TOKO 16
Mpirahalahy Miray Saina
NY ISRAELITA ihany no vahoaka nofidin’i Jehovah Andriamanitra hitondra ny anarany, nandritra ny 1 500 taona teo ho eo. “Nanaiky an’ireo hafa firenena, mba hakany olona avy amin’izy ireo hitondra ny anarany” anefa izy, tatỳ aoriana. (Asa. 15:14) Lasa Vavolombelony ilay vahoaka mitondra ny anarany. Miray saina izy ireo ary mitovy ny zavatra ataony, na aiza na aiza misy azy. Ahoana no nahatonga an’izany? Noho ilay didy nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe: “Mandehana àry, ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina izy ireo, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.”—Mat. 28:19, 20.
Lasa anisan’ny mpirahalahy kristianina eran-tany, izay miray saina, ianao. Tsy avelan’izy ireo hampisara-bazana azy ireo ny firenena sy foko iaviany na fari-pianana misy azy
2 Lasa mpianatr’i Jesosy Kristy ianao, rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Lasa anisan’ny mpirahalahy kristianina eran-tany, izay miray saina, ianao. Tsy avelan’izy ireo hampisara-bazana azy ireo ny firenena sy foko iaviany na fari-pianana misy azy. (Sal. 133:1) Manjary tia sy manaja ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana àry ianao, na dia tsy mitovy volon-koditra na firenena na fahaizana aminao aza ny sasany aminy. Mety ho sarotra taminao ny niaraka tamin’ny olona toy izany taloha, nefa lasa tena mifankatia ianareo izao. Mbola mifankatia lavitra noho ny mpianakavy na mpiara-monina na mpiara-mivavaka hafa mihitsy aza ianareo.—Mar. 10:29, 30; Kol. 3:14; 1 Pet. 1:22.
MILA OVANA NY TOE-TSAINA
3 Mety ho efa raiki-tampisaka amintsika ny hoe manavakavaka karazan’olona sasany, ka mety ho sarotra amintsika ny hiala amin’ilay izy. Afaka maka fianarana avy amin’ireo Kristianina jiosy fahiny isika amin’izay. Nanavakavaka olona avy tamin’ny firenen-kafa mantsy izy ireo taloha, nefa tsy nanao an’izany intsony. Rehefa naniraka an’i Petera ho any an-tranon’i Kornelio, manamboninahitra romanina, ohatra, i Jehovah dia nampiomana ny sainy mialoha, mba hahafahany hamita an’ilay asa nanendrena azy.—Asa., toko 10.
4 Nataon’i Jehovah nahita fahitana i Petera. Nisy biby noheverin’ny Jiosy fa naloto, nefa nasaina novonoiny sy nohaniny. Tsy nety i Petera, ka nisy niteny taminy avy tany an-danitra hoe: “Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.” (Asa. 10:15) Azo inoana hoe tsy ho nanaiky hitsidika olona hafa firenena mihitsy i Petera, raha tsy nisy an’io zavatra nasehon’Andriamanitra azy io. Nanaiky ny toromarik’i Jehovah anefa izy, ka niteny tamin’ireo olona tafavory teo hoe: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny mifanerasera amin’ny hafa firenena na ny manatona azy. Nasehon’Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho. Ka dia tonga aho, ary tsy nanda mihitsy rehefa nampanalaina.” (Asa. 10:28, 29) Nahita porofo i Petera taorian’izay hoe tena nankasitrahan’i Jehovah i Kornelio sy ny fianakaviany.
5 Toy izany koa i Saoly avy any Tarsosy. Fariseo izy ary nahita fianarana be, nefa tsy maintsy nanetry tena mba hiaraka amin’ireo olona tsy tiany hiarahana taloha. Nisy fotoana aza izy tsy maintsy naka torohevitra tany amin’ny olona toy izany. (Asa. 4:13; Gal. 1:13-20; Fil. 3:4-11) Tsy maintsy nanova ny toe-tsainy koa ny olona sasany fahiny, rehefa nanaiky ny vaovao tsara sy lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. Anisan’izany i Sergio Paolo, Dionysio, Damary, Filemona, ary Onesimosy.—Asa. 13:6-12; 17:22, 33, 34; Filem. 8-20.
MIEZAKA MIRAY SAINA NY VAHOAKAN’I JEHOVAH ERAN-TANY
6 Azo antoka fa lasa tena te hifandray amin’i Jehovah sy ny fandaminany ianao, rehefa nahita hoe tia anao ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana. Voamarikao hoe tena mpianatr’i Jesosy Kristy izy ireo, satria tena mifankatia sy manaraka an’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Vao mainka tia an’i Jehovah sy ny fandaminany koa ianao, rehefa nahalala hoe ny vahoakan’i Jehovah eran-tany mihitsy no mifankatia fa tsy hoe ny eo anivon’ny fiangonanao ihany. Anisan’ireo olona angonin’i Jehovah ianao noho izany. Misy faminaniana milaza mantsy fa hanangona olona hivavaka aminy i Jehovah, ary hihavana sy hiray saina izy ireo.—Mika 4:1-5.
7 Tena misara-bazana ny olona ankehitriny noho ny antony maro. Tsy mampino àry ny hoe hisy olona miray saina, nefa avy amin’ny “firenena sy foko sy firazanana ary fiteny rehetra.” (Apok. 7:9) Tsy mitovy mihitsy, ohatra, ny olona zatra mampiasa fitaovana maoderina sy ireo mifikitra amin’ny fomban-drazana. Misy indray mba iray foko sy iray tanindrazana ihany, nefa mifandrafy satria tsy mitovy fivavahana. Ny politika anefa no vao mainka mampisara-bazana ny olona ankehitriny, satria samy manindrahindra ny taniny ny olona. Eo koa ny fari-piainana sy ny zavatra maro hafa mahatonga ny olona tsy hifankatia na hiray saina. Rehefa mieritreritra an’izany rehetra izany ianao, dia hoatran’ny tsy hino mihitsy hoe hisy izany olona tena mifankatia sy mihavana izany, nefa samy hafa fiaviana sy fiteny ary saranga. Fahagagana izany raha hisy, ary ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ihany no hahavita an’izany.—Zak. 4:6.
8 Tena misy anefa ny olona miray saina toy izany. Anisan’izy ireo ianao rehefa nanokan-tena sy lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Tombontsoa ny hoe anisan’ny olona miray saina toy izany, nefa misy andraikitra koa. Ilaina, ohatra, ny manaraka an’ilay torohevitry ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatianina 6:10 hoe: “Raha mbola afaka manao soa ihany isika, dia tokony hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” Ilaina koa ny mampihatra an’ity torohevitra ity: “Aza tia ady na mirehareha, fa manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa. Ary aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.” (Fil. 2:3, 4) Hihavana sy hifandray tsara amin’ny hafa foana isika, raha miezaka hanana ny fomba fijerin’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy, fa tsy hifantoka amin’ny fahalemeny.—Efes. 4:23, 24.
MIFAMPIAHY
9 Hita amin’ilay fanoharana nataon’ny apostoly Paoly fa tena tafaray ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana ary mifampiahy. (1 Kor. 12:14-26) Mitady izay hahasoa an’ireo mpiara-manompo amintsika eran-tany isika, na dia lavitra be aza ny toerana misy azy. Tena malahelo isika rehetra, raha misy mpiray finoana amintsika enjehina. Raha sahirana ara-bola na tra-boina na ao amin’ny tany misy ady koa ny sasany amintsika, dia isika rehetra no mitady fomba hanampiana na hampaherezana azy ireo.—2 Kor. 1:8-11.
10 Tokony hivavaka ho an’ny rahalahintsika isika rehetra isan’andro. Misy, ohatra, alaim-panahy hanao ratsy. Be mpahafantatra ny zavatra iaretan’ny Kristianina sasany. Ny an’ny hafa kosa mety tsy ho hoatr’izany, satria mety ho ny mpiara-miasa aminy na ny havany tsy Vavolombelona no manenjika azy. (Mat. 10:35, 36; 1 Tes. 2:14) Hoatran’ny hoe isika mihitsy no iharan’izany, satria mpirahalahy maneran-tany isika. (1 Pet. 5:9) Misy indray ireo miasa mafy eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ka mitarika ny asa fitoriana sy miandraikitra fiangonana. Eo koa ireo voatendry hiandraikitra ny asa maneran-tany. Tokony hivavaka ho azy rehetra ireny isika. Asehontsika amin’izany fa tena tia sy mitady izay hahasoa an’ireo rahalahintsika isika, na dia tsy misy zavatra hafa azontsika atao aza mba hanampiana azy.—Efes. 1:16; 1 Tes. 1:2, 3; 5:25.
11 Mikorontana be izao tontolo izao amin’izao andro farany izao, ka tsy maintsy vonona hifanampy ny vahoakan’i Jehovah. Mety hilaina indraindray ny manome fanampiana be dia be ho an’ny tra-boina, rehefa misy loza mitranga toy ny horohoron-tany sy tondra-drano. Nanome ohatra tsara momba izany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nanaraka ny torohevitr’i Jesosy ireo mpianatra tany Antiokia, ka nandefa fanampiana ho an’ireo rahalahy tany Jodia. (Asa. 11:27-30; 20:35) Nentanin’ny apostoly Paoly ny Korintianina, tatỳ aoriana, mba hanohana an’ilay fandaharana, izay efa voalamina tsara. (2 Kor. 9:1-15) Tonga dia manome fanampiana koa ny fandaminana sy ny Kristianina hafa, rehefa misy rahalahy tra-boina na tratran’ny zava-manahirana hafa.
VOATOKANA HANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH
12 Mpirahalahy miray saina isika rehetra eran-tany, ary voalamina mba hanao ny sitrapon’i Jehovah. Inona moa izao no sitrapony? Tiany hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. (Matio 24:14) Tian’i Jehovah koa raha manaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena isika, rehefa manao an’io asa io. (1 Pet. 1:14-16) Tokony ho vonona hanaiky fahefana isika rehetra, ary hanao izay azo atao mba hampandrosoana ny vaovao tsara. (Efes. 5:21) Izao indrindra isika no tokony hikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana, fa tsy hitady izay hahasoa antsika manokana fotsiny. (Matio 6:33) Ho afa-po isika dieny izao ary ho afaka hiaina mandrakizay, raha mitadidy an’izany sady miara-miasa amin’ireo rahalahy mba hampandrosoana ny vaovao tsara.
13 Miavaka amin’ny olon-drehetra tokoa isika Vavolombelon’i Jehovah, satria vahoaka madio sady mazoto manompo an’ilay Andriamanitsika. (Tit. 2:14) Ny fivavahantsika no mahatonga antsika hiavaka. Tsy vitan’ny hoe miara-miasa tsara amin’ny rahalahintsika eran-tany isika, fa mampiasa fiteny iray koa, dia ny fahamarinana. Ampiharintsika eo amin’ny fiainana mihitsy izy io. Efa nilaza an’izany mialoha i Jehovah, tamin’ny alalan’i Zefania mpaminany, hoe: “Hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona. Dia ho afaka hiantso ny anaran’i Jehovah izy rehetra, ka hiray hina hanompo azy.”—Zef. 3:9.
14 Hoy koa i Jehovah tamin’ny alalan’i Zefania: “Hanao ny marina foana ny sisa amin’ny Israely, ary tsy handainga sady tsy hamitaka. Hihinana izy ireo, hitsotsotra, ary tsy hisy hampatahotra azy.” (Zef. 3:13) Tanteraka amintsika izany izao. Afaka miara-miasa sy miray saina isika, satria azontsika tsara ny fahamarinana. Novantsika koa ny toe-tsaina sy ny fomba fiainantsika mba hifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah. Mahavita zavatra heverin’ny olona fa tsy ho vita isika. Miavaka tokoa isika vahoakan’Andriamanitra, ary manome voninahitra azy izany na aiza na aiza misy antsika eran-tany.—Mika 2:12.