-
Tadiavo izay rehetra manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 15 Aprily
-
-
2. Inona no manana ny fotony ao amin’ny fon’ny olona ara-panoharana, ary araka izany, inona no vakintsika momba izany ao amin’ny Soratra masina?
2 Mampiseho fihetsika iray mampiavaka azy ny olona iray. Manana fironan’ny sainy manokana izay manana ny fotony ao amin’ny fony ara-panoharana izy. (Matio 12:34, 35; 15:18-20). Araka izany, dia mamaky isika ny amin’ny olona iray izay “ady no ao am-pony”. (Salamo 55:21). Ilazana isika fa “ny olona manana fironan’ny saina ho amin’ny fisafoahana dia be fahadisoana.” Ary mamaky koa isika hoe: “Misy mpinamana manana fironan’ny saina hifandringana, fa misy sakaiza tia, izay mifikitra kokoa noho ny rahalahy aza.” (Ohabolana 18:24, MN; 29:22, MN). Mahafaly fa misy olona maro izay miseho ho tahaka ny Jentilisa sasany tany Antiokia any Pisidia fahiny. Raha vao nahare momba ny fandaharan’i Jehovah ho amin’ny famonjena izy ireo, dia “faly (...) ka nankalaza ny tenin’i Jehovah; ary izay rehetra nanana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tonga mpino.” — Asan’ny apostoly 13:44-48, MN.
-
-
Tadiavo izay rehetra manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 15 Aprily
-
-
Manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay any an-danitra na eto an-tany lasa paradisa izy ireo. — Lioka 23:43, MN. 1 Korintiana 15:50-57; 1 Petera 1:3-5.
5. Ahoana ihany no ahafahan’ny olona iray ho tonga mpino sy mpanara-dia marina an’i Jesosy Kristy?
5 Ireo izay tsy manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy ho tonga mpino. Tsy afaka maneho finoana izy ireo. (2 Tesaloniana 3:2). Ambonin’izany, dia tsy misy olona afaka ny ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesosy Kristy raha tsy mety ampianariny izy ary koa raha tsy taomin’i Jehovah, izay mahita ny fo, izany olona izany. (Jaona 6:41-47). Mazava ho azy fa, rehefa mitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mitsara na iza na iza mialoha. Tsy afaka mamaky ny fo izy ireo fa mametraka ny ho fiafaran-javatra eo am-pelatanan’Andriamanitra be fitiavana.
-