-
Mandresy ny Tenin’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Septambra
-
-
8. Inona no nataon’ireo governora tao Filipy, ary inona no azo nantenaina raha nanaiky ny fahadisoany ampahibemaso izy ireo?
8 Ny ampitson’iny, dia nandefa baiko mba hanafaka an-dry Paoly sy Silasy ireo governora. Kanefa hoy i Paoly: ‘Efa nokapohiny tsy voatsara izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony an-tranomaizina. Ary ankehitriny ve dia mamoaka anay mangingina izy? Aoka izy ihany no hankatỳ hamoaka anay.’ Raha toa ka voatery hiaiky ny fahadisoany ampahibemaso ireo governora, angamba izy hisalasala aloha vao hikapoka sy hanao an-tranomaizina kristiana hafa. Koa satria tsy afaka ny handroaka olom-pirenena romana ireo governora dia tonga nangataka an’ireo rahalahy mba handeha, kanefa tsy nandeha ireo raha tsy avy nampahery ireo mpiray finoana taminy.
-