-
Aiza no Ahitana ny Tena Fampiononana?Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Mey
-
-
Nanome toky azy ireo koa i Jesosy hoe: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, . . . no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:16, 17, 26)
-
-
Aiza no Ahitana ny Tena Fampiononana?Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Mey
-
-
12. Nahoana no mampionona olona maro ny fanahy masina, rehefa nampahatsiahy ny mpianatr’i Jesosy ny zavatra nolazainy taminy?
12 Nampianarin’i Jesosy zavatra be dia be ny apostoliny. Azo antoka fa tsy nanadino izany mihitsy izy ireo, nefa tadidiny ve izay tena nolazain’i Jesosy? Nisy fampianarana lehibe sasany hadinon’izy ireo ve, satria tsy lavorary izy ireo? Nanome toky azy ireo i Jesosy fa ‘hampahatsiaro azy ny zavatra rehetra izay nolazainy taminy’, ny fanahy masina. Izany no nahafahan’i Matio nanoratra ny Filazantsara voalohany, valo taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Noraketiny ao ilay Toriteny nampahery nataon’i Jesosy teo An-tendrombohitra, ny fanoharana maro be nataony momba ilay Fanjakana, ary ireo tsipiriany nomeny hamantarana ny fanatrehany. Dimampolo taona mahery tatỳ aoriana koa, dia afaka nanoratra tantara azo itokiana sy feno tsipiriany momba ireo andro farany niainan’i Jesosy tetỳ an-tany, ny apostoly Jaona. Tena mampahery mihitsy ireo tantara ara-tsindrimandry ireo mandraka ankehitriny!
13. Hazavao fa toy ny mpampianatra ho an’ny Kristianina voalohany ny fanahy masina.
13 Tsy nampahatsiahy ny tenin’i Jesosy fotsiny ny fanahy masina, fa nampianatra sy nitari-dalana ny mpianany koa, mba hahatakaran’izy ireo tsara kokoa ny fikasan’Andriamanitra. Tsy azon’izy ireo tsara, ohatra, ny zavatra nolazain’i Jesosy taminy. Kanefa rehefa nampian’ny fanahy masina ry Jaona, Petera, Jakoba, Joda, ary Paoly tatỳ aoriana, dia afaka nanoratra sy nanazava bebe kokoa ny fizotran’ny fikasan’Andriamanitra. Toy ny mpampianatra àry ny fanahy masina, ka nanome toky an’ireo mpianatra fa nitari-dalana azy ireo Andriamanitra.
-