Aza mitsahatra mampitandrina ny amin’ny asa tsy mahazatra an’i Jehovah
“Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy”. — ISAIA 28:21.
1, 2. Asa tsy nahazatra inona no notanterahin’i Jehovah ho an’ny vahoakany tamin’ny andron’i Davida?
FANAOVAN-JAVATRA hafahafa re izany! Asa faran’izay tsy mahazatra! Izany no nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany tamin’ny andro fahiny, tany amin’ny taonjato faha-11 al.fan.ir. Ary io fanaovan-javatra hafahafa io dia môdely ho an’ny asa mbola tsy mahazatra lavitra izay madiva hotanterahiny amin’ny hoavy tsy ho ela. Inona io fanaovan-javatra fahiny io? Taoriana kelin’ny niakaran’i Davida ho mpanjaka tao Jerosalema, dia nanomboka nanafika ny Filistina mpifanila toerana, ary izany no nitarika ilay fanaovan-javatra hafahafa avy amin’i Jehovah. Tamin’ny voalohany ny Filistina dia namely tampoka teny amin’ny lohasahan’ny Refaita. Nanontany an’i Jehovah i Davida ny amin’izay tokony hataony, ary nomena toromarika izy mba handeha hamely. Noho izy nankatò ny tenin’i Jehovah, dia nandresy tamim-pahamalinana ny tafika maherin’ny Filistina i Davida tao Bala-perazima. Tsy niaiky ho resy anefa ny Filistina. Tsy ela dia niverina nandrava sy nandroba bebe kokoa ihany tao amin’ny lohasahan’ny Refaita izy ireo, ary nitady indray ny fitarihan’i Jehovah i Davida.
2 Tamin’io indray mitoraka io, dia nasaina nankany ivohon’ny Filistina izy sy ny andia-miaramilany. Hoy i Jehovah: “Raha toa mahare fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama hianao, dia faingàna; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ny Filistina.” Ary izany no nitranga. Niandry i Davida mandra-pamoakan’i Jehovah feon’ny fingadongadon’olona teny amin’ny tendron’ny hazo balsama — angamba tamin’ny alalan’ny rivotra mahery. Avy hatrany dia nivoaka tampoka avy tao amin’ny fiereny i Davida sy ny andia-miaramilany ary nanafika ireo Filistina mbola variana, ka nandresy azy tamin’ny fandripahana lehibe. Ireo sampy fivavahana navelan’ireo Filistina teny amin’ny sahan’ady dia nangonina niaraka ka nopotehina. — 2 Samoela 5:17-25; 1 Tantara 14:8-17.
3. Nahoana ny fanaovan-javatra hafahafa avy amin’i Jehovah no nahaliana ny Jiosy tamin’ny andron’i Isaia, ary nahoana izy io no tokony hahaliana ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao?
3 Asa tsy nahazatra, fanaovan-javatra hafahafa notanterahin’i Jehovah hamelezana ny Filistina sy ho tombontsoan’ny mpanjaka voahosony izany. Io fanaovan-javatra niavaka io dia mahaliana indrindra satria nampitandrina ny mpaminany Isaia fa hanao zavatra hafahafa sy mahery mitovy amin’izany i Jehovah hamelezana ireo mpimamo ara-panahy teo amin’ny Joda. Noho izany, ireo filoha ara-pivavahana nivadika tamin’ny andron’i Isaia dia nila ny nihaino. Ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao dia tokony hitandrina koa satria izay nanjo ny Joda, dia môdely ho an’izay hitranga amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny farany.
“Fohy loatra ny farafara”
4, 5. a) Ahoana no nanazavan’i Isaia an-tsary ny toe-javatra nampananosarotra nisy ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny? b) Inona no mahatonga ny zava-tsarotra mahazo ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao?
4 Voalohany dia nahariharin’i Isaia ny zava-nisy hoe ny fifanarahana izay nitokian’ireo mpimamo ara-panahy fahiny ireo dia famitahana, lainga fotsiny. Avy eo, dia nohazavainy an-tsary ny toerana nampananosarotra nisy an’ireo nanantena an’io lainga io. Hoy izy: “Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ny olona ilamparana; ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.” (Isaia 28:20). Na iza na iza mitsotra eo amin’ny farafara izay fohy loatra dia mahita fa mivoaka any amin’ny hatsiaka ny tongony. Etsy an-danin’izany, raha mivonkina izy mba hifanaraka amin’ny hafohin’ny farafara, ny firakotra dia kely loatra ka mihanjahanja ihany ny tapany lehibe amin’ny vatany. Na ahoana na ahoana no ataony, dia ho any ivelany amin’ny hatsiaka ny tapany sasany amin’ny tenany.
5 Izany no toe-javatra nisy an’ireo nametraka ny fitokiany tamin’ny fialofana lainga tamin’ny andron’i Isaia, raha lazaina ara-panoharana. Izany koa no toe-javatra mampananosarotra misy an’ireo mametraka ny fitokiany amin’ny fialofana lainga ananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Any ivelany amin’ny hatsiaka izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. Tsy izao no fotoana tokony hitadiavana toe-piainana tsy mampananosarotra ao amin’ireo fandaharana nataon’izao tontolo izao ho amin’ny fiadanana sy filaminana. Tandindomin’ny asa fanamelohan’i Jehovah manatona, ireo fifanekena amin’ny mpanapaka ara-politika dia tsy hitondra toe-piainana tsy mampananosarotra mafana ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Fanaovan-javatra hafahafa avy amin’i Jehovah
6. Amin’ny fomba ahoana no hanaovan’i Jehovah asa hamelezana ny Joda, ary ahoana no hataony amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
6 Rehefa nilazalaza an-tsary ny toe-javatra nampananosarotra nisy an’i Jerosalema nivadika tamin’ny androny — sy ny an’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika ankehitriny — i Isaia, dia nanohy niteny hoe: “Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasaha akaikin’i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany — hafahafa ny asany — ary hahavitany ny ataony — tsy mahazatra ny ataony.” (Isaia 28:21, MN). Eny, nampitandrina i Isaia fa tsy ho ela i Jehovah dia hitsangana toy ny nataony tany Bala-perazima. Amin’io indray mitoraka io anefa, dia hanao zavatra hamelezana ny vahoakany nivadika izy, ary hanao izany izy toy ny riaka misasasasa tsy azo sakanana izay misesika hivoaka eo amin’ny tresaka amin’ny tohodrano madiva hirodana iray. Hiharihary ho tsy manan-kery sy tsinontsinona ny fanekena nataon’i Jerosalema tamin’ny fahafatesana. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, i Jehovah dia hanao zavatra hamelezana ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny hoavy tsy ho ela, ka ho hitany fa ny fifanarahana mahamamo rehetra nataony tamin’izao tontolo izao dia tsy misy dikany. Hitresaka ny fandaminany lehibe ary hiparitaka ireo mpikambana ao aminy. Hodorana tanteraka ireo andriamani-disony.
7. Nahoana ny fikasan’i Jehovah mikasika ny Joda no lazaina hoe “hafahafa” sy “tsy mahazatra”?
7 Nahoana i Isaia no niantso ny famelezan’i Jehovah an’i Jerosalema ho asa hafahafa sy tsy mahazatra? I Jerosalema dia foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ary tanànan’ireo mpanjaka voahosotr’i Jehovah. (Salamo 132:11-18). Amin’ny maha-izany azy, dia mbola tsy noravana mihitsy izy taloha. Mbola tsy nodorana mihitsy ny tempoliny. Ny fanjakan’ny ankohonan’i Davida, rehefa naorina tao Jerosalema dia mbola tsy naongana mihitsy. Tsy azo noheverina ny zavatra toy izany. Faran’izay tsy nahazatra izany hoe i Jehovah dia nihevitra ny hamela izany zavatra izany hitranga.
8. Fampitandremana inona no nomen’i Jehovah mikasika ny asa tsy mahazatra hataony?
8 Nanome fampitandremana araka ny rariny tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny anefa i Jehovah fa nadiva hitranga ny fisehoan-javatra nahatafintohina. (Mika 3:9-12). Ny mpaminany Habakoka izay niaina tamin’ny taonjato faha-7 al.fan.ir., ohatra, dia nilaza hoe: “Jereo any amin’ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza. Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, izay mamaky eran’ny tany hahazoany fonenana izay tsy azy. Mahatsiravina sy mahatahotra izy”. — Habakoka 1:5-7.
9. Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny fampitandremany an’i Jerosalema?
9 Tamin’ny 607 al.fan.ir., dia notanterahin’i Jehovah ny fampitandremany. Rehefa namela ny tafika babyloniana ho tonga hamely an’i Jerosalema izy, dia navelany horavan’ireo ny tanàna sy ny tempoly niaraka. (Fitomaniana 2:7-9). Ambonin’izany, dia navelany i Jerosalema ho rava fanindroany. Nahoana? Taorian’ny 70 taona nahababoana, dia nisy Jiosy nibebaka niverina tany an-tanindrazany, ary tatỳ aoriana dia naorina tao Jerosalema ny tempoly hafa iray. Mbola niala tamin’i Jehovah indray anefa ireo Jiosy. Tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., dia notononin’i Paoly tamin’ireo Jiosy tamin’ny androny ny tenin’i Habakoka, nampitandrina azy ireo tamin’izany fa tsy maintsy hisy fahatanterahan’ilay faminaniana amin’ny hoavy. (Asan’ny apostoly 13:40, 41). Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nampitandrina manokana fa horavana i Jerosalema sy ny tempoliny noho ny tsy fahampiam-pinoan’ireo Jiosy. (Matio 23:37–24:2). Moa ve nihaino ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ireo? Tsia. Sahala amin’ireo razambeny, dia nolaviny tanteraka ny fampitandreman’i Jehovah. Noho izany, dia namerina ny asany hafahafa i Jehovah. Noravana tamin’ny alalan’ny miaramila Romana tamin’ny taona 70 am.fan.ir. i Jerosalema sy ny tempoliny.
10. Ahoana no hamelezan’i Jehovah ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny hoavy tsy ho ela?
10 Nahoana àry no tokony hisy hihevitra fa tsy hanao zavatra mitovy amin’izany i Jehovah amin’izao androntsika izao? Ny zava-misy dia izao: hanatanteraka ny fikasany izy na dia toa hafahafa sy tsy mahazatra ho an’ireo misalasala aza izany. Amin’ity indray mitoraka ity, ny hiharan’ny asany dia ny fivavahana lazaina fa kristiana izay, sahala amin’ny Joda fahiny, dia mihambo ho manompo an’Andriamanitra kanefa nanjary nikororosy tamin’ny fomba tsy misy fanafany. Amin’ny alalan’ilay Davida Lehibe, i Jesosy Kristy, i Jehovah dia hamely ireo “Filistina” ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny ora tsy hampoizin’izy ireo. Hanatanteraka ny asany tsy mahazatra izy mandra-pahafoanan’ny sisa tsy rava farany amin’ny fandehan-javatra ara-pivavahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. — Matio 13:36-43; 2 Tesaloniana 1:6-10.
Fampitandremana ny amin’ny asan’i Jehovah
11, 12. Ahoana no nampitandreman’ny Vavolombelon’i Jehovah ny amin’ny fitsarana hataon’i Jehovah?
11 An-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampitandrina ny amin’io asa fitsarana ho avy hataon’i Jehovah io. Nohazavain’izy ireo fa ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 al.fan.ir. ary avy eo indray tamin’ny 70 am.fan.ir., dia fampitandremana ara-paminaniana ny amin’izay hitranga amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ambonin’izany, noporofoin’izy ireo fa ny fivavahana lazaina fa kristiana, noho ny fivadiham-pinoana nataony, dia tonga anisan’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, Babylona Lehibe. Noho izany, ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’i Babylona Lehibe dia hihatra manokana amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, satria izy no tapany meloka indrindra amin’io fandaminan’i Satana fitambaram-pinoana samy hafa io. — Apokalypsy 19:1-3.
12 Nasongadin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampitandremana ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly fa, amin’ny fotoana voatendrin’i Jehovah, ireo sakaiza ratsin’i Babylona Lehibe ara-politika dia hamely azy. Tamin’ny fanoharana azy ireo amin’ny tandroka folon’ilay biby dia mivolon-jaky, ny Apokalypsy dia mampitandrina toy izao: “Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga [Babylona Lehibe] ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:16). Ny fivavahana lazaina fa kristiana dia hodorana sy horavana miaraka amin’ny fivavahan-diso hafa rehetra. Izany dia ho fanaovan-javatra hafahafa avy amin’i Jehovah, ny asany tsy mahazatra amin’izao androntsika izao.
13. Amin’ny ahoana ny fihetsika eo anatrehan’ny fampitandreman’i Jehovah amin’izao andro izao no nitovy tamin’izay hitan’i Isaia?
13 Rehefa mitondra ny fampitandremana momba io loza amin’antambo ho avy io ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mazàna mifanehatra amin’ny hehy fanarabiana. Manontany tena ny olona hoe: mihevi-tena ho iza àry ireo no milaza zavatra toy izany? Toa tsy mihilangilana sy miorina tsara aoka izany ny fivavahana lazaina fa kristiana. Misy mahatsapa fa nihatsara mihitsy aza ny toerana misy azy. Ireo fitondram-panjakana izay nampijaly azy taloha dia namela hanana fahafahana hanao zavatra bebe kokoa tato ho ato. Raha ny marina anefa, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tokony hanaraka ny torohevitr’i Isaia hoe: “Koa dia aza maniratsira intsony hianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’i Jehovah, Tompon’ny maro, hamelezana ny tany rehetra.” — Isaia 28:22; 2 Petera 3:3, 4.
14. Ahoana no hahatonga ny famatorana ny fivavahana lazaina fa kristiana ho mafy sy tery kokoa?
14 Amin’ny ankamaroany, dia hanohy hanohitra ny Mpanjaka sy ny Fanjakana ny fivavahana lazaina fa kristiana. (2 Tesaloniana 2:3, 4, 8). Amin’izay fotoana izay ihany anefa, dia hanjary hihamafy sy hihatery kokoa ny famatorana azy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hanjary ho azo antoka kokoa hatrany ny fandringanana azy. I Jehovah dia tsy hanatsoaka ny fanapahan-keviny handrava ny fivavahana lazaina fa kristiana toy ny tsy nanatsoahany ny fanapahan-keviny hamela ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 al.fan.ir.
“Mialà aminy”
15. Lalana ahafahana mandositra inona no misokatra ho an’ireo manana fo mahitsy?
15 Ahoana ho ahafahan’ny olona handositra ny anjara miandry ny fivavahana lazaina fa kristiana? Taloha, tamin’ny andron’ny Isiraely, i Jehovah dia naniraka mpaminany nahatoky mba hamerina ireo olona nahitsy fo ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Amin’izao andro izao, dia nanangana ny Vavolombelony izay miisa ho an-tapitrisany maro izao izy noho ny fikasana mitovy amin’izany. Ahariharin’izy ireo tsy amin-tahotra ny toe-piainana maty ara-panahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Amin’ny fanaovana toy izany, izy ireo dia mamerina amim-pahatokiana ireo loza toy ny fanambarana avy amin’ny fanenon’ny trompetran’anjely ao amin’ny Apokalypsy toko faha-8 sy faha-9. Ambonin’izany, nataony fanta-bahoaka tamim-pitandremana ilay fananarana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 18:4 manao hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, (...) mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” Ny teny hoe “aminy” dia manondro an’i Babylona Lehibe eto, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ka ny tapany lehibe indrindra aminy dia ny fivavahana lazaina fa kristiana.
16. Tamin’ny fomba ahoana no nandosiran’ny olona an-tapitrisany maro avy tao amin’ny fivavahan-diso?
16 Hatramin’ny 1919, ary indrindra nanomboka tamin’ny 1922, dia nisy vahoakan’ny olona mpandefitra nitombo isa hatrany namaly izany fampirisihana izany, ka nandao an’i Babylona Lehibe. Voalohany dia an’arivony maro, avy eo dia ana hetsiny maro, ary amin’izao fotoana izao dia an-tapitrisany maro no nisaraka tamin’ny fivavahan-diso, indrindra tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary nandositra nankany amin’ny fanompoam-pivavahana madio. (Isaia 2:2-4). Fantany fa amin’ny fandaozana toy izany an’i Babylona Lehibe ihany no ahafahan’izy ireo manalavitra ny ho voan’ireo loza manjo azy, izay hahatratra ny fara heriny amin’ny fandringanana azy rehefa tonga ny fotoana hahatanterahan’ny asa tsy mahazatra an’i Jehovah.
17, 18. Ahoana no nahatongavan’i Jehovah ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny vahoakany?
17 Nilazalaza ny toe-javatra mahafaly misy ireo miandany amin’ny fivavahana madio i Isaia mpaminany. Hoy izy hoe: “Ary amin’izany andro izany Jehovah, Tompon’ny maro, dia ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa, ary ho fanahy fitsarana [fanahin’ny rariny, MN] ho an’izay mipetraka eo amin’ny fitsarana, sy ho hery ho an’izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.” — Isaia 28:5, 6.
18 Noho ny fifikirany amin’ny fahamarinana, i Jehovah dia ilay satroboninahitra rehareha tsy mety maty ho an’ireo mpikambana amin’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. Marina indrindra izany hatramin’ny 1926. Tamin’io taona io, ny nomerao 1 Janoary amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia nanoritra ny ilàna mafy hankalaza ny anaran’i Jehovah tao amin’ny lahatsoratra nampientam-po iray nitondra ny lohateny hoe: “Iza no hanome voninahitra an’i Jehovah?” Hatramin’izay, ireo kristiana voahosotra dia nampiely mbola tsy nisy toy izany io anarana io maneran-tany. Tamin’ny 1931, dia nanjary nampifandraisina akaiky kokoa ihany tamin’i Jehovah izy ireo tamin’ny fandraisany ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Ambonin’izany, dia nisy vahoaka betsaka amin’ny ondry hafa nivoaka koa avy tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny sisa amin’i Babylona Lehibe. Ireo koa dia nitondra ny anaran’Andriamanitra. Inona no vokany? Ny tenan’i Jehovah mihitsy — fa tsy fahaleovantena ara-pirenena vonjimaika sasany — no tonga satroboninahitra tsara tarehy sy fehiloha firavaka ho an’ny olona maherin’ny efatra tapitrisa any amin’ny tany sy nosy eo amin’ny 212 eo ho eo. Voninahitra ho azy ireo toy inona moa ny mitondra ny anaran’ilay hany Andriamanitra velona sady marina! — Apokalypsy 7:3, 4, 9, 10; 15:4.
“Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra eo aminy”
19. Iza ilay mipetraka eo amin’ny fitsarana, ary ahoana no nahatongavan’i Jehovah ho fanahin’ny rariny ho azy?
19 Ho an’i Jesosy “izay mipetraka eo amin’ny fitsarana”, i Jehovah dia tonga “fanahin’ny rariny”. Fony tetỳ an-tany i Jesosy, dia tsy nanaiky ho resin’ny fanahy nahamamon’ireo fifaneken’izao tontolo izao izy. Amin’izao andro izao, amin’ny maha-Mpanjaka voatendrin’i Jehovah nahazo fiandrianana azy, dia feno ny fanahy masina izay mitarika azy hanao fanapahan-kevitra voalanjalanja sy amim-pahaiza-manavaka izy. Tanteraka tamin’i Jesosy ilay faminaniana hoe: “Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah”. (Isaia 11:2). Marina tokoa fa, amin’ny alalan’i Jesosy, i Jehovah dia hanao ny “rariny ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao”. (Isaia 28:17, MN). Raha ho eo am-pilentehana ao anatin’ny fandringanana ireo fahavalo mamo ara-panahy, dia hampiharana ny rariny ny anarana masin’i Jehovah sy ny fiandrianany manerana izao rehetra izao.
20, 21. Inona no vokatr’ireo teny ao amin’ny Isaia 28:1-22 eo aminao?
20 Mahatalanjona tokoa ny hevitr’io faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-28 io ho antsika amin’izao andro izao! Raha mitoetra lavitra ireo mpimamo ara-panahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana isika ka mifikitra amin’ny fanompoam-pivavahana madio, dia ho voaro rehefa hanao ny asany hafahafa sy tsy mahazatra i Jehovah. Endrey ny hafaliantsika mahafantatra izany! Ary toy inona ny hasambarantsika misaintsaina fa rehefa hitranga izany zavatra izany, dia ho voatery hahalala ny tsirairay fa nanao asa ho an’ny vahoakany mahatoky sy ho fanamarinana ny tenany i Jehovah Tompon’ny maro, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy! — Salamo 83:17, 18.
21 Koa enga anie, ny kristiana marina rehetra hanohy tsy amin-tahotra hampitandrina ny amin’ny fanaovan-javatra hafahafa avy amin’i Jehovah. Aoka izy ireo haharitra hilaza ny asany tsy mahazatra. Toy ny ataony, dia aoka izy ireo hanambara amin’ny rehetra fa ny fanantenantsika tsy azo hozongozonina dia ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mpanjaka nomeny fiandrianana. Enga anie ny zotom-pony sy ny fahatapahan-keviny ary ny fahatokiany handray anjara amin’ny fiderana mandrakizay an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika Tsitoha. — Salamo 146:1, 2, 10.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no ao anatin’ny toe-javatra mampananosarotra?
◻ Inona no nokasain’i Jehovah hatao ho an’i Jerosalema, ary nahoana izany no “hafahafa” sy “tsy mahazatra”?
◻ Fampitandremana inona no naelin’ny Vavolombelon’i Jehovah mikasika ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary fihetsika nanao ahoana no natrehin’izy ireo?
◻ Ahoana no ahafahan’ny olona handositra ny anjara miandry ny fivavahana lazaina fa kristiana?
[Sary, pejy 24]
Hamerina ny asany hafahafa i Jehovah, amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ity indray mitoraka ity