Mandehana amin’ny fahatahorana an’i Jehovah
“Nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy [ny kongregasiona] ka nihamaro hatrany.” — ASAN’NY APOSTOLY 9:31, MN.
1, 2. (a) Inona no nitranga rehefa nanam-piadanana ny kongregasiona kristiana? (b) Na dia navelan’i Jehovah hisy aza ny fanenjehana, dia inona ihany koa no nataony?
NIATRIKA fitsapana mafy indrindra ny mpianatra iray. Hitana ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra ve izy? Eny tokoa! Nandeha tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy, tamin’ny fahatahorana niharo fanajana ny Mpanao azy, ary maty tamin’ny naha-vavolombelona nahatokin’i Jehovah.
2 Io mpitana ny tsy fivadihany sady natahotra an’Andriamanitra io dia i Stefana, izay “lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina”. (Asan’ny apostoly 6:5) Ny famonoana azy dia niteraka onjam-panenjehana, kanefa taorian’izay dia nanam-piadanana ary nahazo fampaherezana ara-panahy ny kongregasiona eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria. Ambonin’izany, dia “nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy [izy] ka nihamaro hatrany.” (Asan’ny apostoly 9:31, MN ) Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika amin’izao andro izao, dia afaka matoky isika fa tahin’i Jehovah isika, na ao anatin’ny fiadanana isika na ao anatin’ny fanenjehana, araka ny asehon’ny Asan’ny apostoly toko faha-6 ka hatramin’ny toko faha-12. Koa aoka àry isika handeha amin’ny fahatahorana feno fanajana an’Andriamanitra rehefa enjehina, na hampiasa ny fiatoana kely amin’ny fanenjehana mba hampiorenana ny tenantsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ka hampitombo ny fanompoantsika azy. — Deoteronomia 32:11, 12; 33:27.
Mahatoky hatramin’ny farany
3. Zava-nanahirana inona no voalamina tany Jerosalema, ary tamin’ny fomba ahoana?
3 Na dia misy zava-manahirana aza mitranga mandritra ny fotoam-piadanana, dia ny fahaiza-mandamin-javatra tsara no afaka hanampy antsika handamina azy ireo. (6:1-7) Ireo Jiosy niteny grika tany Jerosalema dia nimenomenona fa hoe ireo mpitondratena teo aminy dia tsy mba niantrana toy ireo mpino jiosy niteny hebreo teo amin’ny fizarana sakafo isan’andro. Voalamina anefa io zava-nanahirana io rehefa nanendry lehilahy fito mba hikarakara izany raharaha “tsy azo avela” izany ireo apostoly. Ny iray tamin’izy ireo dia i Stefana.
4. Tamin’ny fomba ahoana no nandraisan’i Stefana ireo fiampangana lainga natao taminy?
4 Tsy ela anefa, dia niatrika fitsapana i Stefana, lehilahy natahotra an’Andriamanitra. (6:8-15, MN ) Nisy olona sasantsasany nitsangana mba hiady hevitra tamin’i Stefana. Ny sasany tamin’izy ireo dia avy tamin’ny “Synagogan’ireo olona afaka”, izay nety ho Jiosy babon’ny Romana ary afaka tatỳ aoriana na andevo tonga proselyta jiosy taorian’ny nahafaka azy. Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny fanahy izay nitenenan’i Stefana ireo fahavalony, ka nitondra azy tany amin’ny Synedriona. Tao dia nisy vavolombelona nandainga izay nilaza hoe: ‘Efa renay ity lehilahy ity nilaza fa handrava ny tempoly ary hanova ny fomba izay natolotr’i Mosesy i Jesosy.’ Ary anefa, na dia ireo mpanohitra azy aza dia nahita fa tsy mpanao ratsy i Stefana fa nanana ny tarehy tonin’ny anjely iray kosa, dia ny mpitondra hafatr’Andriamanitra manana antoka ny amin’ny fanohanany. Endrey ny fahasamihafany sy ny tarehin’izy ireo, izay feno faharatsiana satria nanolo-tena hanampy an’i Satana izy ireo!
5. Inona avy ireo fanazavana nomen’i Stefana tamin’ny fanaovany fanambarana?
5 Raha nanontanian’i Kaiafa mpisoronabe i Stefana dia nanao fanambarana tsy amin-tahotra. (7:1-53) Ny firesahany indray ny amin’ny tantaran’ny Isiraely dia nampiseho fa Andriamanitra dia nanam-pikasana ny hanilika ny Lalàna sy ny fanompoana tao amin’ny tempoly rehefa tonga ny Mesia. Nomarihin’i Stefana fa i Mosesy, ilay mpanavotra nihamboan’ny Jiosy rehetra fa nohajainy, dia nolavin’ireo Isiraelita, toy ny tsy naneken’izy ireo Ilay hitondra fanafahana lehibe lavitra. Tamin’ny filazana fa tsy mitoetra ao amin’ny trano nataon-tanan’olona Andriamanitra, i Stefana dia nampiseho fa ho foana ny tempoly sy ny fanompoam-pivavahana nifandray taminy. Kanefa noho ireo mpitsarany tsy natahotra an’Andriamanitra na naniry ny hahafantatra ny sitrapony, dia izao no nolazain’i Stefana: ‘Ry olona mafy hatoka, ianareo manohitra ny fanahy masina mandrakariva. Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny aza izay naminany ny fiavian’Ilay Marina, ary tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo.’
6. (a) Talohan’ny nahafatesany, fahitan-javatra inona no nanamafy ny finoan’i Stefana? (b) Nahoana i Stefana no afaka niteny tamin’ny fomba nety hoe: “Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko”?
6 Ny fanambarana nataon’i Stefana tsy amin-tahotra dia nitarika ho amin’ny famonoana azy. (7:54-60, MN ) Vinitra noho izany fanalana sarona ny naha-meloka azy ny amin’ny fahafatesan’i Jesosy izany ireo mpitsara. Kanefa nihamafy toy inona moa ny finoan’i Stefana rehefa ‘nibanjina ny lanitra izy ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra’! Izao i Stefana dia afaka niatrika ny fahavalony, natoky fa nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy. Na dia tsy mahazo fahitana toy izany aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia azontsika atao koa ny hanana ny fahatoniana avy amin’Andriamanitra rehefa enjehina. Raha nanomboka nitora-bato an’i Stefana tany ivelan’i Jerosalema ireo fahavalony, dia niantso toy izao izy: “Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.” Nety ny nanaovany izany satria efa nomen’Andriamanitra fahefana mba hanangana ny hafa ho amin’ny fiainana indray i Jesosy. (Jaona 5:26; 6:40; 11:25, 26) Teo am-pandohalehana i Stefana no nihiaka hoe: “Jehovah ô, aza isaina izao fahotany izao.” Ary dia nody mandry tamin’ny naha-maritiora azy izy, toy ny nataon’ny olon-kafa maro be hatramin’izay, na dia amin’izao androntsika izao koa aza.
Mampiely ny vaovao tsara ny fanenjehana
7. Inona no vokatry ny fanenjehana?
7 Ny fahafatesan’i Stefana raha ny marina dia niteraka fampielezana ny vaovao tsara. (8:1-4) Nampiparitaka ny mpianatra rehetra, afa-tsy ny apostoly, nanerana an’i Jodia sy Samaria, ny fanenjehana. I Saoly, izay nankasitraka ny famonoana an’i Stefana, dia nandrava ny kongregasiona toy ny biby, niditra isan-trano mba hisarika ireo mpanara-dia an’i Jesosy hampidirana azy an-tranomaizina. Kanefa raha nanohy nitory ihany ireo mpianatra nihahaka, dia voasakana ny fikasan’i Satana ny hampijanona ireo mpitory ilay Fanjakana natahotra an’Andriamanitra tamin’ny fanenjehana azy. Amin’izao andro izao koa, dia mazàna ny fanenjehana no nampiely ny vaovao tsara na nanintona ny sain’ny olona ho amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana.
8. (a) Inona no nitranga ho vokatry ny fitoriana natao tany Samaria? (b) Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Petera ny fanalahidy faharoa nankinin’i Jesosy taminy?
8 I Filipo evanjelista dia nankany Samaria mba ‘hitory an’i Kristy’. (8:5-25) Nisy fifaliana lehibe tao amin’io tanàna io raha nambara ny vaovao tsara, navoaka ny fanahy maloto ary nositranina ny vahoaka. Ireo apostoly tany Jerosalema dia naniraka an’i Petera sy Jaona hankany Samaria, ary rehefa avy nivavaka sy nametra-tanana teo amin’ireo natao batisa izy ireo, dia nahazo ny fanahy masina ireo mpianatra vaovao. I Simona mpanao ody taloha vao avy natao batisa dia nanandrana ny hividy izany fahefana izany, kanefa hoy i Petera taminy: ‘Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra ianao.’ Nasaina hibebaka sy hangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra izy ka dia nangataka tamin’ireo apostoly mba hivavahan’izy ireo ho azy. Izany dia tokony hanosika an’izay matahotra an’i Jehovah rehetra mba hivavaka mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra amin’ny fitandremana ny fo. (Ohabolana 4:23) (Avy amin’io zava-nitranga io no niavian’ny teny hoe “simonia”, dia ny “fividianana na fivarotana anjaraasa iray ao amin’ny fiangonana na fisondrotan-toerana ao amin’ny eglizy”.) Nanao fanambarana tany amin’ny tanàna kely maro tany Samaria ry Petera sy Jaona. Tany Samaria àry no nampiasan’i Petera ny fanalahidy faharoa nomen’i Jesosy azy mba hanokafana ny varavarana mitondra ho amin’ny fahalalana sy ny fahafahana hiditra ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. — Matio 16:19.
9. Iza moa ilay Etiopiana nanaovan’i Filipo fanambarana, ary nahoana no azo natao batisa izy?
9 Avy eo ny anjelin’Andriamanitra dia nanendry an’i Filipo mba hanao asa vaovao iray. (8:26-40, MN ) Tao anatin’ny kalesy iray teo amin’ny lalana avy tany Jerosalema nankany Gaza dia nisy “ionoka” iray, nanam-pahefana mpitahiry ny harena rehetran’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopiana. Tsy tena ionoka ara-bakiteny izay voarara tsy hiditra ny kongregasiona jiosy akory izy io, fa nankany Jerosalema mba hanompo tamin’ny naha-proselyta voafora azy. (Deoteronomia 23:2 [23:1, MN ]) Nahita ilay ionoka teo am-pamakiana ny bokin’i Isaia i Filipo. Nasainy niakatra teo amin’ny kalesy i Filipo ka niresaka taminy ny amin’ny faminanian’i Isaia ary “nanambara ny vaovao tsara ny amin’i Jesosy taminy.” (Isaia 53:7, 8) Tsy ela dia nihiaka ilay Etiopiana hoe: “Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Tsy nisy, satria efa nahafantatra an’Andriamanitra izy ary izao dia naneho finoana an’i Kristy. Nataon’i Filipo batisa àry ilay Etiopiana, izay nandeha tamin’ny nalehany avy teo. Misy manakana anao tsy hatao batisa ve?
Niova ny mpanenjika iray
10, 11. Inona no nitranga tamin’i Saoly avy tany Tarsosy teny an-dalana nankany Damaskosy ary fotoana fohy taorian’izay?
10 Nandritra izany fotoana izany, dia nitady izay handavan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny finoany i Saoly tamin’ny fandrahonana ny hanaovana azy an-tranomaizina na ny hamono azy. (9:1-18a, MN ) Ilay mpisoronabe (i Kaiafa angamba) dia nampitondra azy taratasy ho any amin’ny synagoga any Damaskosy mba hanome azy fahefana hitondra mifatotra any Jerosalema, lehilahy sy vehivavy anisan’ “Ny Lalana”, izany hoe ny fomba fiaina nifototra tamin’ny ohatr’i Kristy. Teo amin’ny roa ambin’ny folo antoandro teo anefa, tany akaikin’i Damaskosy, dia nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra ary nisy feo nanontany hoe: “Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?” Ireo olona niaraka tamin’i Saoly dia nahare “ny feo” nefa tsy nahafantatra izay nolazainy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 22:6, 9.) Io fanambarana voafetra ny amin’i Jesosy nomem-boninahitra io dia ampy mba hampahajamba an’i Saoly, nefa nampiasa an’i Ananiasy mpianatra Andriamanitra mba hampahiratra indray ny masony.
11 Taorian’ny nanaovana batisa azy, io mpanenjika taloha io dia nanjary nenjehina koa. (9:18b-25, MN ) Ireo Jiosy tany Damaskosy dia naniry ny hamono an’i Saoly. Kanefa tamin’ny alina izy dia nampidinin’ireo mpianatra avy teo amin’ny lavaka iray tao amin’ny manda, angamba tao anaty sobiky iray lehibe voarary tamin’ny tady na rantsan-kazo kely. (2 Korintiana 11:32, 33) Izany lavaka izany dia nety ho varavarankelin’ny tranon’ny mpianatra iray izay naorina teo amin’ilay manda. Ny fandosirana ny fahavalo toy izany mba hahafahana manohy mitory dia tsy mba fanaovan-javatra feno hakanosana velively.
12. (a) Inona no nitranga tamin’i Saoly tany Jerosalema? (b) Nanao ahoana ny kongregasiona?
12 Tany Jerosalema, i Barnabasy dia nanampy ireo mpianatra hafa mba hanaiky an’i Saoly ho mpino mpiara-dia amin’izy ireo. (9:26-31) Tao i Saoly dia niady hevitra tamim-pahasahiana tamin’ireo Jiosy niteny grika izay nitady ny hamono azy koa. Raha vao fantatr’ireo rahalahy izany dia nentiny ho any Kaisaria izy ary nampandehaniny ho any Tarsosy, tanàna niaviany tany Kilikia. Tamin’izay ny kongregasiona eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria dia ‘nanam-piadanana sady nandroso tsara’ teo amin’ny lafiny ara-panahy. Koa satria ‘nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina izy dia nihamaro hatrany.’
Nisy Jentilisa tonga mpino!
13. Fahagagana inona avy no nanomezan’Andriamanitra fahefana an’i Petera hotanterahiny tany Lyda sy tany Jopa?
13 I Petera koa dia nanohy nanao zavatra foana. (9:32-43) Tany Lyda (Lod ankehitriny) tany amin’ny lemak’i Sarôna izy dia nanasitrana an’i Enea izay voan’ny paralysisa. Nahatonga olona maro hitodika ho any amin’ny Tompo io fanasitranana io. Tany Jopa, ilay mpianatra malala natao hoe Tabita (Dorkasy) dia narary ka maty. Rehefa tonga tany i Petera, dia nasehon’ireo mpitondrantena nitomany azy, ireo akanjo izay nozairin’i Dorkasy ary nety ho nanaovan’izy ireo. Novelominy indray i Dorkasy, ary rehefa niely izany vaovao izany, dia maro be no tonga mpino. Tany Jopa, i Petera dia nijanona tao an-tranon’i Simona mpandon-koditra tany amoron-dranomasina. Nalonan’ireo mpandon-koditra tao anaty ranomasina ny hodi-biby ary nohosorany sokay talohan’ny hikikisany ny volony hiala. Novana ho hoditra voamboatra ireo hodi-biby tamin’ny fandonana azy tao anaty ranoka azo avy tamin’ny zavamaniry sasantsasany.
14. (a) Iza moa i Kornelio? (b) Inona no azo lazaina momba ireo vavaka nataon’i Kornelio?
14 Tamin’io fotoana io (36 am. fan. ir.), dia nisy zava-nitranga mendri-komarihina tany an-toeran-kafa. (10:1-8) Tany Kaisaria dia nisy lehilahy jentilisa iray nanana fitiavam-pivavahana natao hoe Kornelio, mpitari-tafika romana nifehy miaramila teo amin’ny zato teo. Izy no lehiben’ny “antokon’ny miaramila atao hoe Italiana”, izay nety ho voaforona mpilatsaka vaovao avy teo amin’ireo olom-pirenena romana ary lehilahy afaka tao Italia. Na dia natahotra an’Andriamanitra aza i Kornelia dia tsy proselyta jiosy izy. Tao amin’ny fahitana iray, dia nilazan’ny anjely iray izy fa “efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra” ireo vavaka nataony. Na dia mbola tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah aza i Kornelio, dia efa nahazo valiny ny vavaka nataony. Kanefa, araka ny nanoroan’ilay anjely lalana azy, dia nampiantso an’i Petera izy.
15. Inona no nitranga raha teo am-panaovana vavaka teo an-tafontranon’i Simona i Petera?
15 Nandritra izany fotoana izany i Petera dia nahazo fahitana raha mbola teo am-pivavahana teo an-tafontranon’i Simona. (10:9-23, MN ) Teo ambany tsindrimandry izy dia nahita toa lamba nidina avy tany an-danitra, feno zavaboary maloto manan-tongotra efatra sy zava-mandady sy mikisaka ary voro-manidina. Raha nomena torohevitra mba hamono azy ireo ka hihinana i Petera dia nilaza fa mbola tsy nihinana zavatra maloto mihitsy hatramin’izay. “Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady intsony”, hoy ny nolazaina taminy. Nahasakodiavatra an’i Petera io fahitana io, kanefa narahiny ihany ny torolalan’ny fanahy. Nanaraka ireo irak’i Kornelio àry izy sy ny rahalahy jiosy enina hafa. — Asan’ny apostoly 11:12.
16, 17. (a) Inona no nolazain’i Petera an’i Kornelio sy ireo tafangona tao an-tranony? (b) Inona no nitranga raha mbola teo am-pitenenana i Petera?
16 Izao àry dia tonga ny fotoana handrenesan’ireo Jentilisa voalohany ny amin’ny vaovao tsara. (10:24-43) Rehefa tonga tany Kaisaria i Petera sy ireo niaraka taminy, dia efa niandry azy i Kornelio sy ny havany ary ny tena sakaizany. Niankohoka teo an-tongotr’i Petera i Kornelio, kanefa nolavin’ilay apostoly tamim-panetren-tena izany fitsaohana izany. Niresaka ny amin’ny nanosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina sy ny hery an’i Jesosy ho Mesia izy ary nohazavainy fa izay rehetra mino azy dia hahazo famelan-keloka.
17 Teo àry dia niasa i Jehovah. (10:44-48, MN ) Raha mbola niteny i Petera, dia nalatsak’Andriamanitra tamin’ireo Jentilisa nino ireo ny fanahy masina. Teo no ho eo ihany dia naterak’Andriamanitra izy ireo ary nahazo tsindrimandry mba hiteny amin’ny fiteny vahiny ka hankalaza azy. Noho izany, dia natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba azo nekena izy ireo. Tamin’izay no nampiasan’i Petera ny fanalahidy fahatelo mba hanokafana ho an’ireo Jentilisa natahotra an’Andriamanitra ny varavarana mitarika ho amin’ny fahalalana sy ny fahafahana hiditra ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. — Matio 16:19.
18. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo rahalahy jiosy rehefa nanazava i Petera fa “natao batisa tamin’ny fanahy masina” ny jentilisa?
18 Tatỳ aoriana, tany Jerosalema, ireo mpanohana ny fanaovana famorana dia nila ady tamin’i Petera. (11:1-18, MN ) Kanefa rehefa nohazavainy fa ‘natao batisa tamin’ny fanahy masina’ ireo Jentilisa dia nanaiky ireo rahalahiny jiosy ka nankalaza an’Andriamanitra ary nilaza hoe: “Efa nomen’Andriamanitra ny olona avy amin’ireo firenena koa ny fibebahana hahazoany fiainana.” Tokony ho vonona ny hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra koa isika rehefa hazavaina amintsika izany.
Voaorina ny kongregasiona jentilisa
19. Inona no nitarika ho amin’ny fiantsoana ny mpianatra hoe kristiana?
19 Voaorina izao ny kongregasiona jentilisa voalohany. (11:19-26, MN ) Rehefa niparitaka ny mpianatra vokatr’ilay zava-nanahirana nitranga noho i Stefana, ny sasany dia nankany Antiokia, tany Syria, izay fantatra noho ny fanompoam-pivavahana naloto sy ny fahasimbana ara-pitondrantena tao aminy. Raha niresaka ny amin’ny vaovao tsara tamin’ireo olona niteny grika izy ireo, dia “nomba azy ireo ny tanan’i Jehovah”, ary maro no tonga mpino. Nampianatra tao herintaona ry Barnabasy sy Saoly, ary “tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana noho ny fitondran’Andriamanitra.” Tsy isalasalana fa noho ny fitarihan’i Jehovah no niantsoana azy toy izany, satria ny fampiasana ilay teny grika hoe khre·ma·tiʹzo, izay nadika hoe “fitondran’Andriamanitra”, ao amin’ny Soratra Masina dia mifandray amin’izay avy amin’Andriamanitra foana.
20. Inona no nolazain’i Agabo mialoha, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny kongregasiona tany Antiokia?
20 Ireo mpaminany natahotra an’Andriamanitra koa dia tonga tao Antiokia avy tany Jerosalema. (11:27-30) Ny iray taminy dia nantsoina hoe Agabo, izay “voatsindrin’ny fanahy (...) ka nilaza fa hisy mosary be eran’ny tany rehetra.” Tanteraka nandritra ny fanapahan’ilay emperora romana natao hoe Klaodio (41-54 am. fan. ir.) izany faminaniana izany, ary niresaka ny amin’io “mosary lehibe” io ilay mpanoratra tantara nantsoina hoe Josèphe. (Ireo Rakitry ny Ela Jiosy, anglisy, XX, 51 [ii, 5]; XX, 101 [v, 2]) Natosiky ny fitiavana ny kongregasionan’i Antiokia ka nandefa fanomezana ho an’ireo rahalahy nila fanampiana tany Jodia. — Jaona 13:35.
Tsy nahomby ny fanenjehana
21. Inona no nataon’i Heroda Agripa I tamin’i Petera, kanefa inona no vokany?
21 Nifarana ny fotoam-piadanana rehefa nanomboka nanenjika ireo natahotra an’i Jehovah tany Jerosalema i Heroda Agripa I. (12:1-11) Novonoin’i Heroda tamin’ny sabatra i Jakoba, angamba tamin’ny fanapahana ny lohany ka nanao azy ho ny apostoly maty martiora voalohany. Hitan’i Heroda fa sitraky ny Jiosy izany ka nampiditra an’i Petera tao an-tranomaizina izy. Toa nifatotra tamin’ny miaramila iray avy ny tanany roa, ary nisy miaramila roa hafa niandry ny efitra nipetrahany tao. Nanam-pikasana ny hamono azy taorian’ny Paska sy ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira i Heroda (Nisana 14-21), kanefa ny vavaka nataon’ny kongregasiona ho azy dia nahazo valiny tamin’ny fotoana nety, toy ny mitranga matetika amin’ny vavaka ataontsika. Hita izany rehefa nanafaka ilay apostoly tamin’ny fomba mahagaga ny anjelin’Andriamanitra.
22. Inona no nitranga rehefa nankany amin’ny tranon’i Maria, renin’i Marka, i Petera?
22 Tsy ela i Petera dia nankany amin’ny tranon’i Maria (renin’i Jaona Marka), izay toa toerana fanaovana fivoriana kristiana. (12:12-19) Tao amin’ny haizina, dia fantatr’ilay ankizivavy mpanampy natao hoe Roda ny feon’i Petera nefa navelany teo amin’ilay vavahady tsy nivoha izy. Tamin’ny voalohany dia nety ho nihevitra ireo mpianatra fa nandefa anjely mpitondra hafatra nampiseho an’i Petera izay naka ny feony Andriamanitra. Rehefa avy nampiditra an’i Petera anefa izy ireo, dia nasainy nanambara ny nanafahana azy tamin’i Jakoba sy ny rahalahy (angamba ny loholona) izy. Avy eo izy dia nandao azy ireo ka nandeha niafina ary tsy nanambara izay halehany mba tsy hampidi-doza ny tenany sy izy ireo raha sendra nisy nanontany. Tsy nahitana vokany ny fitadiavan’i Heroda an’i Petera, ka nosaziny ary novonoiny mihitsy aza angamba, ireo mpiambina.
23. Tamin’ny fomba ahoana no niafaran’ny fanapahan’i Heroda Agripa I, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
23 Tamin’ny 44 am. fan. ir., dia nifarana tampoka tany Kaisaria ny fanapahan’i Heroda Agripa I teo amin’ny faha-54 taonany. (12:20-25, MN ) Tezitra mafy tamin’ireo Fenisiana tany Tyro sy Sidona izy, satria nanakolikoly an’i Blasto mpanompony izy ireo mba handamina fihaonana aminy hahafahany mangataka fihavanana. “Tamin’ny andro voatendry” (izay andro firavoravoana hankalazana an’i Klaodio Kaisara ihany koa), i Heroda dia nanao akanjon’ny mpanjaka ka nipetraka teo amin’ny sezam-pitsarana ary nanomboka nanao kabary. Izao no antsoantson’ny mpihaino: “Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’ny olona!” Niaraka tamin’izay izy dia nasian’ny anjelin’i Jehovah “satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra.” “Nohanin’ny kankana [i Heroda] ka maty.” Enga anie io ohatra feno fampitandremana io ka hanosika antsika hanohy handeha amin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy handositra ny fireharehana ary hanome azy ny voninahitra noho izay vitantsika amin’ny maha-vahoakany.
24. Inona no hasehon’ny lahatsoratra manaraka iray momba ny fitarana?
24 Na dia teo aza ny fanenjehana nampiharin’i Heroda, dia “nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra.” Raha ny marina aza, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka iray, ireo mpianatra dia afaka nanantena fitarana fanampiny. Nahoana? Satria “nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah” izy ireo.
Ahoana no havalinao?
◻ Tamin’ny ahoana no nanehoan’i Stefana fa natahotra an’i Jehovah izy, toy ny nataon’ny mpanompon’Andriamanitra maro be hatramin’izay koa?
◻ Inona no vokatry ny fahafatesan’i Stefana teo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ary misy zavatra mifanitsy amin’izany ve amin’izao androntsika izao?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ilay mpanenjika natao hoe Saoly avy any Tarsosy hatahotra an’i Jehovah?
◻ Iza avy ireo Jentilisa voalohany tonga mpino?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny Asan’ny apostoly toko faha-12 fa tsy mampijanona ireo izay matahotra an’i Jehovah ny fanenjehana?
[Sary, pejy 16]
Nisy mazava nanelatrelatra avy tany an-danitra ary nisy feo nanontany hoe: “Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika ahy?”