-
“Mitoria Foana ary Aza Mangina”‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
TOKO 19
“Mitoria Foana ary Aza Mangina”
Namelon-tena i Paoly nefa nataony loha laharana ny fanompoany
Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 18:1-22
1-3. Inona no anton-dian’i Paoly tany Korinto, ary inona avy no zava-tsarotra natrehiny?
TANY Korinto ny apostoly Paoly tamin’ny faramparan’ny taona 50. Foibe ara-barotra nanan-karena i Korinto, ary maro be ny Grika sy Romanina ary Jiosy nipetraka tany.a Tsy hividy na hivarotra na hitady asa no anton-dian’i Paoly tany. Antony lehibe lavitra noho izany no nandehanany tany, dia ny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Nila trano hipetrahana izy, nefa tapa-kevitra ny tsy ho tonga enta-mavesatra ho an’ny hafa. Tsy tiany hisy hieritreritra hoe ny tenin’Andriamanitra no ataony antom-pivelomana. Ahoana àry no hataony?
2 Nahay nanao tranolay i Paoly. Tsy mora io asa io, nefa vonona hampiasa ny tanany izy mba hameloman-tena. Hahita asa ao amin’io tanàna be olona nisomebiseby io ve izy? Hahita trano mety aminy ve izy? Marina fa teo ireo zava-tsarotra ireo, nefa tsy hadinon’i Paoly ilay tena asany, izany hoe ny fanompoany.
3 Tafajanona elaela tany Korinto i Paoly, ary namokatra be ny fanompoany. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Paoly tany Korinto? Hanampy antsika hitory ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny faritanintsika izany.
“Mpanao tranolay ... no asa fiveloman’izy ireo” (Asa. 18:1-4)
4, 5. a) Taiza i Paoly no nipetraka tany Korinto, ary inona no asany? b) Ahoana no mety ho nahatonga an’i Paoly ho mpanao tranolay?
4 Nihaona tamin’ny mpivady iray i Paoly rehefa tonga kelikely tany Korinto. Tsy iza izany fa i Akoila, izay Jiosy ray Jiosy reny, sy Prisila na Priska vadiny. Nifindra tany Korinto izy mivady, satria nandidy i Klaodio Mpanjaka hoe “tsy maintsy miala any Roma ny Jiosy rehetra.” (Asa. 18:1, 2) Noraisin’i Akoila sy Prisila hiara-mipetraka aminy i Paoly, sady noraisiny hiara-miasa aminy. Hoy ny Baiboly: “Nipetraka tao amin’izy mivady [i Paoly] ary niara-niasa tamin’izy ireo, satria nitovy ny asany. Mpanao tranolay mantsy no asa fiveloman’izy ireo.” (Asa. 18:3) Tao an-tranon’io mpivady tsara fanahy io foana i Paoly no nipetraka, nandritra ny fanompoany tany Korinto. Tamin’i Paoly nipetraka tao amin’izy mivady angamba no nanoratany ny taratasiny sasany, izay lasa anisan’ny Baiboly.b
5 Nampianarina “teo an-tongotr’i Gamaliela” i Paoly, nefa ahoana no nahatonga azy ho mpanao tranolay? (Asa. 22:3) Toa tsy noheverin’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany hoe nanambany azy ny nampianatra asa tanana ny zanany, na dia nety ho nanao fianarana fanampiny aza ny zanany. Azo inoana fa tamin’ny fahazazany i Paoly no nianatra nanao tranolay, satria avy any Tarsosy any Kilikia no fiaviany. Nampahalaza an’io faritra io mantsy ilay karazan-damba fanaovana tranolay. Ahoana izany hoe nanao tranolay izany? Anisan’ny asa natao angamba ny nanenona an’ilay lamba hanaovana azy, na nandidy sy nanjaitra an’ilay lamba marokoroko sy henjana. Asa mafy ilay izy, na ahoana na ahoana.
6, 7. a) Ahoana no niheveran’i Paoly ny fanaovana tranolay, ary ahoana no ahalalana fa nitovy hevitra taminy i Akoila sy Prisila? b) Ahoana no anahafan’ny Kristianina ankehitriny an’i Paoly sy Akoila ary Prisila?
6 Tsy nihevitra ny fanaovana tranolay ho tena anton’asany i Paoly. Mba hameloman-tena fotsiny no niasany. Amin’izay izy dia ho afaka hanao ny fanompoany, izany hoe ny fitoriana “maimaim-poana” ny vaovao tsara. (2 Kor. 11:7) Ahoana kosa no niheveran’i Akoila sy Prisila ny asany? Kristianina izy mivady ka azo inoana fa nitovy hevitra tamin’i Paoly. Rehefa niala tany Korinto, ohatra, i Paoly tamin’ny taona 52, dia niara-nifindra taminy tany Efesosy koa izy mivady, ary natao toeram-pivorian’ny fiangonan’i Efesosy ny tranony. (1 Kor. 16:19) Niverina tany Roma izy mivady tatỳ aoriana, ary niverina tany Efesosy indray avy eo. Nataony loha laharana teo amin’ny fiainany ilay Fanjakana, ka vonona ny hanao sorona izy ireo mba hanampiana ny hafa. Nankasitraka an’ireo mpivady be zotom-po ireo àry ‘ny fiangonana rehetra tany amin’ny hafa firenena.’—Rom. 16:3-5; 2 Tim. 4:19.
7 Manao toa an’i Paoly sy Akoila ary Prisila koa ny Kristianina ankehitriny. Miasa mafy ireo mpitory be zotom-po “mba tsy hampitondra enta-mavesatra” ny hafa. (1 Tes. 2:9) Maro ny mpitory manontolo andro miasa tapa-potoana na mandritra ny fe-potoana sasany ao anatin’ny taona, mba hameloman-tena hanaovana an’ilay tena asany, dia ny fanompoana. Mendri-piderana izy ireny. Mpanompon’i Jehovah maro koa no tsara fanahy toa an’i Akoila sy Prisila, ka mampiantrano mpiandraikitra ny faritra. Tsapan’ireo ‘miezaka ho tia mandray vahiny’ fa mampahery ny manao izany.—Rom. 12:13.
“Lasa mpino ny ankamaroan’ny Korintianina” (Asa. 18:5-8)
8, 9. Ahoana no nataon’i Paoly rehefa notoherin’ny Jiosy ny fitoriany, ary taiza izy no nitory?
8 Tamin’i Paoly, dia natao hanompoana an’i Jehovah fotsiny ny asa. Niharihary io toe-tsainy io rehefa tonga avy tany Makedonia i Silasy sy Timoty, ary nitondra fanomezana be dia be. (2 Kor. 11:9) Avy hatrany i Paoly dia “nifantoka tanteraka tamin’ny fitoriana.” (Asa. 18:5) Nazoto nitory tamin’ny Jiosy izy, nefa notoherin’izy ireo mafy. Nitory momba an’i Kristy izy ka nampita hafatra mamonjy aina, nefa nolavin’ireo Jiosy mpanohitra izany. Nilaza àry i Paoly fa afaka adidy, ka nakopany ny fitafiany ary hoy izy: “Ianareo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesanareo. Afaka adidy aho. Hankany amin’ny olona hafa firenena aho manomboka izao.”—Asa. 18:6; Ezek. 3:18, 19.
9 Aiza àry i Paoly no hitory? Nanome ny tranony hampiasain’i Paoly ny lehilahy iray atao hoe Titosy Josto, izay azo inoana fa olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Nifanila tamin’ny synagoga ny tranony. Niala tao amin’ny synagoga àry i Paoly ka nankao an-tranon’i Josto. (Asa. 18:7) Mbola nipetraka tao amin-dry Akoila sy Prisila ihany i Paoly tao Korinto, fa ny tranon’i Josto kosa no foiben’ny asa fitoriany.
10. Inona no mampiseho fa tsy ny hafa firenena ihany no nitorian’i Paoly?
10 Nilaza i Paoly fa hitory amin’ny hafa firenena izy nanomboka teo. Midika ve izany fa tofoka tanteraka tamin’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy, na dia nisy te hihaino aza tamin’izy ireny? Tsy izany mihitsy! “Lasa nino ny Tompo”, ohatra, “i Krispo mpitantana [ny] synagoga, sy ny ankohonany manontolo.” Azo inoana fa maro tamin’ireo nivory tao amin’ilay synagoga no nanao toa an’i Krispo, satria hoy ny Baiboly: “Lasa mpino ny ankamaroan’ny Korintianina naheno ny vaovao tsara, ka natao batisa.” (Asa. 18:8) Ny tranon’i Titosy Josto àry no lasa toeram-pivorian’ilay fiangonana kristianina vao niforona tao Korinto. Raha nosoratan’i Lioka arakaraka ny nisehoany ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly, toy ny efa fanaony, dia efa avy nakopak’i Paoly ny akanjony vao lasa Kristianina ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ireo. Hita àry fa nahay nilefitra i Paoly, ka mbola nitory tamin’ny Jiosy ihany.
11. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly, eo am-piezahantsika mitory amin’ny olona milaza azy ho Kristianina?
11 Efa hatramin’ny ela no nisy tany amin’ny firenena maro ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina. Misy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona izy ireny. Mitaona olona maro ho Kristianina ny misioneran’ireny fivavahana ireny, any amin’ny tany maro. Matetika anefa no andevozin’ny fomban-drazana ireo mitonona ho Kristianina, toa an’ireo Jiosy tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany. Manao toa an’i Paoly kosa isika Vavolombelon’i Jehovah ka miezaka mitory amin’ny olona toy ireny. Manampy azy ireny hahatakatra tsara ny Soratra Masina isika. Tsy kivy isika, na manohitra antsika aza izy ireny ary manenjika antsika ny mpitondra fivavahany. Mety ho maro ny mpandefitra mila karohina sy tadiavina eo anivon’ireo “mafana fo ho an’Andriamanitra..., saingy tsy tena mahalala azy tsara.”—Rom. 10:2.
“Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity ... aho” (Asa. 18:9-17)
12. Fanomezan-toky inona no azon’i Paoly tao amin’ny fahitana iray?
12 Nisalasala ve i Paoly hoe tokony hanohy ny fitoriany tao Korinto izy sa tsia? Raha nisy izany dia nihelina ihany, satria niseho taminy tao amin’ny fahitana i Jesosy Tompo indray alina, ka niteny hoe: “Aza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina, fa miaraka aminao aho ka tsy hisy hanafika anao mba hanisy ratsy anao. Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity mantsy aho.” (Asa. 18:9, 10) Nampahery azy tokoa io fahitana io! Ny Tompo mihitsy no nanome toky fa hiaro azy, sady nilaza fa nisy olona mendrika maro tao an-tanàna. Inona no vokatr’io fahitana io tamin’i Paoly? Izao no vakintsika: “Nijanona tao herintaona sy tapany ... izy, ka nampianatra azy ireo ny tenin’Andriamanitra.”—Asa. 18:11.
13. Inona no nety ho tao an-tsain’i Paoly rehefa nanakaiky ny toeram-pitsarana izy? Nahoana anefa izy no natoky fa tsy hisy haninona azy?
13 Rehefa nijanona tao Korinto nandritra ny herintaona teo ho eo i Paoly, dia vao mainka nahita porofo fa nanampy azy ny Tompo. “Niray tetika hanohitra an’i Paoly ny Jiosy” ary nitondra azy “teo amin’ny toeram-pitsarana”, izay antsoina amin’ny teny grika hoe bema. (Asa. 18:12) Mihevitra ny sasany fa toy ny lampihazo izy io, ary vita tamin’ny marbra manga sy fotsy, sady feno sary sokitra. Somary teo afovoan’ny tsenan’i Korinto angamba izy io. Nalalaka ny teo anoloany ka vahoaka be no afaka nivory teo. Hita tamin’ny fikarohana ny any ambanin’ny tany fa toa tena teo akaikin’ny synagoga ilay toeram-pitsarana, izany hoe nifanakaiky kely tamin’ny tranon’i Josto. Rehefa nanakaiky an’ilay toeram-pitsarana i Paoly, dia nety ho niverina tao an-tsainy ny nitoraham-bato an’i Stefana, izay lazaina indraindray hoe maritiora kristianina voalohany. “Nankasitraka ny namonoana” azy i Paoly, izay mbola Saoly tamin’izany. (Asa. 8:1) Hatao toa an’i Stefana koa ve i Paoly? Tsia, satria efa nomena toky izy hoe: “Tsy hisy ... hanisy ratsy anao.”—Asa. 18:10.
14, 15. a) Inona no niampangan’ny Jiosy an’i Paoly, ary nahoana no nofoanan’i Galio ilay fitsarana? b) Inona no nanjo an’i Sostena, ary inona no nety ho vokatr’izany teo aminy?
14 Inona no nitranga rehefa tonga teo amin’ny toeram-pitsarana i Paoly? I Galio, governoram-paritr’i Akaia, no nisahana ilay raharaha. Zokin’i Sénèque, filozofa romanina, izy io. Niampanga an’i Paoly ny Jiosy hoe: “Mitaona ny vahoaka hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fomba tsy araka ny lalàna ity lehilahy ity.” (Asa. 18:13) Te hilaza ny Jiosy hoe nandika lalàna i Paoly rehefa nitaona olona hanaraka ny finoany. Fantatr’i Galio anefa fa tsy “nanao ratsy” na meloka ho “nahavita heloka bevava” i Paoly. (Asa. 18:14) Tsy te hiditra tamin’ny adihevitry ny Jiosy i Galio. Mbola tsy niloa-bava hiaro ny tenany akory i Paoly dia efa nofoanan’i Galio ilay fitsarana. Romotra ireo mpiampanga an’i Paoly, ka i Sostena no nanamparany ny hatezerany. I Sostena angamba no mpitantana ny synagoga, ho solon’i Krispo. Nosamborin’izy ireo i Sostena, “dia nokapohiny teo anoloan’ny toeram-pitsarana.”—Asa. 18:17.
15 Nahoana i Sostena no navelan’i Galio hokapohin’ny vahoaka? Nieritreritra angamba i Galio fa i Sostena no nitarika vahoaka hanohitra an’i Paoly. Nihevitra àry izy fa nahazo ny sahaza azy i Sostena. Na ahoana na ahoana, dia toa tsara fiafara ilay raharaha. Nisy Sostena nolazain’i Paoly ho rahalahy ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina, izay nosoratany taona maromaro tatỳ aoriana. (1 Kor. 1:1, 2) Ilay Sostena nokapohina tany Korinto ve io? Raha izany, dia nety ho nanampy azy ho lasa Kristianina ilay zava-tsarotra nanjo azy.
16. Niteny ny Tompo hoe: “Mitoria foana ary aza mangina, fa miaraka aminao aho.” Inona no vokatr’izany eo amin’ny fanompoantsika?
16 Tsarovy fa rehefa avy nanda ny fitorian’i Paoly ny Jiosy vao nanome toky an’i Paoly i Jesosy Tompo hoe: “Aza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina, fa miaraka aminao aho.” (Asa. 18:9, 10) Tokony hitadidy an’ireo teny ireo isika, indrindra rehefa misy mandà ny hafatra torintsika. Aza hadinoina fa mahita ny ao am-po i Jehovah, ka mitaona ny olona tso-po hanatona azy. (1 Sam. 16:7; Jaona 6:44) Mampahery antsika hazoto foana amin’ny fanompoana izany! Ana hetsiny isan-taona, izany hoe an-jatony isan’andro, no atao batisa. Nanome baiko i Jesosy hoe: “Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy.” Nanome toky an’ireo mankatò izany izy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.”—Mat. 28:19, 20.
“Raha sitrapon’i Jehovah” (Asa. 18:18-22)
17, 18. Inona no nety ho nosaintsainin’i Paoly teny ambony sambo?
17 Tsy niraharaha an’izay nataon’ireo mpiampanga an’i Paoly i Galio. Tsy fantatsika anefa raha nandry feizay ny Kristianina tao Korinto, vokatr’izany. “Nijanona tao andro vitsivitsy” i Paoly talohan’ny nanaovany veloma an’ireo rahalahy tao Korinto. Nikasa ho any Syria i Paoly ka nandray sambo tao Kenkrea, tamin’ny voalohandohan’ny taona 52. Eo amin’ny 11 kilaometatra any atsinanan’i Korinto i Kenkrea. Talohan’ny nialan’i Paoly tao Kenkrea anefa, dia “nohetezana fohy ny volony ... satria nisy voady nataony.”c (Asa. 18:18) Nentiny niaraka taminy i Akoila sy Prisila taorian’izay, ka nandeha sambo namakivaky ny Ranomasina Égée izy ireo, mba ho any Efesosy, any Azia Minora.
18 Azo inoana fa nisaintsaina ny zava-nitranga tao Korinto i Paoly, rehefa niainga tao Kenkrea ilay sambo nitondra azy. Maro ny zavatra nahafinaritra tsaroany, ary tena afa-po izy. Herintaona sy tapany izy no nanompo tao, ary be ny vokatra. Niforona ny fiangonana voalohany tao Korinto, ary tao an-tranon’i Josto ny fivoriana. Anisan’ireo tonga mpino i Josto, sy Krispo sy ny ankohonany, ary ny maro hafa. Tena tian’i Paoly ireo mpianatra vaovao ireo, satria izy no nanampy azy ho tonga Kristianina. Nanoratra tamin’izy ireo izy tatỳ aoriana, ka nilaza fa izy ireo no taratasy fiderana azy, izay voasoratra ao am-pony. Akaikin’ny fontsika koa ireo nampiantsika hiandany amin’ny fivavahana marina. Taratasy velona ireny “taratasy fampahafantarana” ireny, ary afa-po tokoa isika mahita azy ireny!—2 Kor. 3:1-3.
19, 20. Inona no nataon’i Paoly tamin’izy tonga tany Efesosy? Inona no ianarantsika avy aminy, rehefa miezaka hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah isika?
19 Nifantoka avy hatrany tamin’ilay tena asany i Paoly rehefa tonga tany Efesosy. “Niditra tao amin’ny synagoga izy, ary niezaka nandresy lahatra an’ireo Jiosy.” (Asa. 18:19) Vetivety ihany no nijanonan’i Paoly tany, tamin’ity indray mandeha ity. Nasaina nijanona elaela kokoa izy, nefa “tsy nety.” Hoy izy tamin’ireo Efesianina, tamin’izy nanao veloma: “Mbola hiverina atỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’i Jehovah.” (Asa. 18:20, 21) Azo inoana fa hitan’i Paoly hoe mbola be ny fitoriana tokony hatao tany Efesosy. Nikasa ny hiverina tany ilay apostoly, nefa naleony napetraka teo am-pelatanan’i Jehovah izany. Tsy modely ho antsika ve izany? Isika mihitsy aloha no mila manao zavatra, rehefa miezaka hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah. Tsy maintsy miantehitra foana amin’ny fitarihan’i Jehovah anefa isika, ka miezaka hanao zavatra araka ny sitrapony.—Jak. 4:15.
20 Nandao an’i Akoila sy Prisila tao Efesosy i Paoly, ary nandray sambo ka tonga tany Kaisaria. Toa “niakatra” tany Jerosalema sy niarahaba ny fiangonana tany izy. (Asa. 18:22, f.a.p.) Nankany Antiokia any Syria, toerana fiaingany, i Paoly avy eo. Vitany tsara ny dia misionera faharoa. Inona no niandry azy tamin’ny dia misionera farany hataony?
a Jereo ilay efajoro hoe “Korinto sy Ireo Ranomasiny”, pejy 149.
b Jereo ilay efajoro hoe “Taratasy Nampahery”, pejy 150.
c Jereo ilay efajoro hoe “Ilay Voadin’i Paoly”, pejy 152.