TOKO 16
“Miampità Mankatỳ Makedonia”
Mahazo fitahiana ireo manaiky fanendrena sy miaritra fanenjehana amim-pifaliana
Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6-40
1-3. a) Ahoana no nitarihan’ny fanahy masina an-dry Paoly? b) Inona izao no hodinihintsika?
NIVOAKA ny tanànan’i Filipy any Makedonia ny vehivavy maromaro. Tsy ela dia tonga teo amin’ny renirano kelin’i Gangitès izy ireo, ary nipetraka teo amorony mba hivavaka tamin’ny Andriamanitry ny Israely, toy ny efa fanaony. Nahita azy ireo i Jehovah.—2 Tant. 16:9; Sal. 65:2.
2 Tany amin’ny 800 kilaometatra mahery any atsinanan’i Filipy kosa nisy lehilahy maromaro nandao an’i Lystra, tanàna any amin’ny faritra atsimon’i Galatia. I Paoly sy Silasy ary Timoty ireo lehilahy ireo. Tonga teo amin’ny lalambe romanina vita rarivato izy ireo, rehefa afaka andro vitsivitsy. Io no lalana miankandrefana mankany amin’ny toerana be mponina indrindra tany Azia. Tsy andrin’izy ireo ny hanaraka an’io lalana io, mba hankanesana tany Efesosy sy ny tanàna hafa, satria nisy olona an’arivony nila nandre momba an’i Kristy tany. Mbola tsy niainga anefa izy ireo, dia efa nosakanan’ny fanahy masina, saingy tsy fantatra hoe tamin’ny fomba ahoana. Tsy navela hitory tany Azia izy ireo. Nahoana? Te hitarika an-dry Paoly ho any amin’ilay renirano kelin’i Gangitès i Jesosy. Nampiasa ny fanahin’Andriamanitra izy hitarika azy ireo hamakivaky an’i Azia Minora, sy hiampita ny Ranomasina Égée, ka ho tonga hatrany amoron’ilay renirano.
3 Andraisantsika lesona sarobidy ny fomba nitarihan’i Jesosy an-dry Paoly, tamin’ilay dia niavaka nankany Makedonia. Andeha àry hodinihintsika ny zava-nitranga sasany tamin’ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly, izay nanomboka tamin’ny taona 49 tany ho any.
“Andriamanitra no niantso anay” (Asa. 16:6-15)
4, 5. a) Inona no nitranga rehefa nanakaiky an’i Bitynia ry Paoly? b) Inona no fanapahan-kevitr’ireo mpianatra, ary inona no vokany?
4 Nianavaratra nankany amin’ireo tanàna any Bitynia ry Paoly rehefa tsy navela hitory tany Azia. Lalan-tany teny amin’ireo faritra tsy dia be mponina, teo anelanelan’i Frijia sy Galatia, angamba no narahin’izy ireo nandritra ny andro maro. Nampiasa ny fanahy masina indray anefa i Jesosy mba hanakanana azy ireo, rehefa nanakaiky an’i Bitynia izy ireo. (Asa. 16:6, 7) Sahiran-tsaina izy ireo noho izany. Fantany ny hafatra hotorina sy ny fomba hitoriana, nefa tsy fantany hoe aiza no hitory. Toy ny hoe nandondòna varavarana hahafahana mankany Azia izy ireo, nefa tsy navela. Nanao toy izany koa izy ireo rehefa nikasa ho any Bitynia, nefa mbola tsy navela indray. Tapa-kevitra ny handondòna foana anefa i Paoly mandra-pahitany varavarana misokatra. Toa hafahafa ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo avy eo. Nandeha 550 kilaometatra niankandrefana izy ireo. Nolalovan’izy ireo fotsiny ny tanàna teny an-dalana, mandra-pahatongany tany amin’ny seranan’i Troasy, izay nahafahana nankany Makedonia. (Asa. 16:8) Nandondòna fanintelony i Paoly teo, ary io fa nivoha nidanadana ny varavarana.
5 Mitantara izay nitranga i Lioka, izay niaraka tamin-dry Paoly nanomboka tao Troasy. Hoy izy: “Nahita fahitana i Paoly tamin’ny alina. Nahita lehilahy makedonianina nijoro teo anoloany izy, ary niangavy azy izy io hoe: ‘Miampità mankatỳ Makedonia dia ampio izahay.’ Vao avy nahita an’ilay fahitana i Paoly, dia niezaka nankany Makedonia izahay. Nino mantsy izahay hoe Andriamanitra no niantso anay hitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo.”a (Asa. 16:9, 10) Fantatr’i Paoly ihany tamin’ny farany hoe aiza no hitoriana. Faly erỳ izy fa tsy nalaky kivy sy tsy niverin-dalana! Nandray sambo nankany Makedonia avy hatrany izy efa-dahy.
6, 7. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zava-nitranga nandritra ilay dian’i Paoly? b) Inona no toky ananantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Paoly?
6 Inona no lesona ianarantsika avy amin’io fitantarana io? Mariho fa tsy nanao zavatra ny fanahy masina raha tsy efa niainga ho any Azia i Paoly. Tsy nanao zavatra koa i Jesosy raha tsy efa nanakaiky an’i Bitynia i Paoly. Tsy nitarika an’i Paoly ho any Makedonia i Jesosy raha tsy efa tonga tao Troasy izy. Mety hanao toy izany amintsika koa i Jesosy, Lohan’ny fiangonana. (Kol. 1:18) Angamba isika mieritreritra ny hanao mpisava lalana na hanitatra faritany. Mety tsy hampiasa ny fanahin’Andriamanitra hitarihana antsika anefa i Jesosy, raha tsy efa tena manao zavatra hentitra isika mba hanatratrarana ny tanjontsika. Nahoana? Diniho izao: Rehefa mandeha ihany ny fiara vao azon’ny mpamily entina miankavia na miankavanana. Toy izany koa rehefa mikasa hanitatra ny fanompoantsika isika: Tsy hitarika antsika i Jesosy, raha tsy isika mihitsy no manao zavatra ka miezaka mafy hanatratra ny tanjontsika.
7 Ahoana anefa raha tsy tonga dia mahomby ny ezaka ataontsika? Ho kivy ve isika ka hihevitra fa tsy mitarika antsika ny fanahin’Andriamanitra? Tsia. Tadidio fa tojo vato misakana koa i Paoly. Tsy nitsahatra nikaroka anefa izy mandra-pahitany varavarana nisokatra. Afaka matoky isika fa hovalian-tsoa raha tsy mitsahatra mikaroka ‘varavarana lehibe nosokafana mba hahafahana manao fanompoana.’—1 Kor. 16:9.
8. a) Tantarao ny momba ny tanànan’i Filipy. b) Inona no zava-nahafaly nitranga rehefa nitory teo amin’ny “toerana fivavahana” iray i Paoly?
8 Nankao Filipy ry Paoly rehefa tonga tany amin’ny faritr’i Makedonia. Nirehareha ny mponina tao hoe olom-pirenena romanina. Tao no nipetraka ny miaramila romanina maro efa nisotro ronono. Tamin’izy ireo, dia toy ny Italia kely, izany hoe Roma kely tany Makedonia, i Filipy zanatany romanina. Nihevitra ry Paoly fa nisy “toerana fivavahana” teo akaikin’ny renirano kely iray, tany ivelan’ny vavahadin’ny tanàna.b Nankeny izy ireo tamin’ny andro sabata, ary nahita vehivavy maromaro nivory mba hivavaka tamin’Andriamanitra. Nipetraka ireo mpianatra ary nitory tamin’ireo vehivavy ireo. “Nihaino” ny vehivavy iray atao hoe Lydia, ary “nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah.” Nanohina ny fon’i Lydia ny zavatra noresahin’ireo misionera ireo ka natao batisa izy sy ny ankohonany. Nasainy nankao an-tranony ry Paoly, ka niangaviany hijanona tao.c—Asa. 16:13-15.
9. Ahoana no anahafan’ny mpitory maro an’i Paoly, ary inona no fitahiana azony?
9 Alao sary an-tsaina ny fifaliana vokatry ny nanaovana batisa an’i Lydia! Azo inoana fa faly i Paoly noho izy nanaiky an’ilay fanasana hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia.” Faly koa izy satria nampiasain’i Jehovah izy sy ireo namany, mba hamaliana ny vavak’ireo vehivavy matahotra an’Andriamanitra ireo. Rahalahy sy anabavy maro ankehitriny no manitatra faritany. Ao ny tanora, ny antitra, ny mpitovo, ary ny manambady. Miaritra ny mafy izy ireo, nefa tsinontsinona izany raha oharina amin’ny fahafaham-po tsapany, rehefa mahita olona mandray ny fahamarinana toa an’i Lydia izy ireo. Azonao amboarina ve ny fiainanao mba hahafahanao ‘hiampita’ ho any amin’izay ilana mpitory maro kokoa? Handray fitahiana maro ianao raha manao izany. Nifindra nankany Amerika Afovoany, ohatra, i Aaron, rahalahy 20 taona mahery. Hoy izy: “Nanatanjaka ny finoako sy nahatonga ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny manompo atỳ an-tany hafa. Tena mahafinaritra ny manompo eny amin’ny saha! Mitarika fampianarana Baiboly valo aho izao.” Maro koa no miteny toy izany.
‘Nanohitra azy roa lahy ny vahoaka’ (Asa. 16:16-24)
10. Inona no nataon’ny demonia mba hanoherana ny fitorian-dry Paoly?
10 Romotra i Satana rehefa nanomboka niely tao amin’io faritra io ny vaovao tsara. Tsy nisy nanelingelina azy sy ny demoniany mantsy tao hatramin’izay. Tsy mahagaga àry raha nataon’ny demonia izay hanoherana ny fitorian-dry Paoly. Rehefa nandeha tsy tapaka tany amin’ilay toerana fivavahana ry Paoly, dia nanaraka azy ireo foana ny mpanompovavy iray nisy demonia. Nahazo vola ny tompon’izy io, noho ny faminaniana nataony. Hoy ny antsoantson’izy io: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ireo lehilahy ireo, ary manambara aminareo izay tokony hatao mba ho voavonjy.” Mety ho ny demonia no nahatonga an’ilay zazavavy hiantsoantso toy izany mba hiheveran’ny olona fa iray ihany no niavian’ny fampianaran’i Paoly sy ny faminanian’ilay zazavavy. Amin’izay ny sain’ny mpitazana dia ho voarebireby, ka tsy hihaino an’ireo tena mpanara-dia an’i Kristy. Nangina anefa ilay zazavavy rehefa navoakan’i Paoly ilay demonia.—Asa. 16:16-18.
11. Inona no nanjo an’i Paoly sy Silasy taorian’ny namoahany demonia?
11 Tezitra be ny tompon’ilay mpanompovavy rehefa hitany fa very fihinanana izy ireo. Notaritaritin’izy ireo nankany an-tsena i Paoly sy Silasy, satria tany ny tompon’andraiki-panjakana solontenan’i Roma no nitsara. Tia tanindrazana sy nitsara an-tendrony ireo mpitsara ireo, ka nohararaotin’ny tompon’ilay zazavavy izany. Izao no tena tiany holazaina tamin’ny mpitsara: ‘Mpanakorontana ireo Jiosy ireo, dia fanao tsy azontsika Romanina raisina no ampianariny.’ Nisy vokany avy hatrany ny teniny. “Niara-nanohitra [an’i Paoly sy Silasy] ny vahoaka [tao an-tsena]”, ary nasain’ny mpitsara “nokapohina tamin’ny hazo izy ireo.” Notaritina ho any am-ponja i Paoly sy Silasy. Nataon’ny mpiambina tany amin’ny fonja anatiny ireo lehilahy feno ratra ireo, ary nogejainy tao amin’ny boloky hazo ny tongotr’izy ireo. (Asa. 16:19-24) Maizina be tao amin’ilay lavaka figadrana rehefa nakaton’ny mpiambina ny varavarana. Zara raha nifankahita angamba i Paoly sy Silasy. Nahita izay nitranga anefa i Jehovah.—Sal. 139:12.
12. a) Ahoana no niheveran’ny mpianatr’i Kristy ny fanenjehana, ary nahoana? b) Ahoana avy no anoheran’i Satana sy ny olony antsika?
12 Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy taona maro talohan’izay hoe: ‘Hanenjika anareo izy.’ (Jaona 15:20) Efa vonona hiatrika fanoherana àry ry Paoly rehefa nankany Makedonia. Tsy nihevitra izy ireo hoe tsy nankasitraka azy i Jehovah matoa izy ireo nenjehina. Nihevitra kosa izy ireo fa fomba nampisehoan’i Satana ny hatezerany izany. Toy ny tany Filipy ihany ny fomba ampiasain’ny olon’i Satana ankehitriny. Manendrikendrika antsika ny mpanohitra, any am-pianarana sy any am-piasana, ka manao izay hampisy fanoherana. Miampanga antsika any amin’ny fitsarana koa ireo mpivavaka manohitra antsika, any amin’ny tany sasany, ary izao no tena tiany holazaina: ‘Mpanakorontana ny Vavolombelon’i Jehovah, satria fanao tsy azontsika raisina no ampianariny, nefa isika efa manana ny finoana nahazatra antsika.’ Velezina sy atao am-ponja ny mpiara-manompo amintsika any an-tany hafa. Mahita izany anefa i Jehovah.—1 Pet. 3:12.
“Natao batisa tsy nisy hataka andro” (Asa. 16:25-34)
13. Inona no nahatonga an’ilay mpiambina hilaza hoe: “Inona, tompoko, no tsy maintsy ataoko mba ho voavonjy aho?”
13 Tsy maintsy ho elaela i Paoly sy Silasy vao tafarina tamin’ny vokatr’iny korontana iny. Rehefa nisasaka anefa ny alina, dia tsy nanaintaina firy intsony izy ireo, ka nahavita “nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra.” Tampoka teo dia nisy horohoron-tany nanozongozona ny fonja! Nifoha ny mpiambina, ary hitany fa efa nivoha ny varavarana. Natahotra izy hoe lasa nandositra ny voafonja. Koa “nalainy ny sabany ka saika hamono tena izy”, satria fantany fa ho voasazy izy. Niantsoantso anefa i Paoly hoe: “Aza mamono tena, fa ato daholo izahay!” Nivarahontsana ilay mpiambina ka nilaza hoe: “Inona, tompoko, no tsy maintsy ataoko mba ho voavonjy aho?” I Jesosy ihany no afaka hamonjy azy fa tsy i Paoly sy Silasy. Hoy àry izy roa lahy: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho voavonjy ianao.”—Asa. 16:25-31.
14. a) Ahoana no nanampian’i Paoly sy Silasy an’ilay mpiambina? b) Inona no fitahiana azon’izy ireo noho izy ireo niaritra fanenjehana tamim-pifaliana?
14 Vokatry ny fo ve ny fanontanian’ilay mpiambina? Tsy nampisalasala an’i Paoly izany. Hafa firenena ilay mpiambina, ary tsy nahalala ny Soratra Masina. Nila nianatra sy nanaiky an’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Soratra Masina aloha izy, vao afaka ny ho tonga Kristianina. Nanokana fotoana hitoriana “ny tenin’i Jehovah taminy” àry i Paoly sy Silasy. Variana erỳ izy roa lahy nampianatra Soratra Masina an’ilay mpiambina, ka toa hadinony ny fanaintainany. Hitan’ilay mpiambina anefa fa naradratra be ny lamosin’izy roa lahy, ka nodioviny. “Natao batisa tsy nisy hataka andro” ilay mpiambina sy ny ankohonany, avy eo. Notahina tokoa i Paoly sy Silasy satria niaritra fanenjehana tamim-pifaliana!—Asa. 16:32-34.
15. a) Ahoana no anahafan’ny Vavolombelona maro an’i Paoly sy Silasy? b) Nahoana isika no tokony hiverimberina hitsidika ny olona ao amin’ny faritanintsika?
15 Vavolombelona maro koa ankehitriny no manao toa an’i Paoly sy Silasy, ka mitory ny vaovao tsara na dia migadra noho ny finoany aza, ary mahita vokatra tsara. Tamin’ny fotoana iray, ohatra, dia efa ho ny antsasaky ny Vavolombelona tany amin’ny tany iray nandrarana ny asantsika no nahalala ny marina momba an’i Jehovah, tany am-ponja! (Isaia 54:17) Mariho koa fa taorian’ilay horohoron-tany ilay mpiambina vao nangataka fanampiana. Tsy mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy koa ny olona sasany ankehitriny, raha tsy efa misy zava-doza manozongozona tampoka ny fiainany. Asehontsika amin’ny olona ao amin’ny faritanintsika fa vonona hanampy azy isika rehefa miverimberina mitsidika azy ireo.
“Izao ve dia avoakany mangingina izahay?” (Asa. 16:35-40)
16. Nivadika ny rasa ny ampitson’ny nikapohana an’i Paoly sy Silasy. Hazavao.
16 Nandidy ny hanafahana an’i Paoly sy Silasy ny tompon’andraiki-panjakana, ny ampitso marainan’ny nikapohana azy roa lahy. Hoy anefa i Paoly: “Romanina izahay, nefa nokapohin-dry zareo teny imason’olona na dia mbola tsy voaheloka aza ary nogadrainy. Dia izao ve izahay tadiaviny havoaka an-tsokosoko? Tsy manaiky an’izany izahay! Aleo ry zareo mihitsy no ho avy eto hamoaka anay.” “Natahotra” àry izy ireo rehefa fantany fa Romanina izy roa lahy. Nanitsakitsaka ny zony mantsy izy ireo.d Nivadika ny rasa. Nokapohina ampahibemaso ny mpianatra, fa tsy maintsy niala tsiny ampahibemaso kosa izao ireo tompon’andraiki-panjakana. Niangavy an’i Paoly sy Silasy hiala tao Filipy izy ireo. Nanaiky izy roa lahy. Nanokana fotoana hampaherezana an’ireo mpianatra vaovao efa nihamaro anefa aloha izy roa lahy.
17. Inona no lesona lehibe nianaran’ireo mpianatra vaovao rehefa nahita ny fiaretan’i Paoly sy Silasy?
17 Tsy ho nokapohina angamba i Paoly sy Silasy, raha nohajaina ny zony tamin’ny naha olom-pirenena romanina azy. (Asa. 22:25, 26) Raha izany anefa no nitranga, dia mety ho nieritreritra ny mpianatra tao Filipy hoe nanararaotra ny zony izy roa lahy mba tsy hijaly noho ny amin’i Kristy. Mety hanimba ny finoan’ny mpianatra tsy nizaka ny zom-pirenena romanina izany. Tsy mba niaro azy ireo tsy ho voakapoka mantsy ny lalàna. Rehefa nanaiky hosazina àry i Paoly sy Silasy, dia nasehony tamin’ireo vao tonga mpino fa afaka ny tsy hivadika ny mpanara-dia an’i Kristy na dia enjehina aza. Nitaky ny zony koa izy roa lahy mba ho voatery hiaiky ampahibemaso ireo tompon’andraiki-panjakana fa nandika lalàna. Mety tsy ho sahy hihetraketraka amin’ny mpiray finoana amin’i Paoly izy ireo amin’izay. Ho voaro koa ny mpianatra ka tsy hiharan’ny herisetra toa an’ilay nanjo an-dry Paoly.
18. a) Ahoana no anahafan’ny mpiandraikitra kristianina an’i Paoly? b) Ahoana no ‘iarovantsika ny vaovao tsara sy iezahantsika hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany’?
18 Manome modely koa ny mpiandraikitra kristianina ankehitriny, rehefa mitarika antsika. Vonona hanao an’izay asainy hataon’ny Kristianina hafa izy ireo. Manahaka an’i Paoly koa isika, ka mijery tsara an’izay fomba sy fotoana mety hitakiana ny zontsika mba hiarovana ny tenantsika. Raha ilaina, dia entintsika any amin’ny fitsarana eo an-toerana ny raharaha, na any amin’ny fitsarana tampony, na fitsarana iraisam-pirenena mihitsy aza, mba hiarovan’ny lalàna ny fivavahantsika. Tsy ny hitondra fanavaozana no tanjontsika, fa ny ‘hiaro ny vaovao tsara sy niezaka hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany’, araka ny nosoratan’i Paoly tamin’ny fiangonan’i Filipy, folo taona teo ho eo taorian’ny nigadrany tany. (Fil. 1:7) Na mandresy any amin’ny fitsarana anefa isika na tsia, dia manahaka an-dry Paoly isika, ka tapa-kevitra ny “hitory ny vaovao tsara” foana any amin’izay itarihan’ny fanahin’Andriamanitra antsika.—Asa. 16:10.
a Jereo ilay efajoro hoe “Lioka: Mpanoratra ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly”, pejy 128.
b Tsy navela hanana synagoga tao Filipy angamba ny Jiosy, satria tanàna be miaramila izy io, na tsy ampy folo angamba ny lehilahy jiosy tao. Tokony hisy lehilahy jiosy folo mantsy, fara fahakeliny, tao amin’ny tanàna iray, vao nekena ny hisian’ny synagoga tao.
c Jereo ilay efajoro hoe “Lydia: Mpivarotra Lamba Volomparasy”, pejy 132.
d Nilaza ny lalàna romanina fa tokony hotsaraina ara-drariny foana ny Romanina, ary tsy azo sazina ampahibemaso mihitsy raha tsy efa notsaraina ka hita fa meloka.