Araho ny ohatr’i Jesosy naneho fifikirana tamin’Andriamanitra
“Iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina masina ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra: ‘Naseho teo amin’ny nofo izy [Jesosy].” — 1 TIMOTY 3:16, MN.
1. a) Fanontaniana inona moa no tsy voavaly nandritra ny 4000 taona mahery? b) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nomena ny valiny?
TSY NAHAZO valiny nandritra ny 4000 taona mahery ilay fanontaniana. Hatramin’ny fotoana tsy nitazonan’i Adama, ilay lehilahy voalohany, ny tsy fivadihany, dia nitranga io fanontaniana io: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny taranak’olombelona maneho fifikirana amin’Andriamanitra? Tatỳ aoriana, tamin’ny taonjato voalohany am. fan. ir., rehefa tonga teto an-tany ilay Zanak’Andriamanitra, dia nomena ny valiny. Tamin’ny heviny rehetra, sy ny teniny rehetra, ary ny nataony rehetra i Jesosy Kristy dia nampiseho ny firaiketam-pony manokana tamin’i Jehovah. Tamin’izany izy no nanala sarona ny ‘zava-miafina masina ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra’, ary nampiseho ny fomba tokony hihazonan’ny olombelona nanolo-tena izany fifikirana izany. — 1 Timoty 3:16.
2. Amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany, nahoana isika no tokony handinika akaiky ny ohatr’i Jesosy?
2 Raha maneho fifikirana amin’Andriamanitra hatrany isika amin’ny maha-kristiana nanolo-tena sy vita batisa antsika, dia ho fahendrena ny ‘hiheverantsika tsara’ ny ohatr’i Jesosy. (Hebreo 12:3) Nahoana? Misy antony roa ny amin’izany. Voalohany aloha, ny ohatr’i Jesosy dia afaka manampy antsika hamboly fifikirana amin’Andriamanitra. Nahafantatra ny Rainy tsara lavitra noho ny olon-kafa i Jesosy. (Jaona 1:18) Ary nanahaka ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra sy ireo toetrany akaiky dia akaiky aoka izany i Jesosy ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:9) Amin’ny fanarahana ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany àry dia afaka mahazo fankasitrahana lalina kokoa ireo toetran’i Jehovah feno fitiavana isika, ary manamafy avy amin’izany ny firaiketam-pontsika amin’ny Mpamorona antsika be fitiavana. Faharoa manaraka izany, ny ohatr’i Jesosy dia afaka manampy antsika haneho fifikirana amin’Andriamanitra. Namela ohatra tanteraka ny amin’ny fitondrantena maneho fifikirana amin’Andriamanitra izy. Ho fahendrena ny handinihantsika ny fomba ahafahantsika ‘mitafy an’i Kristy’, izany hoe, maka azy ho modely, manahaka ny ohatra navelany. — Romana 13:14.
3. Inona no tokony ho tafiditra ao amin’ny fandaharana fianarantsika manokana ny Baiboly, ary nahoana?
3 Tsy voarakitra an-tsoratra daholo akory ny zavatra rehetra nolazain’i Jesosy sy nataony. (Jaona 21:25) Noho izany, dia tokony hahaliana antsika manokana ireo zavatra rehetra nosoratana teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Tokony ho tafiditra ao amin’ny fandaharana fianarantsika manokana ny Baiboly àry ny famakiana tsy tapaka ny fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara. Raha tiantsika hanampy antsika haneho fifikirana amin’Andriamanitra hatrany anefa ny famakiana toy izany, dia tsy maintsy maka fotoana mba hisaintsainana amim-pankasitrahana izay vakintsika isika. Tsy maintsy ho mailaka koa isika hijery ao ambadik’izay voasoratra.
Manahaka an-drainy ny zanany
4. a) Inona no mampiseho fa olona nampiseho hafanam-po sy fihetseham-po lalina i Jesosy? b) Dingana voalohany inona no nataon’i Jesosy tamin’ny fifandraisany tamin’ny hafa?
4 Diniho ity ohatra iray ity. Olona nampiseho hafanam-po sy fihetseham-po lalina i Jesosy. Mariho ao amin’ny Marka 10:1, 10, 13, 17, ary 35 fa olona avy amin’ny taona rehetra sy avy amin’ny fiaviana rehetra no nahita azy ho azo hatonina. Maherin’ny indray mandeha izy no nitrotro zaza. (Marka 9:36; 10:16) Nahoana no tsy sanganehana toy izany ny olona, na dia ny ankizy aza, niaraka tamin’i Jesosy? Noho ny fiheverany azy ireo feno fahatsorana sy avy amin’ny fo. (Marka 1:40, 41) Izany dia niharihary tamin’ny fanaovany ny dingana voalohany matetika mba hanatonana ireo izay nila fanampiana. Izany no amakiantsika fa “nahita” ilay vehivavy mpitondratena tany Naina, izay vao maty ny zanany ka nentina nivoaka, izy. “Nanatona” azy àry izy ka nanangana ilay ankizilahy tamin’ny maty, ary anefa tsy misy filazana eo fa hoe nisy olona nangataka azy mba hanao izany. (Lioka 7:13-15) Nanao ny dingana voalohany koa izy mba hanasitrana vehivavy kilemaina iray sy lehilahy manirano iray, kanefa tsy nisy olona nangataka azy hanao izany. — Lioka 13:11-13; 14:1-4.
5. Inona moa no ampianarin’ireo fitantarana ny amin’ny fanompoan’i Jesosy antsika momba ireo toetran’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra?
5 Rehefa mamaky ny amin’ny zava-mitranga toy izany ianao, dia miatoa ka manontania tena hoe: ‘Koa satria nanahaka ny Rainy tamin’ny fomba tanteraka i Jesosy, inona no ampianarin’ireo fitantarana ireo ahy momba ny toetran’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra?’ Tokony hanome toky antsika izany fa Andriamanitra feno hafanam-po sy fihetseham-po lalina i Jehovah. Ny halalin’ny fiheverany tsy manam-pahataperana ny fianakavian’olombelona dia nanosika azy hanao ny dingana voalohany mba hifampiraharaha aminy. Tsy niandry ny hoteren’ny hafa izy mba hanome ny Zanany “ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28; Jaona 3:16) Mitady ireo tarehin-javatra hahafahany ‘mampiraikitra ny fitiavany’ amin’ireo izay manompo azy noho ny fitiavana izy. (Deoteronomia 10:15) Araka ny ilazan’ny Baiboly azy: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” — 2 Tantara 16:9.
6. Inona no vokatry ny fisaintsainantsika ny amin’ny hafanam-pon’i Jehovah sy ny fihetseham-pony lalina toy ny nanehoan’ny Zanany azy?
6 Ny fisaintsainanao toy izany momba ny hafanam-pon’i Jehovah sy ny fihetseham-pony lalina, toy ny nanehoan’ny Zanany azy, dia hanohina ny fonao ka hampitombo ny fankasitrahanao ireo toetrany feno fitiavana sy manintona. Izany kosa dia hahatonga anao ho voasintona ho any aminy. Ho voatohina ny fonao hanatona azy malalaka amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny fotoana rehetra ary amin’ny tarehin-javatra rehetra. (Salamo 65:2) Hanamafy ny firaiketam-ponao manokana aminy izany.
7. Rehefa avy nisaintsaina ny amin’ny hafanam-pon’i Jehovah sy ny fihetseham-pony lalina ianao, dia inona no tokony hanontanianao ny tenanao, ary nahoana?
7 Tsarovy anefa fa misy zavatra hafa noho ny fihetseham-po ta-hanompo fotsiny tafiditra ao amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Araka ny nomarihin’i R. Lenski, mpandinika ny Baiboly iray, izany dia “mahafaoka ny toetrantsika feno fanajana sy fitiavam-pivavahana iray manontolo sy ireo asa vokatr’izany.” (Izahay no manipika.) Koa rehefa avy misaintsaina ny amin’ny hafanam-pon’i Jehovah sy ny fihetseham-pony lalina, toy ny nanehoan’i Jesosy azy, àry ianao dia manontania tena hoe: ‘Amin’ny fomba ahoana no ahafahako hitovy amin’i Jehovah bebe kokoa amin’io lafiny io? Heverin’ny hafa ho azo hatonina ve aho?’ Raha ray na reny ianao, dia tokony ho azon’ireo zanakao hatonina. Ary raha loholona ao amin’ny kongregasiona ianao, dia tsy maintsy ho azo hatonina mihitsy ianao. Inona àry no hahatonga anao ho azo hatonina kokoa? Ny hafanam-po sy ny fihetseham-po lalina. Tsy maintsy mamboly fiheverana feno fahatsorana sy marina ny hafa ianao. Rehefa tena miahy marina ny amin’ny hafa ianao ary vonona ny hanome avy amin’ny tenanao ho azy, dia ho tsapany izany ka hahatsiaro ho voatosika ho any aminao izy.
8. a) Inona no tokony hotadidinao ao an-tsaina rehefa mamaky ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Jesosy ianao? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ireo fitantarana voatonona eo amin’ny fanamarihana ambany pejy?
8 Eo am-pamakiana ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Jesosy àry, dia tadidio ao an-tsaina fa afaka mianatra zavatra maro momba an’i Jehovah amin’ny maha-persona azy ianao avy amin’ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony.a Ary rehefa manosika anao hanao fiezahana mba hitovy bebe kokoa amin’Andriamanitra ny fankasitrahanao ireo toetrany, toy ny nanehoan’i Jesosy azy, dia manome porofon’ny fifikiranao aminy ianao.
Aoka isika hanao zavatra mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ho an’ireo mpianakavintsika
9, 10. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jesosy ny fitiavany sy ny fiahiany an’i Maria reniny, fotoana fohy monja talohan’ny nahafatesany? b) Inona no antony miharihary nampanankinan’i Jesosy ny fikarakarana an’i Maria tamin’ny apostoly Jaona fa tsy tamin’ny iray tamin’ireo rahalahiny ara-nofo?
9 Mampiharihary zavatra betsaka momba ny fomba tokony hanehoana fifikirana amin’Andriamanitra ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany. Ny ohatra mampihetsi-po iray ny amin’izany dia voarakitra ao amin’ny Jaona 19:25-27, izay amakiantsika toy izao: “Ary nijanona teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’i Klopa, sy Maria Magdalena. Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany [Jaona] nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’izany ora izany dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.”
10 Hevero ange izany e! Fotoana fohy monja talohan’ny hialan’i Jesosy aina teto an-tany, ny fitiavany sy ny fiahiany ny hafa dia nanosika azy hanankina ny fikarakarana an’i Maria, reniny, (izay toa efa mpitondratena tamin’izay) tamin’i Jaona, ilay apostoly tiany. Fa nahoana no tamin’i Jaona fa tsy tamin’ny iray tamin’ireo rahalahin’i Jesosy ara-nofo? Satria i Jesosy tsy niahy ny amin’izay nilain’i Maria teo amin’ny ara-batana sy ara-nofo fotsiny, fa ny amin’izay hahasoa azy teo amin’ny ara-panahy indrindra indrindra. Ary efa nanome porofo ny amin’ny finoany i Jaona (izay zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy angamba), ary anefa mbola tsy nisy filazana kosa hatramin’izay raha efa tonga mpino ireo rahalahin’i Jesosy ara-nofo. — Matio 12:46-50; Jaona 7:5.
11. a) Araka ny voalazan’i Paoly, ahoana no azon’ny kristiana iray anaovan-javatra mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ho an’ny ao an-tranony? b) Nahoana moa ny tena kristiana marina no mikarakara ireo ray aman-dreniny be taona?
11 Amin’ny heviny ahoana àry izany no fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra? Nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra [fifikirana amin’Andriamanitra, MN ] amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:3, 4) Ny fanomezana voninahitra ny ray aman-drenin’ny tena amin’ny fanomezana azy ny fanohanana ara-nofo rehefa manjary ilainy izany, araka ny voalazan’i Paoly, dia fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra. Amin’ny ahoana? Manome baiko ny ankizy i Jehovah, ilay Mpamorona ny fianakaviana, mba hanaja ny ray aman-dreniny. (Efesiana 3:14, 15; 6:1-3) Noho izany, ny tena kristiana marina dia manaiky fa ny fiantsorohana ny andraikiny ara-pianakaviana toy izany dia tsy mampiseho fitiavana ny ray aman-dreniny fotsiny, fa porofon’ny fanajana feno fitiavana an’Andriamanitra sy ny fankatoavana ireo baikony koa. — Ampitahao amin’ny Kolosiana 3:20.
12. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manao zavatra mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ho an’ireo ray aman-dreninao be taona, ary inona no antony tokony hanosika anao hanao izany?
12 Amin’ny fomba ahoana àry no ahafahanao manao zavatra mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ho an’ireo mpianakavinao? Tsy isalasalana fa tafiditra amin’izany ny fanaovana fandaharana mba hikarakarana izay ilain’ireo ray aman-dreny be taona eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo, toy ny nataon’i Jesosy. Ny tsy fanaovana izany dia hampiharihary ny tsy fananana fifikirana amin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 3:2, 3, 5) Ny kristiana nanolo-tena iray dia mikarakara ireo ray aman-dreniny mila fanampiana, tsy noho ny hatsaram-panahy fotsiny na satria hoe adidy fotsiny izany, fa satria tia ny fianakaviany izy, ary manaiky ny vidiny lehibe omen’i Jehovah ny fiantsorohana izany andraikitra izany. Amin’izany fomba izany no ho fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra ny fikarakarana ny ray aman-dreny be taona.b
13. Amin’ny fomba ahoana no azon’ny ray kristiana iray anaovan-javatra mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ho an’ny fianakaviany?
13 Azo ampiharina ao an-tokantrano amin’ny fomba hafa koa ny fifikirana amin’Andriamanitra. Ohatra, manana andraikitra hikarakara izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo, ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny ray kristiana iray. Noho izany, ambonin’ny fanomezana izay ilainy eo amin’ny ara-nofo, dia manomana amim-pitiavana fianarana ny Baiboly tsy tapaka ho an’ny fianakaviany izy. Manokana fotoana mba hiarahana tsy tapaka amin’ny fianakaviany eny amin’ny saha fitoriana izy. Mahay mandanjalanja tsara izy ka manaiky fa mila fialan-tsasatra sy fialam-boly koa izy ireo. Ary mampiseho fahendrena izy amin’ny fahaizana mametra izay tokony hitana ny toerana voalohany, ka tsy mamela ny raharahan’ny kongregasiona hanosika azy hanao tsirambina ny fianakaviany. (1 Timoty 3:5, 12) Nahoana izy no manao izany rehetra izany? Tsy noho ny fanatanterahana adidy fotsiny fa noho ny fitiavany ny fianakaviany. Manaiky izy fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fikarakarana ny fianakaviany. Koa raha manatontosa toy izany ny andraikiny amin’ny maha-vady sy ray azy izy dia mampihatra fifikirana amin’Andriamanitra.
14. Amin’ny fomba ahoana no azon’ny vehivavy kristiana manambady iray anehoana fifikirana amin’Andriamanitra ao an-tokantranony?
14 Ny vehivavy kristiana manambady koa dia manana andraikitra hampihatra fifikirana amin’Andriamanitra ao an-tokantrano. Amin’ny fomba ahoana? Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hanaiky’ sy hanana ‘fanajana lalina’ ny vadiny ny vehivavy. (Efesiana 5:22, 33, MN ) Na dia tsy mpino aza ny vadiny, dia tsy maintsy ‘manaiky’ azy ihany izy. (1 Petera 3:1) Hampiseho izany fanekeny amin’ny maha-vady izany ny vehivavy kristiana amin’ny fanohanana ny fanapahan-kevitry ny vadiny raha mbola tsy mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Asan’ny apostoly 5:29) Ary nahoana izy no manaiky io anjara asa io? Tsy noho ny fitiavany ny vadiny fotsiny fa satria manaiky indrindra izy fa “mety (...) ao amin’ny Tompo” izany — izany hoe, fandaharan’Andriamanitra ho an’ny fianakaviana izany. (Kolosiana 3:18) Ny fanekeny an-tsitrapo ny vadiny amin’izay dia ho fanehoana ny fifikirany amin’Andriamanitra.
“Izany no nahatongavako”
15. Tamin’ny fomba miavaka inona no nanehoan’i Jesosy fifikirana tamin’Andriamanitra?
15 Ny iray amin’ireo fomba miavaka nanehoan’i Jesosy fifikirana amin’Andriamanitra dia ny ‘fitoriana ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 4:43) Taorian’ny batisany tao Jordana tamin’ny 29 am. fan. ir., i Jesosy dia nandany ireo telo taona sy tapany nanaraka tamin’ny fanaovana io asa lehibe dia lehibe io tamin’ny fomba feno. “Izany no nahatongavako”, hoy ny fanazavany. (Marka 1:38; Jaona 18:37) Amin’ny ahoana anefa no maha-fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra izany?
16, 17. a) Antony inona no nanosika an’i Jesosy hitory sy hampianatra tamin’ny fomba feno? b) Nahoana moa no fanehoana ny fifikiran’i Jesosy tamin’Andriamanitra ny fitoriana sy fampianarana nataony nandritra ny fanompoany?
16 Tsarovy fa mahafaoka ny fiainana amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra ny fifikirana amin’Andriamanitra satria tia azy isika ary manana fankasitrahana lalina ireo toetrany maha-te-ho tia. Inona àry no nanosika an’i Jesosy handany ireo taona farany teo amin’ny fiainany tamin’ny fitoriana sy fampianarana tamin’ny fomba feno? Ny fanatanterahana adidy na andraikitra fotsiny ve? Tsy azo lavina fa niahy ny amin’ireo olona i Jesosy. (Matio 9:35, 36) Ary fantany tsara fa ny nanosorana azy tamin’ny fanahy masina dia fanendrena azy hanatanteraka ny fanompoany. (Lioka 4:16-21) Kanefa mbola lalina kokoa noho izany ny antony nanosika azy hanao zavatra.
17 “Tiako ny Ray”, hoy ny teny tsotra nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny tamin’ny alina farany tamin’ny fiainany teto an-tany. (Jaona 14:31) Mifototra amin’ny fahalalana lalina sy akaiky ireo toetran’i Jehovah izany fitiavana izany. (Lioka 10:22) Voatosiky ny fo voatohin’ny fankasitrahana lalina i Jesosy ka nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 40:8) Izany no ‘haniny’ — sady tena nilaina aoka izany ho an’ny fiainany, no tena natsiro tokoa. (Jaona 4:34) Namela ohatra tanteraka ny amin’ny ‘fikatsahana ny fanjakana aloha’ izy toy izay ny fametrahana ny tenany manokana aloha. (Matio 6:33) Koa tsy dia ny zavatra nataony loatra na ny habetsahan’ny zavatra nataony, fa ny antony nanosika azy hanao izany no nahatonga ny fitoriana sy ny fampianarana nataony nandritra ny fanompoany ho fanehoana ny fifikirany tamin’Andriamanitra.
18. Raha zara raha mandray anjara amin’ny fanompoana isika, nahoana moa izany no tsy hoe tsy maintsy ho fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra?
18 Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’ilay “modely”, dia i Jesosy, amin’io lafiny io? (1 Petera 2:21, MN ) Izay rehetra namaly ny fanasan’i Jesosy hoe: “Avia, manaraha Ahy”, dia nandray fanirahana avy amin’Andriamanitra hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Lioka 18:22; Matio 24:14; 28:19, 20) Milaza ve izany fa raha mandray anjara tsindraindray amin’ny fanambarana ny vaovao tsara isika, dia maneho fifikirana amin’Andriamanitra? Tsy voatery ho izany. Raha toa isika ka mandray anjara amin’ny fanompoana, zara fa manao fotsiny, na mba hahazo sitraka amin’ny mpianakavintsika na olon-kafa, dia tsy ho azo lazaina fa ‘asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra’ mihitsy izany. — 2 Petera 3:11, MN.
19. a) Inona no tokony ho antony voalohany indrindra anaovantsika fanompoana? b) Inona no vokatra azo rehefa voatosiky ny fitiavana lalim-paka an’Andriamanitra isika?
19 Toy ny tamin’i Jesosy, dia tsy maintsy lalina kokoa ny antony manosika antsika hanao zavatra. Hoy i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra [ny fihetseham-ponao, ny fanirianao, ary ny toetrao anaty] sy ny fanahinao rehetra [ny fiainanao sy ny tenanao iray manontolo] sy ny sainao rehetra [ny fahaizanao ara-tsaina] ary ny herinao rehetra.” Ary izao no nanampin’ny mpanora-dalàna nahataka-javatra iray izany: “Mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.” (Marka 12:30, 33, 34) Koa tsy izay ataontsika ihany àry no zava-dehibe fa ny antony manosika antsika hanao izany koa. Fitiavana lalim-paka an’Andriamanitra izay mahakasika ny tenantsika iray manontolo no tsy maintsy ho antony voalohany indrindra manosika antsika handray anjara amin’ny fanompoana. Raha izany no izy, dia tsy hianina amin’ny fanaovana izay zara fa vitantsika fotsiny isika, fa ho voatosika kosa isika hampiseho ny halalin’ny fifikirantsika amin’Andriamanitra amin’ny fanaovana ny faran’izay mety ho vitantsika. (2 Timoty 2:15) Miaraka amin’izany, rehefa ny fitiavantsika an’Andriamanitra no manosika antsika, dia tsy ho be fanakianana isika, ka hampitaha ny fanompoantsika amin’ny an’ny hafa. — Galatiana 6:4.
20. Amin’ny fomba ahoana no mety hahazoantsika tombontsoa avy amin’ny ohatr’i Jesosy tamin’ny fanehoany fifikirana tamin’Andriamanitra hatrany?
20 Manao ahoana moa ny halalin’ny fankasitrahantsika noho ny nampihariharian’i Jehovah tamintsika ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra! Ny fianarana amim-pitandremana ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony ary ny fiezahana mba hanahaka azy, dia hanampy antsika sady hamboly no haneho fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa. Hanome fitahiana tondraka antsika Jehovah raha manaraka ny ohatr’i Jesosy isika amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany amin’ny maha-kristiana nanolo-tena sy vita batisa. — 1 Timoty 4:7, 8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Diniho izay azontsika ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ireto fitantarana manaraka ireto, ho ohatra fanampiny: Matio 8:2, 3; Marka 14:3-9; Lioka 21:1-4; ary Jaona 11:33-36.
b Jereo ny Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1 Septambra 1987, pejy faha-13 ka hatramin’ny faha-18, izay mandinika bebe kokoa izay tafiditra amin’ny fanaovan-javatra mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ho an’ireo ray aman-dreny be taona.
Tadidinao ve?
◻ Amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany, nahoana moa isika no tokony handinika ny ohatr’i Jesosy?
◻ Inona moa no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ny hafanam-po sy fihetseham-po lalina nasehon’i Jesosy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no mety hanehoantsika fifikirana amin’Andriamanitra amin’ireo mpianakavintsika?
◻ Inona no antony tokony hanosika antsika raha tiantsika ho fanehoana ny fifikirantsika amin’Andriamanitra ny fanompoantsika?
[Sary, pejy 18]
Manana andraikitra hikarakara izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo, ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny ray kristiana iray
[Sary, pejy 20]
“Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo (...) hamaly soa ny rainy aman-dreniny.”