Ny Fahamarinana Momba Ireo Anjely
Ny hoe manjary mahafantatra tsara olona iray mazàna dia mahatafiditra fahafantarana zavatra mahakasika ny fianakavian’io olona io. Mitovy amin’izany ny hoe manjary mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra. Betsaka kokoa no tafiditra noho ny fahafantarana fotsiny ny anarany. Tsy maintsy manjary mahafantatra zavatra mahakasika ny ‘fianakaviany’ any an-danitra koa isika. (Ampitahao amin’ny Efesiana 3:14, 15.) Miantso ireo anjely hoe “zanak’Andriamanitra” ny Baiboly. ( Joba 1:6). Raha dinihina amin’ny anjara asa lehibe tanan’izy ireo ao amin’ny Baiboly, dia tokony haniry hahafantatra bebe kokoa momba azy ireo isika mba hahatakarantsika ny toeran’izy ireo ao amin’ny fikasan’Andriamanitra.
EO AM-PITOMBOANA ny sokajin’olona vaovao iray miavaka amin’ny hafa. Tsy vitan’ny hoe misy olona maro kokoa milaza fa mino ny anjely, fa mihamitombo isa koa ireo izay milaza fa nifandraisan’izy ireny tamin’ny fomba sasany. Rehefa nanontaniana ny Amerikana 500 hoe: “Efa mba nahatsapa fisian’anjely nanelohelo teo amin’ny fiainanao ve ianao?” dia saika ny ampahatelony no namaly hoe eny. Mahagaga koa ny isan’ireo tanora izay milaza fa mino an’ireo anjely — araka ny fitsapan-kevitra iray natao tany Etazonia, izany dia 76 isan-jato boribory! Mazava fa liana amin’ny anjely ny olona. Amin’ny ahoana anefa ilay fiheverana ankehitriny momba ny anjely no mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
Fanarontsaronana ny anjara asan’i Satana
Rehefa miresaka momba ny anjely isika, dia tsy tokony hodiantsika tsy fantatra ireo anjely ratsy fanahy, zavaboary any an-danitra izay lazain’ny Baiboly fa nikomy tamin’Andriamanitra. Loha laharana amin’ireny i Satana. Ny boky be mpitia iray antsoina hoe Anontanio Ireo Anjelinao (anglisy), dia toa manipy hevitra fa i Satana dia tsy inona fa “lafiny iray mampiavaka an’Andriamanitra” izay manampy ny olombelona hanatanjaka ireo ‘hozany ara-panahy’ amin’ny alalan’ny fakam-panahy tsy an-kijanona. Na dia eo aza ireo “fikasana feno fitiavana” ananan’i Satana, hoy ireo mpanoratra, dia nanjary nampahafantarina tamin’ny fomba diso ho ny faharatsiana izy nandritra ireo taonjato. Nanampy teny izy ireo fa “na dia tsy mifameno tsara aza” i Satana sy i Jesosy, “dia mitovy zava-kendrena, tapany tena ilaina amin’ny fitambarany iray ihany izy ireo, fara faharatsiny”. Izany ka filazana mahazendana, kanefa inona no lazain’ny Baiboly?
Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa tsy “lafiny iray mampiavaka an’Andriamanitra” akory i Satana fa fahavalon’Andriamanitra. (Lioka 10:18, 19; Romana 16:20). Mihaika ny fiandrianan’i Jehovah izy, ary ny fikasany amin’ny olombelona dia azo antoka fa tsy “feno fitiavana” velively. Manampatra tsy misy antra ny fahatezerany amin’ireo mpanompon’Andriamanitra eto an-tany izy. Miampanga azy ireo eo anatrehan’Andriamanitra andro aman’alina izy!a (Apokalypsy 12:10, 12, 15-17). Mifantoka amin’ny fanimbana azy ireo ara-pitondran-tena i Satana, na toy inona na toy inona vidiny. Ny fanenjehana tsy nisy indrafo nataony tamin’i Joba, lehilahy marina, dia nampiharihary ny tsy fangorahany eo anoloan’ny fahorian’olombelona. — Joba 1:13-19; 2:7, 8.
Tsy “mitovy zava-kendrena” velively i Satana sy i Jesosy fa mifanohitra tanteraka. Tsy isalasalana fa i Satana no nanosika an’i Heroda handidy famonoana ankizy tambabe — izany rehetra izany mba hiezahana hamono ilay zazakely atao hoe Jesosy! (Matio 2:16-18). Ary ny fanafihana tsy an-kijanona nataon’i Satana dia nitohy hatramin’ny fahafatesan’i Jesosy. (Lioka 4:1-13; Jaona 13:27). Araka izany, dia tsy “tapany tena ilaina amin’ny fitambarany iray ihany” i Jesosy sy i Satana fa mifanohitra tanteraka kosa. Asehon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa tsy azo ialana ny fifandrafian’izy ireo. (Genesisy 3:15). Amin’ny fomba mety tsara, dia ilay Jesosy tafatsangana amin’ny maty no handringana an’i Satana amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. — Apokalypsy 1:18; 20:1, 10.
Vavaka amin’iza?
Ny mpiaro sasany ny fihetsiketsehana momba ny anjely dia mampirisika ny fisaintsainana (méditation) sy ny teknika hafa mba hampitana hevitra amin’ireo anjely. “Tsy hoe tsy hisy hahamarika akory ny fangatahana amim-pahatsorana mba hifandray amin’izay mety ho anisan’ny fianakaviana any an-danitra”, hoy ny boky iray. “Mangataha, dia hovaliana ianao.” Ry Mikaela sy Gabriela sy Oriela ary Rafaela no anisan’ireo anjely izay ampirisihan’ilay boky anontaniana.b
I Jesosy anefa dia nampianatra ireo mpanara-dia azy mba hivavaka amin’Andriamanitra, fa tsy amin’anjely. (Matio 6:9, 10). Toy izany koa fa nanoratra toy izao i Paoly: “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” (Filipiana 4:6, izahay no manao sora-mandry.) Ao amin’ny vavaka ataony àry, ny Kristiana dia tsy manatona na iza na iza afa-tsy i Jehovah ihany, ary manao izany izy ireo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy.c — Jaona 14:6, 13, 14, fanamarihana ambany pejy.
Anjely tsy miankina amin’ny fivavahana hoe?
Araka ny voalazan’i Eileen Elias Freeman, izay mitarika ny AngelWatch Network, “ireo anjely dia mihoatra lavitra noho ny fivavahana rehetra sy ny filozofia rehetra, ary ny foto-pinoana rehetra. Raha ny marina, dia tsy manana fivavahana araka ny ahafantarantsika azy, ireo anjely”.
Lazain’ny Baiboly mazava tsara anefa fa tena manana fivavahana ireo anjely mahatoky; izy ireo dia manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, izay tsy mahatanty fandrafiana avy amin’andriamani-kafa. (Deoteronomia 5:6, 7; Apokalypsy 7:11). Araka izany, ny anjely toy izany dia nilazalaza ny tenany tamin’ny apostoly Jaona ho ‘mpanompo naman’ireo’ izay mankato ny didin’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:10). Na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly dia tsy amakiantsika hoe misy anjely mahatoky manandratra endri-panompoam-pivavahana hafa na inona na inona. Manolotra fifikirana tsy mizarazara amin’i Jehovah izy ireo. — Eksodosy 20:4, 5, NW.
Ilay “rain’ny lainga”
Mahatafiditra fampitan-kevitra amin’ny maty ny maro amin’ireo lazaina fa fihaonana amin’anjely. “Nahatsapa aho fa hitan’ny dadatoako ihany ny fomba ifandraisana tamiko sy ampahafantarana ahy hoe sambatra izy, rehefa ela ny ela”, hoy ny vehivavy iray antsoina hoe Elise, rehefa avy nahazo izay noheveriny fa famantarana izy. Tadidin’i Terri toy izany koa ny namany malala iray izay maty. “Herinandro taorian’ny fandevenana”, hoy izy, “dia tonga tamiko tao anatin’izay noheveriko fa nofy izy. Nilaza tamiko izy fa tsy tokony halahelo noho ny nahalasanany aho, satria sambatra sy mandry feizay izy.”
Milaza anefa ny Baiboly fa ny maty dia “tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Milaza koa izy io fa rehefa maty ny olona iray, dia “amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. (Salamo 146:4, izahay no manao sora-mandry.) I Satana anefa no ilay “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44). Izy no ilay niavian’ny lainga hoe mbola velona ihany aorian’ny fahafatesana ny fanahy olombelona. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 18:4.) Olona maro amin’izao andro izao no mino izany, ka mety indrindra amin’ny fikasan’i Satana ilay izy satria mandà ny ilana finoana ny fitsanganana amin’ny maty — izay fampianarana fototra iray ao amin’ny Kristianisma. (Jaona 5:28, 29). Koa ny fanontaniana ny maty na ny toa fahazoana hafatra avy amin’izy ireny dia mbola lafiny hafa iray tsy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ilay fihetsiketsehana momba ny anjely.
Fanatonana anjely sa demonia?
Maro amin’ireo fihetsiketsehana momba ny anjely ankehitriny no miroboka ao amin’ny asan’ny maizina. Hevero ny zavatra niainan’i Marcia. “Nanomboka tamin’ny Septambra ka hatramin’ny Desambra 1986”, hoy izy, “dia nanomboka naharay hafatra avy tany ‘ankoatra’ aho. Nahita fisehoan-javatra aho ary nanonofy ‘fiainana tamin’ny lasa’ tsy mampino. Nifandray tamina namana efa maty aho ary nahita fanandraman-javatra mahagaga maro hafa izay nahafantarako zavatra momba ny olona izay nifanena tamiko fotsiny. Nanjary nahazo fahaizana nahagaga hanoratra ho azy koa aho ka nampita hafatra avy tamin’ireo tsy manam-batana fizika. Ny sasany, izay mbola tsy nifanena tamiko mihitsy nandritra ny fiainany teto an-tany, dia mandefa hafatra amin’olon-kafa amin’ny alalako.”
Tsy maningana ny fampiasana fisikidianana ho toy ny fomba “hampitana hevitra” amin’ny anjely. Ny loharanon-kevitra iray dia mampirisika tsotra izao ireo mpamaky azy mba hampiasa vato majika, karatra fampiasan’ireo mpamantatra ny hoavy, vola madinika I Ching, fahaiza-mamaky ny soritra amin’ny tanana, sy fanandroana. “Avelao ny maha-ianao anao lalina hitarika anao any amin’ny mpampita hafatra mety”, hoy ny nosoratan’ireo mpanoratra, “ary dia matokia fa hifanena aminao any ny anjely iray.”
Araka ny Baiboly anefa, na inona na inona ‘mifanena aminao any’, dia azo antoka fa tsy iray amin’ireo anjelin’Andriamanitra. Nahoana? Satria ny fisikidianana dia manohitra mivantana an’Andriamanitra, ary ireo mpivavaka marina — any an-danitra sy etỳ an-tany — dia tsy manana na inona na inona ifandraisana amin’izany. Teo amin’ny Isiraely, dia fahotana mendrika ny famonoana ho faty ny fisikidianana! “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”, hoy ny voalazan’ny Lalàna. — Deoteronomia 13:1-5; 18:10-12.
“Anjelin’ny mazava”
Tsy tokony hahagaga antsika ny hoe afaka manao ny fisikidianana ho toa mahasoa, ho toy ny avy amin’anjely mihitsy aza, i Satana. Milaza ny Baiboly fa “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava” ny Devoly. (2 Korintiana 11:14). Afaka manamboatra fambara mihitsy aza izy, ary avy eo dia manao izay hahatanteraka azy ireny ka mamitaka ireo mpitazana amin’ny fieritreretana fa avy amin’Andriamanitra ilay famantarana. (Ampitahao amin’ny Matio 7:21-23; 2 Tesaloniana 2:9-12.) Kanefa ny asan’i Satana rehetra — na dia mety ho toa tsara na toa mifono zava-dratsy toy inona aza izy ireny — dia miasa ho amin’ny zava-kendrena iray amin’ireto roa ireto: hampialana ny olona amin’i Jehovah na hanajambana fotsiny ny sain’izy ireo mba “tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy”. (2 Korintiana 4:3, 4). Io fomba famitahana farany io matetika no mandaitra indrindra.
Hevero ny fitantaran’ny Baiboly momba ny ankizivavy mpanompo iray tamin’ny taonjato voalohany. Nitondra harena be ho an’ny tompony ireo faminaniana nataony. Nandritra ny andro maro izy dia nanaraka ireo mpianatra tamin’ny filazana hoe: “Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo làlam-pamonjena.” Marina ny teniny. Kanefa ilay fitantarana dia milaza amintsika fa nipetrahan’ny ‘fanahy mahavaly [“demonian’ny fisikidianana”, NW ]’ izy, fa tsy nipetrahan’anjely. Farany, i Paoly dia “nitodika taminy ka nanao tamin’ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’izany ora izany indrindra izy”. — Asan’ny Apostoly 16:16-18.
Nahoana i Paoly no nandroaka an’io fanahy io? Raha dinihina tokoa dia nanome fidiram-bola be ho an’ny tompony ilay ankizivavy nipetrahan’ny demonia. Tamin-kery nahagaga, ilay ankizivavy mpanompo dia nety ho nilaza tamin’ireo mpamboly ny fotoana hambolena, tamin’ireo vehivavy tsy nanambady ny fotoana hanambadiana, ary tamin’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, ny toerana hitadiavana volamena. Nanosika ilay ankizivavy mihitsy aza io fanahy io mba hilaza teny fahamarinana sasany tamin’ny fiderana ampahibemaso ireo mpianatra!
Na dia izany aza, dia “demonian’ny fisikidianana” izy io. Tamin’ny naha-izany azy io, dia tsy nanana zo hanao fanambarana ny amin’i Jehovah sy ny fandaharam-pamonjeny izy. Ilay teny fiderana nataony, angamba nolazaina mba hampinoana vetivety fa marina ny faminanian’ilay ankizivavy mpanompo, dia nampiriorio ny sain’ireo mpitazana hiala tamin’ireo tena mpanara-dia an’i Kristy. Nanana antony tsara nampitandremana ny Korintiana toy izao i Paoly: “Tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.” (1 Korintiana 10:21). Tsy nahagaga raha nanapotika ireo bokiny rehetra izay nifandray tamin’ny fisikidianana, ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. — Asan’ny Apostoly 19:19.
‘Anjely iray nanidina teo afovoan’ny lanitra’
Araka ny efa hitantsika, dia ahariharin’ny Baiboly ho milahatra akaiky amin’i Satana Devoly Fahavalon’Andriamanitra ny maro amin’ireo fihetsiketsehana momba ny anjely ankehitriny. Milaza ve izany fa ireo anjely masina dia tsy tafiditra amin’ireo raharahan’olombelona? Mifanohitra amin’izany fa eo am-panatontosana asa mahery iray eto an-tany izy ireo ankehitriny. Inona izany? Mba hamaliana izany, dia tsy maintsy mijery ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Apokalypsy, isika. Tononina imbetsaka kokoa ao amin’io boky io ireo anjely noho ny ao amin’izay mety ho boky hafa ao amin’ny Baiboly.
Ao amin’ny Apokalypsy 14:6, 7, dia vakintsika ny amin’ny firaketana an-tsoratra nataon’ny apostoly Jaona momba ny fahitana ara-paminaniana iray izay azony: “Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara [“vaovao tsara”, NW ] mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.”
Io andinin-teny io dia manasongadina ilay asa loha laharana ataon’ireo anjely amin’izao andro izao. Tafiditra ao amin’ny fanendrena iray mitana ny laharam-pahamehana ambony izy ireo — dia ny fanambarana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahakasika io asa io no nampanantenan’i Jesosy ireo mpanara-dia azy hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:18-20). Amin’ny ahoana i Jesosy no momba an’ireo mpanara-dia azy? Ny fomba iray dia amin’ny fanomezana azy ireo ny fanampian’anjely mba hahafahana hamita io asa goavana io.
Mandany ora maherin’ny arivo tapitrisa isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Eo am-panatontosana io asa io, dia mahita porofon’ny fitarihan’anjely izy ireo. Eo amin’ny fanompoana isan-trano ataony, dia nitranga matetika ny hoe izy ireo dia nifandray tamin’olona izay vao avy nivavaka mba hisian’ny olona hanampy azy ireny hahatakatra ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra. Ny fitarihan’anjely, miaraka amin’ny fahaizan’ireo Vavolombelona manokana manombo-javatra, dia nahatonga olona ana hetsiny maro isan-taona, ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah!
Mihaino an’ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra ve ianao? Rehefa mitsidika ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny manaraka, nahoana raha miara-midinika amin’izy ireo amin’ny fomba feno kokoa momba io hafatra avy amin’ny anjely io?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “Satana” sy “Devoly” dia midika hoe “mpanohitra” sy “mpanendrikendrika”.
b Na dia voatonona ao amin’ny Baiboly aza i Mikaela sy i Gabriela, ny anarana hoe Rafaela sy Oriela kosa dia hita ao amin’ireo boky apokrifa izay tsy anisan’ny kanônan’ny Baiboly.
c Mariho fa ilay vavaka dia atao amin’ny alalan’i Jesosy, fa tsy aminy. Atolotra amin’ny anaran’i Jesosy ny vavaka noho ny ra nalatsany nanokatra ny lalana anatonana an’Andriamanitra. — Efesiana 2:13-19; 3:12.
[Efajoro, pejy 8]
IZA MOA IREO ANJELY?
MIFANOHITRA amin’izay inoan’ny maro, dia tsy fanahin’olombelona izay efa maty akory ny anjely. Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa ny maty dia “tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Avy taiza àry ireo anjely? Asehon’ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra tsirairay izy ireny talohan’ny nanorenana ny tany. (Joba 38:4-7). Mety hisy anjely an-jato tapitrisany maro, angamba an’arivo tapitrisany maro na mahery ny haben’ny fianakavian’Andriamanitra any an-danitra! Nisy anjely sasany nanatevin-daharana an’i Satana tamin’ny fikomiany. — Daniela 7:10; Apokalypsy 5:11; 12:7-9.
Koa satria Andriamanitry ny filaminana i Jehovah, dia tsy mahagaga raha voalamina ny fianakaviany midadasika voaforon’ny anjely. — 1 Korintiana 14:33, NW.
• Ilay anjely loha laharana, na amin’ny hery na amin’ny fahefana, dia i Jesosy Kristy, arkanjely, izay antsoina koa hoe Mikaela. (1 Tesaloniana 4:16; Joda 9). Eo ambany fahefany ireo serafima sy kerobima ary anjely.
• Ny serafima dia vonona hanompo eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Miharihary fa mahafaoka fanambarana ny fahamasinan’Andriamanitra sy fitanana ny vahoakany ho madio, ny fanendrena azy ireo. — Isaia 6:1-3, 6, 7.
• Ny kerobima dia hita koa eo anatrehan’i Jehovah. Amin’ny maha-mpitondra na mpanotrona ny seza fiandrianan’Andriamanitra azy ireo, dia manandratra ny fahalehibeazan’i Jehovah izy ireo. — Salamo 80:1; 99:1; Ezekiela 10:1, 2.
• Ny anjely (midika hoe “mpitondra hafatra”) dia solontenan’i Jehovah. Manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, na mahatafiditra fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra izany, na fanafoanana ny ratsy fanahy. — Genesisy 19:1-26.
[Sary, pejy 7]
Mihaino an’ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra ve ianao?