TOKO 16
“Tiany Hatramin’ny Farany Izy Ireo”
1, 2. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ilay takariva farany niarahany tamin’ny apostoliny? Nahoana izy no nankamamy an’io fotoana io?
NOVORIN’I Jesosy tao amin’ny efitra iray ambony rihana tany Jerosalema ny mpianany. Fantany fa io no takariva farany hiarahany amin’izy ireo. Efa hiverina any amin’ny Rainy mantsy izy. Ora vitsivitsy sisa dia hosamborina izy, ary hiatrika fitsapam-pinoana faran’izay mafy. Mbola nikarakara izay nilain’ny apostoly ihany anefa izy, na dia antomotra aza ny fotoana hahafatesany.
2 Efa nampiomana azy ireo i Jesosy fa handeha. Nisy zavatra hafa tiany holazaina anefa, mba hananan’izy ireo hery hiatrehana izay hitranga. Nampiasa ny fotoana sarobidy sisa nananany àry izy, mba hampianarana azy ireo zava-dehibe sasany, izay hanampy azy ireo tsy hivadika mihitsy. Ireo no teny feno fitiavana indrindra nolazainy nitokana tamin’ny mpianany. Nahoana anefa i Jesosy no niahy ny apostoliny mihoatra noho ny tenany? Nahoana izy no tena nankamamy ireo ora farany niarahany tamin’izy ireo? Noho ny fitiavana. Tia lalina ny mpianany i Jesosy.
3. Inona no mampiseho fa tsy tamin’io alina io ihany i Jesosy no naneho fitiavana ny mpianany?
3 Nahazo herin’ny fanahy masina mba hanoratra izay nitranga tamin’io takariva io ny apostoly Jaona, taona maro tatỳ aoriana. Hoy izy: “Fantatr’i Jesosy talohan’ny fetin’ny Paska fa tonga ny fotoana hialany eo amin’izao tontolo izao sy handehanany ho any amin’ny Ray. Ary satria efa tia ny mpianany eo amin’izao tontolo izao izy, dia tiany hatramin’ny farany izy ireo.” (Jaona 13:1) Tsy tamin’io alina io i Jesosy vao nampiseho ny fitiavany “ny mpianany.” Nampiseho izany izy teo amin’ny fanompoany rehetra, na tamin-javatra madinika na lehibe. Tsara ny handinihantsika ny fomba sasany nanehoany fitiavana, satria raha manahaka azy isika dia ho hita fa tena mpianany.
Nanam-paharetana izy
4, 5. a) Nahoana i Jesosy no nila nanam-paharetana tamin’ny mpianany? b) Inona no nataon’i Jesosy, rehefa hitany fa tsy mailo ny apostoliny telo tao amin’ny zaridainan’i Getsemane?
4 Mifandray ny hoe maneho fitiavana sy ny hoe maharitra. Milaza mantsy ny 1 Korintianina 13:4 fa “ny fitiavana manam-paharetana”, izany hoe sady maharitra no mandefitra. Nila nanam-paharetana tamin’ny mpianany ve i Jesosy? Tena nila! Hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 fa elaela ireo apostoly vao nahay nanetry tena. Imbetsaka izy ireo no nifamaly momba ny hoe iza no lehibe indrindra taminy. Ahoana no nataon’i Jesosy? Tezitra ve izy, ka nampiseho ny fahasosorany na nitana lolompo? Tsia. Nanam-paharetana tamin’ny mpianany izy ary nampisaintsaina azy ireo, na dia mbola “nifamaly be” momba an’io resaka io aza izy ireo, ny alina farany niarahany taminy!—Lioka 22:24-30; Matio 20:20-28; Marka 9:33-37.
5 Tsy maintsy nanam-paharetana koa i Jesosy, rehefa tafaraka tamin’ny apostoliny 11 tsy nivadika, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, tamin’io alina io ihany. Nentiny lavidavitra kokoa tao amin’ilay zaridaina i Petera sy Jakoba ary Jaona, fa ny valo kosa nijanona teo. Hoy izy tamin’izy telo lahy: ‘Tena malahelo be aho izany, hoatran’ny efa ho faty. Mijanòna eto dia miareta tory.’ Nandroso kelikely izy avy eo, ary nivavaka tamin-kafanam-po. Nivavaka elaela izy, ary avy eo niverina teo amin’izy telo lahy. Inona no hitany? Resin-tory izy ireo, nefa i Jesosy niatrika fitsapana faran’izay mafy! Nibedy azy ireo ve i Jesosy, noho izy ireo tsy mailo? Tsia. Nanam-paharetana tamin’izy ireo izy, ary nananatra azy. Hita tamin’ny teny feno hatsaram-panahy nolazainy fa azony tsara ny adin-tsain’izy ireo, ary nihevitra ny fahalemen’izy ireo izy.a Hoy mantsy izy: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” Nanam-paharetana tamin’ny mpianany foana i Jesosy tamin’io takariva io, na dia hitany natory aza izy ireo, tsy indray mandeha ihany, fa intelo mihitsy!—Matio 26:36-46.
6. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy rehefa mifandray amin’ny hafa?
6 Mampahery ny mahalala fa tsy nieritreritra i Jesosy hoe tsy ho afaka hiova intsony ny apostoliny. Nanam-paharetana izy ary nisy vokany izany tamin’ny farany. Takatr’ireo lehilahy tsy nivadika ireo ihany mantsy fa tena ilaina ny manetry tena sy mailo. (1 Petera 3:8; 4:7) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy rehefa mifandray amin’ny hafa? Ny anti-panahy indrindra no tena mila manam-paharetana. Mety hisy mpiara-manompo hiresaka aminy momba ny olana mahazo azy, ohatra, nefa vizana be ilay anti-panahy na misy zavatra mampiady saina azy. Mety tsy hanaraka avy hatrany ny torohevitra omeny koa ny olona sasany mila ampiana. Na izany aza, dia tokony “halemy paika” ny anti-panahy manam-paharetana, rehefa mampianatra. Mila ‘miantra ny ondry’ izy. (2 Timoty 2:24, 25; Asan’ny Apostoly 20:28, 29) Mila manam-paharetana toa an’i Jesosy koa ny ray aman-dreny, satria tsy tonga dia mankatò ny torohevitra na ny anatra omena azy ny ankizy indraindray. Tsy ho kivy izy ireo fa hiezaka hanabe ny zanany foana, raha maneho fitiavana sy manam-paharetana. Mety hahazo valisoa lehibe izy ireo, raha manam-paharetana hoatr’izany.—Salamo 127:3.
Nikarakara izay nilain’ny hafa izy
7. Ahoana no nikarakaran’i Jesosy izay nilain’ny mpianany?
7 Mampiseho fitiavana isika, rehefa manao soa nefa tsy mitady valiny. (1 Jaona 3:17, 18) Ny fitiavana mantsy “tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” (1 Korintianina 13:5) Nikarakara izay nilain’ny mpianany i Jesosy, satria tia azy ireo. Matetika izy no nanao izany, na dia mbola tsy nangataka izany taminy akory aza izy ireo. Hitany hoe reraka izy ireo indray mandeha, ka nentiny ‘tany amin’ny toerana mitokana’, mba ‘hiala sasatra kely.’ (Marka 6:31) Nomeny sakafo koa izy ireo, rehefa hitany fa noana. Ary tsy diso anjara tamin’izany ireo olona an’arivony tonga hihaino ny fampianarany.—Matio 14:19, 20; 15:35-37.
8, 9. a) Inona no mampiseho fa nahafantatra izay nilain’ny mpianany teo amin’ny lafiny ara-panahy i Jesosy sady nanome izany azy ireo? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena niahy ny reniny izy, tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana?
8 Nahafantatra izay nilain’ny mpianany teo amin’ny lafiny ara-panahy i Jesosy, ary nanome izany azy ireo. (Matio 4:4; 5:3) Matetika izy no niahy manokana azy ireo, rehefa nampianatra. Izy ireo no tiany handray soa voalohany indrindra tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Matio 5:1, 2, 13-16) Rehefa nilaza fanoharana izy, dia “nohazavainy tamin’ny mpianany daholo ny zava-drehetra rehefa nitokana izy ireo.” (Marka 4:34) Nilaza koa izy fa hanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mba ho azo antoka fa ho ampy sakafo ara-panahy ny mpanara-dia azy, mandritra ny andro farany. Iza io mpanompo mendri-pitokisana io? Ireo voahosotra vitsivitsy rahalahin’i Jesosy eto an-tany. Mikarakara tsy tapaka ny “sakafo” ara-panahy “amin’ny fotoana mety” izy ireo, nanomboka tamin’ny 1919.—Matio 24:45.
9 Tena mampihetsi-po ny fomba nikarakaran’i Jesosy izay nilain’ny havan-tiany teo amin’ny lafiny ara-panahy, tamin’ny andro nahafatesany. Alao sary an-tsaina izay nitranga. Teo amin’ny hazo fijaliana izy, ary nanaintaina mafy tsy nisy hoatr’izany. Azo inoana fa tsy afaka nifoka rivotra izy, raha tsy namikitra mafy ny tongony mba hampisondrotra ny vatany. Tsy maintsy ho nampanaintaina mafy anefa izany, satria vao mainka nampitatra ilay ratra teo amin’ny tongony ny fantsika. Nikasika tamin’ilay tsato-kazo koa ny lamosiny efa nokaravasina. Azo antoka àry fa sarotra sady nampijaly azy ny niteny, satria tsy maintsy niaina tsara izy, mba hahavitany izany. Mbola nilaza teny naneho ny fitiavany lalina an’i Maria reniny ihany anefa i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany. Niteny mafy tsara izy, matoa ren’izay nanatrika teo. Hitany nijoro teo akaiky teo i Maria sy ny apostoly Jaona. Hoy izy tamin’ny reniny: “Ravehivavy, io ny zanakao!” Hoy kosa izy tamin’i Jaona: “Io ny reninao!” (Jaona 19:26, 27) Fantatr’i Jesosy fa tsy izay nilain’i Maria andavanandro fotsiny no hokarakarain’io apostoly tsy nivadika io, fa izay hahasoa azy ara-panahy koa.b
10. Ahoana no anahafan’ny ray aman-dreny an’i Jesosy, rehefa mikarakara izay ilain’ny zanany izy?
10 Mahasoa ny ray aman-dreny be fiahiana ny mandinika ny modely navelan’i Jesosy. Mamelona ny ankohonany ny ray be fitiavana. (1 Timoty 5:8) Manokana fotoana hiarahana miala sasatra sy miala voly amin’ny vady aman-janany tsindraindray koa ny loham-pianakaviana be fitiavana sy mahay mandanjalanja. Mbola zava-dehibe kokoa amin’ny ray aman-dreny kristianina aza ny fikarakarana izay ilain’ny zanany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ahoana no ataon’izy ireo? Miara-mianatra Baiboly tsy tapaka izy mianakavy, ary ataony mampahery sy mahafinaritra ny zanany izany. (Deoteronomia 6:6, 7) Ampianarin’izy ireo ny zanany fa zava-dehibe ny fanompoana, ary anisan’ny fivavahana amin’i Jehovah ny fahazarana manomana sy mamonjy fivoriana. Miezaka ny ho modely amin’izany koa izy ireo.—Hebreo 10:24, 25.
Vonona hamela heloka izy
11. Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny famelan-keloka?
11 Fanehoana fitiavana ny famelan-keloka. (Kolosianina 3:13, 14) Ny fitiavana “tsy mitana lolompo”, hoy ny 1 Korintianina 13:5. Imbetsaka i Jesosy no nampianatra ny mpanara-dia azy fa tena ilaina ny mamela heloka. Nampirisika azy ireo izy mba hamela heloka, tsy “hatramin’ny im-7, fa hatramin’ny im-77”, izany hoe tsy voafetra. (Matio 18:21, 22) Nampianariny azy ireo fa tokony havela ny heloky ny olona iray nanota, raha mampiseho hoe nibebaka izy rehefa avy nanarina. (Lioka 17:3, 4) Nampihatra izay nampianariny i Jesosy fa tsy toy ny Fariseo mpihatsaravelatsihy, izay be anatranatra fotsiny. (Matio 23:2-4) Hojerentsika izao fa vonona hamela heloka i Jesosy, na dia nandiso fanantenana azy aza ny namana iray nitokisany.
12, 13. a) Inona no nataon’i Petera, ka nandiso fanantenana an’i Jesosy tamin’ilay alina nisamborana azy? b) Inona no mampiseho fa tena namela heloka i Jesosy, fa tsy nampirisika ny olona hanao izany fotsiny?
12 Nifandray akaiky tamin’ny apostoly Petera i Jesosy. Olona tsara fanahy izy, ary somary taitaitra izay. Nahita ny toetra tsarany i Jesosy, ka nanome azy tombontsoa manokana. I Petera sy Jakoba ary Jaona ihany, ohatra, no nahita ny fahagagana sasany nataony, fa tsy nahita izany ny apostoly hafa. (Matio 17:1, 2; Lioka 8:49-55) Hitantsika teo aloha fa anisan’ireo apostoly nanaraka an’i Jesosy i Petera, rehefa niditra tany anatiny kokoa tao amin’ny zaridainan’i Getsemane izy. Nandao an’i Jesosy sy nandositra niaraka tamin’ny apostoly hafa anefa i Petera tamin’io alina io, rehefa nisy namadika sy nisambotra i Jesosy. Nanana herim-po ihany izy avy eo matoa sahy nijoro teo an-tokotany, rehefa notsaraina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna i Jesosy. Natahotra anefa izy taorian’izay, ka nanao fahadisoana lehibe: Nandainga intelo izy, rehefa nilaza fa tsy nahalala an’i Jesosy! (Matio 26:69-75) Ahoana no nataon’i Jesosy? Inona no ho nataonao, raha nisy namanao akaiky nandiso fanantenana anao toy izany?
13 Vonona hamela ny helok’i Petera i Jesosy. Fantany fa kivy be i Petera, noho ilay fahotany. “Nalahelo be” mihitsy io apostoly nibebaka io, “ka nanomboka nitomany.” (Marka 14:72) Niseho tamin’i Petera i Jesosy ny andro nitsanganany tamin’ny maty, ary azo inoana fa te hampahery sy hanome toky azy izy tamin’izay. (Lioka 24:34; 1 Korintianina 15:5) Nomen’i Jesosy voninahitra koa i Petera, roa volana latsaka taorian’izay. Izy mantsy no navelany handray fitenenana mba hitory tamin’ny vahoaka tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta. (Asan’ny Apostoly 2:14-40) Tsy tokony hohadinoina koa fa tsy nitana lolompo tamin’ireo apostoly nandao azy i Jesosy. Mbola niantso azy ireo hoe “rahalahiko” aza izy, rehefa avy nitsangana tamin’ny maty. (Matio 28:10) Tena namela heloka tokoa i Jesosy, fa tsy nampirisika ny olona hanao izany fotsiny!
14. Nahoana isika no mila mianatra mamela heloka? Ahoana no ampisehoantsika fa vonona hamela heloka isika?
14 Mila mianatra mamela heloka isika mpianatr’i Kristy. Nahoana? Tsy toa an’i Jesosy isika, fa tsy lavorary hoatran’ireo olona mety hanota amintsika ihany. Manao fahadisoana amin’izay lazaintsika sy ataontsika isika rehetra indraindray. (Romanina 3:23; Jakoba 3:2) Afaka manantena hahazo famelan-keloka amin’Andriamanitra isika, raha mamela ny heloky ny hafa rehefa mendrika ny hamindrana fo izy ireo. (Marka 11:25) Ahoana àry no ampisehoantsika fa vonona hamela ny helok’ireo manota amintsika isika? Matetika ny fitiavana no manampy antsika tsy hifantoka amin’ny fahadisoana kely na ny fahalemen’ny hafa. (1 Petera 4:8) Tena tokony ho vonona hamela heloka toa an’i Jesosy isika, rehefa mibebaka amim-pahatsorana toa an’i Petera ireo olona nanao ratsy tamintsika. Hendry isika raha tsy mitana lolompo. (Efesianina 4:32) Hampisy fihavanana eo anivon’ny fiangonana isika raha manao izany, sady hanana fiadanan-tsaina sy fo tony.—1 Petera 3:11.
Nasehony fa natoky ny hafa izy
15. Nahoana i Jesosy no natoky ny mpianany, na dia nanao fahadisoana aza izy ireo?
15 Mifandray akaiky ny fitiavana sy ny fatokisana. “Mino ny zava-drehetra” ny fitiavana.c (1 Korintianina 13:7) Tia ny mpianany i Jesosy, ka nampiseho fa natoky azy ireo, na teo aza ny tsy fahalavorariany. Natoky azy ireo izy, ary nino fa tena tia an’i Jehovah sy naniry hanao ny sitrapony izy ireo. Tsy niahiahy azy ireo ho ratsy toetra i Jesosy, na dia nanao fahadisoana aza izy ireo. Azo inoana, ohatra, fa i Jakoba sy Jaona no naniraka ny reniny hangataka tamin’i Jesosy mba hametraka azy ireo teo anilany rehefa ao amin’ny Fanjakany izy. Na izany aza, dia tsy niahiahy i Jesosy hoe mety hivadika izy ireo. Tsy nolaviny tsy ho apostoly koa izy ireo.—Matio 20:20-28.
16, 17. Inona avy no andraikitra nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany?
16 Nasehon’i Jesosy koa fa natoky ny mpianany izy, rehefa nanome azy ireo andraikitra samihafa. Nasainy nozarain’izy ireo tamin’ny vahoaka ny sakafo nampitomboiny tamin’ny fomba mahagaga. Indroa izany no nitranga. (Matio 14:19; 15:36) Naniraka an’i Petera sy Jaona nankany Jerosalema mba hanomana ny zava-drehetra koa i Jesosy, talohan’ilay Paska nankalazainy farany. Izy ireo no nitady ny zanak’ondry, ny divay, ny mofo tsy nisy lalivay, ny anana mangidy, ary ny zavatra hafa nilaina. Tsy asa tsy nisy dikany izany, satria ny Lalàn’i Mosesy mihitsy no nilaza ny fepetra tokony hankalazana ny Paska, ary tsy maintsy nanaraka ny Lalàna i Jesosy. Nampiasa an’ireo divay sy mofo ireo tamin’ny fomba niavaka koa i Jesosy ny harivan’iny, rehefa nampiseho ny fomba hankalazana ny Fahatsiarovana ny hahafatesany.—Matio 26:17-19; Lioka 22:8, 13.
17 Hitan’i Jesosy fa azo nanankinana andraikitra mavesatra kokoa ny mpianany. Tadidio fa nirahiny hitory sy hampianatra olona mba ho lasa mpanara-dia azy ny mpianany, ary asa lehibe izany. (Matio 28:18-20) Hitantsika teo fa efa nilaza izy hoe hanome andraikitra lehibe ny Kristianina voahosotra vitsivitsy eto an-tany. Tsy inona izany fa ny fizarana sakafo ara-panahy. (Lioka 12:42-44) Ary na dia tsy hita maso sy manjaka any an-danitra aza i Jesosy ankehitriny, dia nankininy tamin’ireo ‘lehilahy nataony fanomezana’, na lehilahy mahafeno fepetra, ny fikarakarana ny fiangonany eto an-tany.—Efesianina 4:8, 11, 12.
18-20. a) Ahoana no ampisehoantsika fa matoky ny mpiray finoana amintsika isika? b) Ahoana no ampisehoantsika fa vonona hanankina andraikitra amin’olon-kafa toy ny nataon’i Jesosy isika? d) Inona no hodinihina ao amin’ny toko manaraka?
18 Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy, rehefa mifandray amin’ny hafa isika? Maneho fitiavana isika, raha mampiseho fa matoky ny mpiray finoana amintsika. Mila tadidintsika fa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa ny olona be fitiavana, fa tsy amin’ny toetra ratsiny. Raha misy olona mandiso fanantenana antsika, ary tena mitranga izany indraindray, dia ny fitiavana no hisakana antsika tsy hiahiahy avy hatrany hoe ratsy saina izy. (Matio 7:1, 2) Hiezaka hampahery ny mpiray finoana amintsika isika fa tsy hanao zavatra mety hanambany azy, raha ny toetra tsarany foana no jerentsika.—1 Tesalonianina 5:11.
19 Vonona hanankina andraikitra amin’olon-kafa toy ny nataon’i Jesosy ve isika? Handray soa ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, raha omeny asa tena ilaina sy sahaza azy ny olon-kafa, sady matoky izy fa hanao izay tsara indrindra vitany izy ireo. Amin’izay ireo anti-panahy za-draharaha dia ho afaka hampiofana an’ireo lehilahy tanora kokoa mahafeno fepetra, izay “miezaka” mba hanampy ny fiangonana. (1 Timoty 3:1; 2 Timoty 2:2) Mahasoa sy tena ilaina izany fampiofanana izany. Manafaingana hatrany ny fitomboan’ny asa ataontsika ho an’ny Fanjakany mantsy i Jehovah, ka mila fampiofanana ireo rahalahy mahafeno fepetra mba hikarakara ny fitomboana.—Isaia 60:22.
20 Namela modelim-pitiavana miavaka tokoa i Jesosy. Maro ny fomba azontsika anahafana azy, fa ny fanahafana ny fitiavany no lehibe indrindra. Hodinihina ao amin’ny toko manaraka ny fomba lehibe indrindra nanehoany ny fitiavany antsika, dia ny namoizany ny ainy.
a Tsy ny havizanana fotsiny no naharesin-tory ny apostoly. Hitan’i Jesosy hoe “rendremana” izy ireo “satria reraky ny alahelo”, hoy ny Lioka 22:45.
b Toa efa maty vady i Maria tamin’izay, ary mbola tsy nisy lasa mpianatr’i Jesosy angamba ny zanany.—Jaona 7:5.
c Tsy midika izany hoe minomino foana na mora ambakaina ny olona manam-pitiavana. Midika kosa izany fa tsy be fanakianana izy, na fatra-piahiahy ny hafa. Mitandrina tsara ny olona manana fitiavana, mba tsy hitsaratsara olona na hihevitra azy ireo ho ratsy saina.