekena vaovao nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra sy ireo olombelona 144 000 izay hiara-manapaka amin’i Jesosy any an-danitra amin’ny farany. (Hebreo 9:14; 12:22-24; Apokalypsy 14:1). Tamin’ny fanasana an’ireo apostoliny handray anjara tamin’io sakafo io, i Jesosy dia nampiseho fa izy ireo dia hiara-mandray anjara aminy amin’ilay Fanjakan’ny lanitra.
Mikasika an’io sakafom-pahatsiarovana io, dia nandidy toy izao i Jesosy: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19, NW ). Eny, ny Sakafo Harivan’ny Tompo dia ho fisehoan-javatra isan-taona, sahala amin’ny naha-toy izany ny Paska. Raha nampahatsiaro ny fanafahana an’ireo Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta ny Paska, ny Sakafo Harivan’ny Tompo kosa dia hifantoka amin’ny fanafahana iray mbola lehibe lavitra — dia ny an’ny taranak’olombelona azo navotana tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. (1 Korintiana 5:7; Efesiana 1:7). Ankoatra izany, ireo mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay izay marika, dia hampahatsiarovina ny amin’ireo tombontsoany ho avy, amin’ny maha-mpanjaka sady mpisorona ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. — Apokalypsy 20:6.
Ny fahafatesan’i Jesosy Kristy no ilay fisehoan-javatra lehibe indrindra marina tokoa teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Ireo izay mankasitraka ny nataon’i Jesosy, dia mankato ny didiny mikasika ny Sakafo Harivan’ny Tompo manao hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy isan-taona, amin’ny daty mifanandrify amin’ny 14 Nisana. Amin’itỳ 1996 itỳ, io daty io dia mianjera amin’ny 2 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Asaina amim-pitiavana ianao mba hanatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana ao amin’ny misy anao.
“Didy vaovao no omeko anareo”
Ankoatra ny fanorenana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, i Jesosy dia nanana torohevitra fanaovam-beloma sasany ho an’ireo apostoliny. Na dia teo aza ny fampiofanana tsara dia tsara azon’ireo lehilahy ireo, dia mbola nanan-javatra maro tokony hianarana izy ireo. Tsy hainy ny nanavaka tamin’ny fomba feno ny fikasan’Andriamanitra ny amin’i Jesosy, ny amin’izy ireo, na ny amin’ny hoavy. Tsy nanandrana nanazava ireo raharaha rehetra ireo anefa i Jesosy tamin’io fotoana io. (Jaona 14:26; 16:12, 13). Niresaka kosa ny amin’ny zavatra tena lehibe izy. “Didy vaovao no omeko anareo”, hoy izy, “dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” Avy eo, dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:34, 35.
Tamin’ny lafiny inona izy io no “didy vaovao”? Nandidy toy izao ny Lalàn’i Mosesy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Levitikosy 19:18). Kanefa, i Jesosy dia nitaky tamin’ireo mpanara-dia azy mba haneho fitiavana feno fahafoizan-tena izay ho tonga hatramin’ny fanomezana ny aina ho an’ireo Kristiana tahaka ny tena. Mazava ho azy, fa hihatra koa amin’ireo toe-javatra mora kokoa ny ‘lalàn’ny fitiavana’. Amin’ny tarehin-javatra rehetra, ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy dia hanao ny dingana voalohany ho fanehoana fitiavana, amin’ny fanampiana ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ny lafiny hafa koa. — Galatiana 6:10.
Tamin’io alina farany tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany io, ny fitiavana dia nandrisika azy hivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra ho an’ireo mpianany. Nivavaka toy izao izy, tamin’ny ampahany: “Izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.” (Jaona 17:11). Tsara homarihina fa tao amin’io fiangaviana ny Rainy io, i Jesosy dia nivavaka ho amin’ny firaisan-tsaina feno fitiavana teo amin’ireo mpanara-dia azy. (Jaona 17:20-23). Nilain’izy ireo ny ‘hifankatia tahaka ny nitiavan’i Jesosy azy ireo’. — Jaona 15:12.
Nitandrina ireo teny fanaovam-beloma notononin’i Jesosy ireo apostoly nahatoky. Isika koa dia tokony hanoa ny didiny. Amin’izao “andro farany” sarotra izao, dia zava-dehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina eo anivon’ireo mpivavaka marina. (2 Timoty 3:1, NW ). Eny tokoa, ireo Kristiana marina dia mankato ny didin’i Jesosy ka maneho fitiavan-drahalahy. Tafiditra amin’izany ny fankatoavana ny didiny mba hitandremana ny Sakafo Harivan’ny Tompo.