-
Inona no Atao hoe Fitsaharan’Andriamanitra?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 15 Jolay
-
-
Voalohany, diniho ny tenin’i Jesosy rehefa nisy nanakiana azy, noho izy nanasitrana tamin’ny Sabata. Hoy izy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:16, 17) Izao no tian’i Jesosy holazaina: Mitovy ny asan’izy sy ny Rainy. Tsy mitsahatra miasa ny Rainy, izay mbola ao anatin’ny Sabatany maharitra an’arivony taona. Mahazo miasa koa àry izy, na dia ao anatin’ny andro sabata aza. Hita amin’izany fa mbola niasa nanatanteraka ny fikasany momba ny tany i Jehovah, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Mbola tsy nifarana àry ny andro fahafito tamin’izay.a
-
-
Inona no Atao hoe Fitsaharan’Andriamanitra?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 15 Jolay
-
-
5. Inona no tian’Andriamanitra hotanterahina mandritra ny andro fahafito, ary rahoviana no ho tanteraka izany?
5 Tokony hotadidintsika aloha hoe inona no tian’Andriamanitra hotanterahina mandritra an’io andro fitsaharany io. Hoy ny Genesisy 2:3: “Nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io.” “Nanamasina” an’io andro io i Jehovah, izany hoe nanokana azy io mba hanatanterahany ny fikasany. Ny fikasany dia ny hoe lehilahy sy vehivavy mankatò azy no honina eto an-tany, ary hikarakara ny tany sy ny zavaboary eo aminy. (Gen. 1:28) “Tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny” i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay “Tompon’ny sabata”, mba hahatanterahana an’io fikasana io. (Mat. 12:8)
-
-
Inona no Atao hoe Fitsaharan’Andriamanitra?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 15 Jolay
-
-
a Niasa tao amin’ny tempoly ireo mpisorona sy Levita, tamin’ny andro Sabata, ary tsy nomelohin’ny Lalàn’i Mosesy izany. Nofidin’Andriamanitra ho Mpisoronabe koa i Jesosy, ka tsy diso izy raha nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy, tamin’ny andro Sabata.—Mat. 12:5, 6.
-