Vonona hihaino an’Andriamanitra ve ianao?
AMIN’NY famakiana ny Baiboly dia vetivety dia mahatsapa ny tena fa amin’ny lafiny maro, ny olona tamin’ny taonjato voalohany dia niaina tao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’ny antsika. Nahazatra ny fanaranam-po tamin’ny ratsy sy ny fanaovana ny tsy marina, indrindra fa tao amin’ireo firenena nitondra tena tamin’ny fomba mahamenatra izay nanodidina ny Isiraely, satria ny fahalotoana eo amin’ny lahy sy ny vavy matetika dia fombafombam-pivavahana. Ny tarehin-javatra nisy ireo mahantra dia tsy azo nianteherana ary nisy ny ady ara-politika. Tamin’ny taona 66 Isiraely sy Roma dia nanao ady tsy nisy indrafo. Tamin’izany fotoana izany, tahaka ny amin’izao androntsika izao, dia nila fanampiana àry ny olona.
Ny toe-javatra ara-pivavahana tamin’izany dia mampiseho fitoviana maro amin’izay misy amin’izao androntsika izao. Mpihatsaravelatsihy ireo filoham-pivavahana jiosy (Matio 23:15; Lioka 20:46, 47). Teo amin’izao tontolo izao tsy jiosy, ny fihetsika teo anatrehan’ny fivavahana dia niseho tamin’ny tsy fahalalana henatra ka hatramin’ny finoanoam-poana sy ny firehetana fatratra (jereo Asa. 14:8-13; 19:27, 28). Tsy nandeha tsara avokoa ny zavatra na dia teo anivon’ny kongregasiona kristiana izay vao tanora tokoa aza. Teo amin’ny fiafaran’ny taonjato dia nandefa izao fampitandremana izao tokoa ny apostoly Jaona: “Maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” (2 Jaona 7). Eny, tamin’izany fotoana izany sahady, dia torohevitra ratsy maro no nomena raha ny amin’ny fivavahana. Azo natao anefa ny nahazo fanampiana azo raisina.
Ho nihaino an’i Jesosy ve ianao?
Nanome torohevitra tsara i Jesosy tamin’izany fotoana izany. Nahay nampiaiky erỳ izy ka vakina fa “talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. (Matio 7:28.) Kanefa dia vitsy no tena nihaino izay nolazainy. Jesosy dia nanao fahagagana sady nanome oha-piainana tsara dia tsara sy fitondrantena misy fitiavam-pivavahana. Na dia ireo lazaina fa filoha nanam-pahaizana aza anefa dia tsy nety niaiky ny amin’ny hasarobin’ireo teniny. Noho ny antony inona avy?
Amin’ny ampahany lehibe, dia noho ny fitompoan-teny fantatra nananany. Nanamavo an’i Jesosy ny sasany satria avy tany Nazareta izy. Ny hafa dia nandà azy noho izy tsy mba nianatra tao amin’ireo sekoliny ary satria tsy nanana fatorana tamin’ny kilasin’ireo mpanapaka izy (Jaona 1:46; 7:12, 15, 47, 48). Ankoatr’izany Jesosy dia tsy nilaza foana izay tian’ny olona ho re. Ny fahamarinana ihany no nambarany ka nahasosotra matetika ny Fariseo izany, ohatra (Matio 15:12-14). Rehefa nitory nandritra ny telo taona sy tapany izy, dia ireo filoham-pivavahana jiosy no nampamono azy (Lioka 23:20-35). Tsy nahay nanararaotra fahafahana manokana izy ireo satria nanana “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” i Jesosy. — Jaona 6:68.
Raha niaina tamin’izany fotoana izany tao Jerosalema ianao, moa ve ho nanaraka ireo filoham-pivavahana sy ny vahoaka ianao? Sa kosa ho nanana saina ampy fivelarana ianao mba hahatakarana ireo tenin’i Jesosy? Raha izany no izy, dia ho nitovy tamin’ny vehivavy anankiray niavaka izay nifanena tamin’i Jesosy tamin’ireo diany ianao.
Nihaino azy izy
Nihaona tamin’io vehivavy io izy raha namakivaky an’i Samaria. Nipetraka teo akaikin’ny fantsakana iray izy mba hiala sasatra raha tonga hantsaka rano ravehivavy. Tsy fantatsika ny anarany, fa mitantara kosa ny Baiboly fa na dia reraka aza Jesosy dia nanararaotra ny fahafahana hiresaka taminy momba ny fivavahana. — Jaona 4:5-15.
Nanana antony maro io vehivavy io handavana ny resadresaka notadiavin’i Jesosy hatomboka taminy. Hafa ny fivavahany satria ny fanompoam-pivavahana narahin’ny Samaritana dia tsy nitovy tamin’ny an’ny Jiosy. Ambonin’izany, ny Jiosy dia nanamavo ny Samaritana sady tsy nety nifanerasera taminy. Ary, tamin’ny ankapobeny dia tsy niresaka tamin’ny vehivavy tsy fantany izy ireny (Jaona 4:9, 27). Ary farany, satria nanana fiainana tsy madio ilay vehivavy Samaritana dia mety ho sosotra raha nihevitra fa mety hanakiana azy na hanambara ny fahotany ilay niresaka taminy. — Jaona 4:18.
Tsy toy izany anefa ny fihetsiny. Nilaza fanontaniana nety tamin’i Jesosy kosa izy rehefa avy nanaitra ny fahalianany tamim-pahaiza-mandanjalanja io. Nandritra ny resaka nifanaovany, dia niditra tamin’ny foto-kevitra iray manahirana izy: ny fisarahana ara-pivavahana nampisaraka ny Jiosy sy ny Samaritana. Namaly azy tamin’ny fomba malefaka, nefa tamim-pahatsorana koa i Jesosy: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray.” (Jaona 4:19-22). Tsy sosotra anefa ilay vehivavy.” (Jaona 4:19-22). Tsy sosotra anefa ilay vehivavy. Nanana saina nivelatra izy ka vonona ny hihaino mihoatra noho izany.
Nanohy ny teniny àry i Jesosy tamin’ny fanaovana izao fanambarana lehibe izao: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24). Tato aoriana dia nasehon’io vehivavy nalala-tsaina io fa nankasitrahany ny tenin’i Jesosy tamin’ny nampahafantarany tamin’ny hafa tamin-kafanam-po izay nianarany. Tamin’izay izy ireo dia nitady hahazo fanazavana misimisy kokoa tamin’ny fihainoana ny tenin’i Jesosy. — Jaona 4:39-42.
Inona no ampahafantarin’io fitantarana io antsika? Aoka isika hieritreritra: raha toa isika miaina ao amin’ny faritra izay maha-latsa-paka ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana sy ara-pirenena na ara-pivavahana, ahoana no fihetsitsika rehefa misy olona hafa firazanana na hafa firenena na hafa finoana noho isika manatona antsika? Tapahintsika haingana ve ny resaka rehefa mitady hampiharihary izany fa diso isika? Sa, tahaka ilay vehivavy Samaritana, vonona hifampiresaka isika fara faharatsiny?
Moa ve ianao ho nihaino an’i Paoly?
Ny apostoly Paoly dia lehilahy hafa anankiray nandray torohevitra tsara dia tsara tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’ny fotoana sasany dia nanana saina nihidy koa izy. Niaiky izy fa “mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa, hoy izy, nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana”. (1 Timoty 1:13.) Nanaiky ny fahamarinana i Paoly na dia izany aza, ka namela ireo fitompoan-teny fantatra nananany. Ny ohatra nomeny dia mampiseho fa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia mety “handrava fiarovana mafy” ao am-pontsika ao raha toa ka manimba ny fiadanantsika ny vato misakana tahaka izany. — 2 Korintiana 10:4.
Rehefa tonga kristiana i Paoly, dia nanely tamim-pahasahiana ny vaovao tsara nianarany. Araka ny tokony hanampoizana azy, dia tafahaona tamin’olona izay nanana saina nihidy tahaka azy teo aloha izy; tsy toy izany daholo anefa ny rehetra. Tany Beria, tany avaratr’i Grisia, izy dia nahita olona nanetry tena vitsivitsy izay namela ohatra maha-te-hidera raha ny amin’ny fihainoana torohevitra. Reny tao amin’ireo tenin’i Paoly ny feon’ny fahamarinana. Noho izany dia “nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo”. Na dia nanana saina nivelatra aza izy ireo dia tsy ninonino foana akory. Izy ireo dia “nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia”. (Asa. 17:11.) Nahafinaritra azy ny hafatra reny nefa nohamarininy tamin’ny alalan’ny Baiboly ny fahamarinan’izany talohan’ny nanarahany azy tamin’ny fomba feno.
“Hamarino ny zavatra rehetra”
Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandany fotoana be dia be mba hiezahana hampita ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny mpiara-belona aminy izay anisan’ny fivavahana hafa. Ahoana no andraisana azy ireny? Olona maro tia fivavahana no faly mandray azy ireo, nefa ny sasany dia mandà izany, ary ny vitsivitsy hafa aza dia tezitra mihitsy rehefa mitsidika azy izy ireo.
Mampalahelo anefa izany satria ny hafatra tian’ny Vavolombelon’i Jehovah horesahina dia antsoin’ny Baiboly hoe “vaovao tsara”. (Matio 24:14, MN.) Ankoatra izany, izy ireo dia mamporisika hanaraka ny fihetsika nolazain’ny apostoly Paoly hoe: “Fantaro [hamarino, MN ] ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.” (1 Tesaloniana 5:21). Na dia misy aza olona manana hevitra raikitra, dia tokony hanana saina ampy fivelarana, tahaka ny an’ireo Beriana sy ilay vehivavy Samaritana izy, mba hiresaka momba an’Andriamanitra.
Nahoana no ilaina ny manana saina mivelatra?
Mahafaly ny mahita olona ana hetsiny maro isan-taona manana izany fihetsika izany. Maro no tonga tamin’ny fanekena ny maha-fahendrena ireo fampianaran’ny Baiboly, ka izany dia nitarika azy ireny hitondra fiovana marina sady maharitra teo amin’ny fiainany. Ny sasany teo aloha dia nitovy tamin’i Jeanne, vehivavy tanora iray izay nampiasa zavatra mahadomelina sy nisotro efa hatramin’ny ela, ary tamin’ny farany dia nanandrana namono tena. Ankehitriny dia vehivavy kristiana sambatra i Jeanne. Nanampy azy hahita ny hery nilaina mba hanarahana ity torohevitr’i Paoly ity ny fianarany ny Baiboly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika (...) amin’ny fahalotoana (...) na amin’ny nofo na amin’ny fanahy.” — 2 Korintiana 7:1.
Fernand dia mpidoroka, ary nadiva ho rava ny fanambadiany. Tamin’ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly anefa dia afaka niala tamin’ny fahazaran-dratsiny izy ka nifanaraka tamin’ny vadiny indray (1 Korintiana 6:11). Deborah kosa dia nanavakava-bolon-koditra tokoa. Nanampy azy hanova ny fomba fiheviny anefa ny fianarana ny Baiboly sy ny fifaneraserana tamin’ireo kristiana (Asa. 10:34, 35). Ary iza moa no ho nino fa ity vehivavy tanora neherlanday mpivaro-tena ity dia hitondra fiovana teo amin’ny fiainany tamin’ny andro izay nanekeny hianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Vetivety dia tonga kristiana vita batisa izay nanana fiainana madio sy nikarakara tamin’ny fomba tsara ny zanany izy.
Ny fitantarana tahaka ireo dia miseho foana arakaraka ny hihainoan’ny olona izay lazain’ny Baiboly. Mitondra fiovana eo amin’ny fiainany izy ireo, fiovana izay maro taminy no tsy nino mihitsy fa ho azo atao. Mbola lehibe kokoa noho izany, dia mampifamatotra fifandraisana amin’Andriamanitra izy ireo, hany ka afaka mivavaka aminy amim-pahatsorana amin’ny fiantsoana azy hoe “Rainay Izay any an-danitra”. (Matio 6:9.) Ankoatra izany, dia mahazo fanantenana azo antoka, tsy azo hozongozonina izy ireo, dia ny fanaporofoana ny maha-marina an’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.
Ny amin’izany rehetra izany no tian’ny Vavolombelon’i Jehovah horesahina rehefa mitsidika ny mpiara-belona aminy izy ao amin’ny faritry ny fanompoany. Azo inoana fa handalo indray ao aminao izy ireo tsy ho ela. Moa ve ianao hanana saina ampy fivelarana mba hihainoana azy ireo?
[Sary, pejy 7]
Tsy navelan’ilay vehivavy Samaritana hanakana azy tsy hihaino an’i Jesosy ny fitompoan-teny fantatra. Moa ve ianao manana saina mivelatra tahaka azy?