-
Jehovah no mpanapaka antsika!Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Jolay
-
-
Nifanohitra tamin’izany kosa fa izany dia fanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra ny handatsaka ny fanahiny masina amin’ny olony. Nanome tsindrimandry an’i Petera Andriamanitra mba hanondro ny androntsika amin’ny fanononana teny fanampiny hoe “amin’ny andro farany” sy hoe “haminany izy”. (Joela 3:1-5) Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy famantarana etỳ amin’ny tany i Jehovah alohan’ny hahatongavan’ny androny lehibe, ka izay hiantso ny anarany amim-pinoana ihany no ho voavonjy. Ny filatsahan’ny fanahy toy izany koa teo amin’ireo voahosotra amin’izao andro izao dia nanampy azy ireo “haminany” amin-kery sy fahombiazana lehibe ankehitriny.
-