FANONTANIANA 6
Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia?
FAMINANIANA
“Ianao, ry Betlehema Efrata, ... avy ao aminao no hivoahan’ilay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.”
FAHATANTERAHANY
“Teraka tao Betlehema any Jodia i Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda Mpanjaka. Taoriana kelin’izay, dia nisy mpanandro avy any Atsinanana tonga tao Jerosalema.”
FAMINANIANA
“Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary anaovany antsapaka ny akanjoko.”
FAHATANTERAHANY
“Rehefa voafantsiky ny miaramila teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy, dia nalain’izy ireo ny akanjony ivelany, ary nozarainy efatra ... Tsy nisy zaitra anefa [ny akanjony anatiny], fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany. Nifampiresaka àry izy ireo hoe: ‘Aleo tsy horovitintsika ity, fa andao isika hanao antsapaka dia ho hitantsika hoe iza no hahazo azy.’ ”
FAMINANIANA
“Arovany daholo ny taolany, ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.”
FAHATANTERAHANY
‘Rehefa tonga teo amin’i Jesosy izy ireo, dia hitany fa efa maty izy ka tsy notapahiny ny ranjony.’
FAMINANIANA
‘Notrobarana noho ny helokay izy.’
FAHATANTERAHANY
‘Nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takibany, ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka.’
FAMINANIANA
“Naloany ny karamako, ary volafotsy 30 sekely izany.”
FAHATANTERAHANY
“Avy eo dia nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona ny iray tamin’izy 12 Lahy, ilay antsoina hoe Jodasy Iskariota, ka niteny hoe: ‘Homenareo inona aho hamadihako azy, dia hatolotro anareo izy?’ Ary nifanaraka taminy izy ireo fa hanome azy volafotsy 30 sekely.”