Nahoana i Saoly no Nanenjika ny Kristianina?
‘IZAHO EFA NIHEVITRA TOKOA fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta, sady nataoko tany Jerosalema izany. Maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ny lohan’ny mpisorona aho. Raha hovonoina ireny mpianatra ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. Nampijaly azy matetika teo amin’ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy. Koa satria very saina tamin’ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatrany amin’ny tanàna any ivelany koa aza.’ — Asan’ny Apostoly 26:9-11.
IZANY no nolazain’i Saoly avy any Tarsosy, izay fantatra koa amin’ny hoe ny apostoly Paoly. Mazava ho azy fa efa olom-baovao izy tamin’ny fotoana nilazany izany. Tsy mpanohitra ny Kristianisma intsony izy tamin’izay fa anisan’ireo mpanohana nafana fo azy io kosa. Inona anefa taloha no nanosika an’i Saoly hanenjika ny Kristianina? Inona no nahatonga azy hihevitra fa ‘tsy nety raha tsy nanao’ izany ny tenany? Ary misy lesona azo sintonina ve avy amin’ny tantaram-piainany?
Ny nitoraham-bato an’i Stefana
Anisan’ireo namono nahafaty an’i Stefana i Saoly, ary eo no isehoany voalohany ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly. “Nandroaka [an’i Stefana] ho eny ivelan’ny tanàna [izy ireo] ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.” “Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa.” (Asan’ny Apostoly 7:58; 8:1). Inona no nitarika ho amin’izany famelezana izany? Nisy Jiosy, anisan’izany ny Jiosy sasany avy any Kilikia, niady hevitra tamin’i Stefana, nefa tsy nahaleo azy. Tsy voalaza raha anisan’izy ireo i Saoly, izay avy any Kilikia koa. Na ahoana na ahoana, dia nampiasa vavolombelona nandainga izy ireo mba hiampangana an’i Stefana ho niteny ratsy, sy hitarihana azy teo anatrehan’ny Synedriona. (Asan’ny Apostoly 6:9-14). Io antenimiera io, izay notarihin’ny mpisoronabe, no fitsarana avo jiosy. Fahefana ara-pivavahana fara tampony izy io, ka ireo mpikambana tao dia niaro koa izay noheverin’izy ireo ho fahadiovan’ny foto-pinoana. Mendrika ny ho faty i Stefana teo imason’izy ireo. Tsy efa sahy niampanga azy ireo ho tsy nankato ny Lalàna ve izy? (Asan’ny Apostoly 7:53). Hasehon’izy ireo azy àry fa tena nitandrina ny Lalàna tokoa izy ireo!
Nisy vokany teo amin’i Saoly ireo zavatra ninoany ka ara-dalàna raha nankasitraka izany hevitra izany izy. Fariseo tokoa mantsy izy. Nitaky ny hankatoavana tamin’ny fomba hentitra ny lalàna sy ny lovantsofina io sekta natanjaka io. Noheverina ho mifanohitra amin’ny lalàna sy ny lovantsofina ny Kristianisma, satria mampianatra fomba vaovao hahazoana famonjena, amin’ny alalan’i Jesosy. Ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, dia nanantena ny Mesia ho Mpanjaka be voninahitra izay hanafaka azy ireo tamin’ny ziogan’ny fanapahana romanina izay nankahalain’izy ireo. Hafa tanteraka noho izay noeritreretin’izy ireo, ary tsy azon’ny sainy nekena velively no sady naharikoriko tanteraka ny sainy ny hoe ilay olona nomelohin’ny Synedriona Lehibe noho ny fitenenan-dratsy, ka nohomboana tamin’ny hazo fijaliana tahaka ny mpanao heloka bevava voaozona, no ilay Mesia.
Voalazan’ny Lalàna fa “voaozon’Andriamanitra” ny olona ahantona amin’ny hazo. (Deoteronomia 21:22, 23; Galatiana 3:13). Araka ny fomba fijerin’i Saoly, dia “mazava fa nihatra tamin’i Jesosy ireo teny ireo”, hoy i Frederick F. Bruce. “Maty voaozon’Andriamanitra izy, ka tsy azo noeritreretina ho ilay Mesia, satria io teny io dia saika nidika foana ho olona nandrotsahan’Andriamanitra fitahiana tsy manan-tsahala. Fitenenan-dratsy àry ny filazana an’i Jesosy ho Mesia, ka izay manao adaladala milaza zavatra toy izany dia mendrika ny hijaly satria mpiteny ratsy.” Araka ny fieken’i Saoly tatỳ aoriana, dia ‘fahatafintohinana tamin’ny Jiosy [ilay hevitra hoe] voahombo tamin’ny hazo fijaliana i Kristy’. — 1 Korintiana 1:23.
Ny fihetsik’i Saoly teo anoloan’izany fampianarana izany dia ny hanohitra azy io amim-pahatapahan-kevitra lehibe araka izay azo natao. Na ny habibiana aza, dia tokony hampiasaina mba hamongorana azy io. Azony antoka fa izany no nirin’Andriamanitra. Nilaza toy izao i Saoly rehefa nilazalaza ilay toe-tsainy: “Araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana [aho]; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny” aho. “Fa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.” — Filipiana 3:6; Galatiana 1:13, 14.
Mpitarika ny fanenjehana
Taorian’ny nahafatesan’i Stefana, dia tsy mpanampy fotsiny intsony no nahafantarana an’i Saoly teo amin’ny sehatry ny fanenjehana, fa tena mpanohana nafana fo azy io kosa. Araka izany, dia tsy maintsy efa nalaza ratsy ihany izy matoa, na dia taorian’ny niovany finoana aza, tamin’ny fotoana nitadiavany hiray tamin’ny mpianatra, dia “natahotra azy [izy rehetra] ka tsy nino azy ho mpianatra”. Rehefa nanjary nazava fa tena Kristianina izy, dia nanjary antom-pifaliana ho an’ireo mpianatra sy nahavelom-pankasitrahana azy ireo ny niovan’i Saoly finoana. Araka ny ren’izy ireo tokoa, dia tsy hoe mpanohitra taloha iray tsotra fotsiny akory no niova fo, fa “ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny”. — Asan’ny Apostoly 9:26; Galatiana 1:23, 24, izahay no manao sora-mandry.
Any amin’ny 220 kilaometatra avy ao Jerosalema no misy an’i Damaskosy, izany hoe dia an-tongotra fito na valo andro. Na izany aza anefa, dia ‘nifofofofo fandrahonana sy famonoana ny mpianatra’ i Saoly, ka nandeha tany amin’ny mpisoronabe mba hangataka taratasy taminy ho an’ireo synagoga tany Damaskosy. Nahoana? Mba hahafahan’i Saoly hitondra am-patorana hankany Jerosalema an’izay rehetra hita ho anisan’izany “làlana” izany. Rehefa nahazo fankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy izy, dia “nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-trano-maizina”. ‘Nokapohiny tao amin’ny synagoga’ ny hafa, ary “nandatsa-bato” ho fanekena ny famonoana azy ireny izy. — Asan’ny Apostoly 8:3; 9:1, 2, 14, fanamarihana ambany pejy; 22:5, 19; 26:10.
Rehefa nandinika ny fianarana azon’i Saoly tamin’i Gamaliela sy ny fahefana nananan’i Saoly tamin’izany fotoana izany ny manam-pahaizana sasany, dia mihevitra fa mpianatra Lalàna tsotra fotsiny izy no nandroso ka tonga hatramin’ny fananana fahefana sasany teo anivon’ny Jodaisma. Notombanan’ny mpanoratra iray, ohatra, fa mety ho efa tonga mpampianatra tao amin’ny synagoga iray tao Jerosalema i Saoly. Na izany aza, dia tsy azontsika antoka izay tiana holazaina amin’ny hoe ‘nandatsaka ny vatony’ i Saoly — tsy azo antoka raha anisan’ny tao amin’ny fitsarana izy na naneho fotsiny tany an-tsainy fa nanohana ny famonoana ny Kristianina.a
Koa satria Jiosy na proselyta jiosy avokoa ny Kristianina tany am-piandohana, dia niharihary fa noraisin’i Saoly ho fivadiham-pinoana teo anivon’ny Jodaisma ny Kristianisma, ka nihevitra izy fa andraikitry ny Jodaisma ofisialy ny nanitsy an’ireo mpikambana tao aminy. “Azo antoka”, hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Arland J. Hultgren, “fa tsy noho ny fiheverany ny Kristianisma ho fivavahana ivelan’ny Jodaisma sy mpifaninana tamin’izy io, no nahatonga an’i Paoly mpanenjika hanohitra [ny Kristianisma]. Ilay fihetsiketsehana kristianina dia noheverin’ny tenany sy ny hafa ho mbola teo ambanin’ny fahefana jiosy.” Ny fikasany àry dia ny hanery an’ireo Jiosy naniasia mba handa ny finoany ka hiverina ho amin’ny foto-pinoana mahazatra, tamin’ny fampiasana izay fomba rehetra nisy teo am-pelatanany. (Asan’ny Apostoly 26:11). Ny fampidirana am-ponja no fomba iray azony nampiasaina. Ny fomba hafa iray dia ny kapoka natao tao amin’ny synagoga, fomba fifehezana iray nahazatra izay azo nampiasaina ho toy ny sazy noho ny tsy fankatoavana ny fahefan’ny raby teo anivon’ny fitsarana iray teo an-toerana izay nahitana mpitsara telo.
Nampitsahatra izany rehetra izany, mazava ho azy, ny nisehoan’i Jesosy tamin’i Saoly, teo amin’ny lalana mankany Damaskosy. Fahavalo lozan-tanin’ny Kristianisma i Saoly no niova tampoka ho mpiaro nafana fo azy io, ka tsy ela ny Jiosy tao Damaskosy dia nitady handatsaka ny ainy. (Asan’ny Apostoly 9:1-23). Nivadika ny rasa rehefa tonga Kristianina i Saoly, satria izy indray izao no hizaka zavatra maro izay nampihariny tamin’ny hafa fony izy mbola mpanenjika, hany ka taona maro tatỳ aoriana, dia afaka nilaza toy izao izy: “Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.” — 2 Korintiana 11:24.
Mety ho diso fiantefa ny zotom-po
“Izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory”. Izany no nosoratan’i Saoly, taorian’ny niovany finoana, tamin’ny fotoana izay nahafantarana azy kokoa tamin’ny hoe Paoly. “Kanefa nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.” (1 Timoty 1:13). Tsy antoky ny fananana ny fankasitrahan’Andriamanitra àry ny fahatsoram-po sy ny faharisihan’ny tena ao amin’ny fivavahan’ny tena. Be zotom-po sy nanao zavatra araka ny feon’ny fieritreretany i Saoly, nefa tsy nahatonga azy ho marina izany. Diso fiantefa ny zotom-po niredareda nasehony. (Ampitahao amin’ny Romana 10:2, 3.) Tokony hampisaintsaina antsika izany.
Olona maro amin’izao andro izao no miaiky tanteraka fa ny fananana fitondran-tena tsara no hany takin’Andriamanitra aminy. Izany ve anefa no izy? Fahendrena ho an’ny tsirairay ny mihaino ny fananaran’i Paoly, manao hoe: “Ataovy azo antoka ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara.” (1 Tesaloniana 5:21, NW ). Izany dia midika ho fakana fotoana mba hahazoana fahalalana marina momba ny Teny fahamarinan’Andriamanitra, sy fananana fiainana mifanaraka amin’izany. Raha takatsika avy amin’ny fandinihantsika ny Baiboly fa manana fiovana tokony hatao isika, dia tena tokony hanao izany tsy misy hataka andro isika. Vitsy amintsika angamba no nahavita ny vitan’i Saoly teo amin’ny fitenenan-dratsy na ny fanenjehana na ny fampahoriana. Na izany aza, dia amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny finoana sy ny fahalalana marina ihany no ahafahantsika mahazo sitraka amin’Andriamanitra, toa an’i Paoly. — Jaona 17:3, 17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay boky hoe The History of the Jewish People in the Age of Jesus Christ (175 B.C.–A.D. 135), nataon’i Emil Schürer, dia milaza fa na dia tsy mirakitra fitantarana na inona na inona mahakasika ny fomba fiasan’ny Synedriona Lehibe, na Synedriona Misy Mpikambana Iraika Amby Fitopolo, aza ny Mishnah, dia voalazalaza ao amin’ny an-tsipiriany kosa ireo fomba fiasan’ny Synedriona kely misy mpikambana 23. Azon’ireo mpianatra lalàna natao ny nanatrika ny fitsarana ireo raharaha nahavoaheloka ho faty, izay notarihin’ny Synedriona kely. Teo anivon’izy io, dia nomen-dalana tsy hiteny afa-tsy ny fiarovana an’ilay voaheloka, fa tsy ny fanamelohana azy, ireo mpianatra lalàna. Sady afaka niaro no nanameloka ireo mpianatra lalàna, tamin’ny raharaha izay tsy nifandray tamin’ny fandikan-dalàna nahavoaheloka ho faty.