“Tsy Mbola Tonga ny Fotoany”
“Tsy nisy naninji-tànana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.”—JAONA 7:30.
1. Lafin-javatra roa inona avy no nitarika an’i Jesosy teo amin’ny zava-drehetra nataony?
“NY ZANAK’OLONA tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”, hoy i Jesosy Kristy tamin’ireo apostoliny. (Matio 20:28). Hoy kosa izy tamin’i Pontio Pilato, governora romanina: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Fantatr’i Jesosy tsara ny antony hahafatesany sy ny asa nilainy hatao talohan’ny hahafatesany. Fantany ihany koa hoe hafiriana no tsy maintsy hanatanterahany ny asa nanirahana azy. Haharitra telo taona sy tapany monja ny fanompoany teto an-tany tamin’ny naha Mesia azy. Nanomboka izy io fony izy natao batisa tao anaty rano, tao amin’ny Ony Jordana (tamin’ny 29 am.f.i.), teo am-piandohan’ilay herinandro faha-70 ara-panoharana nambara mialoha. Nifarana kosa io fanompoany io rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana izy, teo antenatenan’io herinandro io (tamin’ny 33 am.f.i.). (Daniela 9:24-27; Matio 3:16, 17; 20:17-19). Noho izany, dia ireto lafin-javatra roa ireto indrindra indrindra no nitarika an’i Jesosy teo amin’ny zava-drehetra nataony teto an-tany: ny zava-nokendren’ny nahatongavany tetỳ, sy ny nahatsapany lalina ny fotoana nety indrindra hanaovan-javatra.
2. Ahoana no ilazalazana an’i Jesosy Kristy, ao amin’ireo Filazantsara, ary ahoana no nampisehoany fa fantany ilay asa nanirahana azy?
2 Ireo fitantaran’ny Filazantsara dia milazalaza an’i Jesosy Kristy ho lehilahy tia niasa, izay nitety ny tanin’i Palestina, ka nanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy nanao asa mahagaga maro. Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny fanompoany izay nanaovany zavatra maro, dia izao no voalaza momba azy: “Tsy mbola tonga ny fotoany.” Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanambara hoe: “Tsy mbola tonga ny fotoako.” Tany amin’ny faramparan’ny fanompoany i Jesosy, dia nampiasa ny teny hoe: “Tonga ny fotoana”. (Jaona 7:8, 30; 12:23). Tsy maintsy nisy heriny teo amin’izay nolazain’i Jesosy sy nataony, ny fahafantarany ny fotoana hanaovana an’ilay asa nanendrena azy, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona. Ny fahatakarantsika izany dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra tsara ny toetra maha izy azy sy ny fomba fiheviny, ka hanampy antsika ‘hanaraka ny diany’ akaiky kokoa.—1 Petera 2:21.
Tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra
3, 4. a) Inona no nitranga tao amin’ny fampakaram-bady iray tao Kana? b) Nahoana ilay Zanak’Andriamanitra no nanohitra ilay hevitra naroson’i Maria ny amin’ny tokony hanaovany zavatra mahakasika ilay divay lany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
3 Ny taona 29 am.f.i. tamin’izay. Vao andro vitsivitsy monja no lasa hatramin’ny nifidianan’i Jesosy ireo mpianany voalohany. Tonga tao amin’ny tanànan’i Kana, tany amin’ny distrikan’i Galilia, izy rehetra izao, mba hanatrika fampakaram-bady. Tao koa i Maria renin’i Jesosy. Lany ny divay. Nandroso hevitra ny amin’ny tokony hanaovan-janany zavatra i Maria, ka hoy izy taminy: “Tsy manana divay izy.” Izao anefa no navalin’i Jesosy: “Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako.”—Jaona 1:35-51; 2:1-4.
4 Ilay valin-tenin’i Jesosy hoe “Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao?”, dia endri-panontaniana iray fampiasa fahiny, izay midika ho fanoherana an’izay hevitra naroso. Nahoana i Jesosy no nanohitra ny tenin’i Maria? Efa 30 taona i Jesosy izao. Herinandro vitsivitsy monja talohan’io, dia natao batisa izy, voahosotry ny fanahy masina, ary nampahafantarin’i Jaona Mpanao Batisa ho “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29-34; Lioka 3:21-23). Izao àry dia tsy maintsy ilay Fahefana Fara Tampony naniraka azy, no nilaza ny tokony hataony. (1 Korintiana 11:3). Tsy nisy na iza na iza, eny fa na dia ny havany akaiky aza, nahazo nisalovana tamin’ilay asa nanirahana an’i Jesosy mba hataony tetỳ an-tany. Hita taratra tokoa tamin’ny valin-tenin’i Jesosy tamin’i Maria fa tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’ny Rainy izy! Enga anie isika ka ho tapa-kevitra koa ny hanao ‘izay tokony hataontsika’ amin’Andriamanitra.—Mpitoriteny 12:13.
5. Fahagagana inona no nataon’i Jesosy Kristy tao Kana, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny hafa?
5 Takatr’i Maria ny hevitr’ilay tenin-janany ka nihataka avy hatrany izy, ary nomeny izao toromarika izao ireo mpikarakara: “Ataovy izay asainy ataonareo.” Namaha ilay olana i Jesosy. Nasainy nofenoin’ireo mpikarakara rano ireo siny, ka novany ho divay tena faran’izay tsara ilay rano. Nitranga izany ho fampahafantarana an’i Jesosy ho nahay nanao fahagagana, ka ho famantarana nanondro fa nanana ny fanahin’Andriamanitra izy. Nihanatanjaka ny finoan’ireo mpianatra vaovao rehefa nahita an’io fahagagana io izy ireo.—Jaona 2:5-11.
Be zotom-po ho an’ny tranon’i Jehovah
6. Nahoana i Jesosy no tezitra noho izay hitany tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, ary inona no nataony?
6 Tsy ela dia tonga ny lohataonan’ny taona 30 am.f.i., ary teny an-dalana ho any Jerosalema mba hitandrina ny Paska i Jesosy sy ireo niaraka taminy. Tany ireo mpianany dia nahita an’ilay Mpitarika azy nanao zavatra izay angamba mbola tsy hitan’izy ireo nataony mihitsy. Ireo Jiosy mpivarotra tia vola tafahoatra, dia nivarotra biby sy vorona hatao fanatitra, ary tao amin’ny tempoly mihitsy no nanaovany izany. Ary nitaky vidiny ambony loatra tamin’ireo Jiosy mpivavaka nahatoky izy ireo. Feno fahatezerana i Jesosy, ka nanao zavatra. Nanao karavasy tady izy, ka nandroaka an’ireo mpivarotra. Nararany ny vola madinik’ireo mpanakalo vola, ary nazerany ny latabany. “Ento mivoaka ireto zavatra ireto”, hoy ny baikony tamin’ireo nivarotra voromahailala. Rehefa nahita azy nanao zavatra tamin-kafanam-po toy izany ireo mpianatr’i Jesosy, dia nahatadidy ilay faminaniana momba ny Zanak’Andriamanitra, manao hoe: “Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy”. (Jaona 2:13-17; Salamo 69:9). Isika koa dia tsy maintsy mitandrina amin-jotom-po mba tsy hamela ny fironana araka an’izao tontolo izao hanimba ny fanompoam-pivavahantsika.
7. a) Inona no nanosika an’i Nikodemosy hitsidika ny Mesia? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny nanaovan’i Jesosy fanambarana tamin’ny vehivavy samaritanina iray?
7 Nanao famantarana mahagaga i Jesosy fony izy tany Jerosalema, ka olona maro no nino azy. Na dia i Nikodemosy, izay anisan’ny Synedriona, na fitsarana avo jiosy, aza, dia niaiky volana ny amin’i Jesosy, ka tonga tao aminy tamin’ny alina mba hahafantatra misimisy kokoa. Avy eo, dia nitoetra tany amin’ny “tany Jodia” nandritra ny valo volana teo ho eo i Jesosy sy ny mpianany, ka nitory sy nanao mpianatra. Nandao an’i Jodia anefa izy ireo, ka nankany Galilia, taorian’ny nampidirana am-ponja an’i Jaona Mpanao Batisa. Rehefa namakivaky ny distrikan’i Samaria izy ireo, dia nanararaotra nanao fanambarana feno tamin’ny vehivavy samaritanina iray i Jesosy. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fahatongavan’ny Samaritanina maro ho mpino izany. Aoka koa isika ho mailaka hanararaotra ny fahafahana hiresaka momba ilay Fanjakana.—Jaona 2:23; 3:1-22; 4:1-42; Marka 1:14.
Fampianarana nanerana an’i Galilia
8. Asa inona no natombok’i Jesosy tany Galilia?
8 Talohan’ny ‘fotoana’ hahafatesan’i Jesosy, dia nanan-javatra be dia be hatao teo amin’ny fanompoana an’ilay Rainy any an-danitra izy. Tany Galilia, dia nanomboka fanompoana lehibe lavitra noho izay nataony tany Jodia sy Jerosalema i Jesosy. Nandeha “eran’i Galilia [izy] ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona”. (Matio 4:23). Nanakoako nanerana ilay distrika manontolo ireto teniny nanaitra ireto: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Tao anatin’ny volana vitsivitsy, rehefa tonga mba handray tatitra nivantana momba an’i Jesosy ny roa tamin’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa, dia hoy i Jesosy taminy: “Mandehana hianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.”—Lioka 7:22, 23.
9. Nahoana no nirohotra tany amin’i Kristy Jesosy ny vahoaka, ary inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’izany?
9 ‘Niely tamin’ny tany rehetra nanodidina ny lazan’i Jesosy’, ary nisy vahoaka betsaka nirohotra nankany aminy—avy tany Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia, sy ny tany andafin’ny Ony Jordana. (Lioka 4:14, 15; Matio 4:24, 25). Tonga tany aminy izy ireo, tsy noho ireo fanasitranana mahagaga nataony fotsiny, fa noho ny fampianarany nahatalanjona koa. Nanintona sy nampahery ny hafatra nentiny. (Matio 5:1–7:27). Nahafinaritra ny tenin’i Jesosy. (Lioka 4:22). “Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”, satria niteny tamim-pahefana avy tao amin’ny Soratra Masina izy. (Matio 7:28, 29; Lioka 4:32). Iza tokoa moa no tsy ho voasinton’ny olona toy izany? Enga anie mba hamboly fahaiza-mampianatra koa isika, mba hahatonga an’ireo olona tso-po ho voasinton’ny fahamarinana.
10. Nahoana no nitady hamono an’i Jesosy ireo mponina tao amin’ny tanànan’i Nazareta, ary nahoana no tsy nahomby izy ireo?
10 Tsy vonon-kandray avokoa anefa izay rehetra nihaino an’i Jesosy. Na dia tany am-piandohan’ny fanompoany aza, fony izy nampianatra tao amin’ny synagogan’i Nazareta, tanàna niaviany, dia efa nisy nitady hamono azy. Na dia talanjona tamin’ny ‘teny fahasoavana’ nataony aza ny mponin’ilay tanàna, dia naniry hahita fahagagana. Tsy nanao asa mahagaga maro anefa i Jesosy tao, fa nampiharihary kosa ny fitiavan-tenan’izy ireo sy ny tsy fahampiam-pinoany. Feno fahatezerana ireo tao amin’ny synagoga, ka nitsangana nisambotra an’i Jesosy, nandroaka azy ho eny amin’ny tehezan-tendrombohitra iray mba hanjerana azy hivarina tany amin’ny hantsana, ka ny lohany no handeha aloha. Afa-nandositra anefa izy ka afa-niala teo soa aman-tsara. Mbola tsy tonga ny ‘fotoana’ hahafatesany.—Lioka 4:16-30.
11. a) Nahoana no tonga nihaino an’i Jesosy ny mpitarika ara-pivavahana sasany? b) Nahoana no nampangaina ho nandika ny Sabata i Jesosy?
11 Matetika koa no tany amin’izay nitorian’i Jesosy ireo mpitarika ara-pivavahana, dia ireo mpanora-dalàna, Fariseo, sy Sadoseo, ary ny hafa. Tsy tonga teo mba hihaino sy hianatra ny ankamaroan’izy ireo, fa hanakiana sy hitady hamandrika azy kosa. (Matio 12:38; 16:1; Lioka 5:17; 6:1, 2). Ohatra, rehefa nitsidika an’i Jerosalema tamin’ny Paska 31 am.f.i. i Jesosy, dia nanasitrana lehilahy iray izay narary nandritra ny 38 taona. Niampanga an’i Jesosy ho nandika ny Sabata ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy. Hoy ny navalin’i Jesosy: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” Izao dia nampangain’ny Jiosy ho niteny ratsy izy, satria nilaza ny tenany ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny niantsoany an’Andriamanitra hoe Ray. Nitady hamono an’i Jesosy izy ireo, kanefa nandao an’i Jerosalema izy sy ireo mpianany, ka nankany Galilia. Maneho fahendrena torak’izany koa isika raha manalavitra fifandonana tsy amin’ny antony amin’ny mpanohitra, ary manokana kosa ny herintsika ho amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra.—Jaona 5:1-18; 6:1.
12. Nanao ahoana ny halehiben’ny fitoriana vitan’i Jesosy tany Galilia?
12 Nandritra ny herintaona sy tapany teo ho eo nanaraka izany, dia noferan’i Jesosy ho tany Galilia no nanaovany ny ankabeazan’ny fanompoany, ka tsy nitsidika an’i Jerosalema izy raha tsy tamin’ireo andro firavoravoana telo fanaon’ny Jiosy isan-taona. Tamin’ny fitambarany, dia nanao dia fitoriana telo tany Galilia i Jesosy: ny voalohany niarahany tamin’ny mpianany 4 vaovao, ny faharoa niarahany tamin’ireo apostoly 12, ary ny iray hafa, izay nitatra kokoa, dia niarahany tamin’ireo apostoly efa voaofana, izay nirahina koa. Izany ka fanambarana lehibe ny fahamarinana, tany Galilia!—Matio 4:18-25; Lioka 8:1-3; 9:1-6.
Fitoriana tamin-kerim-po tany Jodia sy Pere
13, 14. a) Tamin’ny fotoana toy inona ireo Jiosy no nitady hisambotra an’i Jesosy? b) Nahoana ireo mpiandry raharaha no tsy nahavita nisambotra an’i Jesosy?
13 Fararanon’ny 32 am.f.i. tamin’izay, ary mbola tsy tonga ny ‘fotoan’i Jesosy’. Efa akaiky ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely. Izao dia nampirisika azy toy izao ireo rahalahin’i Jesosy iray reny taminy: “Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia”. Nirin’izy ireo hasehon’i Jesosy tamin’izay rehetra tafavory tany amin’ilay andro firavoravoana tany Jerosalema, ny fahaizany nanao fahagagana. Fantatr’i Jesosy anefa ny loza nety haterak’izany, ka hoy izy tamin’ireo rahalahiny: “Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.”—Jaona 7:1-8.
14 Nijanonjanona tany Galilia nandritra ny fotoana kelikely i Jesosy vao niakatra tany Jerosalema, “nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina”. Nitady azy tokoa tany amin’ilay andro firavoravoana ny Jiosy, ka nilaza hoe: “Aiza Izy?” Rehefa nisasaka ilay andro firavoravoana, dia niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy ka nanomboka nampianatra tamin-kerim-po. Nitady hisambotra azy izy ireo, angamba mba hampidirana azy tany am-ponja na mba hamonoana azy. Tsy nahomby anefa izy ireo, satria “tsy mbola tonga ny fotoany”. Maro izao no nino an’i Jesosy. Na ireo mpiandry raharaha nirahin’ny Fariseo hisambotra azy aza, dia niverina nitondra tanam-polo, ary nilaza hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.”—Jaona 7:9-14, 30-46.
15. Nahoana no naka vato hitorahana an’i Jesosy ny Jiosy, ary inona, avy eo, no fitoriana nisesisesy nataony?
15 Nitohy ny fifanolanana teo amin’i Jesosy sy ireo Jiosy mpanohitra, rehefa nampianatra momba ny Rainy tao amin’ny tempoly i Jesosy, nandritra ilay andro firavoravoana. Tamin’ny andro farany tamin’ilay andro firavoravoana, dia romotra noho ny tenin’i Jesosy momba ny nisiany talohan’ny naha olombelona azy ny Jiosy, ka naka vato hitorahana azy. Niafina anefa izy, ka afa-nandositra tsy naninon-tsy naninona. (Jaona 8:12-59). Nitoetra tany ivelan’i Jerosalema i Jesosy, ka nanomboka nanao fitoriana lehibe nisesisesy tany Jodia. Nifidy mpianatra 70 izy, ary rehefa avy nanome toromarika azy ireo izy, dia naniraka azy ireo tsiroaroa mba hiasa ilay faritany. Nandeha nialoha tany amin’ny toerana sy ny tanàna rehetra nokasain’i Jesosy sy ny apostoliny haleha izy ireo.—Lioka 10:1-24.
16. Afa-nandositra loza inona i Jesosy nandritra ny Andro Firavoravoana Fitokanana, ary inona indray koa no asa nahasomokotra azy?
16 Tamin’ny ririnin’ny taona 32 am.f.i., dia efa nihananakaiky ny ‘fotoan’i Jesosy’. Tonga tany Jerosalema ho amin’ilay Andro Firavoravoana Fitokanana izy. Mbola nitady hamono azy foana ny Jiosy. Raha mbola nandeha tao amin’ny andry mitafon’ny tempoly i Jesosy, dia nohodidinin’izy ireo. Niampanga azy indray ho niteny ratsy izy ireo, ka naka vato hamonoana azy. Nandositra anefa i Jesosy, toy izay efa nataony teo aloha. Tsy ela dia efa teny an-dalana indray izy mba hampianatra, ka tamin’ity indray mitoraka ity, dia isan-tanàna sy isam-bohitra, tao amin’ny distrikan’i Pere, tany ampitan’i Jordana avy teo Jodia. Ary maro no nino azy. Nisy hafatra maika azony anefa momba an’i Lazarosy sakaiza tsy foiny, ka nahatonga azy hiverina tany Jodia.—Lioka 13:33; Jaona 10:20-42.
17. a) Hafatra maika inona no voarain’i Jesosy fony izy nitory tany Pere? b) Inona no mampiseho fa fantatr’i Jesosy ny zava-nokendren’izay tsy maintsy nataony sy ny fotoan’ireo fisehoan-javatra?
17 Ilay hafatra maika dia avy tamin’i Marta sy i Maria, anabavin’i Lazarosy, izay nipetraka tany Betania, tany Jodia. “Tompoko, indro, marary ilay tianao”, hoy ilay mpitondra hafatra. “Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany”, hoy ny navalin’i Jesosy, “fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra.” Mba hanatanterahana izany zava-nokendrena izany, dia ninia nitoetra tany amin’ny nisy azy nandritra ny roa andro i Jesosy. Avy eo, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Andeha isika ho any Jodia indray.” Tsy nampino an’ireo mpianatra izany, ka hoy ny navalin’izy ireo: “Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?” Fantatr’i Jesosy anefa fa fohy ny fotoana sisa tavela tamin’ny “andro”, na ny fotoana nomen’Andriamanitra azy hanaovany ny fanompoany teto an-tany. Fantany tsara izay tsy maintsy nataony sy ny antony nanaovany izany.—Jaona 11:1-10.
Fahagagana iray izay tsy azon’iza na iza nodian-tsy hita
18. Nanao ahoana ny toe-javatra nisy tany Betania fony i Jesosy tonga tao, ary inona no nitranga taorian’ny nahatongavany?
18 Tany Betania, dia i Marta no voalohany nitsena an’i Jesosy, ka nilaza hoe: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.” Nanaraka kosa, avy eo, i Maria sy ireo tonga tao an-tranony. Nitomany izy rehetra. “Aiza moa no nandevenanareo azy?”, hoy i Jesosy. Hoy ny navalin’izy ireo: “Tompoko, andeha hizaha.” Rehefa tonga teo amin’ilay fasana, izay tsy inona fa zohy notampenana vato iray, i Jesosy, dia nilaza hoe: “Esory ny vato.” Tsy takatr’i Marta izay nokasain’i Jesosy hatao, ka nanohitra toy izao izy: “Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.” Nanontany toy izao anefa i Jesosy: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?”—Jaona 11:17-40.
19. Nahoana no nivavaka ampahibemaso i Jesosy, talohan’ny nananganana an’i Lazarosy?
19 Rehefa afaka ilay vato nandrakotra ny fidirana nankao amin’ny fasan’i Lazarosy, dia nivavaka tamin’ny feo avo i Jesosy mba hahafantaran’ny olona fa hatao amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ilay zavatra nadiva hataony. Avy eo, dia nihiaka mafy toy izao izy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Nivoaka i Lazarosy, mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, ary voasarona lamba ny tavany. “Vahao izy, ka avelao handeha”, hoy i Jesosy.—Jaona 11:41-44.
20. Nanao ahoana avy ny fihetsik’ireo nahita an’i Jesosy nanangana an’i Lazarosy?
20 Maro tamin’ny Jiosy tonga mba hampionona an’i Marta sy i Maria no nino an’i Jesosy rehefa nahita an’io fahagagana io. Nisy hafa lasa nilaza tamin’ireo Fariseo izay efa nitranga. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? Avy hatrany dia nampiantso ny Synedriona hanao fivoriana maika izy ireo sy ny lohan’ny mpisorona. Nangitakitaka izy ireo ary velon-taraina hoe: “Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.” Hoy anefa i Kaiafa Mpisoronabe tamin’izy ireo: “[Hianareo tsy] misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.” Hatramin’iny andro iny àry, dia nikaon-doha ny amin’izay hamonoana an’i Jesosy izy ireo.—Jaona 11:45-53.
21. Santatry ny inona ilay fahagagana tamin’ny nananganana an’i Lazarosy?
21 Koa tamin’ny fanemorana ny fotoana nahatongavany tany Betania àry, dia afaka nanao fahagagana izay tsy azon’iza na iza nodian-tsy hita i Jesosy. Nahazo hery avy tamin’Andriamanitra i Jesosy, ka nahavita nanangana lehilahy iray efa maty nandritra ny efatra andro. Na ny Synedriona heni-kaja amam-boninahitra aza, dia voatery nahamarika izany, ka nanameloka ho faty an’ilay Mpanao Fahagagana! Iny fahagagana iny àry dia santatry ny fiolahana lehibe iray teo amin’ny fanompoan’i Jesosy: “tsy mbola tonga ny fotoany” talohan’izay, nefa “tonga ny fotoana” izao.
Ahoana no Havalinao?
• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa fantany ny asa nanendren’Andriamanitra azy?
• Nahoana i Jesosy no nanohitra ilay hevitra naroson-dreniny momba ny divay?
• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba niatrehan’i Jesosy matetika ny mpanohitra?
• Nahoana no tsy nanao zavatra avy hatrany i Jesosy tamin’ilay aretin’i Lazarosy?
[Sary, pejy 12]
Nanokana ny heriny ho amin’ny andraikitra nanendren’Andriamanitra azy i Jesosy