Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Fananarana talohan’ny hiaingana
VITA ny sakafon’ny fahatsiarovana, nefa mbola tao ambony rihana i Jesosy sy ny apostoliny. Na dia ho lasa tsy ho ela aza i Jesosy, dia mbola nanana zavatra maro holazaina. “Aza malahelo ny fonareo”, hoy izy nampahery azy ireo. “Minoa [manehoa finoana, MN ] an’Andriamanitra.” Nefa mihoatra noho izany no takina. “Ary minoa [manehoa finoana, MN ] Ahy koa”, hoy ny nanampiny.
“Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny. “Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (. . .) ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin’izay halehako.” Tsy takatr’ireo apostoly fa niresaka ny amin’ny handehanany any an-danitra i Jesosy, ka hoy i Tomasy: “Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana?”
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”, hoy ny navalin’i Jesosy. Eny, amin’ny fanekena azy sy ny fanahafana ny fomba fiainany ihany no ahafahan’ny olona iray hiditra ao an-tranon’ny Ray any an-danitra, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”
“Tompoko, asehoy anay ny Ray”, hoy ny fangatahan’i Filipo, “dia ampy ho anay izay.” Toa tian’i Filipo ny hanomezan’i Jesosy fampisehoana hita maso an’Andriamanitra, toy ny fahitana nomena fahiny an-dry Mosesy, Elia, ary Isaia. Nefa, raha ny tena izy, ny apostoly dia nanana zavatra tsara lavitra noho ny fahitana karazan’izany, araka ny nomarihin’i Jesosy toy izao: “Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.”
I Jesosy dia nanome taratra tanteraka ny maha-izy ny Rainy, hany ka ny fiarahana miaina aminy sy ny fandinihana azy, raha ny marina, dia toy ny tena fahitana ny Ray. Kanefa mbola ambony noho ny Zanaka ny Ray, araka ny fieken’i Jesosy hoe: “Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany.” Niaiky i Jesosy fa avy amin’ny Rainy any an-danitra ny fampianarany.
Tsy maintsy ho fampaherezana toy inona ho an’ny apostoly moa izao ny fihainoana an’i Jesosy nilaza taminy hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy”! Tsy te hilaza akory i Jesosy fa hanao asa mahagaga amin-kery lehibe noho ny nataony ny mpanara-dia azy. Tsia, fa ny tiany holazaina dia hoe hanohy ny fanompoana mandritra ny fotoana lava lavitra any amin’ny faritra lehibe lavitra, sy any amin’ny mponina maro lavitra izy ireo.
Tsy handao ny mpianany i Jesosy aorian’ny fandehanany. “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako”, hoy ny nampanantenainy, “dia hataoko izany.” Hoy koa izy: “Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana.” Tatỳ aoriana, taorian’ny niakarany ho any an-danitra, dia nandatsaka ny fanahy masina, ilay mpanampy hafa, teo amin’ireo mpianany izy.
Antomotra ny fiaingan’i Jesosy, araka ny nolazainy hoe: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao.” Ho zavaboary ara-panahy, izay tsy ho hitan’ny olombelona na iza na iza i Jesosy. Teo indray koa anefa, dia nampanantena ireo apostoliny nahatoky i Jesosy hoe: “Fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo.” Eny, tsy hoe hiseho amin’izy ireo amin’ny endrik’olombelona fotsiny i Jesosy aorian’ny fitsanganany, fa amin’ny fotoana mety, dia hanangana azy ireo izy mba hiara-miaina aminy any an-danitra amin’ny maha-zavaboary ara-panahy.
Izao i Jesosy dia nanonona ity lalàna tsotra ity: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.”
Tamin’izay, i Jodasy apostoly, ilay antsoina koa hoe Tadeo, dia nitsatsaingoka niteny hoe: “Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?”
“Raha misy tia Ahy”, hoy ny navalin’i Jesosy, “dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy (. . .) Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko.” Tsy mba tahaka ireo mpanara-dia azy mpankatò izao tontolo izao, fa minia tsy mahalala ny fampianaran’i Kristy. Noho izany dia tsy miseho amin’izy ireo izy.
Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia nampianatra zavatra maro be ny apostoliny i Jesosy. Ahoana no hahatadidiavan’izy ireo izany rehetra izany, indrindra fa satria na hatramin’izao aza dia be dia be no tsy takany ny heviny? Soa ihany fa nampanantena toy izao i Jesosy: “Fa ny Mpananatra [mpanampy, MN ], dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.”
Nampahery azy ireo indray i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. (. . .) Aza malahelo na matahotra ny fonareo.” Marina fa handeha i Jesosy, nefa nanazava toy izao izy: “Raha tia Ahy hianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.”
Fohy ny fotoana niarahan’i Jesosy tamin’izy ireo. “Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho”, hoy izy, “fa avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.” Satana Devoly, ilay afaka niditra tao amin’i Jodasy sy nifehy azy, no ilay andrianan’izao tontolo izao. Nefa tao amin’i Jesosy dia tsy nisy fironana hanota azon’i Satana nokendrena mba hampialana azy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Jaona 14:1-31; 13:27; Lioka 22:3, 4; Eksodosy 24:10; 1 Mpanjaka 19:9-13; Isaia 6:1-5.
▪ Ho aiza i Jesosy, ary inona no valinteny azon’i Tomasy momba ny lalana mankany.?
▪ Tamin’ny fangatahany, inona no toa tian’i Filipo homen’i Jesosy?
▪ Nahoana ny olona iray nahita an’i Jesosy no nahita ny Rainy koa?
▪ Ahoana no hanaovan’ny mpanara-dia an’i Jesosy asa lehibe noho ny azy?
▪ Amin’ny heviny ahoana i Satana no tsy manam-pahefana eo amin’i Jesosy?