Mandresy ny Tenin’i Jehovah!
“Tamin’ny fomba nahery, ny tenin’i Jehovah dia nandroso sy nandresy hatrany.” — ASAN’NY APOSTOLY 19:20, MN.
1. Inona no hodinihin’ity fianarana momba ny bokin’ny Asan’ny apostoly ity?
NANOKATRA varavarana nitarika ho amin’ny asa i Jehovah. I Paoly, “Apostolin’ny jentilisa”, indrindra indrindra no nitarika izany asa izany. (Romana 11:13). Raha manohy mandinika ny bokin’ny Asan’ny apostoly tokoa isika dia hahita azy eo am-panaovana dia misionera mahavariana maromaro. — Asan’ny apostoly 16:6 ka hatramin’ny 19:41.
2. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanompoan’i Paoly tamin’ny naha-mpanoratra nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra azy nanomboka tamin’ny 50 am. fan. ir. teo ho eo ka hatramin’ny 56 am. fan. ir.? b) Inona no nitranga raha nitahy ny fanompoan’i Paoly sy ny an’ny hafa Andriamanitra?
2 Nanao an-tsoratra teny azony tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ihany koa izy. Nanomboka teo amin’ny 50 am. fan. ir. teo ho eo ka hatramin’ny 56 am. fan. ir., dia nanoratra ny Tesaloniana voalohany sy faharoa tany Korinto izy, ny Galatiana tany amin’io tanàna io ihany na tany Antiokia tany Syria, ny Korintiana voalohany tany Efesosy, ny Korintiana faharoa tany Makedonia, ary ny Romana tany Korinto. Ary satria notahin’Andriamanitra ny fanompoan’i Paoly sy ny an’ireo namany hafa, “tamin’ny fomba nahery ny tenin’i Jehovah dia nandroso sy nandresy hatrany.” — Asan’ny apostoly 19:20, MN.
Tany Azia ka hatrany Eoropa
3. Tamin’ny fomba ahoana no namelan’i Paoly sy ny namany ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fitarihan’ny fanahy masina?
3 I Paoly sy ireo namany dia namela ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fanekena ny fitarihan’ny fanahy masina. (16:6-10). Angamba tamin’ny alalan’ny fanambarana nisy feo re, na ny nofy, na ny fahitana, izy ireo dia tsy navelan’ny fanahy hitory tany amin’ny distrikan’i Azia sy tany amin’ny provans’i Bitynia, izay nahatongavan’ny vaovao tsara tatỳ aoriana. (Asan’ny apostoly 18:18-21; 1 Petera 1:1, 2). Nahoana no nosakanan’ny fanahy tsy hiditra tany taloha kokoa izy ireo? Vitsy ny mpiasa tamin’izay, ary notarihin’ny fanahy ho any amin’ny faritany nahavokatra kokoa tany Eoropa izy ireo. Toy izany koa amin’izao andro izao, raha voasakana ny fandehanana ho any amin’ny faritany iray, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandeha mitory any amin’ny toeran-kafa, amin’ny fahazoana antoka fa ny fanahin’Andriamanitra dia hitarika azy ho any amin’ireo ondry.
4. Inona no vokatry ny nahazoan’i Paoly fahitana ny amin’ny lehilahy makedoniana iray nitalaho fanampiana?
4 “Nandalo an’i Mysia”, faritra iray any Azia Minora, àry i Paoly sy ny namany, hanaovany ny asany misionera. Tao amin’ny fahitana iray anefa i Paoly dia nahita lehilahy Makedoniana iray nitalaho fanampiana. Nankany Makedonia, any amin’ny sarinosy Balkanika, haingana àry ireo misionera. Toy izany koa, ny Vavolombelona maro dia tarihin’ny fanahy masina ankehitriny mba hanompo any amin’ny toerana ilàna mpitory ilay Fanjakana indrindra.
5. a) Nahoana no azo lazaina fa nandresy ny tenin’i Jehovah tany Filipy? b) Amin’ny heviny ahoana ny Vavolombelona maro amin’izao andro izao no mitovy amin’i Lydia?
5 Nandresy ny tenin’i Jehovah tany Makedonia. (16:11-15, MN ). Toa tsy nisy afa-tsy Jiosy vitsivitsy sady tsy nisy synagoga akory tao Filipy, zana-panjakana iray, izay Romana ny ankamaroan’ny mponina tao. Nankany amin’ny “toerana fivavahana” iray, teny amoron’ny ony iray ivelan’ny tanàna, àry ireo rahalahy. Anisan’ireo vehivavy hitan’izy ireo teo i Lydia, izay nety ho proselyta jiosy avy tany Tyatira, tanàna iray tany Azia Minora nalaza noho ny taozava-baventy fandokoana lamba. Nivarotra loko volomparasy na lamba sy akanjo voaloko volomparasy izy io. Rehefa avy natao batisa i Lydia sy ny ankohonany, dia nandray ireo vahiny tamin-kafanam-po aoka izany, hany ka nanoratra toy izao i Lioka: “Nanery anay izy.” Velom-pankasitrahana ny anabavy toy izany isika amin’izao andro izao.
Tonga mpino ny mpiandry tranomaizina iray
6. Tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’ny asan’ireo demonia ho amin’ny fanaovana an-tranomaizina an-dry Paoly sy Silasy tany Filipy?
6 Nety ho nahavinitra an’i Satana ny fandrosoana ara-panahy tao Filipy, satria nitarika ho amin’ny fanaovana an-tranomaizina an-dry Paoly sy Silasy ny asan’ireo demonia. (16:16-24, MN ). Nandritra ny andro maro izy ireo dia narahin’ankizivavy anankiray nanana “demonia mpanao sikidy” (ara-bakiteny hoe “fanahin’ny python”). Io demonia io dia nety ho nanao ny tenany ho ilay andriamanitra Apollon avy tany Puthô (anaran’i Delphes fahizay), izay nolazaina fa namono menarana iray nantsoina hoe Py’thon. Nahazoan’ny tompony harena be ny faminaniana nataon’io ankizivavy io. Nety ho nilaza tamin’ny mpiasa tany tokoa izy hoe rahoviana no tokony hamboleny, na ny zatovovavy hoe rahoviana no tokony hanambadiany, na ny mpihady zavatra ao anaty tany hoe aiza no tokony hitadiavany volamena! Tsy nitsahatra nanaraka ireo rahalahy izy sady nikiakiaka hoe: “Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo làlam-pamonjena.” Ilay demonia no nety ho nampiteny azy izany mba hampinoana ny olona fa azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny faminaniany, kanefa tsy manana zo hanao fanambarana momba an’i Jehovah sy ny fandaharam-pamonjeny ireo demonia. Rehefa nanasatra an’i Paoly izany famelezana tsy an-kijanona izany, dia noroahiny tamin’ny anaran’i Jesosy ilay demonia. Nony rava ny raharaha fahazoam-bolan’ireo tompon’ilay ankizivavy, dia nitarika an-dry Paoly sy Silasy ho any an-tsena izy ireo, ary nampikapoka azy tamin’ny hazo. (2 Korintiana 11:25). Avy eo dia nataony tao an-tranomaizina izy ireo ary ny tongony notereny tamin’ny boloky hazo. Ny fitaovana toy izany dia azo namboarina mba hanerena ny tongotra hisaraka, ka nampanaintaina mafy.
7. Ho an’iza ary tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fanaovana an-tranomaizina an-dry Paoly sy Silasy tany Filipy fitahiana?
7 Nitondra fitahiana maro ho an’ilay mpiandry ny tranomaizina sy ny fianakaviany izany fanaovana an-tranomaizina izany. (16:25-40). Tany amin’ny nisasakalina tany dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra ry Paoly sy Silasy, noho ny fitokiana fa nomba azy izy. (Salamo 42:8). Nisy horohorontany tampoka namoha ny varavarana sy namaha ny gadra rehetra satria tafatsoaka avy tamin’ny hazo na ny rindrina ireo fatorana. Ilay mpiandry tranomaizina dia natahotra ny hovonoina ho faty ho vokatry ny fandosiran’ireo mpigadrany. Vonona ny hamono tena izy raha niantso azy i Paoly hoe: “Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.” Nentin’ilay mpiandry tranomaizina nivoaka ry Paoly sy Silasy, ary nanontaniany ny fomba hahazoany famonjena. “Minoa an’i Jesosy Tompo”, hoy ny navaliny. Rehefa avy nahare ny tenin’i Jehovah izy, dia “natao batisa tamin’izay (...) mbamin’izay azy rehetra.” Endrey ny hafaliana nentin’izany!
8. Inona no nataon’ireo governora tao Filipy, ary inona no azo nantenaina raha nanaiky ny fahadisoany ampahibemaso izy ireo?
8 Ny ampitson’iny, dia nandefa baiko mba hanafaka an-dry Paoly sy Silasy ireo governora. Kanefa hoy i Paoly: ‘Efa nokapohiny tsy voatsara izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony an-tranomaizina. Ary ankehitriny ve dia mamoaka anay mangingina izy? Aoka izy ihany no hankatỳ hamoaka anay.’ Raha toa ka voatery hiaiky ny fahadisoany ampahibemaso ireo governora, angamba izy hisalasala aloha vao hikapoka sy hanao an-tranomaizina kristiana hafa. Koa satria tsy afaka ny handroaka olom-pirenena romana ireo governora dia tonga nangataka an’ireo rahalahy mba handeha, kanefa tsy nandeha ireo raha tsy avy nampahery ireo mpiray finoana taminy. Ny fiheverana toy izany koa ankehitriny no manosika ireo anisan’ny Kolejy foibe sy ireo solontena mpitety faritany hafa hitsidika sy hampahery ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany.
Nandresy ny tenin’i Jehovah tany Tesalonika sy tany Beria
9. Tamin’ny fomba ahoana, mbola ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, no ‘nanazavan’i Paoly sy nanaporofoany’ fa tsy maintsy nijaly sy natsangana tamin’ny maty ny Mesia?
9 Nanaraka izay, dia tany Tesalonika, renivohitr’i Makedonia sy ny seranany lehibe indrindra, no nandresy ny tenin’i Jehovah. (17:1-9, MN ). Tao i Paoly dia nanjohy hevitra tamin’ireo Jiosy, “nanazava ary nanaporofo” fa tsy maintsy nijaly sy natsangana tamin’ny maty ny Mesia. (Nanao izany i Paoly tamin’ny fampitahana ireo faminaniana tamin’ny zava-nitranga nahatanteraka izany, toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.) Araka izany, dia Jiosy sasantsasany, proselyta maro ary olon-kafa koa no tonga mpino. Rehefa avy nahavory vahoaka mpanakorontana ny Jiosy nialona sasany nefa tsy nahita an-dry Paoly sy Silasy, dia nitondra an’i Jasona sy ny rahalahy hafa ho any amin’ny lehiben’ny tanàna ka nanendrikendrika azy ho mpikomy, fiampangana diso izay mbola amelezana ny vahoakan’i Jehovah ihany. Kanefa nafahana ireo rahalahy rehefa avy nanome “antoka bebe ihany.”
10. Tamin’ny heviny ahoana no hoe ‘nandinika tamim-pitandremana’ ny Soratra masina ny Jiosy tany Beria?
10 Avy eo dia nankany Beria ry Paoly sy Silasy. (17:10-15). Tao ireo Jiosy dia ‘nandinika tamim-pitandremana ny Soratra masina’, toy ny ampirisihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona amin’izao andro izao. Tsy niahiahy an’i Paoly akory ireo Beriana fa nanao fikarohana mba hanaporofoana fa i Jesosy no Mesia. Inona no vokany? Jiosy maro sy Grika sasantsasany (angamba proselyta) no tonga mpino. Raha nampitabataba ny vahoaka ny Jiosy avy tany Tesalonika, dia nanaraka an’i Paoly hatrany amoron-dranomasina ireo rahalahy, ary teo ny sasany tamin’ireo niaraka taminy dia nety ho niondrana an-tsambo ho any Pirée (Piraiévs amin’izao andro izao), seranan’i Atena.
Nandresy ny tenin’i Jehovah tany Atena
11. a) Fanambarana inona no nataon’i Paoly tamim-pahasahiana tany Atena, kanefa iza no nanohitra azy? b) Inona no toa tian’izy ireo holazaina rehefa niantso an’i Paoly hoe “mpibedibedy” izy ireo?
11 Nisy fanambarana tamim-pahasahiana natao tany Atena. (17:16-21, MN ). Koa satria momba an’i Jesosy sy ny fitsanganana amin’ny maty ny tenin’i Paoly, dia nisy olon-kendry nanohitra azy. Ny sasany tamin’ireo dia Epikoreana, izay nanantitrantitra ny amin’ny fahafinaretana. Ny hafa kosa dia Stoika, izay nanamafy ny amin’ny fifehezana ny tena. “Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina?” hoy ny sasany. Ny teny hoe “mpibedibedy” (ara-bakiteny hoe “mpitsindroka”) dia toa nilaza fa toy ny vorona iray mitsaingoka voan-javatra i Paoly, mody mizara sombintsombim-pahalalana amin’ny hafa nefa tsy manam-pahendrena akory. Hoy kosa ny sasany: “Toa mitory andriamani-baovao izy.” Zava-dehibe izany fiampangana izany, satria noho izany no namoizan’i Socrate ny ainy. Tsy ela i Paoly dia nentiny tany amin’ny Areopago (havoanan’i Marsa), izay nety ho toerana nivorian’ny fitsarana tampony an-kalamanjana teo akaikin’ny Acropole.
12. a) Lafiny inona avy amin’ny fahaiza-miteny tsara ampahibemaso no hita ao amin’ny lahateny nataon’i Paoly tao amin’ny Areopago? b) Inona avy moa no nohazavain’i Paoly momba an’Andriamanitra, ary inona avy no vokany?
12 Ny lahateny nataon’i Paoly tao amin’ny Areopago dia ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fampisehoana fampidiran-dresaka mahomby, famelabelaran-kevitra mirindra ary fanaporofoan-kevitra mampiaiky — toy ny ampianarina any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. (17:22-34). Nilaza i Paoly fa tia fivavahana kokoa noho ny hafa ny Ateniana. Nanana alitara natolony “Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra” mihitsy aza izy ireo, angamba mba tsy hanamavoana na iza na iza amin’ireo andriamanitra! Niresaka ny amin’ny Mpamorona izay “nanao ny firenen’ny olombelona rehetra avy amin’ny iray ihany” ary ‘nanendry ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenan’ny olona’, toy ny rehefa nanaisotra ny Kananita izy. (Genesisy 15:13-21; Daniela 2:21; 7:12). Azo atao ny mahita an’io Andriamanitra io, “fa terany koa isika”, hoy i Paoly raha niresaka ny amin’ny namoronan’i Jehovah ny olona izy, sady nanonona ireo mpanao tonon-kira teo aminy, dia i Aratos sy Cléanthe. Amin’ny maha-terak’Andriamanitra antsika, dia tsy tokony hihevitra isika fa ilay Mpamorona tanteraka dia toy ny sampy iray nataon’olombelona tsy tanteraka. Nisy fotoana tsy nijeren’Andriamanitra ny tsy fahalalana fa ankehitriny izy dia mandidy ny taranak’olombelona mba hibebaka, satria izy efa nanendry andro iray hitsarana azy amin’ny alalan’ilay voatendriny. Koa satria Paoly avy ‘nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy’, dia fantatr’ireo nihaino azy fa i Kristy no tiany holazaina tamin’ny hoe Mpitsara. (Asan’ny apostoly 17:18, MN; Jaona 5:22, 30). Nanorisory ny Epikoriana ny fandrenesana ny amin’ny fibebahana, ary ireo olon-kendry grika dia afaka nanaiky fitenenana momba ny tsy fetezana ho faty fa tsy momba ny fahafatesana na ny fitsanganana amin’ny maty. Toy ny olona maro amin’izao andro izao izay manilika amim-piavonavonana ny vaovao tsara, dia toa nilaza ny sasany hoe: ‘Mbola hihaino anao izahay amin’ny fotoana hafa.’ Kanefa i Dionysio mpitsara sy ny hafa koa dia tonga mpino.
Nandresy ny tenin’Andriamanitra tany Korinto
13. Tamin’ny fomba ahoana no nameloman’i Paoly tena teo am-panaovana ny fanompoany, ary inona no hitantsika mitovy amin’izany amin’izao andro izao?
13 Nanohy nankany Korinto, renivohitry ny provans’i Akaia i Paoly. (18:1-11). Tao izy dia nahita an-dry Akoila sy Prisila, izay nifindra nonina tao, taorian’ny nanomezan’i Klaodio Kaisara baiko ny Jiosy izay tsy olom-pirenena romana mba handao an’i Roma. Mba hameloman-tena sady nanao ny fanompoana, i Paoly dia niara-nanamboatra lay tamin’io mpivady kristiana io. (1 Korintiana 16:19; 2 Korintiana 11:9). Mafy ny asa fanapahana sy fanjairana lamba vita tamin’ny volon’osy matevina. Tahaka izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miasa ivelan’ny fivavahana mba hameloman-tena, fa ny fanompoana no tena ahatsiarovany fiantsoana.
14. a) Raha tsy nitsahatra ny fanoheran’ireo Jiosy tany Korinto, dia inona no nataon’i Paoly? b) Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’i Paoly antoka fa tokony hijanona tao Korinto izy, kanefa amin’ny fomba ahoana no ahazoan’ny vahoakan’i Jehovah fitarihana ankehitriny?
14 Tsy nitsahatra niteny ratsy ireo Jiosy tao Korinto raha nanambara ny naha-Mesia an’i Jesosy i Paoly. Nanopakopa-damba izy mba hampisehoana fa tsy tompon’andraikitra ny amin’ireo, ary nanomboka nanao fivoriana tao amin’ny tranon’i Titosy Josto, izay azo inoana fa romana. Maro be (anisan’izany i Krispo, mpanapaka ny synagoga teo aloha sy ny ankohonany) no tonga mpino vita batisa. Raha nanjary nanontany tena i Paoly raha tokony hijanona tao Korinto na tsia noho ny fanoheran’ireo Jiosy, dia nisava ny fisalasalany rehefa niteny taminy tamin’ny fahitana ny Tompo hoe: ‘Aza matahotra. Mitenena ihany, fa izaho momba anao ary tsy hisy olona hanisy ratsy anao. Manana olona maro amin’ity tanàna ity aho.’ Nanohy nampianatra ny tenin’Andriamanitra tao àry i Paoly nandritra ny herintaona sy tapany. Na dia tsy mahazo fahitana aza ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, ny vavaka sy ny fitarihan’ny fanahy masina dia manampy azy hanao fanapahan-kevitra amim-pahendrena mifandray amin’ny tombontsoan’ilay Fanjakana.
15. Inona no nitranga rehefa nentina teo anatrehan’i Galio governora i Paoly?
15 Nitondra an’i Paoly teo anatrehan’i Galio governora ireo Jiosy. (18:12-17). Toa nilaza izy ireo fa nampiova finoana olona tsy araka ny lalàna i Paoly — fiampangana lainga izay mbola aroson’ny mpitondra fivavahana grika hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ankehitriny. Fantatr’i Galio fa tsy meloka ho nanao zavatra ratsy i Paoly, ary koa fa tsy niraharaha firy ny amin’ny tombontsoan’i Roma sy ny lalàny ireo Jiosy, koa dia nandroaka azy hiala izy. Rehefa nikapoka an’i Sostena, mpanapaka ny synagoga vaovao, ny mpanatrika, dia tsy nisalovana akory i Galio, angamba noho ny fiheverana fa ilay niharihary ho mpitarika ireo mpitabataba hamely an’i Paoly dia nahazo izay mendrika ho azy.
16. Nahoana no azo nekena ny nanakakasan’i Paoly ny volony noho ny nanaovany voady?
16 Niondrana an-tsambo tao Kenkrea, seranana teo amin’ny ranomasina Egée, mba ho any Efesosy, tanàna iray tany Azia Minora, i Paoly. (18:18-22, MN ). Talohan’io dia io, dia ‘nokakasany ny volon-dohany, fa efa nivoady izy’. Tsy voalaza raha nanao io voady io talohan’ny nahatongavany ho mpanara-dia an’i Jesosy i Paoly, na raha izao no fiandohana na ny faran’ny fotoan’ilay voady. Tsy ambanin’ny Lalàna ny kristiana, kanefa avy tamin’Andriamanitra sady masina izy io, ary tsy fahotana ny fanaovana voady toy izany. (Romana 6:14; 7:6, 12; Galatiana 5:18). Tao Efesosy i Paoly dia nanjohy hevitra tamin’ireo Jiosy, ary nampanantena ny hiverina raha sitrapon’Andriamanitra. (Tanteraka tatỳ aoriana izany fampanantenana izany.) Ny fiverenany tany Antiokia tany Syria no namarana ny dia misionerany faharoa.
Nandresy ny tenin’i Jehovah tany Efesosy
17. Momba ny batisa, toromarika inona no nilain’i Apolosy sy ny olona hafa koa?
17 Tsy ela dia nanomboka ny dia misionerany fahatelo i Paoly (tany amin’ny 52-56 am. fan. ir. tany ho any.) (18:23 ka hatramin’ny 19:7). Nandritra izany fotoana izany tany Efesosy i Apolosy dia nampianatra momba an’i Jesosy, kanefa tsy nahafantatra afa-tsy ny batisan’i Jaona ho fibebahana noho ny fahotana tamin’ny faneken’ny Lalàna, izy. Ry Prisila sy Akoila dia “nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra”, ary azo inoana fa nanazava izy ireo hoe tafiditra tamin’ny fanaovana batisa tahaka an’i Jesosy ny fanaovana batisa amin’ny rano sy ny fahazoana ny fanahy masina. Taorian’ny nanaovana batisa tamin’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am. fan. ir., izay rehetra natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona dia tsy maintsy mbola natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy indray. (Matio 3:11, 16; Asan’ny apostoly 2:38). Tatỳ aoriana, tany Efesosy, dia lehilahy jiosy teo amin’ny 12 teo, izay efa natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona teo aloha, no “natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo”, izay hany fanaovana batisa indray voatantara ao amin’ny Baiboly. Rehefa avy nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nandray ny fanahy masina, ary nisy fahagagana roa nanamarina ny fanekena avy tany an-danitra — ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy ny faminaniana.
18. Taiza i Paoly no nanao fanambarana tany Efesosy, ary inona no vokany?
18 Azo antoka fa be zavatra natao i Paoly tao Efesosy, tanàna nisy mponina 300000. (19:8-10, MN ). Ny tempolin’ilay andriamanibavy atao hoe Artemisy dia iray tamin’ireo zava-nahavariana fito teto amin’ny tontolo fahizay, ary ny trano filalaovana tao dia afaka nandray mpijery 25 000. Tao amin’ny synagoga, i Paoly dia ‘nampiasa fandresen-dahatra’ tamin’ny fanolorana fanaporofoan-kevitra nampiaiky, kanefa niala izy rehefa niteny ratsy Ny Lalana, na ny fomba fiaina nifototra tamin’ny finoana an’i Kristy, ny sasany. Nandritra ny roa taona, i Paoly dia niteny tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano isan’andro, ary “ny teny” dia niely nanerana ny faritr’i Azia.
19. Inona no nitranga tany Efesosy ka nitarika ho amin’ny ‘fandrosoan’ny tenin’i Jehovah sy ny nandreseny’ tao?
19 Nasehon’Andriamanitra fa nankasitrahany ny asan’i Paoly tamin’ny famelana azy hanao fanasitranana sy hamoaka demonia. (19:11-20, MN ). Ireo zanakalahy fiton’i Skeva, lohan’ny mpisorona, anefa dia tsy nahavita namoaka demonia tamin’ny anaran’i Jesosy, satria tsy nisolo tena an’Andriamanitra na i Kristy izy ireo. Voaratran’ilay lehilahy azon’ny demonia indray aza izy! Naharaiki-tahotra ny olona izany ka “nankalaza ny anaran’i Jesosy Tompo” izy ireo. Ireo izay tonga mpino dia niaiky ny fanaony nifandray tamin’ny fanahy ratsy ka nandoro ampahibemaso ny bokiny izay toa nisy vavaka sy fitenin’ny mpanao majika. “Araka izany”, hoy ny nosoratan’i Lioka, “tamin’ny fomba nahery, dia nandroso sy nandresy hatrany ny tenin’i Jehovah.” Amin’izao andro izao koa, ny mpanompon’Andriamanitra dia manampy ny hafa ho afaka amin’ny fifandraisana amin’ireo demonia. — Deoteronomia 18:10-12.
Tsy nahomby ny tsy fahaiza-milefitra eo amin’ny ara-pivavahana
20. Nahoana ireo mpanefy volafotsy tao Efesosy no nampitabataba ny olona, ary ahoana no niafaran’izany?
20 Efa nifanatrika matetika tamin’ny vahoaka mpitabataba tezitra ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ireo kristiana tany Efesosy. (19:21-41, MN ). Raha nihanitombo ny isan’ireo mpino, i Demetrio sy ny mpanefy volafotsy hafa dia tsy nahazo vola firy intsony satria nihavitsy ny isan’ireo mpividy ny sarin’ny tempoly volafotsin’i Artemisy, ilay andriamanibavin’ny fahaterahana nisy nono maro. Natosik’i Demetrio ny vahoaka ka nisarika an’i Gaio sy Aristarko, naman’i Paoly, tao an-trano filalaovana, fa i Paoly kosa tsy navelan’ireo mpianatra hiditra tao. Na dia ny sasany tamin’ireo mpikarakara ny lalao aza dia nitalaho taminy mba tsy hisetra izany loza izany. Nandritra ny roa ora teo ho eo, ny vahoaka dia niredona niantso hoe: “Lehibe Artemisin’ny Efesiana!” Nony farany, ny mpitahiry ny didy (izay nitarika ny fitondrana ny tanàna) dia niteny fa afaka mandahatra ny fiampangany teo anoloan’ny governora iray, izay nahazo lalana hanao fanapahan-kevitra ara-pitsarana, ireo mpiasa tanana, na koa azon’ny “fivoriana voatendrin’ny lalàna” tsaraina ny raharahan’izy ireo. Raha tsy izany, dia azon’i Roma natao ny niampanga io fivoriana tsy voatendrin’ny lalàna io ho mpanakorontana. Rehefa avy niteny izany izy, dia nampirava azy.
21. Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’Andriamanitra ny asan’i Paoly, ary amin’ny fomba ahoana no itahiany ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?
21 Nanampy an’i Paoly hiatrika fitsapana samihafa Andriamanitra ary nitahy ny fiezahana nataony hanampy ny olona hanary ny fahadisoana ara-pivavahana ka hanaiky ny fahamarinana. (Ampitahao amin’ny Jeremia 1:9, 10). Velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny fitahian’ilay Raintsika any an-danitra toy izany koa ny asantsika! Araka izany, ankehitriny koa toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia ‘mandroso sy mandresy ny tenin’i Jehovah.’
Ahoana no havalinao?
◻ Ohatra inona no navelan’i Paoly raha ny amin’ny fanekena ny fitarihan’ny fanahy masina?
◻ Tamin’ny fomba ahoana, izay mbola ampiasain’ny mpanompon’i Jehovah, no ‘nanazavan’i Paoly sy nanaporofoany’ zavatra?
◻ Fitoviana inona no hita eo amin’ny fihetsika nateraky ny lahateny nataon’i Paoly tao amin’ny Areopago sy ny fihetsika ateraky ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nameloman’i Paoly tena teo am-panaovana ny fanompoany, ary inona mitovy amin’izany no hitantsika amin’izao andro izao?
◻ Toy ny nataony tamin’ny asan’i Paoly, amin’ny fomba ahoana no itahian’Andriamanitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
[Sary, pejy 16, 17]
Nandresy ny tenin’i Jehovah tany
1. Filipy
2. et 3. Atena
4. et 6. Efesosy
5. Roma
[Sary nahazoan-dalana]
Sary no 4: Studios Manley