Asa iray mety hahasambatra anao
“TIAKO tokoa ny asako amin’ny maha-mpanao printy, hoy i Antonio izay mipetraka any Gênes (Italia). Tsara karama aho ka izany dia namporisika ahy hanao ora fanampiny maro be. Na dia mbola tanora aza aho dia tonga ny tanana ankavanan’ny lehibeko tao anatin’ny taona vitsivitsy monja.” Toa nahatratra ny zava-kendren’ny maro amin’ny fiasana mafy i Antonio. Nanam-bola izy, toerana tsara ary asa mahavariana izay tiany.
Moa ve i Antonio ‘finaritra tamin’ny fisasarany rehetra’? (Mpitoriteny 3:13.) Ankoatra izany, nahasambatra azy tokoa ve io asa io? Nanohy toy izao izy: “Ny fihenjanana vokatra ny fihazakazahana lava teo amin’ny fiainanay dia nanomboka nitondra fahasahiranana ara-panambadiana ho anay ka nahatonga anay hijaly.” Tsy sambatra na i Antonio na ny vadiny na dia teo aza ny asany nahafa-po. Ary ianao, ‘finaritra amin’ny fisasaranao rehetra’ ve ianao? Tena mahasambatra anao ve ny asanao?
Antony manosika azo ekena?
Fivelomana: izany ka antony lehibe hiasana mafy. Any amin’ny tany sasany dia tsy maintsy miasa mandritra ny ora lava ny tena mba ho tafavoaka eo amin’ny fiainana fotsiny. Misy olona miasa mafy andro aman’alina mba hiantohana fiainana tsaratsara kokoa ho an’ireo zanany. Ny hafa koa dia miasa fatratra, ary tafahoatra aza, mba hanangonana harena.
Tany Philippines, i Leonida dia nanao asa roa. Niasa tany amin’ny banky izy nandritra ny andro, ary nampianatra adiny telo na efatra tany amin’ny kolejy iray ny takariva. Mendrika ny nanaovana izany ve ny vola fanampiny noraisiny? “Tsy nitsahatra nijery ny famantaranandro aho, hoy ny fanazavan’i Leonida. Nanorisory ahy io asa io. Tsy nitondra fahafaham-po ho ahy mihitsy izy io.”
Tsia, tsy mitondra fahafaham-po na ny tena fahasambarana ny fiasana noho ny vola fotsiny. “Aza manasa-tena hanan-karena”, hoy ny torohevitr’i Solomona mpanjaka hendry. “Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” (Ohabolana 23:4, 5). Nisy nahita voromahery nahatratra hafainganam-panidinana maherin’ny 130 kilaometatra isan’ora. Asehon’izany tsara hoe amin’ny hafaingana toy inona no mety hanidinan’ny harena azo tamim-pahasahiranana. Na dia manangona fananana maro aza ny tena, dia tsy afaka mitondra na inona na inona amin’ny fahafatesana. — Mpitoriteny 5:15; Lioka 12:13-21.
Mety hahita loza ny tena raha tsy misaina afa-tsy ny hahazo vola ivelomana. Mety ho tonga amin’ny fitiavam-bola ny tena. Tamin’ny taonjato voalohany dia nalaza noho ny fitiavany vola ireo mpikambana tao amin’ny antokom-pivavahana iray, dia ny Fariseo izany (Lioka 16:14). Noho izy efa mba Fariseo dia fantatr’i Paoly, apostoly kristiana, tsara ny fomba fiainan’izy ireo (Filipiana 3:5). “Ary izay ta-hanan-karena, hoy ny fampitandremany, dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:9, 10). Eny, izay ‘tia vola’ ka vonona hanao na inona na inona noho ny vola, dia mety handrodana ny fiainany. Tsy mitondra ho any amin’ny fahasambarana io lalana io.
Misahirana fatratra ny sasany satria atosiky ny faniriana hisondrotra eo amin’ny laharana ara-tsosialy. Tsy maintsy hifanehatra amin’ny zava-misy anefa ireny amin’ny farany. Manazava toy izao ny revio Fortune: “Ireo zanaky ny ‘baby boom’ izay nanao sorona mba hahatongavana ho tale antonontonony teo anelanelan’ny faha-20 sy ny faha-35 taonany dia tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mampalahelo nefa tsy azo ialana hoe tsy ny olona rehetra akory no tonga any amin’ny tampony na dia miasa mafy aza. Reraka noho ny fanomezana be aoka izany avy tamin’ny tenany izy ireo ka alaim-panahy hanontany tena hoe inona no ilàna fiezahana be toy izany. Nahoana no miady mafy toy izany? Ilaina amin’inona izany?”
Iray tamin’ireo izay manokana ny fiainany manontolo mba hahazoana toerana eo amin’izao tontolo izao i Mizumori. Noho izy Talen’ny banky iray anisan’ny lehibe indrindra any Japon dia tsy nanana fotoana hatokana ho an’ny fianakaviany izy. Rehefa afaka 30 taona mahery niasana mafy dia simba ny fahasalamany ary tsy sambatra velively izy. “Takatro, hoy izy, fa ny fitadiavana lalana fatratra eo anivon’ny olona izay mikatsaka fatratra ny toerana ambony dia ‘zava-poana sy misambo-drivotra’.” — Mpitoriteny 4:4.
Ahoana kosa anefa ny amin’ireo izay tia ny asany toa an’i Antonio? Noho izy variana fatratra tamin’ny asany dia nataon’i Antonio sorona teo amin’ny alitaran’ny asa ny fiainam-pianakaviany. Ny hafa dia mandoa ny fahasalamany ary na dia ny fiainany mihitsy aza ho vidin’io safidy io, porofon’izany ny fahafatesana nanjo tampoka ny tale ambony japone maro izay sasatra loatra. Gaga ny sampan-draharaha iray mpanome torohevitra ny fianakavian’ireny nody mandry ireny rehefa naharay antso an-telefaonina 135 tao anatin’ny indray andro monja.
Misy manokana ny fiainany mba hanampiana ny hafa. Toe-tsaina namporisihan’i Jesosy izany (Matio 7:12; Jaona 15:13). Mahita fahasambarana ny tena raha variana manampy ny hafa, asa izay mendrika ny hanaovana fiezahana. — Ohabolana 11:25.
Na dia izany aza dia tsy hoe tsy misy fandrika akory io zotom-po mendri-kaja io. Aoka horaisintsika ho ohatra i Ozia mpanjakan’i Joda. Nanao asa goavana ho an’ny vahoaka izy tamin’ny fihadiana famorian-drano tany an’efitra. Nitady marina tokoa ny tombontsoan’ny vahoakany i Ozia, satria tamin’izany fotoana izany dia ‘nitady an’i Jehovah’ sy toa nanaja ny didin’Andriamanitra mitaky ny tsy hitadiavan’ireo mpanjaka tombony ho an’ny tenany (2 Tantara 26:5, 10; Deoteronomia 17:14-20). Nampitombo ny fandreseny ara-tafika izany ary ‘niely lavitra ny lazan’i Ozia’. Raha vao nahery anefa izy dia niseho ho niavonavona ka nitondra fahavoazana ho azy izany fihetsika izany (2 Tantara 26:15-20; Ohabolana 16:18). Na iza na iza manokan-tena hanampy ny hafa nefa manao izany noho ny fahafaham-po sy ny reharehan’ny tenany manokana dia mety hahita fiafarana mahatsiravina koa. Raha izany no izy, nahoana no maniry hiasa mafy?
Natao hiasa ny olombelona
Afaka mandray fianarana avy amin’ny asan’olona iray izay nanao soa be lavitra noho ny olona hafa rehetra niaina teto an-tany isika. I Jesosy Kristy izany (Matio 20:28; Jaona 21:25). Teo am-pahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nihiaka toy izao izy: “Vita” (Jaona 19:30). Feno tsara tokoa ny fiainany izay naharitra 33 taona sy tapany.
Ny fiainan’i Jesosy dia mahatonga ho afaka hamaly ilay fanontaniana hoe: “Asa inona no mety hahasambatra anao?” Tamin’ny fanaovany ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra no nahitany fahasambarana tsy nanam-paharoa. Toy izany koa ny amintsika, ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Mpamorona antsika no afaka mitondra ho antsika ny fahafaham-po sy ny fahasambarana. Noho ny antony inona? Satria Izy no mahafantatra ny fomba nanaovana antsika sy izay ilaintsika mihoatra noho ny tenantsika.
Rehefa namorona an’i Adama lehilahy voalohany Andriamanitra, dia nanankina taminy asa izay sady ataon-tanana no ara-tsaina (Genesisy 2:15, 19). Koa satria tokony ‘hanjaka’ amin’ny zavaboary hafa eto an-tany i Adama, dia nanana asa fandaminan-javatra hotanterahina koa izy (Genesisy 1:28). Raha mbola nanaiky an’io fandaharana io izy dia nahasoa sy nahafa-po hatrany ny asany. Ny asa madinika rehetra izay nankinina taminy dia nanome azy fahafahana fanampiny hampifaly ny Avo Indrindra.
Tsy nijanona teo anefa ny zavatra ho an’i Adama satria nanapa-kevitra ny hivoaka ny faritra nomanin’Andriamanitra izy. Nitsahatra tsy nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ary nitady hanao izay tiany. Nanota tamin’ny Mpamorona izy. Noho izany dia ‘nampanekena ho zava-poana’ i Adama sy ny vadiny ary ny taranany rehetra. (Romana 5:12; 8:20.). Nanjary fanompoana ny asany fa tsy nahasambatra azy. Milaza toy izao, ankoatra ny zavatra hafa, ny fanamelohan’Andriamanitra azy: “Voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany.” (Genesisy 3:17-19). Ny asa, izay tokony ho natao mendrika noho ny fikendrena ambony indrindra hahazo sitraka amin’ny Mpamorona ny olombelona, dia nanjary asa manasatra tanterahina mba hahazoana hanina fotsiny sisa.
Famaranan-kevitra inona no azontsika tsoahina avy amin’ireo zava-nitranga ireo? Izao: Tsy mitondra fahafaham-po sy fahasambarana maharitra ho antsika ny asa mafy raha tsy mampifantoka ny fiainantsika amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra isika.
Aoka ianao ho ‘finaritra’ amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra
Toy ny sakafo tamin’i Jesosy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra — asa izay tiany sy nitana ny fiainany ara-panahy (Jaona 4:34). Ahoana no mety hahitanao fifaliana toy izany amin’ny asa?
Tokony ho fantatrao hoe “inona no sitrapon’i Jehovah” mikasika anao (Efesiana 5:17); Ny sitrapony dia ny hamerina ny olombelona ho amin’ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21; 2 Petera 3:9.) Noho ny fikendrena izany dia misy asa fanangonana maneran-tany atao amin’izao andro izao. Ianao koa dia afaka mandray anjara amin’io asa tena mahafa-po io. Tsy hanao afa-tsy ny hahasambatra anao izany.
Tatỳ aoriana dia nahita fahafaham-po sy fahasambarana i Antonio izay voalaza eo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Rehefa nametraka ny asany izay “zava-poana” teo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany izy mivady ka nandany ny heriny manontolo tamin’izany dia simba noho izany ny fiainany ara-panahy. Tamin’izay no nanomboka nahita fahasahiranana ara-panambadiana izy ireo. Rehefa takatry ny vadin’i Antonio ny toe-javatra, dia nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny asany izy ary nanomboka ‘niady mafy’ tamin’ny fitoriana manontolo andro ny Fanjakan’Andriamanitra. — Lioka 13:24, MN.
“Niaraka tamin’izay, hoy Antonio, dia nahita fiovana lehibe izahay. Tapitra hatreo ny adiady lava. Niverina indray tao an-tokantranonay ny filaminana.” Nanana fifaliana hanampy olon-kafa nahazo ny fahalalana izay midika ho “fiainana mandrakizay” ny vadiny. (Jaona 17:3.) Ny fahasambarana hitany dia nahatonga an’i Antonio hanombana indray ny vidin’ny zavatra. Nandresy ny faniriany hanompo an’Andriamanitra amin’ny fanahiny rehetra. Nanda fisondrotana i Antonio ary nandao ny asany. Na dia nahatonga azy hanaiky asa tsotra kokoa aza io fiovana io, dia faly sahala amin’ny vadiny i Antonio manome ny betsaka indrindra amin’ny fotoanany ho an’ny fanompoana kristiana, amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Azo antoka fa tsy afaka manao fiovana lehibe toy izany avokoa akory ny rehetra. I Mizumori, ilay mpiasan’ny banky japone voalaza tetsy aloha, dia manao amim-pifaliana ny fanompoany amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona iray sady mamelona ny ankohonany amin’ny alalan’ny asany amin’ny maha-tale. Tsy mifantoka amin’ny asany intsony anefa ny fiainany fa amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Aminy, ny asany dia fomba hahazoany fivelomana sy mba hanatrarany an’io zava-kendrena io. Amin’izao fotoana izao dia mahafa-po koa ny asany.
Amin’ny fambolena io toe-tsaina io mikasika ny asanao dia tsy isalasalana fa hiasa mafy ianao “tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo [Jehovah, MN ]”. (Kolosiana 3:22.) Mety ho toa tsy ahitana fahombiazana izany fahatsorana izany eo anivon’ny fitambaran’olona misy antsika izay misy fifaninanana mirehitra, nefa, araka ny filazan’i Mizumori, amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ireo no ahazoan’ny tena ny fitokiana sy ny fanajan’ny hafa. Na dia nitsahatra tsy niasa noho ny fikendrena fisondrotana aza i Mizumori, dia nahazo izany ihany izy. — Ohabolana 22:29.
Eny, ny fampifantohana ny fiainan’ny tena amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, izany no fanalahidin’ny fahasambarana amin’ny asa mafy. Izany no antony nanaovan’i Solomona mpanjaka hendry izao famaranan-kevitra izao: “Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” — Mpitoriteny 3:12, 13.
[Sary, pejy 7]
Mba hifaliana amin’ny vokatry ny asa mafy nataonao, dia ampifantohy amin’ny fianarana Baiboly sy amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainam-pianakavianao.