Fanontanian’ny mpamaky
◼ Rehefa nanontany ny apostoly Petera i Jesosy hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto [mihoatra noho ireto, MN ]?”, inona moa no notondroiny tamin’ny mpisolo anarana hoe “ireto”?
Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia teo amoron’ny ranomasin’i Galilia i Jesosy. “Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto [mihoatra noho ireto, MN]? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.” — Jaona 21:15.
Na dia mamela hahafantatra ny anarana soloany aza indraindray ny karazana mpisolo anarana amin’ny teny grika, ny milaza maro hoe toutôn (“ireto”) dia mety hahakasika anarana milaza lahy, milaza vavy, na tsy lahy tsy vavy. Noho izany, ireo mpandinika Baiboly dia manome ho an’ny fanontanian’i Jesosy, heviny telo azo andraisana azy:
1. Tia ahy mihoatra noho ny fitiavanao ireo mpianatra hafa ireo ve ianao?
2. Tia ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto mpianatra ireto ahy ve ianao?
3. Tia ahy mihoatra noho ireto zavatra ireto, ny trondro, ohatra, ve ianao?
Aoka hofakafakaintsika ireo zavatra telo azo raisina ireo mba hamantarana izay mety ho marina indrindra.
N° 1: Raha ny marina dia vitsy ny kristiana mety haka sary an-tsaina an’i Kristy manontany hoe: ‘Tia ahy mihoatra noho ny fitiavanareo ireo mpianatro ve ianareo?’ Miharihary tokoa fa tokony ho izany no izy. Hahagaga indrindra raha nametraka izany fanontaniana izany tamin’i Petera i Jesosy. Talohan’izay indrindra tokoa, rehefa nahita an’i Jesosy teo amoron-drano i Petera, dia nilaozany ireo mpianatra enina hafa niaraka taminy teo an-tsambokely ka nilomano nankeny amoron-dranomasina izy. Rehefa nanontany an’ireo apostoly Kristy raha naniry handao azy koa izy ireo, sahala amin’ny nataon’ireo tafintohina, dia naneho fifikirana tahaka izany koa i Petera tamin’ny fanehoana ny fahavononany hiara-hitoetra amin’i Jesosy. — Jaona 6:66-69; 21:7, 8.
N° 2: Nety ho te-hilaza ve i Jesosy hoe: ‘Ry Petera, mihoatra noho ny fitiavan’ny mpianatra hafa ve ny fitiavanao ahy?’ Izany no noeritreretin’ny mpandinika ny Baiboly maro, satria talohan’izay i Petera dia nanambara fa nahatoky kokoa noho ny hafa izy teo anatrehan’i Jesosy (Matio 26:33-35). Raha amin’izany fomba izany anefa no andraisana ny hevitry ny Jaona 21:15, dia misy teny tsy voalaza izany ao amin’io fehezanteny io. Ho azo lazaina toy izao raha izany ny fanontanian’i Jesosy: “Tia ahy mihoatra noho [ny fitiavan’ireto] ve ianao?” Tsy hita tao amin’ny fanontanian’i Jesosy anefa io teny amboniny io, ary hisy fahasahiranana ara-pitsipi-pitenenana ny fampidiran-dresany raha izany. Ambonin’izany, dia toa ho hafahafa raha hoe nanontany an’i Petera i Jesosy mba hampitaha ny halalin’ny fitiavany tamin’izay nety ho tsapan’ny mpianatra hafa ho azy. Moa ve tsy notenenin’i Jesosy ireo mpianany rehefa nitady hifaninana? — Marka 9:33-37; 10:35-44; Lioka 22:24-27.
Ny n° 3 àry ve no tokony hotanana? Io no mifanaraka amin’ny fomba fisehon’ny fanontaniana amin’ny teny grika, satria nampisafidy an’i Petera i Jesosy (Jesosy sa “ireto”). Nety koa io fanontaniana io raha heverina ny fiainan’i Petera tamin’ny lasa. Izy no anankiray tamin’ireo mpianatra voalohany nanaraka an’i Jesosy (Jaona 1:35-42). Toa tsy nanaraka an’i Jesosy manontolo andro avy hatrany anefa izy, fa nandray indray ny asany tamin’ny naha-mpanarato. Rehefa afaka volana vitsivitsy tatỳ aoriana àry, dia nanasa an’i Petera hiala amin’io asa nahazoam-bola be io i Jesosy mba hahatongavana ho “mpanarato olona”. (Matio 4:18-20; Lioka 5:1-11.) Na dia tao aza izany rehetra izany, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy dia nanao ny asany indray i Petera. Hoy izy tamin’ny sasany tamin’ny mpianatra: “Handeha hanarato aho.” — Jaona 21:2, 3.
Tena nety ho tian’i Jesosy haseho tamin’i Petera àry fa nilaina ny hanaovana fisafidianana hentitra. Inona no homeny ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany: ny asany amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy, sa ny raharahany amin’ny maha-mpanarato, araka ny azo heverina tamin’ny antontan-kazandrano teo anoloany? Inona no toerana notanan’ny hazandrano, ny harato, ny sambokely sy ny fananana ho namana ny mpanarato hafa tao am-pon’i Petera? Hahafoy tanteraka izany zavatra mahafinaritra rehetra izany ve i Petera mba hanomezana ny toerana voalohany ho an’ny fitiavany an’i Kristy ary, noho izany, ho an’ny asa fiandrasana ny ‘ondry kelin’i Jesosy’? — Jaona 21:17, MN.
Afaka manontany tena toy izany isika ny amin’ny zavatra mety hanintona antsika, “ireto”, ohatra: raharaha na asa mahaliana, ny fitiavantsika fianarana, ny tranontsika na ny fialam-boly tiantsika. Aoka isika hanontany tena amim-pahatsorana hoe: ‘Tia an’i Jesosy mihoatra noho ireo zavatra rehetra ireo ve aho?’ Araka ny nolazain’i Jesosy, raha eny no avalintsika an’io fanontaniana io, dia hampiseho izany isika amin’ny fiandrasana ny ‘ondry keliny’.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Tantaran’ny any Atsinanana Akaiky)