-
Jehovah no mpanapaka antsika!Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Jolay
-
-
7. (a) Amin’ny heviny ahoana no hoe “nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany” i Jodasy? (b) Tamin’ny fomba ahoana no nahafatesan’i Jodasy?
7 Azo antoka fa tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpanapaka azy i Jodasy Iskariota. Namadika ny Zanak’Andriamanitra tokoa izy ho takalon’ny sekely volafotsy 30! Naverin’i Jodasy tany amin’ireo lohan’ny mpisorona izany vola izany, kanefa nilaza i Petera fa ilay mpamadika dia “nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany”. Fa nahoana? Satria izy no nanome ny vola sy ny antony hividianana ilay “Sahan-dra”, araka ny niantsoana azy io. Voamarina fa tany marina iray any atsimon’ny Lohasahan’i Hinoma io saha io. Koa satria simba tanteraka ny fifandraisany tamin’ilay Mpanapaka any an-danitra, dia “nananton-tena” izy. (Matio 27:3-10) Kanefa nety ho tapaka ilay tady na ilay rantsan-kazo, ka dia “potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka” rehefa nianjera tamin’ny vatolampy tsy nitovy tantana.
-