‘Fandehanana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Fahitana’
“Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana”. — 2 KORINTIANA 5:7.
1. Midika ho inona ny hoe ‘mandeha amin’ny finoana’?
ISAKY ny mivavaka mifanaraka amin’ireo fitarihan-dalana voasoritra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mampiseho fa misy finoana ihany, fara fahakeliny, ao amintsika. Mampiseho finoana koa isika rehefa manomboka mitory amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary rehefa manolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah isika, dia manome porofo fa ny faniriantsika dia ny ‘handeha amin’ny finoana’, izany hoe, ny hanaraka fomba fiaina tapahin’ny finoana. — 2 Korintiana 5:7; Kolosiana 1:9, 10.
2. Nahoana ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny kongregasiona no tsy voatery ho porofo fa manana finoana ny olona iray?
2 Mila finoana tsara fototra isika raha maniry marina ny hiaina amin’izany fomba izany. (Hebreo 11:1, 6). Olona maro no voasintona ho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony sy ny fitiavana hitany eo anivon’ny Vavolombelona. Efa fiandohana tsara izany, saingy tsy midika hoe manam-pinoana ny olona toy izany. Mety hanana vady na ray na reny manana finoana matanjaka ny hafa, ary mety handray anjara amin’ireo asa ara-panahy sasany ataon’io olona tiany io, izy ireo. Tena fitahiana ny fananana fitaomana toy izany ao an-tranon’ny tena. Izany koa anefa dia tsy mahasolo ny hoe ny tena mihitsy no tia an’Andriamanitra sy manana finoana azy. — Lioka 10:27, 28.
3. a) Inona no tsy maintsy eken’ny tenantsika momba ny Baiboly, mba hananantsika finoana tsara fototra? b) Nahoana no mora kokoa ho an’ny olona sasany, miohatra amin’ny hafa, ny miaiky fa ara-tsindrimandry ny Baiboly?
3 Ireo izay mandeha marina amin’ny finoana dia miaiky tanteraka fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Maro dia maro ny porofo mampiseho fa “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” tokoa ny Soratra Masina.a (2 Timoty 3:16). Firy amin’izany porofo izany no tsy maintsy dinihina vao hiaiky ny olona iray? Mety hiankina amin’ny fiaviany izany. Ny mahafa-po tanteraka ny olona iray dia mety tsy haharesy lahatra ny iray hafa. Amin’ny toe-javatra sasany, na dia ampisehoana porofo tsy azo lavina maro dia maro aza ny olona iray, dia mety ho mbola hanohitra ilay fanatsoahan-kevitra mibaribary avy amin’izany ihany. Nahoana? Noho ireo faniriana lalina ao am-pony. (Jeremia 17:9). Araka izany, na dia mety hilaza aza ny olona iray fa liana amin’ny fikasan’Andriamanitra, ny fony dia mety haniry fatratra ny fankasitrahan’izao tontolo izao. Mety ho tsy ta hamoy fomba fiaina mifanohitra amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly izy. Raha mangetaheta marina ny fahamarinana anefa ny olona iray, raha miaiky amim-pahatsorana ny tena fihetseham-pony, ary raha manetry tena, dia ho takany amin’ny farany fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.
4. Inona no takina amin’ny olona iray mba hananany finoana?
4 Matetika, ao anatin’ny volana vitsivitsy monja, dia takatry ny olona ampiana hianatra ny Baiboly fa porofo maro be sahady no efa hitany ho milaza azy io ho Tenin’Andriamanitra. Raha toa izany ka manosika azy ireny hanokatra ny fony mba hampianarin’i Jehovah, ireo zavatra ianarany dia hamolavola tsikelikely ny eritreriny lalina indrindra sy ny faniriany ary ny antony manosika azy. (Salamo 143:10). Milaza ny Romana 10:10 fa “amin’ny fo” no anehoan’ny olona iray ny finoany. Mampiseho ny tena fihetseham-pon’ilay olona izany finoana izany, ka hiharihary eo amin’ny fomba fiainany.
Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny finoana tsara fototra i Noa
5, 6. Niorina tamin’inona ny finoan’i Noa?
5 I Noa dia olona iray nanana finoana tsara fototra. (Hebreo 11:7). Inona ny fototra nananany tamin’izany? Nanana ny Tenin’Andriamanitra i Noa, tsy an-tsoratra, fa nolazaina am-bava taminy. Hoy ny Genesisy 6:13: “Hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona”. (Izahay no manao sora-mandry.) Nasain’i Jehovah nanorina sambo fiara i Noa ary nomeny ny tsipirian-javatra momba ny fanorenana azy io. Nanampy teny toy izao Andriamanitra avy eo: “Indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manampofonaina ambanin’ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ny tany.” — Genesisy 6:14-17.
6 Efa nisy orana ve talohan’io? Tsy milaza amintsika ny Baiboly. Hoy ny Genesisy 2:5: “Tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ny tany Jehovah Andriamanitra”. Io anefa dia filazan-javatra nataon’i Mosesy izay niaina taonjato maro tatỳ aoriana. Tsy niresaka momba ny andron’i Noa izy teo, fa momba ny fotoana iray ela be talohan’izay kosa. Araka ny asehon’ny Genesisy 7:4, dia nanisy firesahana ny amin’ny ranonorana i Jehovah rehefa niresaka tamin’i Noa, ary niharihary fa nahazo ny tiany holazaina i Noa. Na dia izany aza anefa, dia tsy tamin’izay zavatra hitany no niantefan’ny finoan’i Noa. Nanoratra ny apostoly Paoly fa “notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita” i Noa. Nilaza tamin’i Noa Andriamanitra fa hahatonga “safo-drano” ambonin’ny tany, na “ny ranomasimben’ny lanitra”, araka ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny New World Translation (Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao), ao amin’ny Genesisy 6:17. Mandra-pahatongan’io fotoana io, dia mbola tsy nitranga mihitsy ny zavatra toy izany. Ny zavaboary rehetra hitan’ny mason’i Noa anefa dia fampisehoana miharihary fa afaka ny hahatonga safo-drano mandrava toy izany tokoa Andriamanitra. Natosiky ny finoana i Noa ka nanamboatra ilay sambo fiara.
7. a) Tsy nila inona i Noa mba hanaovana izay nandidian’Andriamanitra azy? b) Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny finoan’i Noa, ary ahoana no mety hahatonga ny finoantsika ho fitahiana ho an’ny hafa?
7 Tsy nanome an’i Noa ny daty hanombohan’ny Safo-drano Andriamanitra. I Noa anefa dia tsy nampiasa izany ho fialan-tsiny hanarahana fihetsika manao hoe ‘andraso fa ho hita eo ihany’, ka hanaovana an-kilabao teo amin’ny fiainany ny fanamboarana ilay sambo fiara sy ny fitoriana. Tao anatin’ny fotoana ampy tsara no nilazan’Andriamanitra ny fotoana hidirana tao amin’ilay sambo fiara. Mandra-pahatongan’izay, dia “nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Nanao araka izany indrindra izy”. (Genesisy 6:22, NW ). Nandeha tamin’ny finoana i Noa, fa tsy tamin’ny fahitana. Velom-pankasitrahana tokoa isika fa nanao izany izy! Noho ny finoany, dia velona isika amin’izao andro izao. Raha ny amintsika koa, ny finoana asehontsika dia afaka ny hisy vokany lalina, tsy eo amin’ny hoavintsika ihany, fa ny an’ny zanatsika sy ireo olona hafa manodidina antsika koa.
Ny finoan’i Abrahama
8, 9. a) Naorin’i Abrahama tamin’inona ny finoany? b) Tamin’ny fomba ahoana no ‘nisehoan’i Jehovah’ tamin’i Abrahama?
8 Andeha isika hijery ohatra hafa iray — ny an’i Abrahama. (Hebreo 11:8-10). Naorin’i Abrahama tamin’inona ny finoany? Mpanompo sampy sy mpiahy fatratra ny zavatra ara-nofo ilay tontolo nahabe azy tao Oran’ny Kaldeana. Nisy fitaomana hafa anefa namolavola ny fomba fijerin’i Abrahama. Tsy isalasalana fa afaka nifanerasera tamin’i Sema, zanak’i Noa, izy, satria nifanindry 150 taona tamin’ny an’i Sema ny fiainany. Nanjary niaiky i Abrahama fa i Jehovah no “Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany”. — Genesisy 14:22.
9 Nisy zavatra hafa koa nanan-kery lalina teo amin’i Abrahama. I Jehovah dia “niseho tamin’i Abrahama (...), raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana, ka nanao taminy hoe: ‘Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao’ ”. (Asan’ny Apostoly 7:2, 3). Tamin’ny fomba ahoana no ‘nisehoan’i Jehovah’ tamin’i Abrahama? Tsy nahita nivantana an’Andriamanitra akory i Abrahama. (Eksodosy 33:20). Mety ho niseho tamin’i Abrahama tao amin’ny nofy anefa i Jehovah, niaraka tamin’ny fampisehoana ny voninahiny tamin’ny fomba mahagaga, na tamin’ny alalan’ny anjely mpitondra hafatra na mpisolo tena azy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 18:1-3; 28:10-15; Levitikosy 9:4, 6, 23, 24.) Na ahoana na ahoana fomba nisehoan’i Jehovah tamin’i Abrahama, dia natoky io lehilahy tsy nivadika io fa nametraka tombontsoa sarobidy teo anoloany Andriamanitra. Nanao zavatra tamim-pinoana i Abrahama ho setrin’izany.
10. Ahoana no nanatanjahan’i Jehovah ny finoan’i Abrahama?
10 Tsy niankina tamin’ny fananany tsipirian-javatra momba ilay tany nasain’Andriamanitra nalehany ny finoan’i Abrahama. Tsy niankina tamin’ny fahalalany ny fotoana hanomezana azy an’io tany io koa izany. Nanam-pinoana izy, satria Andriamanitra Tsitoha no nahafantarany an’i Jehovah. (Eksodosy 6:3). Nilazan’i Jehovah i Abrahama fa hanana taranaka izy, kanefa dia nanontany tena i Abrahama indraindray hoe ahoana no hetezan’izany. Efa nihantitra izy. (Genesisy 15:3, 4). Nanatanjaka ny finoan’i Abrahama i Jehovah tamin’ny filazana taminy mba hiandrandra hijery ny kintana ka hanisa azy ireny, raha vitany. “Ho tahaka izany ny taranakao”, hoy Andriamanitra. Nanohina lalina an’i Abrahama izany. Niharihary fa ilay Mpamorona an’ireny tenan-javatra mahatahotra eny amin’ny lanitra ireny, dia afaka manatanteraka izay nampanantenainy. “Nino an’i Jehovah” i Abrahama. (Genesisy 15:5, 6). Tsy noho ny fitiavany an’ilay zavatra reny fotsiny akory no nahatonga an’i Abrahama hino; nanana finoana tsara fototra kosa izy.
11. a) Rehefa nananika ny faha-100 taonany i Abrahama, nanao ahoana ny fihetsiny teo anoloan’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hanan-janakalahy i Saraha efa be taona? b) Karazam-pinoana nanao ahoana no nentin’i Abrahama niatrika ilay fitsapana ny amin’ny fitondrana ny zanany tany amin’ny Tendrombohitra Moria mba hatao sorona?
11 Rehefa nananika ny faha-100 taonany i Abrahama, ary i Saraha vadiny, ny faha-90 taonany, i Jehovah dia nanambara indray ilay fampanantenany hoe hanan-janakalahy i Abrahama ka i Saraha no ho reniny. Nijery ny zava-nisy i Abrahama raha nieritreritra ny tarehin-javatra nisy azy mivady. “Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.” (Romana 4:19-21). Fantatr’i Abrahama fa tsy maintsy to ny fampanantenan’Andriamanitra. Tatỳ aoriana, noho ny finoany, dia nankatò i Abrahama rehefa nilaza taminy Andriamanitra mba hitondra an’i Isaka zanany ho any amin’ny tany Moria ka hanolotra azy ho sorona. (Genesisy 22:1-12). Natoky tanteraka i Abrahama fa ilay Andriamanitra nahatonga an’io zanany io ho teraka tamin’ny fomba mahagaga, dia ho afaka koa hamerina azy ho amin’ny fiainana, mba hahatanteraka ireo fampanantenana fanampiny nomen’Andriamanitra momba azy io. — Hebreo 11:17-19.
12. Hafiriana no nanohizan’i Abrahama nandeha tamin’ny finoana, ary valisoa inona no miandry azy sy ireo mpianakaviny izay nampiseho finoana natanjaka?
12 Nasehon’i Abrahama fa notapahin’ny finoana ny tenany. Tsy indraindray fotsiny izany, fa nandritra ny fiainany manontolo mihitsy. Nandritra ny androm-piainany, dia tsy nisy ampahany tamin’ny Tany Nampanantenaina azon’i Abrahama ho lova avy tamin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 7:5). Na dia izany aza anefa, dia tsy nanjary sasatry ny niandry i Abrahama ka hoe niverina tany Oran’ny Kaldeana. Nandritra ny 100 taona, hatramin’ny nahafatesany mihitsy, dia nonina an-day tany amin’ilay tany nasain’Andriamanitra nalehany izy. (Genesisy 25:7). Toy izao no lazain’ny Hebreo 11:16 momba azy sy i Saraha vadiny, sy i Isaka zanany, ary i Jakoba zafikeliny: “Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy.” Eny, manan-toerana ho azy ireo i Jehovah, ao amin’ny faritra eto an-tany tapahin’ny Fanjakana Mesianikany.
13. Iza amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao no manome porofon’ny fananany finoana sahala amin’ny an’i Abrahama?
13 Misy olona sahala amin’i Abrahama eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Nandeha tamin’ny finoana nandritra ny taona maro izy ireo. Noho ny hery omen’Andriamanitra azy, dia nandresy vato misakana toy ny tendrombohitra izy ireo. (Matio 17:20). Tsy mampihozongozona ny finoan’izy ireo ny tsy fahafantarany ny fotoana marina hanomezan’Andriamanitra azy ilay lova nampanantenainy. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy ho to ny tenin’i Jehovah, ary raisin’izy ireo ho tombontsoa tsy hay tombanana ny ho anisan’ny Vavolombelony. Izany ve no tsapanao?
Ny finoana nanosika an’i Mosesy
14. Ahoana no nanorenana ny finoan’i Mosesy?
14 Oha-pinoana hafa iray i Mosesy. Inona ny fototra niorenan’ny finoany? Fony izy mbola zazakely no nanorenana izany tao aminy. Na dia nahita an’i Mosesy tao anaty vata zozoro tao amin’ny Reniranon’i Neily aza ny zanakavavin’i Farao, ka naka azy ho zanany, dia i Jokebeda, vehivavy hebreo renin’i Mosesy, ihany no nitaiza ilay ankizilahy kely sy nikarakara azy nandritra ireo taona voalohany niainany. Miharihary fa nampianatra azy tsara i Jokebeda, ka nandentika tao aminy ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fankasitrahana an’ireo fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama. Tatỳ aoriana, tamin’ny naha-mpianakavin’i Farao azy, dia “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” i Mosesy. (Asan’ny Apostoly 7:20-22; Eksodosy 2:1-10; 6:20; Hebreo 11:23). Na dia teo aza anefa ny toerana tsara nananany, dia niandany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra nandevozina, ny fony.
15. Nidika ho inona ho an’i Mosesy ny fampahafantarana ny tenany ho anisan’ny vahoakan’i Jehovah?
15 Teo amin’ny faha-40 taonany, i Mosesy dia namono Egyptiana iray mba hanafahana Isiraelita iray nentina tsy ara-drariny. Nampiseho ny fomba fijerin’i Mosesy ny vahoakan’Andriamanitra io fitrangan-javatra io. Eny tokoa, “finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy”. Tsy nifikitra tamin’ny “fifaliana vetivety amin’ny fahotana”, tamin’ny naha-anisan’ny tandapan’i Egypta azy, izy, fa natosiky ny finoana kosa mba hampahafantatra ny tenany ho anisan’ilay vahoakan’Andriamanitra nampijalina. — Hebreo 11:24, 25; Asan’ny Apostoly 7:23-25.
16. a) Nirahin’i Jehovah hanao inona i Mosesy, ary ahoana no nanampian’Andriamanitra azy? b) Teo am-panatontosana ny asa nanirahana azy, ahoana no nampisehoan’i Mosesy finoana?
16 Dodona ny hanao zavatra mba hitondrana fanamaivanana ho an’ny vahoakany i Mosesy, nefa mbola tsy tonga ny fotoana hanafahan’Andriamanitra azy ireo. Voatery nandositra niala tany Egypta i Mosesy. Tokony ho 40 taona tatỳ aoriana vao naniraka an’i Mosesy tamin’ny alalan’ny anjely iray i Jehovah mba hiverenany tany Egypta ka hitarihany ny Isiraelita hivoaka avy tao. (Eksodosy 3:2-10). Nanao ahoana ny fihetsik’i Mosesy? Tsy nisalasala ny amin’ny fahaizan’i Jehovah hanafaka ny Isiraely izy, kanefa dia tena nahatsiaro ny tenany ho tsy ampy fahaizana ho amin’ilay anjara asa napetrak’Andriamanitra teo anatrehany. Nanome tamim-pitiavana ilay fampaherezana nilain’i Mosesy i Jehovah. (Eksodosy 3:11–4:17). Nihanatanjaka ny finoan’i Mosesy. Niverina tany Egypta izy ary nifanatri-tava imbetsaka tamin’i Farao mba hampitandrina azy ny amin’ireo loza hanjo an’i Egypta noho izy tsy namela ny Isiraely handeha hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Tsy nanan-kery hahatonga ireo loza ireo ny tenan’i Mosesy. Nandeha tamin’ny finoana izy, fa tsy tamin’ny fahitana. I Jehovah sy ny teniny no ninoany. Nandrahona an’i Mosesy i Farao. Naneho fikirizana anefa i Mosesy. “Finoana no nandaovany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” (Hebreo 11:27). Tsy tanteraka i Mosesy. Nanao fahadisoana izy. (Nomery 20:7-12). Rehefa naniraka azy anefa Andriamanitra, dia notapahin’ny finoana ny fiainany iray manontolo.
17. Nitondra vokany inona teo amin’i Noa sy i Abrahama ary i Mosesy ny nandehanany tamin’ny finoana, na dia tsy nahita ny tontolo vaovaon’Andriamanitra aza izy ireo fony fahavelony?
17 Enga anie ny finoanao ka ho sahala amin’ny an’i Noa sy i Abrahama ary i Mosesy. Marina aloha fa tsy nahita ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy ireo fony fahavelony. (Hebreo 11:39). Mbola tsy tamin’izay ny fotoana voatondron’Andriamanitra; nisy lafiny hafa tamin’ny fikasany mbola nilaina hotanterahina. Tsy nihozongozona anefa ny finoan’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra, ary ny anaran’izy ireo dia ao amin’ny bokin’ny fiainana, izay bokin’Andriamanitra.
18. Ho an’ireo antsoina ho any amin’ny fiainana any an-danitra, nahoana no tena ilaina ny handehanana amin’ny finoana?
18 “Andriamanitra efa nanamboatra izay tsara lavitra ho antsika”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. Ny dikan’izany dia hoe, Andriamanitra dia efa nanamboatra izay tsara lavitra ho an’ireo sahala amin’i Paoly, izay nantsoina ho amin’ny fiainana any an-danitra hiaraka amin’i Kristy. (Hebreo 11:40). Ireo indrindra no tao an-tsain’i Paoly rehefa nanoratra ireto teny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 5:7 ireto izy: “Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana”. Tamin’ny fotoana nanoratana izany, dia mbola tsy nisy nahazo ny valisoany any an-danitra izy ireo. Tsy nahita azy io tamin’ny masony ara-bakiteny izy ireo, kanefa dia tsara fototra ny finoany azy io. Natsangana tamin’ny maty i Kristy, ilay voaloham-bokatr’ireo hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Ary vavolombelona 500 mahery no nahita azy, talohan’ny niakarany ho any an-danitra. (1 Korintiana 15:3-8). Nanana antony ampy tsara izy ireo mba hamelana ny fiainany manontolo hotapahin’izany finoana izany. Isika koa dia manana antony marim-pototra handehanana amin’ny finoana.
19. Araka ny asehon’ny Hebreo 1:1, 2, tamin’ny alalan’iza no nitenenan’Andriamanitra tamintsika?
19 Amin’izao andro izao, i Jehovah dia tsy miresaka amin’ny vahoakany amin’ny alalan’ny anjely, toy ny nataony tamin’i Mosesy teo amin’ilay roimemy nirehitra. Niteny tamin’ny alalan’ny Zanany Andriamanitra. (Hebreo 1:1, 2). Izay nolazainy tamin’ny alalan’ny Zanany dia noraketiny an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, izay nadika ho amin’ny fitenin’olona manerana izao tontolo izao.
20. Nahoana no tsara lavitra noho ny an’i Noa sy i Abrahama ary i Mosesy ny tarehin-javatra misy antsika?
20 Be lavitra noho ny an’i Noa sy i Abrahama ary i Mosesy ny Tenin’Andriamanitra ananantsika. Manana ny Tenin’Andriamanitra feno isika — efa tanteraka ny ankabetsahan’izy io. Noho izay rehetra lazain’ny Baiboly momba ny lehilahy sy ny vehivavy izay hita ho vavolombelona nahatokin’i Jehovah, na dia teo aza izao karazana fisedrana rehetra izao, dia mampirisika ny Hebreo 12:1 hoe: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. Tsy zavatra azo atao tsirambina akory ny finoantsika. Ilay “ota izay malaky mahazo antsika” dia ny tsy fahampiam-pinoana. Takina ny hanaovana ady mafy raha tiantsika ny tsy hitsahatra ‘handeha amin’ny finoana’.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ahoana ny Valin-teninao?
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘mandeha amin’ny finoana’?
◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fomba nanehoan’i Noa finoana?
◻ Amin’ny ahoana no manampy antsika ny fomba nanehoan’i Abrahama finoana?
◻ Nahoana ny Baiboly no manondro an’i Mosesy ho toy ny oha-pinoana?
[Sary, pejy 10]
Nandeha tamin’ny finoana i Abrahama
[Sary, pejy 10]
Nampiseho finoana i Mosesy sy i Arona fony izy ireo teo anatrehan’i Farao